Manimanina ny any aminay izaho e,

1. niryna ( 19/03/2008 17:54)
Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako.Asa hianareo raha mba mitovy ny ankizy maromaro aty fa ny andro Paska dia andro iray ahalahelovana ny fianakavina sy ny namana aman-tsakaiza any amin'ny tanana.Mahatsiaro ny herinandro masina.Ka hoy aho hoe "Arabaina daholo isika rehetra tratry ny andro Paska,isaorana Atra nanome antsika io andro izay andro firavoravona ,izay nitsanganan'ilay Mpamonjy antsika tamin'ny maty."

Toy ny fitiavany nomeny antsika dia toy izany koa ny fitiavana nomen'ireo ray aman-dreny,ny havana aman-tsakaiza antsika koa dia ny mivavaka ho azy no atao,ary ny misaotra an'Atra amin'izay fahasoavana nomeny antsika.

Ho antsika rehetra kosa dia ny fahasoavan'ilay Tompo anie hanampy antsika tsirairay ato amin'ny serasera ka andray zavatra tsara hatrany ary hampihatra izany amin'ny fiainana ary izara izany amin'ny hafa.

Raha mahatsiaro ny havana ,toa ahy koa hianao dia :D Tsiky dia ampy :D ary dia mifalia fa manana namana maro isika ato amin'ny serasera ,
mifampitsiky, mifanitsy ,fitiavana hatrany no atolory azy ireo dia ho hitanao fa ho faly koa hianao.(l)(l)(l)

TRATRY NY PASKA AVOKOA ISIKA REHETRA
:-*:-*:-*



(l)niryna
novalian'i ainaheri ny 03/04/2008 14:29
2. ainaheri ( 19/03/2008 20:03)
Raha za ndray tsy paka rery iany fa zay fety rehetra nahatsiarovana ny fahazazana sy ny namana ary teo @ lafin'ny fianakaviana...... d miverina ao antsaina fona ny zvtr natao fony androny refa tonga le vanimpotoana.
3. nandrianina1 ( 20/03/2008 01:07)
maninamina dago v nirina? :-* kiss&huge:-*
Tsiky dia ampy
mirary paska sambatra ho antsika rehetra
4. niryna ( 20/03/2008 03:33)
ainaheri:

Raha za ndray tsy paka rery iany fa zay fety rehetra nahatsiarovana ny fahazazana sy ny namana ary teo @ lafin'ny fianakaviana...... d miverina ao antsaina fona ny zvtr natao fony androny refa tonga le vanimpotoana.



:D ny ahy ny paka sy ny krismasy :cry:
5. niryna ( 20/03/2008 03:37)
nandrianina1:

maninamina dago v nirina? :-* kiss&huge:-*
Tsiky dia ampy

misaotra aky a,ie ,malahelo aho,feno olona anie ny by-pass e,ary na tsy manam-bola na manana dia samy mitotorebika mitandrozotra eny avokoa.Tsara ery ny paka any amintsika ka
mirary paska sambatra ho antsika rehetra
[/quote]:-*


6. ainaheri ( 20/03/2008 05:56)
Ny ahy nilyna refa misy resaka fety zay d ahatsiarovana fona.....nilyna v de tsy mbola namonjy an'reny balim-bolavo reny t@ zany androny? Izy aby zany...hihi
7. badboy ( 20/03/2008 17:01)
Ndana mody niryna ra manina ah! Ny havan'ny sasany aleo ho azy manokana f'aza atao hoe tsiky de ampy! Samy manao zay mahafalifaly ny fony!:idea::idea::idea:
8. fahamarinana ( 20/03/2008 17:53)
:arrow: Samy tratran'ny Paka daholo tsika rehetra e.Ny ahy ndray tamin'izany andro zany tsy dia ilay famonjen'ny Kristy no nibahana tao antsaiko fony zaza satria mbola tsy nahalala ny dikany loatra fa ilay excursion-mpianakaviana any ambatofotsy tany tana na eny amoron-dranomasina koa tany toamasina.
Tadidin'ny ainaheri ve ireny rehefa paka sy Lundi de paka any amintsika ireny miaraka amin'ny magnetophone sy ny tralala rehetra eo ampitan'ny neptune iny dia rehefa mody mibata kiraro fa manaikitra ihany no farany ?...na noely na rehefa fety rehetra.
Ndry...hafa tokoa ny any amintsika ry reto an,na tsy dia misy aza ny vola dia eo daholo ny fianakaviana rehetra .Aty misy olom-patatra ihany ary na Tsiky dia ampy aza rehefa dinihana toa tsy ampy ihany e.:((l)
9. Angie ( 20/03/2008 21:36)
Tena vao avy namonjy alakamisy masina zahay io zao ary tena hitako foana fa misy tsy ampy amiko ao,toy ny fiteny fa indrindra fa ny fomba koa. Tena mahatsiaro ny fiangonanay (FLM Ambatovinaky)aho ary tena mahatsiaro fa hafa ihany ny hira fiderana ny toriteny ary ny vavaka atao @teny malagasy, ny fandraisana mandohalika eo @ alitara miaraka @ mofo sy divay.

Fa ny tena mampalahelo dia ny mahatsiaro hoe irery fa tsy eo daholo ny fianakams malagasy. fa na izany aza dia Tsiky dia ampy ary misaotra ny tompo tratry zao andro izao koa dia mirary paka sambatra hoan'ny tsirairay.
10. niryna ( 23/03/2008 03:56)
ainaheri:

Ny ahy nilyna refa misy resaka fety zay d ahatsiarovana fona.....nilyna v de tsy mbola namonjy an'reny balim-bolavo reny t@ zany androny? Izy aby zany...hihi

ilay mandeha mitsangatsangana ny fianakaviana no tadidiko ary mitondra sakafo avy ny olona,dia misy lehibe mampilalao .Mahazo zavatra be dia be avy eo.

