Fitsapana!
21. pissoa
(
08/04/2008 18:13)
Oops tsy ho an'i Fody io valiny nataoko io a, fa mifandray am'le tenin'i Tywa68 :-D :-D :-D
22. cutie
(
08/04/2008 19:35)
18. Mpandefa : Fody [ Valio ] 08-04-2008 20:10:46
Lohateny : Re : Fitsapana!
Voalaza teo :
za koa manana fanontaniana e
Atra ve mamaly ratsy ny ratsy ??
Inona no ifandraisan'io amin'ny lohahevitra fa tsy azoko
Misaotra
eritreritra sendra nandalo io e :)
tsy haiko na mifanaraka @ le lohahevitra na tsia :-D
23. zoky
(
09/04/2008 06:01)
Amiko angamba le oe FITSAPANA fampihononan-tena ataon-tsika @ sika iany io (indrindra ra senda fahorina na fahasahiranana), fa amiko rehefa feno Finoana enao dia ts tokony ho kivy na hitanondrika fa tokony hatoky an'Andriamanitra fona, ary tokony miaraka aminy fona enao na Faly na Ory, fa ny fangatahanao na fanirinao anio OHATRA ts voatery voavaly ny ampitso d ampitso, ka nefa azonao fona iny any aoariana any @ fotoana ts ampoizinao. Hevitro io, ts haiko fa misy koa ny oe Kapok'Andriamanitra (mitombina koa ve sany) mety ity Fitsapana ity ian ve sa hafa?
24. Mandefitra
(
09/04/2008 09:29)
Amiko ndray ny fitsapana, raha resaka finoana no resahina, dia zay rehetra mianjady @ kristianina ka mety hampihemotra ny finoany : fakam-panahy, aretina, fahoriana etc ...
Aoka anefa hazava, fa tsy avy @ an'Andriamanitra ny fitsapana, fa avelany hihatra @ isika zanany izany mba ho fizahan-toetra ny finoana.
Ary arakaraky ny hamafin'ny finoanao no amelan'Andriamanitra ireo karazam-pitsapana hihatra aminao. Nefa Izy etsy ankilany, de mampahery sy manolotra vahaolana ho an'zay mahatoky Azy.
Ohatra akaiky @ zany i Joba. Navelan'Andriamanitra i Satana hanao zay tiany @ Joba, afa tsy ny manala ny ainy.
Zao no voasoratra :
Ikor 10:13 "Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany."

25. fijo
(
09/04/2008 20:31)
tsy misy ny fitsapana satria tsy misy andriamanitra.fa ny fiainana no miha sarotra
26. Rground
(
09/04/2008 21:14)
Misy ny hoe :
"Fitsapàna"
"Fizahan-toetra"
"Sedra"
Tsy mifanalavitra angamba ireo araka ny hevitro fa lalana tsy maintsy handalovana ary fomba hahafahana manamafy ny Finoana, araka ny fomba fijery kristiana.

27. fijo
(
09/04/2008 21:26)
ka na dia ny tsy mpino aza anie misedra olan akoa e?izahay anefa tsy mino izay andriamanitra hoe hitsapa anay.
29. rijadolly
(
10/04/2008 16:54)
Fody:Amiko manokana aloha dia misy ny nahazoako azy hatramin'izay é!
FITSAPANA! FITSAPANA!... Misy ve ?
rakaroka:Misaotran'sé nampatsiahy fa io nahazo an' Joba io tokoa ny antony nahatonga ahy hino bebekokoa fa misy ny fitsapana(fizahan-toetra) akaotra ny fitsapana nataoNy tamiko. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=23&andininy=10-17&dika=
Izay ilay nanjo an'i Joba hono an! :roll: :oops: :?: :wink:
Amiko manokana ihany koa dia tsy avy amin'Andriamanitra ilay nanjo anao na inona na inona,fa kosa avy any amiNy ny fahefana nahatanteraka ilay izy hihatra aminao. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=1&andininy=6-12&dika=
30. fijo
(
10/04/2008 21:01)
majesty ,ka marina izany ko;tsy natao hoan'ny mpino ihany ny olan afa iraisana io.ka nareo mety ho mandray azy hoe fitsapana avy any amin'ny tsy hay,fa aminay io dia sedra tsy azo hialana amin'ny fiainana
31. cutie
(
11/04/2008 00:25)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 10-04-2008 23:01:46
Lohateny : Re : Fitsapana!
majesty ,ka marina izany ko;tsy natao hoan'ny mpino ihany ny olan afa iraisana io.ka nareo mety ho mandray azy hoe fitsapana avy any amin'ny tsy hay,fa aminay io dia sedra tsy azo hialana amin'ny fiainana
tsy azo atao we fiaianana koa raha tsy misy an'io e :)
32. Zina
(
11/04/2008 01:15)
cutie [ Valio ] 08-04-2008 17:25:58
Lohateny : Re : Fitsapana!
isan'andro e
tsy hay tanisaina le fitsapana
marina mihitsy io,
raha tsy misy ny fitsapana dia sur mihitsy aho fa adino-tsika tanteraka Andriamanitra. Fizahan=toetra ho antsika ko io, satria isika dia manadino vetivetika an'Andriamanitra.
33. cutie
(
11/04/2008 01:23)
zina
tandremo fa misy mandika vilana be io nolazaiko io a :-D :-D :-D :-D :-D

