Ilay pasitera nanala devoly tany Ambondrombe

41. ari.malala ( 21/03/2008 09:31)
raha ny hitako tao am tele hatrizay alou d ita mints fa cinema no betsaka e! fa @ atsoin'i moperanay zay hoe raha tena mahery izy d manangana ny maty toa an'i Jesoa nanangana an'i Lazara, t@ feo ftsn d nitsangana ny maty..
42. todisoa2 ( 21/03/2008 12:44)
jigs:

Resa-be tokoa tato ho ato izay ity pasitera nilaza ho nanala devoly tany Ambondrombe ity. Ny hevitro aloha momba azy dia izao e: un imposteur! ita izao mihitsy fa olona efa nomanina mialoha ilay nasaina hiseho ho misy devoly iny; tsy toa ohatra ireny mihitsy ny atao hoe olona misy devoly. Ita mihintsy he te-hanatanteraka ilay faminaniana sandoka nataony ilay pasitera, satria fantany mialoha fa tsy ho tanteraka mandrakizay iny faminaniana iny: fitadiavam-bola fotsiny. Marina mihitsy ny voalazan`ilay radio iray hoe iny no tena devoly nandehandeha, isaorako manokana io radio io satria izy irery ihany hatramin`izao no sahy niantsy an`io pastera fôpla mpamitak`olona io.
Mba mangataka ny hevitrareo aho ny @ ity fanalana devoly lainga be mibaribary ity.


bala atifitra ny gasy aby io RaJigs a!!!
tsisy anzan an Ambondrombe. Efa bobaka ny olona tena tonga tany.:lol:
43. ikaretsaka ( 21/03/2008 18:17)
mba tiako ho hita ny pozin-dra todisoa rehefa miakatra hatrany ambondrombe le:-D:-D:-D
44. fijo ( 21/03/2008 21:12)
hi hi i de tody soa any lery ko.
fa ny mahagaga ahy,ry maihol ireny anie tokony rarana,fa tena "manimba"olona e.
45. ikaretsaka ( 21/03/2008 23:17)
ka lery mampitahotra sy manozona dia atahorana na ny mandrara azy aza..
ialahy anie manaova sekta any dago dia mampitahora sy manozona...sy manaova fomban'i lery..(fa mila mahay apkalipsa be k'alony an) fa tsy misy sahy mikitika an'ialahy e
46. mmmhh ( 22/03/2008 14:28)
ngà tsy loza moa fa ataon'i lery fitadiavam-bola aty Tamatave ne ny ambondrobe-ny e!
Anaovany projection androany le fanàlàna devoly tany, nefa androany "sabata" tsy tokony hitady vola andro sabata ny sabatista;
47. xxx ( 24/03/2008 20:33)
1)Amiko aloha ny atao hoe mpaminany dia izay zavatra rehetra nolazainy hoe hitranga dia nitranga. Raha vao misy iray fotsiny tsy tanteraka dia mpisoloky ny anarany amiko.
Azo jerena @ baiboly izany ary azo hamarinina daholo ireo mpaminany tao fa tanteraka daholo ny nolazainy.
Fa ity Mpaminan'Ambondrombe ity dia efa naminany nefa tsy tanteraka noho izany dia Mpaminany sandoka.
Ohatra :Hoy izy hoe tsy ho President intsony i Deba @ 2003. Kanefa dia mbola vao 03 decembre 2001 dia efa vita ny fifdianana fa nosoloin'ny olona an'i Ra8 izy. Naninona no tsy nataony hoe 2001, farafaharatsiny 2002 satria mbola nisy ny tolona ny debut 2002.

2)ny asan'Andriamanitra ary indrindra ny fivavahana koa amiko dia tsy mila dokambarotra ary indrindra tsy atakalo vola.
Raha manao VCD izy ohatra dia tokony omena fotsiny. Ary indrindra isak'izay mihetsika izy dia ny mandoka sy manasohaso ny fiangonany foana.
Zavatra tsy misy mpanontany matoa mila dokambarotra.

3)Firy ny isan'ny boky ao anatin'ny baiboly dia ny boky farany indrindra ve no halalininy ?????

4)Hoan'ireo izay mino azy dia aleo tsy handaniana andro lavabe ny hifanazavana aminy. Ny finoana dia tsy fandresen-dahatra fa fianarana ny teny. Mitovy ny baiboly vakiantsika sy ny vakian'irizareo saingy izay toko sy andininy mahafinaritra azy ihany no hikizirany elabe sy hiziriziriana (toy ny sabata sy ny tsy atao batisa ny ankizikely sns.....). Ny azon-tsika atao dia ny mivavaka mba hilatsahan'ny fanahy masina aminy mba hahafantarany ny marina amin'izay voasoratra ao anaty baiboly.
Farany dia aleo dia mivavaka mba hanendren'Andriamanitra ny fon'izy ireo hiovany.


