Ho anilay vadiko izay

1. xxx ( 04/04/2008 10:55)
efa eo amoron fisarahana izahay zao, miady mafy aho satri efa 16 ans niarahana ary 7 ans de mariage. Mbola misy fitiavana kely anao za saingy mafy loatra ny nataonao ry E... tsy mety decidee hanao divorce hatramizao na de efa miaraka amin olona hafa aza
novalian'i Belami ny 20/04/2008 20:19
2. kiadi ( 04/04/2008 10:58)
iza no tsy decidé hanao divôrsa?
3. xxx ( 04/04/2008 11:05)
miresaka foana izahay oe isaraka nefa tsy mety misy maka responsabilite hampiditra divorsa e
4. ainaheri ( 04/04/2008 11:09)
fa maninn no misaraka nefa mbola tia ee,ary firy ny zaza @ zany? Sady 16ans niarahana b zao ve?...eny ee refa tsy mety tokou mou atao akory ampijaly tena..aleo misaraka refa zay ny safidin'ny tsi11
5. tess ( 04/04/2008 11:26)
ouyyy! io 7eme année de mariage io hono ratsy e!
ça passe ou ça casse ny eo! matetika eo dool ny mpivady no misaraka....
fa ao koa anefa ny miezaka hanohitra izany fisarahana izany..

ka raha zavatra azo havotana avoty e!....manimba fiainana be anie ity dirvorce divorce ity e!.....

raha efa miaraka amin'ny olon-kafa ndray izy akory atao fa dia izay izany no anjara..... iza koa no mahafantatra hoe haharitra ve izany sa tsia....
fa nahoana kosa moa izy no tsy mety hanao divorce sa te higafy anao fotsiny....?
6. ari.malala ( 04/04/2008 11:48)
tsy azoko ilay tantara, le manoratra ve no miaraka aman'olona sa ilay ankilany? mahereza foana na inona na inona mitranga, ary tadidio fa moramora kokoa ny manogotra aohtra noho ny manala hazo (eritrereto hoe namboly hazo nareo nandritra izany 16taona niarahana izany)
7. kiadi ( 04/04/2008 14:08)
zay ko ba tiko anotaniana! ilay manoratra ve sa le vadinao no efa miaraka aman'ol?
8. mmmhh ( 04/04/2008 15:15)
rehefa nahavita niaritra fôna ve nandritra izay fito taona nanovana marizy zay de maninona rah hiaretana?
Eny e, reefa tena tsy zaka tsony moa ny ataony de maninona rah misintaka kely maka saina fa tsy hiandry divorce tsy ho tapaka izany? Tena mitondra fisainana be ny fisintahana, rah ohatra ka ts hieritreritra ny hisaraka aminy enao, makà saina herin'andro na folo andro, mialà ao an-trano manaova vakansy kely e,
9. andryrabe ( 04/04/2008 17:37)
io nge leretsy tsy vitan'ny trangalela e, rehefa tandrify anao izay io tsy misy azo atao mihitsy, na ho aiza ianao na ho aiza.
tsara ny conseil hoe miareta fa za ndray miteny hoe rehefa tena tsy zaka de misaraha moramora. raha ny fahitako an'i xxx ndray ange de tsy mbola te hisaraka mihitsy e, de aleo izy no handray izay fanapahankevitra raisiny e.
tsy mora io kah, tena tsy mora mihitsy
10. xxx ( 05/04/2008 11:13)
Za le manoratra efa miaraka am olona hafa,azo lazaina oe mifankatia b izahay, zahay sy le vadiko tsy niteraka fa mana pb aho saingy efa nitsabo fa tsy tapakevitra ametraka zaza intsony satri nisy pb. Ny pb nay de tratrako natory tany antranona vehivavy mpiaramiasa taminy izy. tamizay aho tsy teto antoerana fa tonga tampoka oe hanao bonne surprise, tsy tao antrano izy , io vevavy io ko efa nahamahana ahy de nalehako tany ary tratrako tany, voaratra ny amour propre ary tsy te hierika intsony aho, izy anefa mahafantatra amizao oe efa miaraka amin ol hafa aho fa otrany miaritra b iany de tsy haiko ze tena tiany. milaza amiko izy fa matoa mbola miaritra tsy misaraka de mbola tia ...
11. tess ( 05/04/2008 11:25)
:roll: ka rehefa samy nahita ny maminy tany am sisiny inona no tsy hisarahana....raha izany e! ny zaza tsy misy....raha izy tratra nampiaraka no tena tsy zaka, anefa tsy misy olona tsy solafaka izany, raha mbola afaka hifampiresahana ihany dia tsy aleo miresaka, mifamela sns.. mety hiova izy ka dia tsy misy afa tsy enao ihany no mahalala ny decision....
dia raha sanatria ka tratranao mampiaraka koa ilay iraika vaovao ity dia hisaraka indray koa izany??????
ka izy izany mbola miaritra mbola tia izany ary ianao ve mbola tia azy???izay no fanotaniana mipetraka....
raha samy mbola tia dia avoty e!
ny fitiavana vavoavao anie manja foana ! fa tsy hay na haharitra 7 ans akor izany.....asa anefa alou !
12. kiadi ( 05/04/2008 15:05)
de iza no tsy mety manao divorsa? renao sa iz?
raha ny fijeriko azy de tinao nofaizina fotsiny iz fa enao ko bola tia anazy de raha izay de aza misaraka fa ny olombelona be fahotana ary azonao avela ny helokany fa iz aza zany nanaiky ny ataonao!
raha toa enao bola tena tia anazy de halamino fa tsy mahalasa lavitra ny ambopo! :wink:
13. tess ( 05/04/2008 17:32)
fa hita wa! :-P
14. yonikafopl ( 05/04/2008 20:54)
Ho tia anao aho ary hijanona ho anao mandrapihavin'ny fahafatesana . tsy izay moa ilay voady eny ambony alitara???

