Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?

21. ikaretsaka ( 25/03/2008 13:28)
zhay!
22. niryna ( 25/03/2008 13:51)
ikaretsaka:

farito ilay hoe manda ny tenin'Atra ..

Hoy ny Salamo 73

Ny olona sasany dia mihevitra fa tsy misy fiafarana ny tsy finoana na ny tsy fanarahana ny tenin'Atra

3 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.

4 Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.

5 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.

6 Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba

11 Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
-------------------------
Dia mbola mitohy ihany ny eritreritry ny hafa toy ny ao amin'ny Salamo 73 ihany...kanefa dia
12 Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.

13 Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.

14 Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina
--------------------
..Kanefa dia samy mahafantatra avokoa isika rehetra fa ...

20 Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao
----------------------------
Ary ny kristiana izay azom-pahoriana dia tsy kivy fa..

26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.

27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.

28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.

Inona no hilazana ny olona manda ny tenin'Atra ?
ireo olona izay mihevitra ny herin'ny tenany na ny fahaizany na ny hareny ,izay heveriny fa avy aminy daholo no nahatonga an'izany,ireo olona izay tsy mitsahatra ny mitady hanafoana ny fanjakan'ny lanitra,ka manakana ny filazantsara tsy hitombo kanefa tsy afaka ny hanajanona an'izany izy,ireo olona izay mitompo teny fatratra ka ny eritreriny no heveriny ny dikan'ny tenin'ATra ireo rehetra ireo sy ny maro samy hafa dia "Rebellion" no hilazana azy na "denial ":arrow: tsy mino,na mino fa manohitra ny fisiany na tsy mety manaiky fa misy izy,na toheriny sy ovainy ny tenin'Atra
23. niryna ( 25/03/2008 13:53)
Rasiligaoma:

reo ilay olona izay manda ny tenin'Atra foana,manohitra ny teniny ary tsy mahalala na mody tsy mahalala ny fahasoavana nomeny azy.

andriamanitra tanteraka no ankatoavina sa ny teniny fotsiny e?

velabelaro kokoa ny tian'ny mpanokatra adihevitra hahatongavana


aminao mankatoa azy sa ny teniny fotsiny ?
24. niryna ( 25/03/2008 13:54)
ikaretsaka:

niryna ho'a rehefa manao sobjektra dia aza adino ny atribotra fa manjary tsary miady ny sentence

:D

25. niryna ( 25/03/2008 14:04)
pissoa:

Inona a ? :roll::-D:-D:-D

Maninona hono ireo olona tsy mino an'Atra no toa tsy misy mahory azy ? Toa jerena fa mandeha tsara ny fiainany?
Ny kristiana sasany anefa dia mijaly?
Efa nolazain'i kristy fa ny kristiana na ny mpanara-dia azy dia hijaly,hisy hanenjika,hisy hankahala ny kristiana satria noho i kristy izay torina ,arahina,saingy ity tany ity dia tany fandalovana fa ny fiainana miaraka an'i kristy ho mandrakizay no jerena.Izay tsy misy fahoriana,fijaliana,aretina samy hafa,ka tsy tokony ho gaga izany raha hijaly na hitondra fahoriana, na toa tsy mety tapitra mihitsy ny zavatra mahazo.
Izay ilay fitsapana ary ao anatin'izany no vao maika mahatonga ny olona hifikitra aminy ary omeny hery lehibe tokoa ahatonga azy hiatrika ny fiainana.
26. niryna ( 25/03/2008 14:07)
hira:

vaknà angaha i ikaretsaka?

:D aza atao mahagaga fa izy no anisany iray mpanohitra ny tenin'Atra ato kanefa toa mahalala ihany fa mody adala hoy ilay namana iray izay oops

27. niryna ( 25/03/2008 14:13)
hira:

vaknà angaha i ikaretsaka?

:D aza atao mahagaga fa izy no anisany iray mpanohitra ny tenin'Atra ato kanefa toa mahalala ihany fa mody adala hoy ilay namana iray izay oops

28. ikaretsaka ( 25/03/2008 14:25)
ka azavao aloha le hoe inona no Tenin'Atra amin'i niryna??
de ia Andriamanitra @ i niryna
le teny izay titian'i niryna ve she okory!!
io ange tsary mbola mazava hatrizao e!