11. niryna ( 23/03/2008 04:08)
badboy:

Ndana mody niryna ra manina ah! Ny havan'ny sasany aleo ho azy manokana f'aza atao hoe tsiky de ampy! Samy manao zay mahafalifaly ny fony!:idea::idea::idea:

:D

12. niryna ( 23/03/2008 04:12)
fahamarinana:

:arrow: Samy tratran'ny Paka daholo tsika rehetra e.Ny ahy ndray tamin'izany andro zany tsy dia ilay famonjen'ny Kristy no nibahana tao antsaiko fony zaza satria mbola tsy nahalala ny dikany loatra fa ilay excursion-mpianakaviana any ambatofotsy tany tana na eny amoron-dranomasina koa tany toamasina.
:D efa tsy dia misy olona firy intsony izao mandeha eny Ambatofotsy,lasa eny Andoharanofotsy avokoa ny olona,mitsangatsangana eny amin'ny by-pass.
Sady feno kilalao marobe izay manomboka ny zoma hariva. hi,hi

Tadidin'ny ainaheri ve ireny rehefa paka sy Lundi de paka any amintsika ireny miaraka amin'ny magnetophone sy ny tralala rehetra eo ampitan'ny neptune iny dia rehefa mody mibata kiraro fa manaikitra ihany no farany ?...na noely na rehefa fety rehetra.
:D

Ndry...hafa tokoa ny any amintsika ry reto an,na tsy dia misy aza ny vola dia eo daholo ny fianakaviana rehetra .Aty misy olom-patatra ihany ary na Tsiky dia ampy aza rehefa dinihana toa tsy ampy ihany e.:((l)
hitako, sady ny aty aminay tsy mba misy izany lundi de paques na pentecote izany,saingy feno olona kosa ny fiangonana ny alahady .


13. Rasiligaoma ( 23/03/2008 05:29)
niryna> modia rehefa manina
14. comptezo ( 23/03/2008 13:59)
message

[/quote]hitako, sady ny aty aminay tsy mba misy izany lundi de paques na pentecote izany,saingy feno olona kosa ny fiangonana ny alahady .



[/quote]


Saika nitovy saingy nenay fotsiny tsisy mankany ampiangonana izany...

Manimanina fa tsy mba manan'elatra(mahaleo) eh!!!!
15. niryna ( 25/03/2008 12:02)
Rasiligaoma:

niryna> modia rehefa manina

angaha ariary ity frais,efa tsy manina intsony aho fa afaka ,niantso fotsiny dia afaka ilay alahelo :D

16. ikaretsaka ( 26/03/2008 01:42)
za mahita fika ry niryna an ... manao sekta vaovao @ le hainao tsara ireny de mitoritory andalandalana Soratra masina @ le mampatahotra be ireny sia le devoly syt afobe no vohizina eo dia maka 1/10 pananana dia manitatra ny fanjakany any indray sady afaka ny manimanina @ izay ..:-D:-D:-D
17. niryna ( 27/03/2008 14:12)
ikaretsaka:

za mahita fika ry niryna an ... manao sekta vaovao @ le hainao tsara ireny de mitoritory andalandalana Soratra masina @ le mampatahotra be ireny sia le devoly syt afobe no vohizina eo dia maka 1/10 pananana dia manitatra ny fanjakany any indray sady afaka ny manimanina @ izay ..:-D:-D:-D

anjekaky o ,mba fantatrao moa fa mampalahelo ny toe-tsain'olona toa anao io. Im-piry aho no niteny tamin'izany taminao?

Aleo lavitra mijery ny olona tsy mino an'Atra toy izay manao toe-tsaina miraraka amin'ny tany toa izao.
Hay moa hianao tsy mino an'i kristy ho mpanelanelana irery koa,izaho koa no adala ,mandany andro aminao eto.

Ny mivavaka anao hatrany no nataoko ary mbola ataoko.Mivoaka tsikelikely tokoa ny toetranao.
Io ilay hoe omboy ,omboy,toa ahitana taratra an'i Saoly"Nahoana hoy Kristy no manenjika ahy hianao?" saingy Saoly nibebaka fa...hianao kosa ...
Tsy misy hidiran'ny fivavahako sy ny fitoriako teny mihitsy ilay izy saingy ilay toeratra ao anatinao no feno fankahalana ny tenin'Atra dia mivoaka eo foana,
Indrisy ry tany fa mampitomany,ny toy izany :cry::cry:

18. ikaretsaka ( 27/03/2008 19:29)
ko izany ary no ataonao ko...
mahazo mitomany ianao fa @ ataonao ihany no itomanianao

mandiniha tena hoa
19. ikaretsaka ( 27/03/2008 19:37)
ianao ity mampihomehy mampalahelo ahy...
ny zavatra ataonao ihany no anomezako sopapa anao hanampiana anao dia avy eo ianao maratran'iny sy tonga saian tampojka amin'ny ataonao dia ny olona nanome sopapa anao no iadivana.
20. ikaretsaka ( 27/03/2008 19:41)
hainao ny mampitahotera olona.. mitory teny .. mampiasa an'io teny io ho karazana manipulations isan-karazany ...

manana conviction ianao hanitatra ny fanjakana..

manimanina ny any @ tanana ianao ho'zy enao,, omenao hevitra ianao hoe mandehana mankany dia ho afaka daholo izay manimanina, sns izany.. dia ianao no malahelo.. aiza re izany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6376