Manimanina ny any aminay izaho e,
22. niryna
(
02/04/2008 13:56)
ikaretsaka:
za mahita fika ry niryna an ... manao sekta vaovao @ le hainao tsara ireny de mitoritory andalandalana Soratra masina @ le mampatahotra be ireny sia le devoly syt afobe no vohizina eo dia maka 1/10 pananana dia manitatra ny fanjakany any indray sady afaka ny manimanina @ izay ..:-D:-D:-D
raha te hody aho dia afaka ry ika ,tsy mila fika izany ny fiainana,izany angaha no ataon'ny fiangonanao? ny aty nomena maimaipoana ary mizara maimaipoana fa tsy mila na $1 aza ary tsy mila manao fika izany,izay tokoa no ao anatin'ny fonao dia mivoaka tsikelikely.Aza mandany andro amin'ny olona tsy mino hoy ny pasitera izay ,torio ho an'izay mangetaheta fa ireny mpanohitra ny fivavahana ireny dia efa voaheloka sahady ary adalainy hianao satria tsy tiany ho tonga any amin'izay tanjona tian'ny tompo ho torinao ,maty aho ikaky sy neny o
=)) =)) =)) :-$ =)) =)) =))
23. niryna
(
02/04/2008 14:04)
ikaretsaka:
ko izany ary no ataonao ko...
mahazo mitomany ianao fa @ ataonao ihany no itomanianao
mandiniha tena hoa
ilay toetranao miseho milay no mampalahelo ka,satria tsy ao aminao ny tenin'Atra ,tsy miaiana aminy hianao satria tsy mino an'i kristy ho varavarana mankany an-danitra dia tsy tianao ny toriteniko satria kristy foana no toriko fa tsy mba minomino foana toa anao aho kristal e ,horoscope ,fanafody gasy e,dada rabe ,korana e,bodista e,mifangaro ilay izy ka ataon'i satana misavoritaka koa ny sainao na dia mihevitra ny tenana ho ambony sy manao ny hafa ho borne sy blabla e,aiza tokoa moa no omeny ny tenin'Atra raha hanohitra izay tenenin'Atra sy minoino foana,mampalahelo hoy aho fa dia ny mivavaka anao isaky ny mahatsiaro no atao,ny sainao dia miraraka mirefarefa amin'ny tany ,satria izay asandratra no ahetry ary izay manetry tena no asandratra.Tamdremo ihany io pride,pride,pride io(fanamboniantena sy fanaovana ny hafa ho tsinotsinona,jereo fa misy lesoka daholo izay rehetra mitory ny tenin'Atra aminao ka tsy mifanaraka ny finoana pokatinao) , tsy ahatonga aiza akory io fanambonaian-tena io satria ny tapany ihany no mikobana,sao mihevitra ny hafa ho tsinotsinona dia ireo efa lasa resabe ato amin'ny sera ireo ny toetra ha,ha, tandremo ,tandremo .........
24. niryna
(
02/04/2008 14:09)
ikaretsaka:
ianao ity mampihomehy mampalahelo ahy...
ny zavatra ataonao ihany no anomezako sopapa anao hanampiana anao dia avy eo ianao maratran'iny sy tonga saian tampojka amin'ny ataonao dia ny olona nanome sopapa anao no iadivana.
raha te-hanana fifaliana sy tsy mitsikera olona hoy aho dia miverena amin'ny baiboly fa ao misy hanatra maro hitondrana ny fiainana:vakio ny Galatiana 5:22-23 SY NY 1 KOR 13:6 fa raha mamaky an'ireo hianao ka hampihatra izany amin'ny fiainana dia hanana fahasambarana sy fiadanantsaina tokoa fa tsy anao izao toetra mahamenatr'olona toy izao,dia ny tena no manongon-tena ,raha mba fantatrao mantsy izany dia nisitrika any ambany latabatra hianao saingy be mokondoha ka dia avelao hibaribary toy ny vay an-kandrina ho hitan'ny olona rehetra eto,sady efa hita moa ka inona intsony fa tsy misy azo hafenina intsony fa izay izy izay
25. niryna
(
02/04/2008 14:15)
ikaretsaka:
hainao ny mampitahotera olona.. mitory teny .. mampiasa an'io teny io ho karazana manipulations isan-karazany ...
manana conviction ianao hanitatra ny fanjakana..
manimanina ny any @ tanana ianao ho'zy enao,, omenao hevitra ianao hoe mandehana mankany dia ho afaka daholo izay manimanina, sns izany.. dia ianao no malahelo.. aiza re izany e
diso fiantefa ny torohevitra ry ikaretsaka ilay toetranao mihitsy no mila miova fa tsy miady,tsy ao aminao ny tenin'Atra ary tsy mety miaiky hianao satria tia manao rebellion foana,tsy izaho no ho voa fa hianao,efa voasoratry ny anjely daholo anie izay zavatra nataoko sy nataonao izay e,dia anjaranao no mamerina ny valinteny eny rehetra eny,sy ny mametraka fanontaniana hoe tena miaina amin'io tenin'Atra io tokoa ve aho e,sa misy zavatra ataoko ka dia saromako amin'ny fanodikodinana ny tenin'Atra.Soa ihany fa tia antsika Atra ka na dia diso eo anatrehany aza isiika,manao toetra tsy tokony mifanaraka ny hafany ka mahatsiaro an'izany sy mibebaka ary hanova an'izany toetra na zavatra tsy tokony atao izany dia mihaino antsika izy,io ny Atray fa ny anao no tsy fantatro fa toa vao maika midina,midina,midina misintona ny hafa ho rendrika any anaty lavaka sy rano be mangeniheny foana,oops ,sorry ikaretsaka fa ny marina mandratra kanefa rehefa mandinika an'izany isika ka miaiky ny fahotantsika tokoa dia mamaly vavaka ilay Kristy izay toriko isan'andro,ataovy amin'izay ny fanandramana fa efa in-pito ity izao no nasiko nandramanao fa ie,ie vao maika ......