ny sampy

41. cutie ( 02/05/2008 21:18)
fijo
fa hampatezitra ndray ve e :-D :-D :-D
42. fijo ( 02/05/2008 21:30)
hi hi hi
43. cutie ( 02/05/2008 21:34)
de miandry an'le boky zany :-D :-D :-D :-D :-D
44. fijo ( 02/05/2008 21:37)
hi hi ih ka le eto anie matahotra rehefa tena handefasana le tena fitiavana e.manjary bedy isika.
45. cutie ( 02/05/2008 21:46)
:-D :-D :-D :-D
aleo hilamina aza raha zany
46. rijadolly ( 03/05/2008 02:21)
zoky Fijo,ty misy valiny iray efa voalazako teo tsara ve ny ataony raha izao.
rijadolly:
ratsy ny sampy satria mampanantena zvatra tsy misy izay tsy hainy atao,mpamitaka ny mpisoronany mpiasa ho an'ilay ratsy ireny.


Ty indray dia valiny ho an'izay mino fa misy Andriamanitra fa tsy ho an' AT
Ny maha ratsy ny sampy dia ampitovin'olona an'Andriamanitra velona,eny noheveriny ho lehibe noho Andriamanitra aza nefa dia asatanan'Andriamanitra izay mbola ovain'olona aza ny endriny.

47. Fody ( 03/05/2008 13:11)
Fijo:

Fanampin'izay voalazan'ny sasany dia izao: indro misy an-dalan-tsoratra lavalava hodinihanao sy hosaintsaininao. Mazotoa e!

Boky ny Fahendrena 13, 10 - 19
10 Mahantra loatra anefa ny mpanompo sampy,
fa zava-tsy manan'aina no nanankinany ny fanantenany,
izy izay miantso ny asan-tanan'olombelona ho Andriamanitra;
dia ny volamena amam-bolafotsy voatefy amim-pahaizana,
ny sarim-biby na vato izay tsy ahoan-tsy ahoana,
asan-tanana fahataloha.
11 Indro misy mpahay taozavatra mikapa hazo maro atao zavatra;
endahany amim-pahakingana avokoa ny hodiny;
dia amboariny amim-pahaizana,
ary amoronany fanaka mahasoa momba ny fivelomana.
12 Nony vita ny ataony, alainy izay sisa eo,
ka andrahoany hanina, hialany hanoanana.
13 Ary ny ambiny farany, tsy azo atao na inona na inona intsony,
fa vailanina sy tonontononana be ihany,
dia raisiny, kapakapainy ho fanalana andro,
ary noho ny fahaizany miasa dia manisy endrika azy izy,
ka ataony sarin'olona
na omeny endri-biby tsinontsinona.
14 Hosorany loko mena mivaivay izy, lokoiny mena ny ivelany rehetra,
ary saronany loko ny panda rehetra.
15 Rahefa izany dia anomanany fonenana mendrimendrika izany,
apetrany manolotra ny rindrina sy homboany amin'ny vy.
16 Tandremany tsara fandrao miongana,
fa fantany fa tsy mahay mamonjy ny tenany ilay andriamaniny,
satria sary vongana foana mila tohana ihany io.
17 Kanefa mivavaka amin'io izy ny amin'ny momba ny fananany,
na ny fanambadiany, na ny zanany,
ary tsy mahamenatra azy akory izany hoe:
miteny amin'ny zavatra tsy manan'aina.
18 Mangataka fahasalamana amin'izay tsy manan-kery izy;
ary fiainana amin'izay maty,
ary vonjy amin'izay tsy mahefa na inona na inona;
mangataka ho tsara dia, amin'izay tsy afaka manetsika ny tongony.
19 Mba ho azo antoka ny filany tombony, ny raharaha iandraiketany, ny fahavanonan'ny asany;
mangataka tanjaka izy amin'izay osa tanana indrindra.



