Soratra Masina

21. Rasiligaoma ( 06/04/2008 04:55)
Alaivo sary an-tsaina hoe i Jesoa milaza hoe: "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy"... Rehefa avy eo izy manao lista ny anaran'izy rehetra (na ny listan'izay tany amin'ilay vehivavy), toy ny milaza hoe: "ialahy anie efa tany e, tandremo sao mitoraka eo.
Tsy mba toetran'Andriamanitra ny manery ny olona amin'ny conscience-ny ry namana.

=D
22. pissoa ( 06/04/2008 18:58)
Tsy azoko io :-D :-D :-D
23. ikaretsaka ( 06/04/2008 19:31)
:wink:
24. pissoa ( 06/04/2008 19:40)
:roll:

tsss - za nihevitra hoe hanazava i Ika fa tsy azoko io :-D :-D :-D
25. Rasiligaoma ( 07/04/2008 05:08)
pissoa> asaivo sary an-tsaina ilay izy dia ho azonao

tsy mba toetra'Andriamanitra izany manery ny olona amin'ny conscience-ny izany
26. pissoa ( 07/04/2008 14:33)
:-D :-D :-D
27. ikaretsaka ( 07/04/2008 14:57)
pissoa> imagine eeeeee
28. cutie ( 07/04/2008 15:44)
. Mpandefa : zoky [ Valio ] 04-04-2008 09:05:33
Lohateny : Re : Soratra Masina
Mba Ovay le fiadiana hevitra @ ity Finoana sy Fivavahana ity ry zalahy a.Aza lany andro mifanditra @ zavatra madinika loatra, fa jereo oe inona no HAFATRA na MESSAGE azo tsoahina avy @ io JAONA toko faha 8,and 1-11 io ,ra ts mitovy ny HAFATRA entin JAONA Toko fa 8,and 1-11 @ antoko-mpinoana samihafa misy dia zay vo tokony hiroso @ ady hevitra, fa na inn soratan'i Jesoa tao na inn ts mampihova ny votoantin-kevitra asehony JAONA toko fa 8,and 1-11 zany. @ Soratra masina tahaka itony dia ny Contexte no tokony ho dinihina sy halalinina fa ts ny teny iray na fehezanteny iray ao @ ilay toko na adininy akory no hanaovana ady hevitra lava ts misy fiafarany.
ts oe lasa mpitory akory ra zoky: fa ra ny Message azo tsoahina @ JAONA toko faha 8,and 1-11 zao dia oe MAHAIZA MAMELA HELOKA, ary ho an zay nanota ka voavela heloka dia aza mamerina manota intsony.
sosonkevitra n ahy, hanaraka tsar ts hanaraka d tohizo eo ny ady hevitra fa ts hisy farany io,zay tokoa nga le manala az, d mi meme

miombon-kevitra e :)
29. pissoa ( 07/04/2008 16:32)
Ikaretsaka sy Rasiligaoma : azoko anie ilay hoe Andriamanitra tsy manery ny consience e ! Fa zavatra hafa amin'io teny io no tsy azoko tsara (fa je n'insiste pas satria ilay tokony miady hevitra amin'i Fody aza moa tsy namaly teto mihitsy de misy mitady hamilana @ famelan-keloka njay le resaka ) :-D :-D :-D :-D :-D
30. ikaretsaka ( 07/04/2008 21:19)
miandry azy hamaly iznay ko
31. zoky ( 08/04/2008 05:47)
Tena arako tsara mits hatrany @ reny sampy reny , sary vongana e,sampile sns e, Fanaratsiana ny Finon' hafa reny amiko, Hajao sy hampitomboy ny finoana kely hananao fa aza ny hafa no HENJEHINA lava izao. Samy mahalala ny toeran'i Mpanejika isika ts eo ALOHA mits akory, ...mihitatra fona le hevitra, ka zay indrindra no nanatonga ahy mbo n teny satria le FANEHOAM-MPINOANA no ts mitovy fa ts ilay FINOANA akory, aoka isika ahay hanavaka ny FINOANA sy FANEHOAM-MPINOANA, ka lasa oe samy KRISTIANINA indray no MIADY hevitra eto. :-D :-D :-D zao misy hitady hanitra any @ famelakeloka indray le resaka , mazotoa e :-D :-D :-D :-D
32. zoky ( 08/04/2008 08:55)
Fody: :) :)
ho an'i sasany:
Fomba fihadina hevitra no tiko ambara t@ iny fa ts oe ts arako le tantara h@ voalohany,ary le tena mpihady hevita @ ra Fody no cible fa ts ra Fody akory :-D :-D :-D . ohatra fihadina hevitra fotsiny io nasehoko io.
Ekena ary oe ts tokony teto zany no nanambarana io hevitra io fa tsara2 namoronana Hevitra mandeha hafa mits, fa nanjary tapaka le feeling n' lisany efa lava be sy efa nivadibadika be sy ny eo iany no miverimberina.
:idea:
33. ikaretsaka ( 08/04/2008 16:05)
ny kristianina dia natao hiady hevitra foana ka...amiko

