Mba mitady re7-na ovy (pomme de terre)!!!

21. miora2008 ( 09/04/2008 09:03)
slt
marina fa mankaleo ny ovy fa maro koa anie ny tombontsoa azo avy aminy e!:
jereo tsara ary tandremo sao noana eo an
_mila ovy bien sur,portion na beure izay tiana,tongolo maintso,champignon noir karoty.ataovy lavalava ny ovy sy ny karoty dia endasina @beure dia asiana sira kely toy izay koa ny sampinion dia asiana potipotika omelette dia oignon notetehana sy nytongolo maitso dia pincena poivre kely hummmmmmmmmmmm! aoka fotsiny
mazoto daholo
22. Rafotsy ( 09/04/2008 09:53)
ikalapeta:

Merci Rafotsy!!! ilay ovy ve atao miaraka à hodiny? merci!

karinah. :lol:


Ie , miaraka @ hodiny !
Novakiko fa ny zanakao no tia ovy , ka azo soloina jambon ny lardons , dia aza adino ny sira sy dipoavra kely !
23. karinah ( 09/04/2008 10:09)
d'acc! sahirana mintsy zah mitady menu fa tsy maintsy à base-na ovy,na pâtes vao minana izy!!mhhh
ny dipoavitra tazomiko anah, fa izy mbola tsy matanty !hi!hi!
Misaotra betsaka Rafotsy ah!!!
24. booboo ( 09/04/2008 10:53)
Rafotsy > misaotra t@ ilay recette fa handramako indray io. :D
25. karinah ( 09/04/2008 10:56)
Miora: atao lavalava otrany manao catlès izany?merciiii eh, hisy azy izy amreo!!! :lol:
:wink:
26. karinah ( 09/04/2008 10:57)
booboo: tsy maka sarotra :lol: njy an!!!! :D
27. karinah ( 09/04/2008 11:06)
ikaretsaka:

azo atao frittes kao ny hodin'ny ovy a
manainkintenda le ankizy zany kah!!!


:roll:
28. veromahefa ( 09/04/2008 11:28)
tartiflette :
Ovy maromaro (atao hoe 1kg na mahery)
Lardon (lay iray paquet iny; asa moa 250g sa 500g iny)
Reblochon (na fromage hafa natokana mihitsy ho an'ny tartiflette)
Crème fraîche 1 boaty
sira, dipoavatra

Voasana ny ovy dia sasana, tetehana boribory (eo amin'ny 0.5cm eo manaraka ny sakany) ahandroana amin'ny ranon-tsira ka tandremana tsy ho potika.Tsihifina tsara avy eo.
Endandasina miaraka amin'ny lardon sy dipoavatra kely (afaka tsy asiana) ilay ovy avy eo, mety in-3 na in-2 manendy arakaraky ny habetsany, ka tsinjaraina toy izany koa ilay lardon
Afanaina ny lafaoro; araraka anaty lasitra ilay ovy teo; rehefa izany dia tetehana boribory ilay reblochon (zaraina 4 raha vita) dia alahatra eo antampon'ilay ovy teo
Rarahana ilay crème fraiche avy eo dia atsofoka anaty lafaoro...
Masaka izy rehefa mendy ny tapony
Mazotoa homana
29. kiadi ( 09/04/2008 12:00)
[quote=ikaretsaka]
kiady> ieeee taoko iiiiiiiii.. sady tena fier..
elahy nga tsary izy?
[/quo
ny renibehiko avy any! zany oe manana origine avy any zay!


30. kiadi ( 09/04/2008 12:05)
feculent ange ny ovy ry azareo ka mapatavy eh!
31. Rafotsy ( 09/04/2008 13:51)
Ireto koa misy recettes fanaoko ny zanako tamin'ireo mbola kely :
galettes de pommes de terre :
Raper na ny pomme de terre dia fihizina tsara analana ny ranony , atao anaty saladier dia asina oignons hachés , 1 na 2 sotro de farine arakaraky ny habetsaky ny pdt nao , atody iray en entier , crème fraiche épaisse , izay herbe tinao , sel , afagaro ireo , dia volavolaina @ tanana ,atao boribory sy fisapisaka dia endasina @ menaka kely , ny poele téfal ( tsy manao pub zah an ) ampiasaina @ izay tsy miraikitra sady tsy mila menaka betsaka
Croquettes de pomme de terre :
Manao purée na ambona purée andrasana mangatsika tsara , dia asina atody , rapé , sira kely , ampio farina raha boledaka loatra dia ataovy eo ambonina plaque dia etaler lo tsara 1 na 2 cm ary eo tapao lavalava izay tinao dia endaso kely ao anaty la poele ( mbola tefal ihany , tsy mahazo commission zah an :-D :-D )! Rehefa doré tsara iny dia vita !
Ny mahafinaritra @ ireo recettes ireo dia afaka mi préparer azy miaraka @ ilay zanakao ianao ! Fanaoko matetika t@ ny zanako mbola kely , dia izaioindray izy no mampianatra azy ny zafikeliko !
32. karinah ( 09/04/2008 22:06)
hi!hi!hi! Merci Rafotsy fa afa-po tsara mintsy aho!!! :-* :-* :-* :D
33. karinah ( 09/04/2008 22:09)
kiadi: :-D :-D :-D miaraka mihaina isika sy Toi izay 1 tafahaina 1°, ny anah ny kibo lasa konkoa! lol ,refa tsy malany kalaratsy de zah dol minana ny ambony! :?
34. karinah ( 09/04/2008 22:11)
Vero: merciiiii, mba miala @ dauphinois indray klo nahazo an'io!miciiiii!!!! :-* (l) :-* :-* :-*
35. soanja ( 11/04/2008 05:49)
Ny ahy indray dia ny bojibojika ovy sy selery mifangaro ronono velona no tena fanaoko amin'ny ririnina ka lasopy ny fisehony.