34. Zina
(
11/04/2008 01:26)
aleo andika vilana izay mandika vilana e... ny realite no jerena misy ny fitsapana eto an-tany ary isan'andro mihitsy :wink:
36. Veloo
(
11/04/2008 18:17)
Ny ahy ny fitsapana dia mampianatra ahy hanakaiky bebekokoa an'i Jesosy
lesona izay hampieritreritra ahy....
lesona izay hampieritreritra ahy....
37. ikaretsaka
(
11/04/2008 19:02)
pissoa:
Rehefa mino sy mifikitra amin'Andriamanitra dia hasambarana no azo avy Aminy fa tsy fitsapana ! Saingy tsy manafoana ny zavatra ratsy (izay tsy fitsapana) mety miseho eo amin'ny fiainana izany.
:-D :-D :-D
velabelaro
38. Fody
(
12/04/2008 02:52)
Fanamarihana:
Tiako aloha ny manamarika fa:
1 - Ny Fakam-panahy dia tsy Fahotana.
2 - Ny Fakam-panahy dia tsy avy amin'Andriamanitra velively, ary izy Andriamanitra dia tsy mitondra antsika amin'ny fakam-panahy izany.
3 - Ny Fitsapana, na test izay lazainao koa dia tsy misy. Tsy misy satria Izy Andriamanitra dia tsy mba olona tia tsapatsapa. Ny olona mitsapatsapa dia olona tsy mba manana fitiavana, satria tsy afaka ny hahatoky ny olona.
Tsy mba toetran'Andriamanitra ny mitsapatsapa izany, na hametraka fandrika ho antsika hijerena na manakory isika na manakory.
Inona àry no atao hoe: Fakam-panahy
Ny fakam-panahy dia bitsika avy ao anaty manome soso-kevitra hanao ratsy. Izay no izy raha atao amin'ny teny fohy.
Tsy i Kristy irery ihany no maharesy azy io, araka ny filazanao, fa isika koa dia afaka maharesy azy. Jereo fa maro ny andalan-tsoratra masina milaza an'izany.
Amin'ny fomba ahoana àry no handresena ny fakam-panahy: "amin'ny alalan'ny fandanjalanjana izay hatao". Ny olona tsirairay dia samy manana fahalalana ao anaty ny atao hoe: tsara sy ratsy. Noho izany samy afaka hanao tsara daholo na dia eo aza ny bitsikin'ny ratsy maka fanahy azy.
Raha somary hitarina kely amin'ny resaka kristiana dia izao: "amin'ny alalan'ny fahaizana manavaka ny feon'ny Fanahin'Andriamanitra sy ny Feon'ny fanahin'ilay Ratsy (discernement des esprits). Eto no mipetraka ny antony iray lehibe handinihana ny Tenin'Andriamanitra, mba hahalalana ny FEO AVY AMIN'ANDRIAMANITRA, hanavahana azy amin'ny an''ilay ratsy. Hoy i Kristy: ny ondriko mahalala ny Feoko ary mihaino ahy... ka raha Kristiana dia tsy tokony hamaky baiboly fotsiny fa hamatatra ny Feon'i Kristy avy amin'ny fandinihana ny Tenin'Andriamanitra sy ny tranga misy rehetra.
Manaraka: ny atao hoe: "sedra" na "fisedrana" dia ireo tranga miseho amin'ny fiainana. Tsy fitsapana velively ireo, fa lalam-piainana diavin'ny velona rehetra, na mpino na tsy mpino. Tsy avy amin'Andriamanitra izy io, ary tsy avy amin'ny demony koa, fa lalan'ny natiora sy ny fiaraha-monina no mampisy azy.
Ohatra: ny aretina, ny fahafatesana, ny tsy fisiana, sns...
Ka raha samy misedra an'ireo olana ireo daholo àry, na mpino na tsy mpino, amin'ny maha kristiana antsika, ahoana no hisedrana an'izany? Ny valin'io fanontaniana io no mampiavaka ny Kristiana sy ny tsy kristiana, ary mampiavaka ny tsirairay.
Ny maha kristiana dia tiako ny manamarika fa manilika ny fomba fiadin'ny kanosa mora resy, na mora miraviravy tanana.... Raha tsy sedraina ny finonareo tsy ho matotra hoy ny Soratra Masina... Ary ny kapoaka nosotroiko tsy maintsy sotroinareo koa, hoy i Kristy....
Izay fa misaotra!

39. cutie
(
12/04/2008 03:03)

ny fahafatesana no tambin'ny ota hono de iza no namorona an'io fitenena io zany ?
Atra sa demony? :-D
40. Fody
(
12/04/2008 03:16)
ny fahafatesana no tambin'ny ota hono de iza no namorona an'io fitenena io zany ?
Atra sa demony?
Aiza no misy an'io teny io ?
Iza no niteny azy ?
Inona no dikany ?
Misaotra !