Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?

41. pissoa ( 28/03/2008 21:40)
K'efa hoe efa nalefa any Andafy le izy fa tsy ao Ambondrombe tsony :-D :-D :-D :-D :-D

Bon - aleo aloha ho matotra kely ! Sao i Niryna tsy mahafantatra ny dikan'izany hoe Vakna no mahatonga azy nanoratsoratra toa io (na dia efa mahazavatra ihany aza lol). Vakna = avy any Vakinankaratra !
42. ikaretsaka ( 28/03/2008 21:41)
rehefa tsy zaka ny mamaky ravim-boky hono dia ajanony fa efa lasa mivadika ho mpaminany koa
ahiako hanaraka an'i mahiol @ hoe ao bira ny afobe..
aka nga mo yyyy! =))
43. pissoa ( 28/03/2008 22:03)
lol aza mampime ry Ika a =))=))=))
44. ikaretsaka ( 28/03/2008 22:05)
ka miezaka mitady ny link hifandraisan'ilay clues bedebe aho fa tsary mahita eee
45. niryna ( 28/03/2008 22:21)
niryna:

Nahoana no velona ny ratsy fanahy Ka sady tratrantitra no be hery?
Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, Ary ny zafiny eo anoloany.
velona ny ratsy fanahy fa mbola omen'Atra fotoana hifonana sy hivavahana izy.

Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, Ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
miadana ara-bola sy ara-batana angamba izany fa tsy miadana aram-panahy,firifiry akory ireo olona manan-karena misara-bady lava,matoa misaraka dia mitady an-drafifaliana ka izay fisarahana ahazoana tanora lalandava no eritreretiny ho fifaliana kanjo voa roa ,lany ritra ny fananana,antitra vao mitaiza rangahy

Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny làlanao.
Inona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
dia ireo izy fa manao an'Atra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy kanjo rehefa tapitra ny harena vao mipopopopo,soa ihany fa fitiavana Atra ary misy foana ny taranany manapaka ilay fatoran'ny satana

mahasala saina ny tenin'i Joba e ? :roll:

http://baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=21&dika=
tena mahalasa saina tokoa satria raha misy olona nijaly tsy nisy toa an'i Joba saingy nitazona ny finoany sy ny fanajany ary ny fanarahana ny sitrapon'Atra hatrany izy na dia nesoan'ireo havany sy ny namany aza.

Ireo ilay olona izay manda ny tenin'Atra foana,manohitra ny teniny ary tsy mahalala na mody tsy mahalala ny fahasoavana nomeny azy.
marina tokoa izany satria tsy manana an'Atra izy koa ahoana no ahalalany sy ahafantarany an'izany raha tsy miaina ao anaty izy ary raha tsy miezaka ny hijery izany fahalalana na finoana an'Atra izany.

Ny mankasitraka sy manaiky ny teniny dia tsara lavitra noho ny manao fanatitra,diniho avokoa ny soa rehetra azontsika eny na ny vola ampiasaintsika aza dia avy amin'Atra avokoa.
satria ny tenin'Atra no tandrovana zava-dehibe,ny fampiharana izany amin'ny fiainana,ny fampiasana sy ny finoana fa velona izy,izay no ilainy amintsika voalohany indrindra,inona tokoa moa no azo amin'izay fanatitra raha ny fo tsy mankasitraka sy tsy manaraka ny teniny ? Ary tsy vitan'ny vola ihany fa ny talenta eny na ny fotoana izarana ny tenin'Atra eto amin'ny sera aza dia efa zava-dehibe ka isaorana izay mizara izany hatrany.
:D :D
46. ikaretsaka ( 28/03/2008 22:29)
ka tsy mbola nohazavainao anie hoe aiza no hifandraisan'i jakoba sy i joba @ vakinankaratra ary ny tenin'andriamanitra e??
eo isika izao! :-D :-D :-D
eo izao no topic an'ny toriteny!

:^)
47. fijo ( 28/03/2008 22:49)
ary ahoana moa no ahafahan'i niryna milaza olona iray hoe tsy miadana arapanahy??????????
voalaza teo:"fa tsy miadana aram-panahy,"
48. ikaretsaka ( 28/03/2008 23:07)
faminaniana! :°) :°)
49. niryna ( 22/04/2008 15:26)
fijo:

ary ahoana moa no ahafahan'i niryna milaza olona iray hoe tsy miadana arapanahy??????????
voalaza teo:"fa tsy miadana aram-panahy,"



:D :D ny olona mametraka ny fiainany eo amin'Atra dia tsy mba matahotra na inona mitranga na inona, tsy manome tsiny hoe fa maninona no izaho no hiaran'izao na ny hafa tsy maninona,tsy mba mitady hevitra lava hanipahana ny tenin'Atra ,mijaly toy ny rehetra saingy manana fanantenana miaraka amin'ilay tompo mahery,eny miadana ny fanahy satria mahafantatra fa misy ilay Atra manampy amin'ny fiainana,ny olona tsy manana an'Atra sy tsy mino kosa dia mitady andetika ny tenany lava ka ny fitadiavcana ny porofo lava no ataony saingy arakaraky ny hitadiavany izany no vao maika manamafy ny fony,ary dia mahafantatra izy fa misy fahabangany ny fiainany saingy tsy ainy ny manazava izany,experience io ra fijo a,ary maro no nandalo an'io ary mbola mandalo indrindra amin'izao fiainana mihamafy izao raha tsy manana an'Atra hianao dia hianao no hijaly indrindra,mbola tsy tara fa dia miandry anao izy
50. niryna ( 22/04/2008 15:35)
pissoa:

K'efa hoe efa nalefa any Andafy le izy fa tsy ao Ambondrombe tsony :-D :-D :-D :-D :-D

Bon - aleo aloha ho matotra kely ! Sao i Niryna tsy mahafantatra ny dikan'izany hoe Vakna no mahatonga azy nanoratsoratra toa io (na dia efa mahazavatra ihany aza lol). Vakna = avy any Vakinankaratra !

misaoatra aky pissoa a,fantatro ny hoe mpitsok'ovy ny vakinandratra,sa moa tsy mitsok'ovy izy ireny? ilay olona be nangy noho ny fitsofana ovy,ireny ve ?

51. niryna ( 22/04/2008 17:03)
niryna:

ny soa ho azo raha mivavaka aminy?
http://baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=21&dika



Marobe tokoa ary tsy tambo isany izany:manana fanatenana fa hiatrika ny fiainana mandrakizay hiaraka aminy,raha hatrizay ka miala ety,voavonjy ny fanahy ka hiadana sy ho ravoravo fa tsy hijaly satria efa nanaiky azy ho tompo sy mpamonjy ary mpanafaka tamin'ny fahotana rehetra,hiadana,hifaly,hiravo,tsy atahotra ny ho faty intsony ary dia tonga amin'ilay fitenenana hoe ho mandry am-piadanana ny vatana ary ny fanahy dia ho ravo sy ho faly fa manana an'i Jehovah Atra izay tia ahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0775