-Ovy maromaro ihany 1/2kg ohatra
-Tongolo vodiny lehibe iray
-selery iray fehezana
- Ronono feno na half and half atsasa-kaopy
-Ron'akoho 2 kaopy
-Dobera 2 sotrokely vazaha
-sira sy dipoavatra

(Kotomila na chives na hafa manimanitra)

Hafanaina ny menaka na dobera dia endisana vetivety ny tongolo vodiny iray efa voatapatapaka. Voasana tsara ny ovy dia atao retidretika avy eo rehefa afaka 3 minitra dia arotsaka ao anaty menaka sy tongolo mendy. Afangaroana tsara. Rehafa somary mendy ny ovy dia arotsaka ny ron'akoho. Avela hikotrika tsara ka rehefa halemy ny ov vao arotsaka ny selery voatapatapaka faran'izay manify tokoa. Afangaroana tsara. Asiana sira sy dipoavatra. Rehefa halemy tsara ireo afaka 20 minitra mahery bojebojehina amin'izay ny ovy ary arotsaka ao ny ronono atsasa-kaopy. Avela hangotraka kely dia aroso mafana. Rehefa mandroso azy dia azo asiana zava-manitra manome tsiro sy loko tsara azy toy ny kotomila na tongolo maintso voatapatapaka tsara na hafa. Mazotoa homana.

36. karinah ( 12/04/2008 19:23)
:miam: :miam: :miam: hihih,merci Soanja!!! :wink:
37. soanja ( 14/04/2008 02:06)
karinah:

:miam: :miam: :miam: hihih,merci Soanja!!! :wink:


tsy misy fisaorana fa mazotoa homana o.


38. soanja ( 14/04/2008 02:57)
Ny Gnocchi koa dia anisan'ny sakafo matsiro avy amin'ny ovy.

Tanehina amin'ny entona ny ovy vitsivitsy dimy na enina. Rehefa malemy dia voasana tsara ary bojehina miaraka amin'ny lafarinina telo sotro lehibe. Asiana sira sy dipoavatra mifanaraka amin'ny fitiavan'ny tsirairay.

Rehefa mifangaro tsara dia maka toerana malalaka, asiana lafarinina ilay toerana dia atao lavalava na toa saosisa na bibilava ny halavany feta maheriherin'ny ovy sy lafarinina ary tapatapahana 2 cm eo ho eo.

Rehefa avy eo dia arotsaka ao anaty rano mangotraka na ranon-tsakafo toy ny ronakoho na lasopy misy henanakoho ohatra dia andrahoana miaraka ao ny rehetra ka tsy arotsaka io gnocchi io raha tsy efa akaiky ho masaka 20mn ny lasopy.

Azo atao koa anefa ny mampangotraka azy ka rehefa mitsikafona elaela ao anaty rano mangotraka izy dia tsihifina ny rano. Atao anaty lovia misokatra afaka mandeha anaty lafaoro avy eo asiana pasta sauce na fromazy eo amboniny sns ka hafanaina ao anaty lafaory efa mafana. Dia aroso mafana, atao solon'ny pasta .
39. karinah ( 14/04/2008 16:29)
miammmmm!!! :miam:
40. mirabel ( 14/04/2008 17:41)
ity koa misy hachis parmentier raha tianareo
Ingrédients (pour 4 personnes) :

- 2 oignons
- 2 gousses d'ail
- beurre
- 2 petites tomates
- 400 g de viande hâchée
- farine
- sel et poivre
- herbes de provence
- 1 jaune d'oeuf
- parmesan
- purée
- fromage râpé

Préparation :

Faire revenir les oignons hâchés et les gousses d'ail mixées avec un bon morceau de beurre. Ajouter les tomates coupées en dés, la viande hâchée, 1 cuillère à soupe de farine, sel, poivre, herbes de provence. Quand tout est cuit, couper le feu et ajouter le jaune d'oeuf et un peu de parmesan. Bien mélanger. Etaler au fond du plat à gratin. Préparer la purée. Etaler au dessus de la viande. Saupoudrer de fromage râpé et mettre au four à gratiner.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4817