Transition ny Zafy

1. rabingogilabanga ( 25/03/2008 15:13)
Ny mpanakiana dia tonga dia milaza hoe: hevitra maivana.
Ny mpanohana dia hilaza koa hoe tena mety.
ny hendry dia hilaza hoe: wait and see
-satria: ny vola no manjaka ao Gasikara, raha fififdianana
-satria:Ratsiraka, Ravalo,Pierrot, ary Ranjeva, ireo aloha no tena manambola hatreto
dia ireo no hifandimby, hitondra sy hifandimby ho exilés politique, na hifandimby ao tsiafahy, tadidio hiverina aho hoy ratsiraka!

-satria,tsy nisy nanjary, hafa-tsy PSD, ary satria ny transition dia ny rehetra no antsoina , dia tongava manohana an'io, henoy ny hevitra hapoaka ao, manolora hevitra(ex: president in-2 ihany milatsaka, federation style USA, mba misy ny concurrence entre province,fifidianana misy bulletin unique misy sary,... etc...)

Soa ho an'ny rehetra io mba tsy ho-exilés politique koa i Ravalo, sy ny tariny, ao aoriana ao(dans 1 ans; dans 3ans, dans 6 ans..., asa...! )anontanio Pety, andrianafidison, ratsiraka,

sinon, valifaty politika lava ny ao dago
novalian'i kanota ny 29/03/2008 00:10
2. menalamba ( 25/03/2008 15:40)
SSssshhh !! Raha nahay letsy ny an'ialah tsy niongam-potsiny ah ! :roll:
3. rabingogilabanga ( 25/03/2008 15:50)
menalamba:
SSssshhh !! Raha nahay letsy ny an'ialah tsy niongam-potsiny ah !


ra-zoky,tsy mendrika anao izao hevitra fohy loatra izao, ianao mba intelligent, mba asio famelabelarana

mandra-piandry ireto ny niogampotsiny:

Gorbatchev:urss
nixon : Usa:
lech walech: pologne:
benazir bhutto: pakistan:
ratsimandrava: madagasikara
napoleon: france
etc...
ary tsy ny habadoana ihany no mampiongana, fa ireto: ny tsy fananambola, ny tsy fitandremana (coup d'etat), ny fahamarinana diso tafahoatra,...,ny vahoaka manohana ny adala,...

fohy loatra ny hevitrao ra-zoky, ianao mba intelligent, mba omeo fandalinana ity mpianatrao kely ity ra-zoky ô


4. menalamba ( 25/03/2008 16:23)
Aleo ngamba any @ Zafy ianao no mianatra fa izy no prôfésora ,sady izy koa no nahita ny hevitra tohananao :^)
5. badboy ( 25/03/2008 17:50)
Izay efa nandalo teo ka voky de mba manaja tena fa tsy mamba noana tahak'io! Anjaran'ny hafa njay alo zao no mameno paosy!! De miandrasa tour @ fifidianana manaraka de mba mahaiza mampandry adrisa otran'izay reetra efa lany teo raha te hiverina eo!!:idea::idea::idea::idea:
Mody ouaouaoua daholo fa refa tonga eo mitovy ihany ny tanjona : manangana villa bedebe de manodina sosy bedebe de manafina sosy any ivelany (suisse ohatra) de manao ramatahora de sns sns.:-D:-D:-D:-D:-D
6. simplex ( 25/03/2008 19:34)

Le transition aloha impossible ra tsy ny vahoaka indray no mitroatra e. :)

