Fitsapana!
41. cutie
(
12/04/2008 03:20)
henoko tany ho any e :)
na t@ reny mpitory reny na tany anaty baiboly ngamba fa za koa tsy mpamaky baiboly tsinona, tsy haiko ze toko sy andininy.
:-D
na t@ reny mpitory reny na tany anaty baiboly ngamba fa za koa tsy mpamaky baiboly tsinona, tsy haiko ze toko sy andininy.
:-D
42. cutie
(
12/04/2008 03:22)
ka za aza manontany an'i fody we iza no niteny an'io de izy ndray no manontany ahy :-D :-D :-D :-D :-D
43. soanja
(
12/04/2008 04:59)
Fody:
FITSAPANA! FITSAPANA!... Misy ve ?
Azo lazaina ve fa Andriamanitra dia mitsapa ny olona ? Raha eny satria nahoana ? Raha tsia omeo re ny antony e!
Manasanao indray àry hitafa sy hidinika mikasika an'io lohahevitra iray io:
Fitsapana, fitsapana...
Misaotra mialoha.
Tsia ny valiny amiko. Tsy misy ny fitsapan'Andriamanitra.
Ny zavadrehetra dia misy ny miiba sy miabo avokoa amin'ny fiainana. Andriamanitra no balance mampifandray an'ireo. Anjaranao, safidinao, adidinao ary ezaka hatrehanao miaraka amin'ny fikarohana sy fikirizana ataonao no hahatombana izany balance izany.
Nomen'Andriamanitra ny saina isika handinika sy hamakafaka ary handalina ny mahasoa. Karohy io fahasoavana io fa ahita mahiratra ianao na dia ao anaty aizina mangitsokitsoka aza.
Mitondra lalandava amin'ny tsara sy soa ny balance satria manome hetsika fandinihan-tena sy fahatsapan-tena ary fitiavana ho an'ny tsirairay sy ny manodidina azy ary ny tontolo iainany.
44. Fody
(
12/04/2008 06:14)
cutie:
Ny fanontaniana nampetrakao dia hoe:
ny fahafatesana no tambin'ny ota hono de iza no namorona an'io fitenena io zany ? Atra sa demony?
Matoa ianao mametraka an'io fanontaniana io dia satria na efa hitanao na efa novakinao na efa renao tany ho any io teny io. Izay no antony nametrahana an'ireo fanontaniana ireo, izay efa novalinao, saingy tsy mbola nodinihanao angamba ny valin-teninao ka indro hazavaina kely.
1 - Aiza no misy an'io teny io ?
Novalianao hoe:
tany anaty baiboly ngamba fa za koa tsy mpamaky baiboly tsinona, tsy haiko ze toko sy andininIza no niteny azy ?
2 - Iza no niteny azy ?
Novalinao hoe:
t@ reny mpitory reny
Raha izay no izy dia tsy tokony hipetraka ity fanamarihana ity:
ka za aza manontany an'i fody we iza no niteny an'io de izy ndray no manontany ahy
Valin'ny fanontanianao dia aoka ianao ihany no hamaly azy amin'ny alalan'ny famaliana ireto fanontaniana ireto:
1 - Raha tao anaty Baiboly no nakana an'io teny io, teny avy amin'Andriamanitra ve izy izany sa avy amin'ny Demony???
2 - Raha tamin'ireny mpitory ireny indray, teny avy amin'Andriamanitra ve no torin'ny mpitorin-teny sa teny avy amin'ny Demony????
Misaotra!
45. cutie
(
12/04/2008 06:23)
Manaraka: ny atao hoe: "sedra" na "fisedrana" dia ireo tranga miseho amin'ny fiainana. Tsy fitsapana velively ireo, fa lalam-piainana diavin'ny velona rehetra, na mpino na tsy mpino. Tsy avy amin'Andriamanitra izy io, ary tsy avy amin'ny demony koa, fa lalan'ny natiora sy ny fiaraha-monina no mampisy azy.
Ohatra: ny aretina, ny fahafatesana, ny tsy fisiana, sns...
