Manomboka @ vola Mai dia valizy iray sisa,marina ve izany?

1. niryna ( 25/04/2008 20:04)
Nisy olona nilaza fa manomboka ny volana Mai izao hono dia valizy iray sisa no zo azo hoentina rehefa mivoaka?Izany hoe lasa izy nitondra valizy roa fa miverina izy iray sisa, ilay iray kely hono dia andoavana vola $ 25 ary raha misy hafa dia $125 isaky ny valizy,izany hoe valizy iray sisa izany fa tsy roa toy ny taloha intsony(iny koa moa dia efa nihena ho 24 kg x 2 kanefa taloha 32 kg x 2 isaky ny olona.
Misy samy hafa ny toerana andehanana ka arakarany ilay lanja saingy lasa iray daholo sisa hono rehefa miverina izy .
Misy fahamarinany ve izany ary na aiza aleha fa tsy any dago ihany io an.
Sao mba misy mahalala ny tena marina hianareo
misaotra mialoha e
novalian'i niryna ny 09/05/2008 18:44
2. yonikafopl ( 25/04/2008 20:46)
Mivoaka avy aiza io???
De tsy arakaraka ny airline andehanana kou ve ny lanjan'ny entana eeee??
3. Papoose ( 26/04/2008 02:07)
tsy dia inoako loatra aloha raha tsy misy profo eee!!
satria za zao efa ni-book ticket dia mino aho fa tokony nampilaza ao @ websiteny le airline raha nisy ny fiovana!
4. jennifer2 ( 26/04/2008 12:45)
fa hody sahady ngah papoose?

ny fantatrofotsiny aloha de nihena ny lanjan'ny entana azo entina. nandeha tany USA ny namanay 35kg x 2 ny azo entina, niverina nefa izy de nihana 40kg ny fitambarany. de t@ ty taony ty tsy haiko intsony ny fidinany fa mbola nidina ihany hoy le namanay sasany vo lasa any. tsy nanontany aho hoe firy.
5. ikaretsaka ( 26/04/2008 13:14)
arakaraky ny airlines sy ny class n'ny ticket alaina kosa io angamba
6. yonikafopl ( 26/04/2008 13:26)
raha azoko tsara zany , rehefa mandeha any USA de aleo tonga de tsy mitondra entana betsaka fa so de sady tsy maintsy avela any ny sasany no tsy afaka mitondra kado akory?? So de mba mamalifaty am ty dolarany nidina dia nidina ty re lekary hihihiiih :-D :-D :-D
7. jennifer2 ( 26/04/2008 13:34)
ny tenanay moa zany tsy maintsy makany @ ny andro iray noho ny asa aman-draharaha de tena efa vita kajy ny entana hoentina koa. Angamba akanjo hisoloana eo @ 10kg eo no entina. Mba firy eo ho eo reto no isan'zany??? sokely loatra ihany??? :roll: :roll:
8. ikaretsaka ( 26/04/2008 14:32)
yonikafopl:

raha azoko tsara zany , rehefa mandeha any USA de aleo tonga de tsy mitondra entana betsaka fa so de sady tsy maintsy avela any ny sasany no tsy afaka mitondra kado akory?? So de mba mamalifaty am ty dolarany nidina dia nidina ty re lekary hihihiiih :-D :-D :-D


de efa miomana @ 125$ isaky ny valizy izany ko!
9. fahamarinana ( 26/04/2008 17:03)
:arrow: tena mazana be zany any aminareo any zany,very aho gasy be entana,oviana za no ho valizy iray zany sisa no azoko entina,maka tombony kely aza atao.Sady mbola handoa vola koa,mazana be zany ry reto. (l)
10. Papoose ( 26/04/2008 22:31)
fa hody sahady ngah papoose?


andeha hody papoose hanao bizna atood fa he zany izy hampandoavin'ny olona extra @ entankely!
11. Veloo ( 27/04/2008 00:30)
papoose hahahha
ilay oe mois de mai tsy fantatro fa raha air france aloha vol directe dago dia mba mandray 32kg x 2 fa mando $50. zay zao ny samaine lasa. raha voa miova avion ohatra oe United de avy eo air france na hafa dia tsy mety mandray poids be ny United, ny tsara dia manao vol directe.
12. niryna ( 27/04/2008 04:13)
yonikafopl:

Mivoaka avy aiza io???
De tsy arakaraka ny airline andehanana kou ve ny lanjan'ny entana eeee??