Kanefa ra i Zafy Albert no lohalarana, tsy manakivy an'i rabingogilabanga aho fa mety tsy dia ho betsaka ny liana ny hanara-dia azy 8)
7. Jeankely ( 25/03/2008 22:55)
Ny olana anie ry Rabogosy tsy gila tsy banga dia tsy azonareo sy ny hafa angamba. Ny resaka FEDERALISME dia tsy ratsy fa ny mpanao politika Malagasy no manova zavatra ary miteniteny foana amin'ny fotoana tsy ilaina azy. Raha nihetsika ny olona t@'ny nanonganana ny manamboninahitra lazainareo hiverina dia noresahina ny FEDERALISME ary nolazaina hoe ALEO HO HITAN'NY HAVANY EO ANTANANARIVO satria tsy manana ranomasina. Fisarahana no ao antsaina. Tsy izany anefa fa nosy maromaro mitambatra aza tsy ny ady no resahina. NA HILAZA MANAMPAHAIZANA IANAREO AZA DIA NY FANKATOAVAN'NY VAHOAKA IZAY HATAO NO HAMPANDROSO SATRIA TSY TAFAHOANA NY SAINABEN'NY MANAMPAHAIZANA SY NY AN'NY VAHOAKA PEPOINA HO VENDRANA SY MPANARAKEFA. Raha manaiky an'izany ny vahoaka dia hanjakao satria donto ve izy aminareo?
8. badboy ( 26/03/2008 08:44)
Ny resaka FEDERALISME dia tsy ratsy fa ny mpanao politika Malagasy no manova zavatra ary miteniteny foana amin'ny fotoana tsy ilaina azy.


Aza manodina resaka tahak'io!! Ny resaka dia hoe fangatahana "TRANSITION" fa tsy hoe "FEDERALISME"!!:idea::idea::idea::idea:
Aleo tsy lazaiko hoe tsy mahafehy ilay teny na miteniteny foana fa ataoko hoe diso fijery!!:°):°):°):°)
9. menalamba ( 26/03/2008 10:35)
Tsy miaro @ Jeankely aho fa miresaka "federation style USA" kosa i rabingo ery ambony ry badboy an! Vakio tsara aloha é...:°)
10. badboy ( 26/03/2008 11:23)
Ka eto le hametrahana ilay transition ange no resaka fa tsy hoe ny hametrahana état fédéral!! Ilay état fédéral refa mipetraka ilay transition izay vao eritreretin'ireo hapetraka ilay hevitra!! Noho izany tsy tokony ho resahana akory aloha ilay izy satria manjary mametraka ny sarety alohan'ny omby!! Sady ilay transition aza ita be oe tsy ho lasa aiza satria hevitra ataingina noho izany tsy mipetraka ilay féderalisme satria province autonome no efa eo sady safidimbahoaka!!:wink::wink::wink:
11. rabingogilabanga ( 26/03/2008 12:22)
simplex:
Le transition aloha impossible ra tsy ny vahoaka indray no mitroatra e.


eo indrindra no tenaa olana ry kofa simplex, tsy misy afaka mihambo ho tompon'ny vahoaka intsony @ izao 2008 izao; t@ 2005 an'i ravalo ny vahoaka, t@ 2007-2008 ireny ny voka-pifidianana t@ mairie n'antananarivo sy ny participation t@ regional
donc:
-zafy empéché 1996
-ratsiraka naloan'ny vahoaka 2002
-Ravalo naloan' ny vahoaka 2008
inona no hatao? ny force no hanjaka :
-na ny mpanambola no hanakarama mercenaire politique sy bandit hanankorotana, na hanagadra izay miteny
(ratsiraka sy ravalo no mpanambola eto)
-na hisy coup d'etat militaire , tsy hihetsika ny
vahoaka satria samy halany ny mpitondra, sy ny mpanohitra. izay ve no tombotsoan'ny vahoaka?


-na isika no handray antanana ny ho avintsika:

menalamba:
Tsy miaro @ Jeankely aho fa miresaka "federation style USA" kosa i rabingo ery ambony ry badboy an! Vakio tsara aloha é...


exemple io Razoky a! aza izay azonao tsimponina no tsimponina, , sady tsy io ihany ny exemple nomeko (exemple : bulletin unique misy sary...), le principe no jereo, hoe: afaka manome ny heviny ny rehetra
transition = menalamba manome ny heviny
badboy manomne ny heviny
jeankely manome ny heviny
simplex manome ny heviny


Izay efa nandalo teo ka voky de mba manaja tena fa tsy mamba noana tahak'io!


