Ahoana no ahalalanao fa avy amin'Atra ilay olona mitory?

41. andryrabe ( 07/04/2008 04:17)
ouf,
fomba dooly ny zavatra reetra fa marina ny an' i niryna kah,
samy afaka manao izay heveriny ho tsara dooly
samy afaka mampiasa baiboly dooly rehefa mandahateny,
samy afaka manasitrana dooly
mety ho samy afaka miteny amin'ny teny tsy fantatra aza,.....
fa ny mety hahafantatrana azy angamba dia ianao ihany,rehefa tena manana fototra ianao de iny fototra ananao iny no hijoroana tsara de hitanao ho azy eo izay tsy mifanandrify amin'ilay fototra.
io mety tsy ho hitanao vetivety fa hitanao miandalana eny. ndraindray mantsy mety tena favoris be le mpandahatra teny de tsy fantatra mihitsy
42. Rasiligaoma ( 07/04/2008 05:03)
fa ny mety hahafantatrana azy angamba dia ianao ihany,rehefa tena manana fototra ianao de iny fototra ananao iny no hijoroana tsara de hitanao ho azy eo izay tsy mifanandrify amin'ilay fototra.


tsy azoko! ianao anie rehefa mitory dia tsy ianao ihany intsony e! fa voakasika koa ilay olona toriana. ary izy aza no voasahana bebe kokoa noho ianao.
donko ny effets amin'ny olona avy nitoriana no izy fa tsy avy aminao intsony

Raha tena convaincu(e) ianao fa olon'andriamanitra nefa tsy misy effets amin'ny olona itorianao, dia inona no dikany?

43. Fody ( 07/04/2008 09:59)


Hovaliana amin'izay ilay fanontanian'i nyrina.
Ny hafantarana fa avy amin'Andriamanitra ny mpitory iray dia mitondra ny hetahetan'i Jesoa amin'ny hafa.

Io hetahen'i Jesoa io dia ao anatin'ny vavaka nataony no nanehony azy: Evanjely araka ny nosoratan'i Md Joany 17.
http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/17

Donc, raha olona mitory ny afobe sy ny faharavana apokaliptika dia mazava ho azy fa tsy mba avy aminy izany. Araka ny fandinihako io.


Misaotra anao.
44. ikaretsaka ( 07/04/2008 20:20)
mitovy @ fody ny fijeriko
45. majesty ( 08/04/2008 10:55)
Fody:
Ny hafantarana fa avy amin'Andriamanitra ny mpitory iray dia mitondra ny hetahetan'i Jesoa amin'ny hafa.


izany hoe tsy mijery an'ilay olona (mpitondra hafatra) fa ilay hafatra entiny;miombon-kevitra tanteraka.

Io hetahen'i Jesoa io dia ao anatin'ny vavaka nataony no nanehony azy: Evanjely araka ny nosoratan'i Md Joany 17. Jereo eto


Anisany ny vavaka fa tsy io ihany fa misy fomba maro ahafahany maneho an'izany,na amin'alalan'ny fitoriana teny mivantana,amin'ny alalan'ny fifandraisany amin'ilay olona,amin'ny alalan'ny asa soa sy fanampiana ataony


Donc, raha olona mitory ny afobe sy ny faharavana apokaliptika dia mazava ho azy fa tsy mba avy aminy izany. Araka ny fandinihako io.


Jaona no nanoratra ny bokin'ny Apokalipsy fony izy nigadra tao @ nosy Patmôsy,anisany ny noresahany ao anatin'io boky io ny zavatra hitranga any amparany,sy ireo fanamelohana ary ny fijaliana hitranga amin'ireo tsy mpino.
I Jonah no nirahin'Atra hitory @ Ninive fa horavana (faharavana apokaliptika)io tanàna io raha tsy mibebaka ny olona.
I Noa no nitory sy niantso ny vahoaka fa raha tsy miditra ao anatin'ny sambo fiara izy ireo dia ho faty satria hisy ny safo-drano (faharavana apokaliptika)...

Dia tsy avy aminy ve izany izao ireo ry Fody???

