Mamelona zana-bady na manam-bady olona efa niteraka!

41. ainaheri ( 03/04/2008 11:56)
tsiafoi>>miombokevitra aminao zato isan100


Mbola tohizako ny voalazan'ny tsi11 ;ra ny hevitro manokana tsy itako ny olana na mananjanaka aza izy 2 na ny iray,satria ny baseny d ny fifankatiavan'izy roa sy ny fiezahana mandanjalanja eo @ fitaizana,...Ezahanareo 2 mamaha ny olana ra misy zany eo @ fitaizana ny zaza... ra ilaina aza afaka midinika aminareo kou izy mba samy hazava fo ny tsi11 @ zay!!
Fehiny amiko tsy misy ny olana raha misy ny fitiavana ...satria ataoko we tia tena ilay oul ra mankahala ilay zaza nefa milaza fa tia an'ilay reniny'(rainy)...efa fantatrao dia ny mialoha ny toejavatra ,noho izany tokony hanamboatra foto-pisainana sy eritreritra ilay oul!!
42. ari.malala ( 04/04/2008 12:11)
ka izay mantsy! rehefa tianao ilay olona dia tianao iany kao ny zanany. Raha tsy zaka ilay zanaka d ts miditra tsotra ftsn izao... fa tsy hoe hiditra aloha de refa ao amzay mandatsa sns na anaovana toeran-tsy zaka ny zanak'olona!
43. andryrabe ( 04/04/2008 17:29)
misy olona tena akaiky ahy zay koa mananjanaka izy de misy vadiny vaovao fa tsy koi mihitsy fa tin'ilay renikeliny ilay zaza ka. tsy azo sarahina ange ny mpianaka e, taraiky eo izay mitady hampisaraka ny fitiavan'ny olona iray ny zanany, na rahoviana na rahoviana tsy maintsy hiverina any amin'ny zanany foana ny fitiavan'ny ray amandreniny.
44. mangidy ( 11/04/2008 11:43)
Raha tianao ilay vadinao, dia tokony ho tianao ko ny zanany, satria Sombin'ny ainy io!!! fa mila fotoana fotsiny na ianao na ilay zaza!
45. bida ( 14/04/2008 22:28)
Misy fiteny malagasy hoe " Tanin'andriana tiana honenana, satan'andriana tsy maintsy arahana". Mahafehy ny tokony hisiany fifankatiavana ao anaty tokantrano io teny io ka raha tena tinao izay ho vadinao, dia normal raha tokony ho tiavinao na hezahanao ny ho tia ny zanany.

Tsy misy olana tsy voavahany fitiavana sy ny fifandeferana (tolérence ny tiako ho tenenina) satria ny zavatra rehetra rehefa apetraka any ampiandohana hoe sarotra dia tena sarotra tokoa ny mamaha ny olana avy eo.

Maro ny mpivady manangana zaza tsy naterany, ezahany tiavina toy ny naterany, maika ve fa zanaky ny vadinao dia tsy ho tinao. Safidinao ny hanambady azy dia ezahanao ny hampirindra ny fiainanareo mba tsy hisiany elanelana eo aminao sy ilay zaza ary eo @ tena zanakao sy ilay zaza ihany koa.

Aleo tsy miditra raha vao manana doute mihitsy eo @ ho fitiavana ny zanaky ny vadinao satria tsy iray andro ny fiainan-tokatrano fa ho lasa afobe ny fiainanao raha efa tsapanao any ampiandohana fa tsy ho tantinao nefa nidiranao ihany.
46. ari.malala ( 15/04/2008 14:19)
miombon-kevitra tanteraka
47. mangidy ( 15/04/2008 15:36)
Tsy misy tsy Vitan'ny Fitiavana, indrindra rehefa réciproque ilay (l) (l)
48. cutie ( 19/05/2008 20:31)
Mamelona zana-bady na manam-bady olona efa niteraka!

tsy mahavita an'zany :-D
49. menavolo ( 21/05/2008 23:13)
tena raha ny eritreritro manokana aloha de zao e arakarak'ilay olona miaraka aminao ihany io ka raha tiany ianao de tsy maintsy tia ny zanakao koa izy fa de leo dieny voalohany de tapahana ny fiarahana fa hitako toa fihatsaram-belatsihy fotsiny raha hiaraka @le olona ianao nefa hafahafa aminao ny hitaiza ny zanany, raha atao ary hoe momba tampoka ny iray aminareo ohatra de ahoana raha mieritreritra ny hanangan-jaza nareo na koa hoe misy tampoka ny hevitra fa tsy maintsy hisaraka satria ny iray te hiterka de asa aloha fa amiko n manana na tsy de tsy tokony hatao vato misakana ny fitiavana ary de tokony hiara hitaiza an'ily zaza aza ny olona roa

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.239