Boky ny Fahendrena 15, 7 - 13:

7 Satria indro misy mpanefy vilany anankiray, mikezaka mandity tanimanga malemy:
samy fasian-javatra ampiasaintsika avokoa aloha no ataony,
ka tanimanga iray ihany no namoronany
fasian-javatra fanao amin'ny zavatra misy hajany,
ka tsy avahany akory na hatao inona na hatao inona avy izany:
fa ny mpanefy vilany ihany no hanapaka izany.
8 Manaraka izany, asa fanoherana ny fivavahana no ataony, fa ilay tanimanga ihany
no amoronany andriamanitra tsy izy,
dia izy izay natao tamin'ny tany fahiny,
sy mbola hiverina faingana amin'ny tany nangalana azy,
rahefa avy izay hitakiana aminy ny fanahy nampindramina azy.
9 Samy tsy ahiny akory anefa, na ny heriny mihalany,
na ny hafohin'ny andro iainany;
fa maninana an'ireo manefy volamena sy volafotsy izy;
maka tahaka an'ireo mpanefy varahina izy,
ary hataony ho voninahiny, ny manao endri-javatra manodoka.
10 Manahaka ny lavenona ny fony,
ambany noho ny tany ny fanantenany;
ary latsa-danja noho ny tanimanga ny ainy.
11 Satria izy tsy nahalala ilay nanao azy,
izay nampiditra fanahy miasa ao aminy,
sy nametraka fofon'aina taminy.
12 Nataon'izy io ho filalaovana ny fisiantsika;
ary ho tsena fivoriana hitadiavana tombom-barotra ny fiainantsika;
fa tsy maintsy manao izay rehetra mety hihariana, hoy izy, na dia amin'ny heloka aza.
13 Satria fantany tsara fa izay meloka indrindra amin'izy rehetra,
dia izy izay sady manao fasian-javatra malia no namorona sampy koa amin'ny tany iray ihany.
14 Kanefa samy adala dia adala avokoa,
ary latsa-danja noho ny fanahin-jaza aza,
ireo fahavalon'ny vahoakanao, izay manindry azy amin'ny fahoriana.
15 Satria nataon'izy ireo ho andriamanitra avokoa ny sampin'ny firenena,
izay tsy afa-mampiasa ny masony hijery
na ny vavorony hiaina rivotra,
na ny sofiny hihaino,
na ny rantsan-tanany hitsapa,
ary tsy afa-mamindra ny tongony.
16 Olombelona no nanao azy ireny;
izay nampindramina fofon'aina no namorona azy.
Tsy misy olombelona mahavita andriamanitra mitovy amin'ny tenany akory.
17 Satria noho izy mety maty dia zavatra tsy manan'aina ihany no mety vitan'ny tànany mankahala ny fivavahana.
Ambony noho ireo zavatra ivavahany izy,
fa izy manan'aina ahay; ary ireo tsy nanana na oviana na oviana.
18 Anaovan'izy ireo fombam-pivavahana izay biby maharikoriko indrindra,
sy ratsy amin'ny biby rehetra raha ny hadalana no hitsarana azy,
ka tsy misy soa kely akory ao aminy mety hampitia azy
toy ny endriky ny biby hafa;
7 Satria indro misy mpanefy vilany anankiray, mikezaka mandity tanimanga malemy:
samy fasian-javatra ampiasaintsika avokoa aloha no ataony,
ka tanimanga iray ihany no namoronany
fasian-javatra fanao amin'ny zavatra misy hajany,
ka tsy avahany akory na hatao inona na hatao inona avy izany:
fa ny mpanefy vilany ihany no hanapaka izany.
8 Manaraka izany, asa fanoherana ny fivavahana no ataony, fa ilay tanimanga ihany
no amoronany andriamanitra tsy izy,
dia izy izay natao tamin'ny tany fahiny,
sy mbola hiverina faingana amin'ny tany nangalana azy,
rahefa avy izay hitakiana aminy ny fanahy nampindramina azy.
9 Samy tsy ahiny akory anefa, na ny heriny mihalany,
na ny hafohin'ny andro iainany;
fa maninana an'ireo manefy volamena sy volafotsy izy;
maka tahaka an'ireo mpanefy varahina izy,
ary hataony ho voninahiny, ny manao endri-javatra manodoka.
10 Manahaka ny lavenona ny fony,
ambany noho ny tany ny fanantenany;
ary latsa-danja noho ny tanimanga ny ainy.
11 Satria izy tsy nahalala ilay nanao azy,
izay nampiditra fanahy miasa ao aminy,
sy nametraka fofon'aina taminy.
12 Nataon'izy io ho filalaovana ny fisiantsika;
ary ho tsena fivoriana hitadiavana tombom-barotra ny fiainantsika;
fa tsy maintsy manao izay rehetra mety hihariana, hoy izy, na dia amin'ny heloka aza.
13 Satria fantany tsara fa izay meloka indrindra amin'izy rehetra,
dia izy izay sady manao fasian-javatra malia no namorona sampy koa amin'ny tany iray ihany.
14 Kanefa samy adala dia adala avokoa,
ary latsa-danja noho ny fanahin-jaza aza,
ireo fahavalon'ny vahoakanao, izay manindry azy amin'ny fahoriana.
15 Satria nataon'izy ireo ho andriamanitra avokoa ny sampin'ny firenena,
izay tsy afa-mampiasa ny masony hijery
na ny vavorony hiaina rivotra,
na ny sofiny hihaino,
na ny rantsan-tanany hitsapa,
ary tsy afa-mamindra ny tongony.
16 Olombelona no nanao azy ireny;
izay nampindramina fofon'aina no namorona azy.
Tsy misy olombelona mahavita andriamanitra mitovy amin'ny tenany akory.
17 Satria noho izy mety maty dia zavatra tsy manan'aina ihany no mety vitan'ny tànany mankahala ny fivavahana.
Ambony noho ireo zavatra ivavahany izy,
fa izy manan'aina ahay; ary ireo tsy nanana na oviana na oviana.
18 Anaovan'izy ireo fombam-pivavahana izay biby maharikoriko indrindra,
sy ratsy amin'ny biby rehetra raha ny hadalana no hitsarana azy,
ka tsy misy soa kely akory ao aminy mety hampitia azy
toy ny endriky ny biby hafa;