46. ikaretsaka ( 08/04/2008 15:28)
aza saratsarahana sy tsimpotsimponina le izy majesty fa manjary mivoana any @ ilay tian;i fody ambara
47. majesty ( 09/04/2008 13:27)
tsy mivoana io fa tena mbola ao anatiny tsara ka,amin'izay mazava tsara ilay fehezan-teny tiana ho hazavaina.
48. ikaretsaka ( 09/04/2008 14:59)
mivoana le izy..
andramo vakiana tsy akitapaka anie e.. de jereo ny emphasis tian'i fody ahatongavana raha tsy mifanohitra tanteraka amin'ilay izy notapatapahinao e
(eo @ le joany 17) no nivaona ny fandraisana azy

Ataoko fanoharana tsotsotra ny ataonao
Raha manao i Fody hoe "rakoto dia manao satroka menamena"

Dia notapahinao teo @ ny hoe "Rakoto dia manao" dia ny "fanaovan-drakoto" aloha no atao wawawa" ! resaka momban'ny "fanaovana" no tatatataina (tsy ao mihitsy le resaka satroka)

dia avy eo vao velabelarina @ izay satroka menamena .. dia ilay satroka menamena no atao wawawa hoe izao no vidiny sy ny sisa

nefa tsy any mihitsy no tiana ahatongavana... tsy afaka misaraka le izy satria idee 1
49. niryna ( 09/04/2008 17:51)
niryna:

Inona izany no lalana iray izay ahatongavana any an-danitra?
Tsy misy na lalana hafa aza ahatonga antsika any an-danitra ankoatry ny lalan'i kristy.
Ny fiangonana ve ? tsy mahavonjy antsika
Ny pasitera na monpera na masera na rabbi ve ? tsia tsy mahavonjy antsika izy ireo.
Ny fanaovana batisa amin'ny rano ve ? tsia
Ny fidirana mpikambana ao amin'ny fiangonana ve ?tsia
Ny fanaovana ny marina ve? tsia
Kristy irery no lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay,izy irery ihany

fody a io no valin'izy rehetra ,kristy irery no mahavonjy raha tsy mitory an'i kristy ny fiangonana izay hiangonana dia tsy misy ny famonjena ary tsy mampianatra ny tenin'i kristy izy,na miangona ao aza aho mandramaraina indro raha tsy mangataka famonjena amin'i kristy aho dia very
na mitory teny ataony daholo izay mahafaly ny olona raha tsy mitory ny famonjena avy amin'i kristy ilay mpitory dia tsy izy izay izy
na nilaza aza aho fa natao batisa kanefa tsy ao amiko ilay kristy satria tsy nampifantarina ahy izany dia very maina ilay batisa natao tamiko raha tsy nandray azy ho tompo sy mpamonjy ahy Izy

50. ikaretsaka ( 09/04/2008 18:38)
dia izao ary..
maninona no lany andro beeeeee i kristy
-nifidy apostoly
-nandeha nanendry tena natao batisa
-nanorina ny fiangonana t@ apostoly
-namorona ny Eokaristia
-nanao ny sakramenta isan-karazany!

fa tsy nanao fotsiny hoe "za inoana dia manga ny lanitra?"
51. niryna ( 14/04/2008 03:22)
Fody:

Nyrina
Avaho tsara aloha ry nyrina ny dikan'ny hoe:
1 - "Lalana= Kristy" sy ny hoe "lalana (moyen) mitondra makany amin'i Kristy"
Raha niteny ve i Kristy hoe: "izaho no lalana" dia midika fa nolaviny ny "moyen" rehetra manampy ny olona ho any aminy?

mbola misy lalana hafa angaha fantatrao?
ho anay mantsy dia hoy izy hoe :izaho no lalana ,ny fahamarinana ,ary ny fiainana (I am the way ,the truth and the life) Jaona 14:6,vereno vakiana indray ny baiboly oops

Tsy mahavonjy ny Fiangonana, hoy ianao, nefa isany lalana mitondra any amin'i Kristy io.
tsy ny fiangonana no mahavonjy fa i kristy,ny finoana azy ,voavonjy ny mpiangona raha mitory ny famonjena ny mpitrondra fiangonana (maty ilay lehiben'ny fiangonana izay nataon'ireo mpiangona ho Atra ,manaraka ny finoana ary dia hoy izy hoe faly aho fa voavaonjin'i ... ny fanahiko,efa napetrako eo am-pelantanan'i ..... ny fanahiko, hello o ,tsy niteny na nano-bava izy hoe ho any amin'Atra na hoe hiaraka an'i kristy na hoe e, hianareo rehetra ireo a,raha te ho voavonjy ny fanahinareo dia mibebaha ka alotolry an'i kristy ny fiaiananareo ,tsia fady izany ary tsy misy na iray aza hatramin'izao ireo lehiben'ny fiangonana miresaka famonjena avy amin'i 'i kritsy.

