menage à trois

1. xxx ( 05/04/2008 12:08)
Efa tena mandroso mihitsy ve ny zanak'olombelona ka hanaonao foana?????
Misy namana izay, manambady sy niteraka iray izy mivady... nahita sipa tamin'ny internet ity lahy vadiny, ary lasa nisitaka tsy niteny tamin'ny vadiny akory....nandritra ny efa-bolana , efa nanao fitarainana tamin'ny polisy sns...ity vadiny, nandefa hafatra ilay lahy fa lasa Niara-nipetraka min'ity sipa nifampitafa tamin'ny tamin'ny net....
niverina anefa izy namonjy ny vady amanjanany indray ary nifona fa diso, ny asa nilaozana ary tsy an'asa itsony izy avy teo , i kala izany no mamelona azy fa dia mbola noraisiny soamantsara ihany satria hoe rainj-janany hono....
izao dia nafarany ilay sipany ho tonga ao atranon'izy telo miana...ary noreseny lahatra ilay vadiny hi menage à trois....
tsy misy ny olana fa samy nazoto , efa lasa niverina any amin'ny firenena hafa hipetrahan'ilay sipa ilay lahy vadin'i kala, ary handeha hanaraka azy roa ireo any koa izy mianaka kely hifindra tanteraka ary handao ny asany ihany koa...
fa vonona ny hanao menage à trois , ilay sipa iray efa manana ny zanany kely ihany koa....mifankatia izy telo ary vonona ny hanao projet ho an'ny fiainana futur..... 8O ilaina fahasahiana sy fahalalan-tsaina izy ity ry zareo fa izaho mbola tsy maharaka lamaody raha tena izany tokotrany no mitranga....
amiko tsy mety amiko izany fa otran'ny hafahafa izany....
novalian'i dadabe ny 29/04/2008 04:03
2. xxx ( 05/04/2008 14:42)
Raha ilay maha ménage à 3 azy, raha tokana ihany ny lahy ao anatiny, tsy dia zava-baovao loatra ihany satria misy mihoatra noho izany aza. Sady raha malagasy koa, efa fomban'ny gasy ihany ny nampirafy, jereo amin'Andrianampoinimerina fotsiny ohatra; ny malagasy avy amin'ny foko sasany koa.

Fa raha ohatra ka mihoatra ny 1 ny lehilahy no tsy mety.

niverina anefa izy namonjy ny vady amanjanany indray ary nifona fa diso,
Inona moa no tokony ho nifonan'i lery e ? Tsy azo lazaina ho fahadisoany ihany izany, indrindra fa raha izao no ho fitohin'ilay tantara. Sinon tsy lojika mihitsy lery zany : mihaiky fa diso kanefa tohizana mankany amin'ilay zavatra ifonana ihany ny lalana avy eo :roll:
3. mmmhh ( 05/04/2008 14:43)
Ny mahalasa ny saiko @ ka
4. rush ( 05/04/2008 16:20)
tsy nampoiziko mbola misy manao zao ihany!!!!!!!!avy aiza ary reto olona reto?????ny akoho aza sarotiny @ lahiny!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
5. rush ( 05/04/2008 16:22)
tsy mety kosa ny ataon'lay lehilahy amiko,moa lay vehivavy tompom-bady tsy mahita olon-kafa fa io namitaka ahy io no amikirana?na rain-janaka aza ve d avela hanao ny dan'kibony? tsy azo ekena zao amiko!
6. mignone ( 05/04/2008 16:42)
ka izay zany no tiany kou !
7. ikaretsaka ( 05/04/2008 17:06)
rehefa ataony dia heveriny fa ho tantiny e...
izya ihany ny politikan'io
dia ditra efa natao izy (raha ditra no fiteny azo ilazana azy) dia izay izany.
ny aza voa avy eny fotsiny ka mandraingiraingy ka mitady help ankavia ankavanana
8. xxx ( 05/04/2008 17:25)
rush:

tsy nampoiziko mbola misy manao zao ihany!!!!!!!!avy aiza ary reto olona reto?????ny akoho aza sarotiny @ lahiny!!!!!!!!!!!!!!!!!!!


ianao no taraiky fa amin'izao fotoan'andro izao izany vao miroborobo ary lasa lamaody, eny na ny fiarahana entre mpisipa aza! dia lasa lamaody koa ny l'amour à trois, io izay mahasaky ihany sy mankafy ilay izy....

xxx2: izaho no nanokatra ny hevitra, misy ny fitiavana matoa tsy mifankafoy ry zareo....ny fifonana kosa ilaina satria raha nandeha nandao nandritra ny efa-bolana izy tsy nampilaza, amiko tsy misy fifanajàna an'ilay tompom-bady izany , otran'ny ianao ao ami'ny ray amandreninao ihany hoe handeha handao azy ireo mandritra ny volana maro tsy miteny, na ny fitaintainana ihany aza...

fa io koa misy hafetsen'ilay bandy sy ny fitiava-tenany ihany, hitany fa samy tia ilay sipa roa dia tsy maintsy misy ny esprit mifaninana ny manao zé mety kokoa hitiavana ny ray ray avy!

raha izaho manoka tsy mila an'izany raha mantsinaa izany.....