15. tsiambaratelo ( 05/04/2008 21:38)
Fa raha natory tany @mpiara-miasa taminy angaha le vadinao de lazainao fa diso?Sa enao no ni trompé azy dia mody manao saka manafikiho,mazana mantsy ny lhl no mahana tsy enjehana refa avy manao ze ataony any ivelany tokan-trano!Refa tsy nifapiteraka,manangana zanaka,be d be reo kamboty any @reny centre maro eto madagascar,fa tsy we nahita akanga tsara soratra dia hanary ny akoho taman-trano!:-*
16. xxx ( 06/04/2008 01:00)
Tsy de zany loatra oe hisaraka foana refa misy pb fa tena voadona mafy aho tamizay, efa saika namono tena mihitsy satri hatramizay niainako zay vo tratranizay satrio io vadiko io no volohampitiavako, zany oe mbola tsy niaina anile alahelo vokatry ny famitahana mihitsy aho ra tsy vo taminio. Izy tsy nety nanaiky ny nataony na de tratra aza ra tsy efa 1 taona taorianio, de zay ko nampihidy ny foko. Izy zany tsy mba nifona tamiko na in 1 aza oe diso fa lazainy fa lainga nefa le vevavy noresahako de nilaza fa niaraka ry zareo. tsy haiko aloha e, mety te hampiady ko angamba izy fa tsy hitako intsony ze inoana nanomboka teo. Mifampiresaka iany fa isaky ny miresaka de oe hanao divorsano fiafarany nefa hatramizao efa 1 taona sy tapany zay mbola tsy misy mametraka.

17. ikaretsaka ( 06/04/2008 01:26)
yonikafopl:

Ho tia anao aho ary hijanona ho anao mandrapihavin'ny fahafatesana . tsy izay moa ilay voady eny ambony alitara???




f'hita hoa??
18. xxx ( 06/04/2008 01:59)
ikaretsaka:

yonikafopl:

Ho tia anao aho ary hijanona ho anao mandrapihavin'ny fahafatesana . tsy izay moa ilay voady eny ambony alitara???




f'hita hoa??



eny ary ko. refa voa otranio nareo de tadidio io oe tsy misaraka mitsy fa miaritra mandrampahafaty :!:
19. Papoose ( 06/04/2008 04:20)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
20. Rasiligaoma ( 06/04/2008 04:45)
F'angaha ika moa mahazo manambady? :P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1683