Misaotra !
48. pissoa ( 03/05/2008 13:55)
fijo:

tsy ny nanombokao no ilana valiny fa ny fanontaniana.ka valio raha hafaka mamaly.

Izaho angaha moa nanome valiny ilay fanombohana ... Nampatsiahiviko anao fotsiny fa toa tsy tadidinao akory mantsy ny nosoratanao !
Fijo tamin'ny vpalohany:
ny finoan akristianina moa dia samy milaza daholo fa ratsy ny sampy.sns.
ny fanontanian atsotra apetrako dia hoe ,mba omeo fanazavana na profo hoe aho,fa ratsy tokoa izy io?

dia avy eo nivadika hoe
Fijo:

atramin'izao dia,resaka momba ny hevitra kristianina momba ny sampy no itako,fa tsy le fanontanianko no valiana.
averiko.

hoanareo izay milaza fa ratsy ny sampy.azavao amiko hoe na porofoy ny maha ratsy azy io???izay no mila valiny fa tsy hoe ahoan ano fomba fijerinareo mpino ny sampy.izay tsy ilaiko satria efa haiko ny valiny.

Ny nolazain'ny Kristianina no hilanao fanazavana, ka lazainao indray avy eo fa tsy ny hevitra Kristianina no ilainao ! :-D :-D :-D :-D :-D
49. ikaretsaka ( 03/05/2008 14:49)
rehefa dinihina de eo @ le sens an'ny sampy fotsiny isika dia efa misampana:

ilay sampy aza ange mbola tsy hay le definition-ny hatramin'izao e..hatramin'ilay resaka farany iry dia misy def 2 sahady ny famaritana ny sampy arakaraky ny fijery tsirairay
ny irahana manaiky aloha dia hoe "harin-tranan'olombelona" ilay sampy e na zava boahary fa no modifiern'ny olona ho hisy antony manokana

le zavatra atao hoe Atra mihitsy ve,
50. rijadolly ( 03/05/2008 15:30)
Ny fahazoko ny heritreritry fijo ndray ry ika dia ny hoe maharatsy ny sampy ilay atao ho andriamanitra mihitsy.Tsy amin'hevitra Kristianina na mpino an'Andriamanitra Nahary izao tontolo izao ny valiteny tedaviny an!Fa ra izay de efa mazava aminy ny hevitsika fa tsy atakalotsika an'ilay Nahary sy ny Zanany,fa oh hoe ratsy rijadolly satria nahoana?Dia zay no natonga ahy anavaka tsara ny valiteniko anak2,ho an'izay tsy mino an'Andriamanitra sy ny mpino tahaka antsika.Azo raisina hoan'mpino avokoa nefa izy roa.
rijadolly:

1)Ny maha ratsy ny sampy dia ampitovin\'olona an\'Andriamanitra velona,eny noheveriny ho lehibe noho Andriamanitra aza nefa dia asatanan\'Andriamanitra izay mbola ovain\'olona aza ny endriny.HOAN4MPINO IRERY IHANY

2)ratsy ny sampy satria mampanantena zvatra tsy misy izay tsy hainy atao,mpamitaka ny mpisoronany mpiasa ho an\'ilay ratsy ireny. HOAN' AT http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Salamo&Toko=115



51. pissoa ( 03/05/2008 17:19)
[quote=Ikaretsaka]
sa izay rehetra fitaovana entina mamantara sy manantona ary manao bebe kokoa ny asan'Atra? ,
52. ikaretsaka ( 03/05/2008 17:30)
fa io ngamba hoa no hamaritany azy e
53. Fody ( 04/05/2008 17:13)


Fijo:

Ny resaka Baiboly dia efa nomeko io ambony io: mazoto mamaky

Raha izay zavatra nambaran\'i fijo ihany indray no hamaliana azy dia misy ohatra iray ity ilazana fa ratsy ny sampy: http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47d9869a126d2

Raha ny zava-misy iainana andavan\'andro indray dia izao: Ny mpanompo sampy no mivaoka mamosavy, ka raha tsara ny mamosavy (mivoaka alina) ho an\'i fijo dia dia tsy iadiko hevitra, fa ho ahy sy ny olona mitovy fijery amiko dia ratsy izany.

Misaotra e!

54. xxx ( 04/05/2008 17:32)
ny finoan akristianina moa dia samy milaza daholo fa ratsy ny sampy.sns.
ny fanontanian atsotra apetrako dia hoe ,mba omeo fanazavana na profo hoe aho,fa ratsy tokoa izy io?


Raha fomba fijery kristianina( eny na dia ireo mpivavaka), ny atao sampy dia izay karazan-java-boaary, na asan-tanan'olombelona izay hasolo ny toeran'Andriamanitra eo @ fiainana.
Ny lòjika voalohany : dia tsy tokony zava-boaary no asolo toerana an'Andriamanitra. Satria @ maha-zv-boaary azy izay dia mifanohitra be @ ilay hoe : Mpahary. Izany hoe : être créé et fini( manam-petra).
Ny lòjika faharoa : izany hoe, tsy tokony isika no hi-déterminer an'Andriamanitra hotompoina( na hanamboatra Azy). Rah ts'izany dia reflet-ntsika ihany ilay andriamanitra fa tsy tena izy. Fa ny tena izy dia : Izy no Mpahary, Izy no nifidy sy nampahalala tamintsika.
Ka ny sampy izany dia karazana faux Dieu ihany. Ka rah izay no hotompoinao dia mamita-tena no manaiky gejain'ilay zavatra foroninao.

Rah @ fiainana maha-olona fotsiny indray dia miseho @ endrika maro samihafa ny sampy : vola, fahefana, voninahitra, rafi-piaraha-monina, sns. Manintona kanefa mangeja ireo zavtr ireo rah atao ho solon'Andriamanitra. Qui dit andriamanitra dia misy tsy maintsy misy sorona atolotrao azy.
Ka raha ny vola, ny fahefana, ny voninahitra na koa idéologie no atao andriamanitra dia : ny fahamarinana, ny fandriam-pahalemana, ny hasina sy ny aina maha-olona no sorona atolotra. Izany hoe : vonoinao ireo soatoavina manandratra ny maha-olona ireo hahazoanao ilay zavtra tompoinao.

Raha tena Andriamanitra tena izy anefa dia mifanohitra @ izay, satria : " La Gloire de Dieu, c'est l'homme vivant et heureux". Voninahitra ho an'Andriamanitra ary Fiadanana ho an'ny olona.

Dia izay re ry Fijo no maha-ratsy an'ilay sampy. Na ahoana ny fisehoany ety ivelany dia voalohan' indrindra dia sady mangeja no manimba ny maha-olona.
55. ikaretsaka ( 04/05/2008 17:45)
ny sekta sy ny politika koa izany sampy raha azoko tsara...
ireny anefa tsy zavatra azo tsapain-tanana (objet)
56. xxx ( 04/05/2008 20:42)
afaka manazava ve ianao, inona no maha-sampy azy ?

asan-tanàn'olombelona : aza raisina ara-bakiteny loatra.