Taloha afaka mitondra entana na firy na firy valizy ary andoavana vola daholo fa manao fangatahana.Roa ny zo azon'ny olona hoentina izany hoe 32kg x2 saingy misy refiny ny valizy, ny iray lehibe ,ny iray kelikely ,dia miampy ny baggage a main roa ,dia rehefa mavesatra dia omena an-dry zareo indray dia tsy maninona.
Izao tsy 32 kg intsony fa lasa 26 kg ary raha mbola mitondra ilay 32 hianao dia mandoa vola $50 dollars,mody any dago io a ary any Amerika ny fiaingana a.Dia mandoa $ 125 isaky ny tombony.
Ity resahiko ity indray dia namana lasa nandeha any chine, ary avy eo mandeha any Japon ,dia afaka mitondra entana 50 kg roa ary rehefa miverina iray ihany,efa noteneniny mialoha ilay izy fa valizy iray ihany no hoentina miverina eto Amerika,hiova hoy ilay nividianany billet ny rehetra ary dia hiena toy izany koa ny entana hoentina.


13. niryna ( 27/04/2008 04:23)
Papoose:

tsy dia inoako loatra aloha raha tsy misy profo eee!!
satria za zao efa ni-book ticket dia mino aho fa tokony nampilaza ao @ websiteny le airline raha nisy ny fiovana!

manontania ihany fa niova ny isan'ny entana,ny refiny ,ny lanjany ary efa voa aho tamin'ny nandeha nody fa nozaraina ny olona daholo ny entana noentina .
Ary matetika koa na taraiky ny entana na misokatra ary misy aza very avy any Paris,dia tataka daholo ny valizy ary nalain'ireo olona ny entana,na nanao fitarainana aza ny tena dia tsy nizy vokany.Koa mitandrema,fonosy zavatra ao anatin'ny valizy ambony sy ambany.Raha zavatra tsy tiana ho very dia hoento an-tanana,toy ny akanjo ihany koa asio ambiny manaraka fa misy aza herinandro vao tonga ilay izy.
Dia ny dianay tao Paris indray :
Ny valizy nisy nanokatra ihany koa ary nalainy daholo ny entana ka lasa maivana ny valizy,misy mandidy ny entana, tao France no mitranga ilay izy,na dia teo ihany koa aza izahay no nivezivezy dia nisy nandrovitra ny valizy ary nopotehiny ny fermeture ka nisanasana fotsiny ilay valizy.Dia hoy ry zareo hoe mandehana mandeha any amin'ny polisy tss,tsy nety nandray ny fitarainana ry zareo ka rehefa nody izahay dia nasiako nofonosiny ireny plastique be ireny ny valizinay rehetra ary tsy nandoavana vola.

14. niryna ( 27/04/2008 04:25)
jennifer2:

fa hody sahady ngah papoose?

ny fantatrofotsiny aloha de nihena ny lanjan'ny entana azo entina. nandeha tany USA ny namanay 35kg x 2 ny azo entina, niverina nefa izy de nihana 40kg ny fitambarany. de t@ ty taony ty tsy haiko intsony ny fidinany fa mbola nidina ihany hoy le namanay sasany vo lasa any. tsy nanontany aho hoe firy.

Jennifer2 a 32 kg x2 dia lasa 26kg x2 ary misy refiny ilay valizy ,dia lasa sarotiny be indray ry zareo dia tsy fantatra intsony fa raha izao no mitohy toa reraka be ihany ny hody k'ty

15. niryna ( 27/04/2008 04:27)
yonikafopl:

raha azoko tsara zany , rehefa mandeha any USA de aleo tonga de tsy mitondra entana betsaka fa so de sady tsy maintsy avela any ny sasany no tsy afaka mitondra kado akory?? So de mba mamalifaty am ty dolarany nidina dia nidina ty re lekary hihihiiih :-D :-D :-D

marina izany ,ary entana kely hoentina satria toa lasa mividy zavatra aty daholo ny olona fa lazainy mora hono indrindra ireo olona mipetraka ao France,sady lazainy fa tsara ny jean.