29. niryna ( 25/03/2008 14:31)
majesty:

ry Mosesy,Abrahama...toa sady tratra antitra no feno hery nefa mino an'Atra,toy izany koa dadabeanay sy le rafotsy be ao ampiangonanay izay toa d tena tratra antitra ery izy nefa Kristiana,donc tsy mitombina io amiko satria manjary mampiteny hoe raha tratra antitra aho zany d sao d manao an'Atra hoe tsy misy v,tsia kosa angamba.Ny Kristiana ary no tokony tena ho tratra antitra satria manana fiadanam-po.
io koa misy iray fanazavana Isaia 48

4 Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
8 Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin'ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.

9 Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.

10Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho.

11 Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.



22 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.

30. ikaretsaka ( 25/03/2008 14:32)
misy manko ilay Tenin'Andriamanitra ao anaty boky 1 izay dia itsimponana kely izay mahafinarinaritra (hatreto ka hatreto ihany) dia twistena be mba hifandraika @ ilay firehana..
toy ny fataonao..
dia avy eo rehefa anontanian'ny ankizy hoe ary le ohatran'izao toa adino??... dia euh euh... modiana fanina le fanontaniana fa le notsimponina ihany no asesisesika!
31. niryna ( 25/03/2008 16:47)
ikaretsaka:

misy manko ilay Tenin'Andriamanitra ao anaty boky 1 izay dia itsimponana kely izay mahafinarinaritra (hatreto ka hatreto ihany) dia twistena be mba hifandraika @ ilay firehana..
toy ny fataonao..
dia avy eo rehefa anontanian'ny ankizy hoe ary le ohatran'izao toa adino??... dia euh euh... modiana fanina le fanontaniana fa le notsimponina ihany no asesisesika!

ka izay ilay hoe aza variana mitsikera ny olona hoe mitsimpona aho hoe ,mitwiste aho e,afafazo ny voa fa mbola hotondrahana ,ho kolokoloina fa raha tsy izany maina sy malazo.
fantatr'ika ve ny tsimpona omekoa an'ika io,sao tsy mahalala tokoa ary hianao ity k'ty

32. ikaretsaka ( 25/03/2008 16:53)
tsy voaisan'ny ratsan-tanako (na ampiana ny ratsan-tongotro aza tsy mbola voaisa koa ) aloha ny olona nanao remarque momba anao amin'io nolazaiko io k'aloha e!
eo aloha jereo sao adino!

faharoa: samy manana ny fika famafazany ny tsirainay , io koa efa lazaina anao foana no miteny aminao fa ny WAY no samihafa..
ny ahy ohatran'izao ny famafazako!
ary efa naverina foana fa tsy ny fahaizana par (l) ze tsimpona no sitraNY, fa ny fiainana sy ny fampiasaina ny maha ianao anao hanasoavanao ny tenanao sy ny hafa eo anivon'ny tontolo nomen'ilay nahary hi evolve- anao
33. hira ( 25/03/2008 18:34)
Hoy i hira:

vaknà angaha i ikaretsaka?


aza atao mahagaga fa izy no anisany iray mpanohitra ny tenin'Atra ato kanefa toa mahalala ihany fa mody adala hoy ilay namana iray izay oops


oadray, tsa de hitako loatra lay fifandraisany aloha an! tsary nitsalotsalo mihintsiny aho nanontany an'izany satria zà koa vaknà ka tsa de hitako loatra hoe inona no tokony hidiran''ny vaknà @ fanoherana ny tenin'andriamanitra!
d'ailleurs ny tenin'andriamanitra sa ny tenin'i nyrina?