marina io, saingy izy tsy hanaja tena, ary hampiasa ny volany sy ny force-ny, ary rehefa noana ny vahoaka, dia mora vidiana
tadidio fa niverina t@ loany ny vahoaka t@ 1996, satria noana, no sady nanambola ilay filoha nividy azy

ohatra: raha misy manampahaizana, dia vidian'ny karana, dia ampiasainy ny volan'ny karana hividianany vahoaka, dia lasany ny fitondrana,,

noho izany transition:= famaritana ny règle du jeu, mba tsy dia ny vola tanteraka no hanjaka (ratsiraka, ravalo, karana ) io

ary tsy no-jerenareo ny mety haha- exilé an-dRavalo, raha hiongana eo?
12. Jeankely ( 26/03/2008 12:47)
Inona no raharahanay an'iza sy iza raha ho exilé na tsia. Ary tsy ianareo ihany ve no milaza fa tsy exilé izany ireo any andafy fa ny volabeny aza tadiavin'ny sasany lelafina miampy ny fiadanana rehetra andafy? NY MAHAMENATRA DIA ILAY MADAGASIKARA TSY TAFAVOAKA. Milaza katraka sy be olomanga sainga very ary raha mijery "Doing Business 2008" ohatra dia i Comores izay noalazaina MAVORANJO taloha aza alohan'i MADAGASIKARA. Ny ahy dia ny fahalalana menatra manoloana ny hafa no averiko. Finaritra ny ho bogosy mody bingo banga gila nefa tsisy tafavoaka.
Transition = Handany andro indray aminay. ny firenena hafa misongina ihany.
13. papala ( 26/03/2008 13:21)
ny Transition ny Zafy aloha de tsy hamokatra mihintsy e! satria izy ary teo @ fitondrana saika maty tampoka daholo ny vahoaka ko!
Ny @ bulletin unique ndray de mba manaova statistiquan'ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra eto dago de ho hitanareo eo ny vokany, noho izany de mbola ho ela vao ho tonga amin'izany. Noho izany mila fandavantenan'ny tsirairay ny fivoarana, fa tsy vitan'ireo mpanao politika wawawa fotsiny!
14. rabingogilabanga ( 26/03/2008 14:04)
papala:
Noho izany mila fandavantenan'ny tsirairay ny fivoarana, fa tsy vitan'ireo mpanao politika wawawa fotsiny!


marina io, saingy tsy pratika, fa tena hevitra gasy be, variante-n'ilay hoe: mila miova toetsaina ny vahoaka satria:

-iza le tsirairay?olona 10, 20,1000, sa ny gasy 17 millions, de oviana izany vao ho tratra?
-ary raha tsy tonga saina ilay tsirairay, tsy izay conscient ve no tokony hihetsika?

ary raha leo mpanao politika isika, dia izay le transition:

transition= teteza-mita= tsy misy resaka politika, fa ny antoko rehetra sy ny hery rehetra ao daholo,

tsy resaka ravalo, ratsiraka, zafy, ratsy na tsara, samy mpangalatra daholo ireo,

saingy aleo zafy bado aza, sady transition, (mora aongana hoy i tompokolahy Ravony) fa raha i ravalo sy i ratsiraka kosa, olona mahiratra ireo roa lahy ireo, ka dia tsy maintsy pont tapaka, sy ady antrano sy vono-olona, vao ho tafaongana izy roalahy avy, sa?
15. Jeankely ( 26/03/2008 14:18)
Izao no takatry ry Bogosy;
saingy aleo zafy bado aza, sady transition, (mora aongana hoy i tompokolahy Ravony) fa raha i ravalo sy i ratsiraka kosa, olona mahiratra ireo roa lahy ireo, ka dia tsy maintsy pont tapaka, sy ady antrano sy vono-olona, vao ho tafaongana izy roalahy avy, sa?
itony koa angaha ilay bogosy tsy nahazaka dia nilaza bingo bila banga????
Efa hoe Bado koa atao inona. f'angaha mahiratra indray ilay eo @ toerana nolazaina tsy nianatra??? Voa mafy mihintsy satria manao resaka mandany jiro.
Transition = Mandany andro = Tsisy dikany.
Raha mahay mandraisa basy ankoatr'izay miatapitapia ihany fa tsy mila bado izahay.
16. rabingogilabanga ( 26/03/2008 14:45)
Transition = Mandany andro = Tsisy dikany.

