les chrétiens et les....reste !!!!!

21. kiadi ( 02/04/2008 11:40)
sa gila kay fa adinoko :-D :-D :-D :-D
22. niryna ( 02/04/2008 14:53)
prime:

Tsy ny finoana kristiana no ambony, na ny kristiana fa Kristy mihitsy, ilay Mpanjakan'ny Mpanjaka, Tompon'ny fahefàna rehetra any an-danitra sy ety an-tany...
=D> =D>

Nefa na nanana ny fahamboniany amin'ny maha-Andriamanitra Azy aza Izy dia nanetry tena ka nanome ohatra feno ny amin'ny toerana mendrika ho an'ny mpianatra dia ny fanetren-tena tamin'ny nidinany ho olona ary nanolorany ny tenany teo amin'ny hazofijaliana... ary mbola nampiany aza hoe : "fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy." Marka 10:43
miombon-kevitra ihany koa.
Omeko fotsiny ny fanazavana ka anjaranareo no mandray izay mifanaraka ny sainareo ary mangataha ny fanahy masina mba hanazava izany tenin'Atra izany satria raha mangetaheta ahalala ny marina isika na tsy mino aza fa mino ny asa izay nataony dia ho fantantsika ilay teny voasoratra,raha ohatra kosa ka ny herin'ny tenantsika no hitondrana sy andraisana ny tenin'Atra dia tsy ho fantatra fa ho lavina avokoa ary ho toherina avokoa izay voasoratra.

1 kor 2:15

15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.

araky ny teny ao amin'ny soratra masina izany dia mizara roa ny olona dia ny iray izay mino an'i kristy ary ny iray izay tsy mino azy.
Iza amin'ireo no misy antsika ?

Mino an'i kristy amin'ny inona? Amin'ny famonjena ,ny fiainana mandrakizay miaraka aminy,izay namonjy ahy sy hianao teo amin'ny fahotana sns
Ny famonjena:dia ny famelana ny heloka izay nomen'Atra ny zanany mba hamonjy izay mino Azy,izay Izy no nisolo ny helok'izao tontolo izao.Ary ny fahafantarana fa ny fahotantsika dia voavela noho ny finoana Azy ary vonona ny hiaraka aminy rahatrizay......
Ny iray dia izay tsy mino an'izay noteneniko izay dia tsy miaraka amin'ilay mpamonjy izany,ao anaty soratra masina ireo ka izay no nahatonga azy hiteny hoe mizara roa ny olona...

Ny voalohany dia izay tsy miaraka aminy ny fanahy masina satria avy amin'i kristy io fanahy io

12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan-aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany 2 Pet 2:12
,

Izay mifanohitra an'ity teny ity
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. Rom 8:9


Misy ireo izay ao ambanin'ny fiadidian'i satana ,dia hisy hiteny indray hoe izay tsy miaraka an'i kristy izany dia eo ambany fiadidian'i satana?
dia omeko indray ny teny ao amin'ny soratra masina
hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin' Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.Asa 26:18
ary dia teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.Efe 2:3

Farany satria ity tany ity dia tany fandalovana ho an'i kristiana satria mbola misy fiainana aorian'ny fahafatesana koa dia mpivahiny no hilazana antsika eto fa ho an'ireo izay miantehitra ny fiainana eto amin'izao tontolo izao dia
Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao?[ Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.Jakoba 4:4

ary dia toheriny ny lalan'ny fahamarinana izay avy amin'ny Fanahy Masina

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 1 kor 2:14


vita tompoko
mahereza mikatsaka ny marina mandrakariva
Ny herin'ny Fanahy masina anie hiaro antsika,hanampy antsika ahalala ny marina ,ary hanoro sy hanitsy antsika mba tsy ho very fa hanana fiainana mandrakizay .



23. Zina ( 02/04/2008 15:11)
yonikafopl [ Valio ] 01-04-2008 17:40:37
Lohateny : Re : les chrétiens et les....reste !!!!!
les chrétiens sont des................. crétins

:roll: :roll:
24. yonikafopl ( 02/04/2008 20:27)
fa inn ty nahazo an'i Zina???
25. majesty ( 03/04/2008 05:19)
Meva2:
Raha amboarina ny fomba filaza azy ary dia aleo atao hoe "ireo mino an'i Kristy sy ireo tsy mino azy " raha hafahafa aminao ny maheno an'ilay hoe "ny Kristiana sy ny tsy Kristiana".
Avereno jerena ilay dinika fa tsy nisy fanaratsiana tao na dia lazainao fa atao ao anaty sobika iray aza ny sisa ambiny rehetra,fa ny fahasamihafana eo amin'ny finoana Kristiana sy ny tsy Kristiana no tena tiana havoitra amin'io :D

kiady:
na tsy nilaza aza iz ry zoky de mazava fa mizara roa lehjibe ny finoana! de ny kristianina sy ny tsy kristianina! midika zany fa lehibe indindra ny kristianina amiko!