:D
16. niryna ( 27/04/2008 04:31)
yonikafopl:

raha azoko tsara zany , rehefa mandeha any USA de aleo tonga de tsy mitondra entana betsaka fa so de sady tsy maintsy avela any ny sasany no tsy afaka mitondra kado akory??

ny souvenir betsaka ka raha mitondra entana betsaka tokoa dia mety tsy mahazaka
So de mba mamalifaty am ty dolarany nidina dia nidina ty re lekary hihihiiih :-D :-D :-D
toa tsy misy hidiran'ilay fidinany ilay izy fa lasa sarotiny be ry zareo tao aorian'ilay zavatra nitranga iny ary na zavatra tsy misy dikany aza dia lasa mamorona asa maro tsy dia mamokatra


:D lasa mahita hevitra daholo izay te -hamorona rehetra izao.
17. niryna ( 27/04/2008 04:33)
ikaretsaka:

arakaraky ny airlines sy ny class n'ny ticket alaina kosa io angamba


mety misy fahamarinana ihany io ary misy koa ny marimaritra hiraisan'ireo airlines .
Fa ny sakafo aloha dia lasa tena tsy mamokatra intsony e,toa mihinana tanalahy
:D
18. niryna ( 27/04/2008 04:38)
fahamarinana:

:arrow: tena mazana be zany any aminareo any zany,very aho gasy be entana,oviana za no ho valizy iray zany sisa no azoko entina,maka tombony kely aza atao.Sady mbola handoa vola koa,mazana be zany ry reto. (l)

ka eo indrindra ilay fitiavankavana ka,dia aleo angamba mividy any an-tanana.Kanefa toa tsy tiandry zareo fa fitaka daholo hono no tena betsaka any kou.Ny ahy anefa toa tiako ilay karaza jean vaovao any amintsika,sa ireny mora lozitra ?

:D Tsy ny aty aminay ihany aky a,fa nihena koa ny entana noentina ao Paris hono a,sa tsy mitombona izany?
Mavoa tokoa aloha ny olona ao e,indrindra raha misy manana fanafody marobe dia ireny hoentina omena ny havana na calcium izany na vitamina ,na fanafody ilaina an-davanandro sady toa tsy mandoa vola hono ny olona amin'ny fitsaboana ?
19. niryna ( 27/04/2008 04:40)
Papoose:

fa hody sahady ngah papoose?


andeha hody papoose hanao bizna atood fa he zany izy hampandoavin'ny olona extra @ entankely!

tonga soa aky papoose a ,dia tsara mandroso ,tsara miverina.mandalova ao amin'ny by-pass indrindra raha mahatratra ny pentecote any indry fa feno olona sy fiara marobe mihitsy eny,sady mahafinaritra be vao manomboka ny zoma hariva

:D
20. niryna ( 27/04/2008 04:46)
Veloo:

papoose hahahha
ilay oe mois de mai tsy fantatro fa raha air france aloha vol directe dago dia mba mandray 32kg x 2 fa mando $50. zay zao ny samaine lasa. raha voa miova avion ohatra oe United de avy eo air france na hafa dia tsy mety mandray poids be ny United, ny tsara dia manao vol directe.


Veloo a raha hoe ao France no maka direct dia mety fa raha ohatra ka aty Amerika dia tsy misy ny direct izany fa na hianao mijanona maka vol ao CDG na ao Orly vao afaka maka vol andeha hody any Dago.Dia manao transfer mandeha bus .Vitsikely ny olona mandeha any amintsika avy aty ary dia tsy ho hisy mihitsy ny vol direct izany raha hatramin'izao aloha e,sa ahoana izy izany ?
Satria ny Air France mihitsy no nanome ny entana ,ny refiny,ny lanjany dia mandoa ilay $25 /valizy,masay e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5906