9. Papoose ( 06/04/2008 00:47)
dia ho lasa mpiray tampo tsy fidiny zany le zaza! :-D
dia possible hanomboka generation menage a 3 zany io fianakams voa hiforona a 3 io koa!
10. ikaretsaka ( 06/04/2008 00:52)
zaza tokony possible hety ho mpisipa lasa mpiray tampo .. tssss
11. tess ( 06/04/2008 06:30)
:-D :-D :-D :-D

anefa izao anie raha hoe menage à trois lahy roa sy vavy iray de tsy mety ny bandy e! fa tsy maity ny sipa foana no manaiky tsssssss :x
12. ni81 ( 06/04/2008 07:27)
Ka inona moa izany fa dia mitovy @ ireo olona manana vady maro toy ny taloha ihany! Toy ny t@ faha-mpanjaka malagasy fahiny manambady telo aman'efatra, eny mihoatra noho ireo aza. Any @ toerana maro any afrika dia mbola mitohy ny fanambadiana @ vehivavy maro.
13. xxx ( 06/04/2008 07:38)
dia iray trano ao daholo ve izany taloha sa misara-trano???ity tranga ity mantsy miray trano ao daholo.....
mahafantatra rangahy manam-bola izay koa aho mantsy any madagasikara , manambady maro fa tsy iray trano ao daholo ry zareo ! izy no mitety ilay vady maro.....fa ny zanany aloha dia maro dia maro tokoa!
14. yonikafopl ( 06/04/2008 08:50)
Ny fanontaniako dia hoe samy gasy ve izy telo ireo sa olona hafa firenena ilay sipa azo tamin'ny internet???

Ny eritreritro manko dia mety ny hahazoana hivoaka ivelan'i Dago no hevitra nandresen'ilay bandy lahatra ilay vadiny hanaiky ilay menage a 3. Ka ilay sipa mety tsy misy fitiavana fa mety ao koa ilay hetaheta ny mba ho aty andafy ohatra. Fa mila maranitsaina izy hivonona raha misy ny waiaway.
15. xxx ( 06/04/2008 09:29)
ilay sipa tompom-bady gasy fa ilay sipa tamin'ny internet sy ilay lahy vadiny samy vazaha.....
ilay sipa efa taty ivelany foana ka!
16. pissoa ( 06/04/2008 13:22)
eeeee - tsa vitako zany kle lol. :-D :-D :-D :-D :-D
17. andryrabe ( 06/04/2008 20:21)
ny ahy aleoko menage a 2 ihany kah, sao de avy koa izy hoe za koa mahita de zay vao ho loza be.
raha mba vonoin'izy roa vazaha any moa ilay gasy de avy eo alainy amin'izay ny zanany....tsy misy mahafantatra avy eo.
18. tsiafoi1 ( 07/04/2008 07:19)
Ménage à trois humhum Tsary mety iiiiii!
F'anga lery Andriamanitra no hiforetana toy izany... Tsa mahatoky valeur koa madama kely de miforitra loatra ka...Tsy aleo ve omena ny todik'Ivoho de mi-repartir à zéro.
19. rush ( 07/04/2008 14:47)
malahelo ny foko mamaky ny tantara otran'zao,dia tsy mahita lehilahy koa ve no io no hamikirana? tsy valahara zany ra vazaha,zay mahalala an'io vevavy io d mba asaivo miantso ahy izy fa hakako avocat, voasazy mafy mantsy ny olona maka vady 2 na mihoatra zany ,ampiko izy d hita eo,
20. XxxX ( 07/04/2008 15:12)
xxx:

dia iray trano ao daholo ve izany taloha sa misara-trano???ity tranga ity mantsy miray trano ao daholo.....
mahafantatra rangahy manam-bola izay koa aho mantsy any madagasikara , manambady maro fa tsy iray trano ao daholo ry zareo ! izy no mitety ilay vady maro.....fa ny zanany aloha dia maro dia maro tokoa!
ra afrikana d manao an'zany zareo!ts blèm mits zany @ zareo!fombany io!fa ra vaza kosa wayyy klé! hay manao an'zany ko ry zalahy?



:^) :^) :^) :^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4424