Raha kisarisary na sari-vongana izany tany am-boalohany, dia lasa manière de pensée izany taty aoriana.
Raha niteny ry Lénine sy ry Marx fa ny socialisme no modely-na société lafatra indrindra ary manandratra ny maha-olona. Dia vokany, dia tsy maintsy misy sorona atolotra ho @ izay mba hotafatsangana ilay idéologie. Tsy inona ireo sorona ireo fa : ny fahafahana mitsikera, ny propriété privée, ny fahasamihafana, sns.
Nisy sorona humain koa mazava ho azy : dia ireo gadra pòlitika maro be izay tsy nanaiky an'io rafitra io ka novonoina tao @ goulag.

Ka na io religion io aza ataonao toy ny fananana tompoina dia lasa sampy.


57. majesty ( 06/05/2008 16:56)
Ny azoko lazaina angamba dia hoe raha tsy ao anatiny tsy mahita hoe tsara io na ratsy fa raha ny fijery ivelany fotsiny tsy ampy hanazavana azy.
Ohatra :fomba ahoana no ahafahako milaza fa ratsy ny manana télé nefa za ary tsy mbola ary nanana akory hatramin'izay niainako.
58. ikaretsaka ( 06/05/2008 17:06)
majesty:


Ohatra :fomba ahoana no ahafahako milaza fa ratsy ny manana télé nefa za ary tsy mbola ary nanana akory hatramin'izay niainako.


ary raha nisy olona niteny na namaky boky momba ny mahatsara na maha ratsy ny manana tele i majesty de ahoana?


:-D :-D :-D
59. fijo ( 06/05/2008 20:16)
i rijadolly sy i fody izao no niezaka namaly.ilay fanontaniana.

"atsy ny sampy satria mampanantena zvatra tsy misy izay tsy hainy atao,mpamitaka ny mpisoronany mpiasa ho an'ilay ratsy ireny."

ary ny finoana an'andriamanitra ve tsy mampanantena zavatra tsy misy?????mampanantena fiadanana izy?aiz aio izao?
mampanantena fitiavan aizy,aiza izany izao???

"Ny maha ratsy ny sampy dia ampitovin'olona an'Andriamanitra velona,eny noheveriny ho lehibe noho Andriamanitra aza nefa dia asatanan'Andriamanitra izay mbola ovain'olona aza ny endriny."

olona tsy mbola niditra doany n miteny eto ngamba.raha efa niserasera tamin'ny mpanompo doany dia aahalala tsara,fa tsy ilay"lazain afa sampy"no atao hoe zanahary.lalana hiampitana any fotsiny io.toa ny "masina" amin'ny katolika.

"0 Mahantra loatra anefa ny mpanompo sampy,
fa zava-tsy manan'aina no nanankinany ny fanantenany,
izy izay miantso ny asan-tanan'olombelona ho Andriamanitra;
dia ny volamena amam-bolafotsy voatefy amim-pahaizana,
ny sarim-biby na vato izay tsy ahoan-tsy ahoana,
asan-tanana fahataloha."

io dia mitovy amin'ilay voalaza etsy ambony.averiko fa tsy zanahary akory ny "sampy"heverinareo.fa fitaovana hifandraisana aminy.ny vahiny izay tsy nahalala akory ny finoana nentindrazana,no nihevitra fa io no hivavahany.

rehefa dinihina ireo valinteny ireo,dia hafaka milaza koa ny mpino ny fombandrazana,fa manompo sampy ny kristianina satria milaza fa masina ny baiboly,izay tsy inoan akory fa boky mirakitra tantaran'ny firenena iray teto an tany.
60. ikaretsaka ( 06/05/2008 21:17)
fijo:
io dia mitovy amin'ilay voalaza etsy ambony.averiko fa tsy zanahary akory ny "sampy"heverinareo.fa fitaovana hifandraisana aminy.

ah raha izay no fijhevitr'i fijo ny sampy dia hafa indray ka...
raha atao solon-janahary izy de ratsy
fa raha fitaovana araka ny teninao ho enti mifandray @ njanahary (izay ny definition anao) dia ieee tsara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081