tadidio ny tantaran'i sodoma sy gomoro le hoe raha misy zao no olomarina ao dia ahoana.... ary raha izao ary e.... ary raha izao.....


dia raiso sary an-tsaina kao ohatra heo i jesoa sy ny mpianany avy any nazareta mankany bethanie na samarie ohatra dia mibatre..
tsy m,isy ipod tsy misy radio .... dia inona no ataony eny an-dalana?
dia hitory teny foana ve i Jesoa?
tsia kosa e.. ary be dia be ny resaka adihevitra ao amin'ny evanjely ao..
i piera manontany Azy ny hoe "otan'iza no naha kilemaina io rangahy io"
i nikodema efa ho chapitre 1 manontolo mihitsy...
ny resaka hoe "moa ve tia ahy ianao ry simona"
sns sns....
34. pissoa ( 08/04/2008 16:08)
zoky:
Ekena ary oe ts tokony teto zany no nanambarana io hevitra io fa tsara2 namoronana Hevitra mandeha hafa mits, fa nanjary tapaka le feeling n' lisany efa lava be sy efa nivadibadika be sy ny eo iany no miverimberina.

ie !
tsy ny feeling no tapaka fa le ady hevitra mihitsy ... :-D :-D :-D
35. ikaretsaka ( 08/04/2008 16:27)
:-D :wink:
36. zoky ( 09/04/2008 04:48)
ikaretsaka: :-D :-D :-D
37. majesty ( 09/04/2008 13:22)
hitako ilay hoe soratra masina fa tsy noheveriko ho io ny ato anatiny,dia izay vao hamaly :D
ilay resaka soratra sy tsipika no adi-hevitra eto

fody:
Ary matoa aho mitsikera izay voalazan-dra majesty dia satria mandiso tanteraka ny zava-nisy mantolo ny zavatra nolazainy.

zavatra tokana no resahana eto donc tsy manontolo izany fa anankiray.
Izao no antony handavako izay voalazany:

1 - Milaza izy fa manaja sy manaraka ny SM,
Nefa ny Evanjely dia tsy milaza an'io zavatra voalazany io, ary rehefa mba anontaniana izy ny amin'izany, ny valiny azo dia hoe: anontanio pastera, mopera...

2 - Raha ny contexte no jerena dia tsy ho possible mihitsy ny hoe: ny anaran'ireo olona ireo no nosoratan'i Jesoa satria:

a) Raha toa ka nisy zavatra mazava izay nosoratan'i Jesoa tamin'ny tany dia nolazain'i Joany izany. Jereo ny fomba fitantarany rehetra ao amin'ny Evanjely.

b) Alaivo sary an-tsaina hoe i Jesoa milaza hoe: "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy"... Rehefa avy eo izy manao lista ny anaran'izy rehetra (na ny listan'izay tany amin'ilay vehivavy), toy ny milaza hoe: "ialahy anie efa tany e, tandremo sao mitoraka eo.
Tsy mba toetran'Andriamanitra ny manery ny olona amin'ny conscience-ny ry namana.


Raha azoko tsara ny zavatra soratan'i Fody eto dia na izy aza tsy milaza ny heviny (na sary io na soratra ...)fa ilay hevitra nentiko ihany no toheriny mafy, dia isé ihany no milaza avy eo fa raha zavatra mazava io dia nolazain'i Joany,donc tsy mazava ilay izy zany koa inona no antony iadian-tsika hevitra amin'ny zavatra tsy mazava.
Efa nolazaiko ihany koa ity hoe,ny mpandinika ny soratra masina ho aho tsy mionona fotsiny amin'izay voalaza ao anaty soratra masina fa miezaka mamantatra ny zava-nisy ara-tantara sy izay zava-nitranga nanodidina an'io trangan-javatra io na ny fiaraha-monina nisy,na ny kolon-tsaina sns,tsy mitovy hevitra amiko moa isé ny amin'io resaka io dia nolazaiko hoe anontanio pasitera na ry môpera fa hainy tsara izany (io fomba fandinika soratra masina io,ary tsy ry zareo ihany no mampiasa an'io fa ireo mpandalina ny soratra masina rehetra);dia noho ireo tranga marosamihafa ireo no nahafahako nampivoitra an'io hoe anaran'ireo olona nitondra an'ilay vehivavy janga teo @ Jesosy io nosoratany t@ tany io,ka izany no nahatonga an'ireo Jiosy niala tsikelikely nanomboka t@ ireo zokinjokiny,satria raha jerena dia tsy hafahafa ve hoe inona no nampiala an'ndry zareo tsi11 rehefa nanoratra t@ tany Jesosy.