48. moi ( 27/03/2008 08:28)
Ny tiako hazava dia ny hoe Fikasana hatrany am-piandohana ve ny ho any Ambondrombe ? Raha ny fahazoako dia TSIA, fa zara aza ve ilay "zazalahy" nilaza hoe any Ambondrombe no misy ny foibe-ny ?

Fa mahay mitady kil kosa aloha ry zareo e ! Médiatisé-na araka izay tratra ilay zavatra, ka misy lesona marketing azo alain-tahaka ve ?
Ary sao dia tokony asiana camera koa any amin'ny tobim-pifohazana samihafa any, fa misy anie olona tsy mino an'ireny ho tena misy e !

Ilay hoe tokony ho any Anjanamasina e, 4-mi na ny kilemaina e, tsy adala akory ry zareo fa mahay manavaka ny aretina mila alàna devoly sy ny aretina medikaly, fa tsy hoe zay tsy mety izao dia devoly daholo. Raha aretim-pitiavana ve dia ...

Farany, tsy tsara ve ilay fikasana hoe hanafaka an'i Gasikara, fa nilaza mazava ny devoly hoe misy azy daholo ny andrim-panjakana rehetra, ny harena an-kibon'ny tany, ny rivo-doza... ? Sa toa tsy marina izany ?

Izay izany fa dia fijery tsy nasiana fankahalana an-drangahy iny no tiako itondrana azy teto.
49. ikaretsaka ( 27/03/2008 16:28)
Ny tiako hazava dia ny hoe Fikasana hatrany am-piandohana ve ny ho any Ambondrombe ? Raha ny fahazoako dia TSIA, fa zara aza ve ilay "zazalahy" nilaza hoe any Ambondrombe no misy ny foibe-ny ?


ny zavatra rehetra ange azo atao heo fikasana hatrany amboalohany azo atao hoe tsy fikasana e..

na ny namoronana an'i moi aza (na ara batana io na ara pseudo) mety possible hoe fikasana hatramin'izay na idee tampotampoka teo fotsiny heo hiditra serasera dia hanao pseudo dia moi no tonga.. na i dadanareo sy mamanareo nanao firaisana dia ..... mety niriny efa ela... mety tonga t@ iny fotoana iny

Fa mahay mitady kil kosa aloha ry zareo e ! Médiatisé-na araka izay tratra ilay zavatra, ka misy lesona marketing azo alain-tahaka ve ?
Ary sao dia tokony asiana camera koa any amin'ny tobim-pifohazana samihafa any, fa misy anie olona tsy mino an'ireny ho tena misy e !


amiko ny resaka ohatran'izao raha tena heo asa fanasoavana tokoa dia tsy mila mediatiser-na fa hita ho azy eny , izany angamba no tsy anasivana camera ny tobim-pifohazana...
aleo mahaheno ny hoe "ao hoe jereoko ny ataonareo" toy izay ny hoe "jereo za sy ny anaovako an'io olona io"
Izay amiko no maha samihafa ny "show" @ "asa fanasoavana sy fivavahana" (efa voalaza ao anaty baiboly rahataoly izay)

lay hoe tokony ho any Anjanamasina e, 4-mi na ny kilemaina e, tsy adala akory ry zareo fa mahay manavaka ny aretina mila alàna devoly sy ny aretina medikaly, fa tsy hoe zay tsy mety izao dia devoly daholo. Raha aretim-pitiavana ve dia ...


eo @ ny fanavahana azy io indrindra , na ny ara medikaly, na ny ara pivavahana anie aza misy tsy mahay manavaka ireo e.. dia maninona raha mifanampy aloha manavaka hoe ity ara devoly de ity ara medikaly?

Farany, tsy tsara ve ilay fikasana hoe hanafaka an'i Gasikara, fa nilaza mazava ny devoly hoe misy azy daholo ny andrim-panjakana rehetra, ny harena an-kibon'ny tany, ny rivo-doza... ? Sa toa tsy marina izany ?

ny fanatanterahana ilay fikasana no zava dehibe fa tsy ny fitenenana azy, ahoana ny fanataterahany an'io?

ny ahy ny heviny sy ny ataony no hijereko azy!
50. fijo ( 27/03/2008 23:19)
de tandremo nareo ao tamatave ao,fa aleo hividianana masikita eo amin'ny bord ny vola toa izay homena an'o lery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074