Hafa kely le raisonnement; toa midika hoe rehefa lazaina hoe inona no mahasamihafa ny finoana protestanta amin'ny finoana katolika ohatra dia manome avy hatrany ve ny valin-teny avy eo hoe lehibe ny anankiray noho ny iray :-w :-w :-w
26. meva2 ( 03/04/2008 08:31)

\" azo sokajiana ho iray ireo satria mifanohitra @ Kristiana\"

Mazava be mihitsy ny zavatra nolazainao ka! inona moa ny dikan\'ny hoe kristianina tsy hoe mino an\'i Kristy??????
Ka na ovaina aza dia tsy mampiova ny votoatin\'ilay lazainao ilay izy.

Ary mbola naverinao mazàva tsara t@ farany hoe : ny navoitra dia ny fahasamihafan\'ny Kristianina sy ny tsy kristianina!!!

Izany hoe io \"antoko faharoa izay mbola tsy fantatrao anarana io...\" izany dia définition iray dia iray no omenao azy. Izay no tsy mahadakaoro ahy. Izay ilay sobika nolazaiko anao. Tsy niteny anao mihitsy aho hoe nanaratsy ianao na tsia, fa kosa hoe/ ny mpino an\'i Kristy (raha tianao ..) sy ny ambiny...Tsia.

Hoan\'i niryna:
Fantatro fa olona mankatoa ny fivavahana kristianina ianao ary tianao hozaraina tokoa ny fahaizanao ireo toko sy andinin\'ny baiboly.
Ny tiako ho singanina anefa eto dia indrindra indrindra ny fijery sy ny fihevitra manoloana ny karazam-pinoana hafa.
Ny baiboly dia fitaovana hoan\'ny kristianina handalinana ny tenin\'Andriamanitra fa nomena koa isika olombelona saina afaka manadihady ary fo afaka mankato fa ny voajanahary rehetra dia tsy mitovy, na bika na toetra, na ...finoana. Tsy anjarantsika anefa ny mitsara ireo te hahafantatra na tsia an\' A/tra (@ fomba kristianina); tsy voasoratra ao anaty baiboly irery ihany ny tena fiainana.

27. kiadi ( 03/04/2008 18:02)
misy tsy mendrika ho chretiens fa cretin marina!!
28. fijo ( 03/04/2008 20:23)
de izay izany.
29. Rasiligaoma ( 04/04/2008 05:40)
tokony hifameno no atao fa tsy izy sy tsy izy io e. tsy hoe rehefa manaraka ny testamenta taloha akory (ireo tsy voatery ho kristianina nefa mino an'andriamanitra ) dia tsy izy

manjary ampifanditranareo ny testamenta taloha sy ny testamenta vaovao nefa natao hifameno
30. majesty ( 04/04/2008 06:42)
ekany dia ekany tokoa rasily a :-*
31. prime ( 04/04/2008 10:52)
meva2> raha fanavakavahana no fandraisanao azy ka tsy eken'ny sainao dia mitombina ilay fanamarihanao...

Fa raha ny tenin'Andriamanitra no raisinao tsara dia hazava aminao ny zava-miafina ao ambadik'io...
32. meva2 ( 04/04/2008 19:04)
izao e,

Raha avadika ilay situation ka misy ny miteny hoe: Misy karazany roa ny finoana, misy ny musulman ary misy antoko hafa izay ny sasany mivavaka @ statue, ny sasany mandohalika eo anoloan'ny croix, ny sasany nefa tsia sady koa tsy mivavaka @ Marie, ao koa ny mihevitra fa ny tapa-kazo no mitondra ny fiainany......ets...ets.Io antokom-pinoana faharoa izay mbola tadiavina anarana io..........
Tsy hisy ho tafintohina ve?
Ny tenin'A/tra amiko dia fitiavana, tolérance, compréhension, humilité, famindram-po.

Ialana tsiny ny vary amin'anana.
33. fijo ( 04/04/2008 21:06)
ity "tolérance"dradradradrain'ny mpino rehetra ity ry zareo ,tsy mbola mety itako aminareo an.na silamo io na kristianina,na jiosy.
34. niryna ( 05/04/2008 05:19)
prime:

meva2> raha fanavakavahana no fandraisanao azy ka tsy eken'ny sainao dia mitombina ilay fanamarihanao...