38. ikaretsaka ( 09/04/2008 14:19)
marina kosa ireo lazain'i fody ireo an..
indray2 ianao tsy hay intsony hoe inona no tianao ahatongavana
eo miteny fa ny soratra masina izya voalaza dia ampy ,.. eo indray ianao miteny fa
fa nolazaiko ihany koa ity hoe,ny mpandinika ny soratra masina ho aho tsy mionona fotsiny amin'izay voalaza ao anaty soratra masina fa miezaka mamantatra ny zava-nisy ara-tantara sy izay zava-nitranga nanodidina an'io trangan-javatra io na ny fiaraha-monina nisy,na ny kolon-tsaina sns
39. pissoa ( 09/04/2008 17:13)
Kay kosa zany fiodin'ilay resaka !

Majesty:
Raha azoko tsara ny zavatra soratan'i Fody eto dia na izy aza tsy milaza ny heviny (na sary io na soratra ...)fa ilay hevitra nentiko ihany no toheriny mafy, dia isé ihany no milaza avy eo fa raha zavatra mazava io dia nolazain'i Joany,donc tsy mazava ilay izy zany koa inona no antony iadian-tsika hevitra amin'ny zavatra tsy mazava.

1 - Raha tsy diso aho tary amin'ny ady hevitrareo tary kosa i Fody dia efa niteny hoe tsy nanoratra izy fa tsipitsipika (sary) no nataony.

2 - Ny tiana tenenina tamin'ilay hoe raha nazava angamba dia hoe "Raha nanoratra" araka ny fihevitry Majesty hoe nanoratra ny anaran'ireo olona teo i Jesosy dia nolazain'i Joany hoe izao ilay nosoratan'i Jesoa ! Saingy tsy soratra ilay izy dia afaka nosoratan'i Joany ... Izay aloha no fazahoako io soratra io fa tsy hoe tsy fantatra i Jesoa raha nanoratra na nanao sary :-D :-D :-D


Majesty:
Efa nolazaiko ihany koa ity hoe,ny mpandinika ny soratra masina ho aho tsy mionona fotsiny amin'izay voalaza ao anaty soratra masina fa miezaka mamantatra ny zava-nisy ara-tantara sy izay zava-nitranga nanodidina an'io trangan-javatra io na ny fiaraha-monina nisy,na ny kolon-tsaina sns,tsy mitovy hevitra amiko moa isé ny amin'io resaka io dia nolazaiko hoe anontanio pasitera na ry môpera fa hainy tsara izany (io fomba fandinika soratra masina io,ary tsy ry zareo ihany no mampiasa an'io fa ireo mpandalina ny soratra masina rehetra);

Tsy ny hamantarana ny tranga ara-tantara na ny contexte etc no notoherin'i Fody tary ambadika raha tsy diso aho fa ianao niteny ilay hoe ilaina izany ... nefa ianareo mpionona amin'ny "Soratra Masina" !

Majesty:
dia noho ireo tranga marosamihafa ireo no nahafahako nampivoitra an'io hoe anaran'ireo olona nitondra an'ilay vehivavy janga teo @ Jesosy io nosoratany t@ tany io,ka izany no nahatonga an'ireo Jiosy niala tsikelikely nanomboka t@ ireo zokinjokiny,satria raha jerena dia tsy hafahafa ve hoe inona no nampiala an'ndry zareo tsi11 rehefa nanoratra t@ tany Jesosy.

Fa inona ilay tranga tamin'izany ?! :-D :-D :-D
40. pissoa ( 09/04/2008 17:16)
Oops, fanitsiana :

Saingy tsy soratra ilay izy dia afaka nosoratan'i Joany ...

Saingy tsy soratra ilay izy dia tsy afaka nosoratan'i Joany hoe izao no nosoratany ...

:-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078