Averiko indra fa efa nisy fanazavana any fa tsy mandray hianao dia io fa mamerina manontany io indray (vereno vakio ilay mpisoronabe )

Ny Fiangonana no manome ny Tenin'Andriamanitra ho antsika, ny Fiangonana no manoro antsika an'i Kristy toy izay nataon'i Md Joany Batista, sns... Toy izany koa ny Fikambanana Masina isan-karazany...
raha manome ny fahamarainana izay voaolaza ao anaty baiboly (jereo ireo didiy folo... )oops

Aza adino fa i Kristy no namorona ny Fiangonana, ary ao amin'ny Fihombonana no itoeran'i Kristy. I Tommas tsy tafaraka tamin'ny maro tsy mba nahita azy. Ary nolazainy fa raha misy olona roa na telo mivory amin'ny anarany dia eo anivony mandrakariva izy.
raha miantso an'i kristy izany fa raha sampy no ataony fitaovana ilazany fa fitaovana hivavahana ,mandositra ny fanahy masina fa tsy misy fanahy masina eo ,izay miaraka amin'i kristy ny asa ataony no ataony koa ,raha tsy mino an'i kristy ahoana no hidiran'ny fanahy masina ao aminy?

2 - Ny sakramenta (Batemy, Eokaristia, sns...) dia izy Kristy no namorona azy. Raha lazainao fa tsy mahavonjy io dia hoy aho hoe: DISO izany.
Izao no antony: Izy Kristy mihitsy no nilaza fa "MAHAVONJY NY SAKRAMENTA". Misy ohatra vitsy ireto:

a - Batemy: "Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina. "

b - Eokaristia: "Raha tsy mihinana ny nofo sy misotro ny rako ianareo hoy i Kristy, dia tsy mba hahazo ny fiainana mandrakizay".
Misaotra anao!
na tondrahana na atsoboka na inona endriny raha tsy misy finoana an'ilay kritsy mihitsy ao dia toy ny tondrahana ny rano fotsiny io e,tsy ahitana vokatsoa,moa ve mino ilay olona fa sarobidy io fandraisana azy io ,moa ve nataony ho fijorona ho vavolombelona ho azy ny asa nataon'ny tompo azy ,ary tsy menatra izy ny mtory ny tenin'ATra fa tsy hanohitra ny teniny lava ,,toy ny zazakely izay tsy mahalala ny tena hasin'ny kominioa kanefa dia omena Maro no antsoina fa vitsy no voadidy ,maro no milaza fa mivavaka amin'ATra izy ka na dia resahina aza izany ,eie ny ataoko ihany no ataokoe e

52. ikaretsaka ( 14/04/2008 15:25)
Hoy i Fody:

Nyrina
Avaho tsara aloha ry nyrina ny dikan'ny hoe:
1 - "Lalana= Kristy" sy ny hoe "lalana (moyen) mitondra makany amin'i Kristy"
Raha niteny ve i Kristy hoe: "izaho no lalana" dia midika fa nolaviny ny "moyen" rehetra manampy ny olona ho any aminy?



voavaly hoe
mbola misy lalana hafa angaha fantatrao?
ho anay mantsy dia hoy izy hoe :izaho no lalana ,ny fahamarinana ,ary ny fiainana (I am the way ,the truth and the life) Jaona 14:6,vereno vakiana indray ny baiboly oops


hors sujet tanteraka... fanavahana no tiana hotsipihina eto... ny fahaizana manavaka
53. niryna ( 22/04/2008 15:31)
Rasiligaoma:

ray misy kao fiangonana manangona frais hono hamelomana ny vadin'i pasitera manohy fianarana any ivelany.
inona no hidiran'ny famonjena amin'i vadin'i pasitera?



:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.269