Fa raha ny tenin'Andriamanitra no raisinao tsara dia hazava aminao ny zava-miafina ao ambadik'io...

marina izany ,misaotra an'i prime

28 An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina
; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity. Deot 29:28



35. meva2 ( 05/04/2008 11:48)
Fijo,

Marina mihitsy ny voalazanao, izay no tsy hanarahana bêtement izay heverina fa làlana tokony ho zorina. Izay no tsy hanekeko izay milaza fa ny azy ihany no marina. izay koa no tsy andehanako any ampiangonana obligatoirement satria ny finoako dia entre izaho sy ilay inoako fa tsy mila dradradradraina erak\'izao sisindalana izao.Mankany aho bien sûr fa tsy hentiko ankaterena et sûrement pas hoe noho ny fiaraha-monina no anaovako azy. Ary indrindra ny finoako dia hampisehoiko amin\'ny fiainana andavanandro sy ny fomba hitondrako tena @ ireo manodidina ahy. tsy ilaiko ny mahay tsianjery ireo andalana zato sy arivo fa ny tiako dia ny mampihatra azy avy hatrany. Ary izany dia manomboka @ fankatoavako ny safidin\'ny sasany.
Tsy ny fahalalana ny làlana tsara sy ny teny soa akory no midika fa olo-mendrika ianao.
Ary raha nisy vono olona be indrindra, fampiasana ny religion hangalana ny pouvoir @ na firenena iray, sujet lehibe mbola mampisy ny ady hatramin\'izao dia io religion io indrindra no antony. nahoana ny eglizy katolika no antoko manankarena indrindra ary misy influence be dia be? Manaraka koa ny mormons sy ny scientologues......... zavatra tsy mitovy ireo nefa misy point commun: Ny harenan\'ireo \"eglizy\" ireo !!! samy antsoina hoe eglizy daholo mantsy izy ireo, fanamarihana. Misy antony ve izay sa tsia??? satria raha ny fahafantarako azy, toa tsy nanana fiainana toa an\'i Jesoa kristy mihitsy ireo PAPA izay lazaina anefa fa image n\'ny ray Tsitoha eto ambonin\'ny tany.
Noho izany, aoka tsy ho jamba isika mianakavy, tsy mandany andro hitsara ny sasany satria ny religion dia ny OLOMBELONA no nanapa-kevitra ireo lalàna mifehy azy ka tokony hahay handanjalanja tsara ny fihetsika sy ny fisainana tokony hananana manoloana ny sasany. Izay no atao hoe: TOLERANCE izay indrisy, mbola ankavitsiana ny manana azy.
Ka raha mbola olombelona ihany, aoka lahy ny fitsarana, la voie de dieu est impénétrable.
36. yonikafopl ( 05/04/2008 21:28)
Marina mihitsy ny voalazanao, izay no tsy hanarahana bêtement izay heverina fa làlana tokony ho zorina. Izay no tsy hanekeko izay milaza fa ny azy ihany no marina. izay koa no tsy andehanako any ampiangonana obligatoirement satria ny finoako dia entre izaho sy ilay inoako fa tsy mila dradradradraina erak'izao sisindalana izao.Mankany aho bien sûr fa tsy hentiko ankaterena et sûrement pas hoe noho ny fiaraha-monina no anaovako azy. Ary indrindra ny finoako dia hampisehoiko amin'ny fiainana andavanandro sy ny fomba hitondrako tena @ ireo manodidina ahy . tsy ilaiko ny mahay tsianjery ireo andalana zato sy arivo fa ny tiako dia ny mampihatra azy avy hatrany. Ary izany dia manomboka @ fankatoavako ny safidin'ny sasany.



Zay indrindra

37. yonikafopl ( 05/04/2008 21:31)
26. Mpandefa : kiadi [ Valio ] 03-04-2008 20:02:08
Lohateny : Re : les chrétiens et les....reste !!!!!
misy tsy mendrika ho chretiens fa cretin marina!!


kiadi tena izay mihintsy, za tena lasa alerzika'ireny miseho ho kristiana reny nefa manafintay antsalaka fotsiny
38. Rasiligaoma ( 07/04/2008 05:05)
fijo:

ity "tolérance"dradradradrain'ny mpino rehetra ity ry zareo ,tsy mbola mety itako aminareo an.na silamo io na kristianina,na jiosy.


izay mantsy
39. yonikafopl ( 08/04/2008 13:08)
^:^
40. xxx ( 08/04/2008 13:15)
yonikafopl:

les chrétiens sont des................. crétins :wink: :-D



:twisted: :twisted: :twisted: :twisted: :evil: :evil: :evil: :evil: :arrow: :arrow: :arrow: :arrow:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.8604