34. ikaretsaka ( 25/03/2008 20:37)
hira> taoko zay any zay ilay miteniteny fotsiny iiii!
misy namana mpanao an'io ato.. tsa hita le hifandraisany fa de forcena hifadray fotsiny

manoatra @ hoe "inona ro hifandraisan'ny vitsika @ petrole"
35. rakaroka ( 25/03/2008 21:52)
[ quote=ikaretsaka]
hira> taoko zay any zay ilay miteniteny fotsiny iiii!
misy namana mpanao an'io ato.. tsa hita le hifandraisany fa de forcena hifadray fotsiny

manoatra @ hoe "inona ro hifandraisan'ny vitsika @ petrole"



=))=))=)):-D:-D:-D Mampatsiahy ahy ilay sipa nanontany sujet orale tamin'ny namany vao avy ni-passe izany. Dia hoe inn akia ny "sujet tao?:roll::?:
élefanta. Dia nianarany haingana be ny mikasika ny élefanta. Nony "tour-ny"; mikasika ny "vitsika" no nadinina azy. Dia izao hono no navaliny:
Ka nisy vitsika izay nihinana élefanta, dia no-développé-ny amin'izay ny antsoina hoe élefanta:-D:-D:-D:-D Dia tahatahaka izany ny resaka eto 'ndraindray:-D:-D:-D:-D:-D
Pssss'za koa 'ngefa vaknà:wink:
36. Rasiligaoma ( 28/03/2008 04:48)
izay ilay hoe farito mazava ny tianareo hahatongavana rehefa miady hevitra,

37. niryna ( 28/03/2008 06:01)
ikaretsaka:

hira> taoko zay any zay ilay miteniteny fotsiny iiii!
misy namana mpanao an'io ato.. tsa hita le hifandraisany fa de forcena hifadray fotsiny

manoatra @ hoe "inona ro hifandraisan'ny vitsika @ petrole"

HS foana foana ikaretsaka,hi,hi
Hianao no tena mpanohitra ny tenin'Atra raha tianao ho fantatra ,milaza mino kanefa tsy manome hevitra manohana ny tenin'Atra ha,ha,a ha
ooooopppsss ,hay moa rehefa tsy nomen'Atra anao ny teny inona tokoa no omenao eo fa tsy ny petroloe sy vitsika
=)) =)) izany ve tsy andositra ahatramin'ny voalavo,aiza re izany e ,mampitoma.. .. Andriamanitra o ,vonjeo ika fa tsy fantany izay ataoany .
http://baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=5&andininy=2-6&dika=
http://baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=19&andininy=25-26&dika=
Jakoba 4:4
4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.

38. ikaretsaka ( 28/03/2008 18:28)
ka tsy azoko mihitsy aloha eto ny hoe inona no hifandraisan' izao resaka izao ?

hira:
vaknà angaha i ikaretsaka?


sy izao

niryna:
aza atao mahagaga fa izy no anisany iray mpanohitra ny tenin'Atra ato kanefa toa mahalala ihany fa mody adala hoy ilay namana iray izay oops


ka nahatonga ny olona hanontany anao
hira:
oadray, tsa de hitako loatra lay fifandraisany aloha an! tsary nitsalotsalo mihintsiny aho nanontany an'izany satria zà koa vaknà ka tsa de hitako loatra hoe inona no tokony hidiran''ny vaknà @ fanoherana ny tenin'andriamanitra!
d'ailleurs ny tenin'andriamanitra sa ny tenin'i nyrina
?

sy

rakaroka:
Mampatsiahy ahy ilay sipa nanontany sujet orale tamin'ny namany vao avy ni-passe izany. Dia hoe inn akia ny "sujet tao?
élefanta. Dia nianarany haingana be ny mikasika ny élefanta. Nony "tour-ny"; mikasika ny "vitsika" no nadinina azy. Dia izao hono no navaliny:
Ka nisy vitsika izay nihinana élefanta, dia no-développé-ny amin'izay ny antsoina hoe élefanta Dia tahatahaka izany ny resaka eto 'ndraindray
Pssss'za koa 'ngefa vaknà


dia mbola vao mainka :

4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.


dia aiza le link hifampitsofohan'ny maha vakinankaratra sy i Jakoba sy Tenin'Atra sy sakaizan'izao tontolo izao?? hmmm



:-D
39. pissoa ( 28/03/2008 18:37)
Ika, conclusion : vaknà = misy devoly :-D :-D :-D :-D :-D
Sady Ika vaknà any an-dafy ... misy dinika izay tsy tadidiko tsony le misy azy fa hoe nalefan'i pasitera any an-dafy ony ny devoly :-D

rakaroka - milay le hatsikana =)) =)) =))
40. ikaretsaka ( 28/03/2008 21:36)
eh raha avy eo Bira anie mbola lavitra be vao tonga any Ambondrombe e :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082