ah! 25 ans de radidy, tsisy transition, tsy lany andro?
ah! 6ans de ravalo, inona no vita, tsy lany andro,

ny transition koa de hoe, rehefa 2 fois president de ouste, sao lany andro, surtout raha tsy nanao raha!

ka en 2012, mbola hilatsaka ve ravalo, sa hiverina radidy, donc 4 è mandat de radidy, ou 3 è mandat de ravalo, de ahoana tsy lany andro?

aleo hofaritana @ teteza-mita ny regle, 2 mandat dia ampy, atao ao anaty constitution io!

Ravalo niteny hoe tsy hilatsaka intsony, dia hino azy? dia hino mpanao politika izany?, non, non, non, raha mbola tsy voasoratra ao @ constitution dia tsy azo inoana ny mpanao politika!
17. badboy ( 26/03/2008 16:52)
Efa dingana lehibe ilay mitady hevitra hanovana ny fianinan'ny malagasy, ary manakarena hevitra ny gasy mpitondra sy hoentina! Nahoana?!?

Efa nandalo teo @ io tanondrazantsika io daholo ny akabeazan'ny sarimpitondrana misy rehetra! Royauté, colonisation, coup d'état, régime militaire, dictature, transition, gouvernance des lobby,.....tao anatin'ny taonjato 1 monja! Ny hany tsy mbola hita teo dia ny oligarchie sy ny théocratie!

Ireo sarimpahefana nampiarina sy efa nandalo teo, izay tsy hiverenako eto, dia tsisy nitondra vokany ho an'ny vahoaka na 1 aza, fa ny fahantrana sy ny fanerena fehikibo no hita nitombo andro amanalina!!!

Ka ho an'ireo izay manakevitra ny hamerina ny efa nitranga nefa tsy nitondra soa dia aoka izy no hahatsapa hoe efa leo ny gasy!

@ ireo 2 mbola tsy teo, dia ilay théocratie azo alana avy hatrany satria hita ny lafiratsiny raha jerena ireo firenena arabo!
Ny hany sisa azo andramana sy mety hitondra ny firenena any @ fandrososana izany dia ilay oligarchie! Izany hoe omena ny tena manampahaizana @ lafinjavatra iray ny ministera sy ny direction'ny administration fa tsy hoe omena an'io eo io satria io no hanaraka ny hevitry ny deba na koa hoe io no namanay akaiky, na koa hoe io no tsy hifaninana aminy! Efa nandramana io @ ilay appel d'offre poste vacant fa tsy nitohy sady tsy nikasika afatsy administration vitsy! :idea::idea::idea::idea:
18. menalamba ( 26/03/2008 16:55)
Rabingo ô ! Tsotra ny fanafodiny ,rehefa tonga ny 2012 dia mirotsaha isé fa tena lalin-tsaina ,dia hofidianay raha mendrika,fa raha i dadabé Zafy efa 90 taona mahery @ izany na i Ratsiraka koa efa mihivinivina ny lohany @ izany fa soara,Tsy mahavita" 4e mi-temps" izany intsony ireo é :°)
Dieny izao dia efa manomana tena @ izany fa aza ny sôvaly maty no tengenana :^)
19. bazylou ( 27/03/2008 01:05)
aleo asiana ao rehefa zefa e!!:lol:
20. Jeankely ( 27/03/2008 03:32)
Asio izay voanao fa sahaza azy ny voa raha vitanao=))=))=))=)). Mba tairo jerena. Miantso vahoaka satria nofa. Ny vahoaka angaha nahazo tombony taminao no hanampy anao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0612