Valin'ny fanontanianao dia aoka ianao ihany no hamaly azy amin'ny alalan'ny famaliana ireto fanontaniana ireto:
1 - Raha tao anaty Baiboly no nakana an'io teny io, teny avy amin'Andriamanitra ve izy izany sa avy amin'ny Demony???
de raha lazaiko we avy @ atra io satria avy tao anaty baiboly de in no mahatonga io valin'teny ambony io lalam-piainana ny fahafatesana fa tsy avy @ Atra??
zay no tiako ahatongavana :)
46. cutie
(
12/04/2008 06:32)
Mitondra lalandava amin'ny tsara sy soa ny balance satria manome hetsika fandinihan-tena sy fahatsapan-tena ary fitiavana ho an'ny tsirairay sy ny manodidina azy ary ny tontolo iainany.
ekeko zay :lol: :-*
47. Fody
(
12/04/2008 06:56)
de raha lazaiko we avy @ atra io satria avy tao anaty baiboly de in no mahatonga io valin'teny ambony io lalam-piainana ny fahafatesana fa tsy avy @ Atra??
zay no tiako ahatongavana
Dia mbola misy Fanontaniana fahatelo ao hoe:
"Inona no dikany ?"
49. cutie
(
12/04/2008 07:07)
hay ve zao zany le we dialogue fa tsy monologue e =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
51. cutie
(
13/04/2008 21:34)
rasily in a ???? :roll: :roll: :roll: :roll:
fanontaniana ny ahy fa aza mba te hahalala de aiza no misy tsy manaiky diso eo :roll:
sady efa haiko koa ny tian'i fody ahatongavana
misaotra ry fody a :)
fanontaniana ny ahy fa aza mba te hahalala de aiza no misy tsy manaiky diso eo :roll:
sady efa haiko koa ny tian'i fody ahatongavana
misaotra ry fody a :)
52. cutie
(
13/04/2008 21:38)
sady fifanakalozana hevitra koa ny eto fa nga misy an'zany marina sy diso zany :roll:
god only knows :)
god only knows :)
53. Mandefitra
(
16/04/2008 08:44)
mandefitra:
Amiko ndray ny fitsapana, raha resaka finoana no resahina, dia zay rehetra mianjady @ kristianina ka mety hampihemotra ny finoany : fakam-panahy, aretina, fahoriana etc ...
Aoka anefa hazava, fa tsy avy @ an'Andriamanitra ny fitsapana, fa avelany hihatra @ isika zanany izany mba ho fizahan-toetra ny finoana.
Fody:
3 - Ny Fitsapana, na test izay lazainao koa dia tsy misy. Tsy misy satria Izy Andriamanitra dia tsy mba olona tia tsapatsapa. Ny olona mitsapatsapa dia olona tsy mba manana fitiavana, satria tsy afaka ny hahatoky ny olona.
Piera I toko 1 (Baiboly Katolika)
6 Ny fiheverana an'izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy hampahorin'ny fitsapana samihafa vetivety ihany hianareo, 7 ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin'ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin'ny andro hisehoan'i Jeso-Kristy.
Tsy haiko na lay teny hoe fitsapana (epreuve, trial) no tsy azoazonao, nefa raha ny marina efa nisy hatrizay io. Tokony mba ny fiheveran-diso mikasika azy no ahitsy +> tsy avy @ an'Andriamanitra ny fitsapana .
54. fijo
(
16/04/2008 22:17)
hay izany isika maro no mino fa tsy misy izany fitsapana izany.adimpiainana no maro
55. Fody
(
05/05/2008 16:18)
Mandefitra: jereo fa misy tohiny sy fanazavana io resaka io fa tsy tapaka hatreo:
fody:
Manaraka: ny atao hoe: "sedra" na "fisedrana" dia ireo tranga miseho amin'ny fiainana. Tsy fitsapana velively ireo, fa lalam-piainana diavin'ny velona rehetra, na mpino na tsy mpino. Tsy avy amin'Andriamanitra izy io, ary tsy avy amin'ny demony koa, fa lalan'ny natiora sy ny fiaraha-monina no mampisy azy.
Ohatra: ny aretina, ny fahafatesana, ny tsy fisiana, sns...
Ka raha samy misedra an'ireo olana ireo daholo àry, na mpino na tsy mpino, amin'ny maha kristiana antsika, ahoana no hisedrana an'izany? Ny valin'io fanontaniana io no mampiavaka ny Kristiana sy ny tsy kristiana, ary mampiavaka ny tsirairay.
Ny maha kristiana dia tiako ny manamarika fa manilika ny fomba fiadin'ny kanosa mora resy, na mora miraviravy tanana.... Raha tsy sedraina ny finonareo tsy ho matotra hoy ny Soratra Masina... Ary ny kapoaka nosotroiko tsy maintsy sotroinareo koa, hoy i Kristy....
Izay fa misaotra!
