Barea:Tsy misy mpanohana fa mpanakiana no betsaka!

1. ronaldo09 ( 12/03/2008 12:01)
Za gaga mihitsy amintsika mpandray anjara mavitrika eto amity takelaka natokana ho an'ny fanatanjahantena ity ary ny tiako hasian-teny dia isika mpitia ny baolina kitra :Raha ny lohahevitra mipoitra eto momba ny Barea de Madagasikara no asian-teny dia saika fanakianana no betsaka fa tsy torohevitra na koa fampaherezana ny ekipan-tsika,raha vao resy ny Barea dia faly ery ny sasany hanokana takelaka hanaratsiana sy hanakianana ,ianao mpanakiana io dia tadidio fa tsy ho Bresiliana mandrakizay ianao na ho Kameroney fa gasy ary io Barea io no ekipanao koa raha misy zavatra hitanao fa tsy mety omeo ny hevitra fa tsy faly ny manakiana sy manaratsy ,Dieu merci fa mifanalavitra isika ary tsy mifankahita fa raha eo anatrehako no manaratsy ny ekipam-pireneko dia ady totohondry fa tsy misy fanazavana ary zay voa avy eo no mangina !
Efa leo aho mahita ny fanaratsiana sy ny fanosoram-potaka atao amin'ny Barea ,rehefa resy lava izy ndeha makany amina sport tsy maha resy lava antsika gasy toy ny Kanetibe fa avelao izahay hijery sy hanaraka !
Raha misy torohevitra mahasoa any aminao arosoy fa ny olona tsy hiaina amina fanakianana isan'andro ,ary ianao tia manakiana io efa im-piry ianao no mba nilalao teo mahamasina na teny alarobia na tany amin'ny kianja maitre kiaran'i Toliara na kianja Rabemananjaran'i Mahajanga ,ary aleo ndray ary nareo mpanakiana ireo no manao dia mipetraka ny boay kelin'ny Barea ,za foot-baleur na tsy matihanina toa an'i Van Nistelroy nefa fantatro fa sarotra io zavatra io.
Dia izay fa arosoy ny hevitra fa anao io na tsy mahay aza!!!!!
novalian'i ronaldo09 ny 02/04/2008 11:22
2. rajoelina ( 12/03/2008 12:21)
ka ny baolina kitra malagasy, tsy malaza, tsy mivoaka amin'le nosy hatramin'izay, tsy mandray anjara amin'ny CAN na Mondial.

De inona no tiany elah hatao amin'izany:?: tsisy angamba:-@

;-)

3. ronaldo09 ( 12/03/2008 12:51)
Io ndray leity !
4. rajoelina ( 12/03/2008 13:03)
:-D:-D:-D

le barea is f*king matt damon

http://www.youtube.com/watch?v=wnVJZkDuVBM

;-)
5. kiadi ( 12/03/2008 13:09)
ronaldo09:

Io ndray leity !

=))=))=))=))=))=))=))

6. Razouzou ( 12/03/2008 13:16)
Nareo ra ronaldo aza ho entiny fonareo :wink: fa tsy matonga lavitra le izy. Marina fa tsy ho brezilianina na japoney mandrakizay sika.Kanefa ra misy tsy rariny ve mbola tohanana foana.Firy taona moa zay mba nanaovana tsika kitra nefa aiza:?:
tsy aleo manohana any barça :-D:-D:-D:-D:-D:-D

nareo toa madriléne be :lol::lol:

OMENAY AN-LA NY LIGA FA LIGUE DES CHAMPION ANAY :-D:-D:-D:-P

7. rajoelina ( 12/03/2008 13:33)
Firy taona moa zay mba nanaovana tsika kitra nefa aiza:?:

:-D:-D:-D:-D
ka zay anie wa e.

Le Real is f*king matt damon http://www.youtube.com/watch?v=V1uCjq96Jes




8. ikaretsaka ( 12/03/2008 16:27)
izao fotsiny izany ny fandehan'io e.. za tsy mpanao kitra an, fa raha azoko tsara dia rehefa tsy mamokatra na real io na barca na barea, rehefa tsy misy resultat mivaingana dia kianina...
9. rajoelina ( 12/03/2008 19:20)
Ika: le barsa sy real malaza maneran-tany fa le barea-ny ronaldo09 eo am-le nosy gasy iany no malaza.

na de mpilalao raika amin'ny barea aza tsy misy fantatro akory hatramzao, kanefa ny mpilalao amin'ny Lyon, Milan, Juventus, Inter Mila, Sporting, Chelsea, Arsenal sns rehefa aty ivelany... France, Bresil, Italy, Alemania sns... efa tady fantatro daolo ary ho vitako tsianjery.

azon-elah amzay ny fandehany sy ny maha samy hafa ny antsika? (sady vendrana no tsy malaza).

;-)



10. ikaretsaka ( 12/03/2008 19:34)
rajoelina> tsy malaza eran-tany izany fa tsy hainay kle.... misy olona izao aty aminay tsy mahalala mihitsy hoe inona izany barca an'ialahy izany.. (izahako izoa tsy nahalala raha tsy efa nampafantarin'elisany)

fa par contre raha anontanian'ialahy hoe inona iznay chicago bulls, Lakers ohatra na hoe inona izany Yankees sy red sox ... hainy tsara:-D:-D:-D
11. rajoelina ( 12/03/2008 19:49)
Ika: raha manontany bandy any @ elisany any elah hoe:
- Aiza Barcelone? dia ho valiany elah oe: -Any Espagne.

Raha hanontaniany elah kosa ndray izy hoe:

- Aiza izany Fianaratsoa? dia asa izay hovaliany elah any. Andramo ange.

Dia izao koa.
Raha manontany olona raika aty Espane zah hoe: Inn izany NBA:?: dia mino aho fa tsy hitako zay tsy mahay mamaly anzany. Kanefa raha hanontaniako indray hoe: Aiza no misy Hiragasy sy Vakodrazana:?: de asa zay havaliny ahy kle.:-D:-D:-D

Le oe Barea aza tsy fantatro akory raha tsy t@ ity taona 2008 ity. Ary mino aho, fa mbola misy gasy tsy malala anzany akory aza.:-D:-D:-D

Mampalahelo leisy isika.

;-)
12. ikaretsaka ( 12/03/2008 19:51)
samy tsy hainy na i barcelone na i fianarana letsy e
13. rajoelina ( 12/03/2008 20:54)
samy tsy hainy na i barcelone na i fianarana letsy e
tena vendrana koa ny olona any am-lisany zany, kle lol

ôtran-le bandy http://www.youtube.com/watch?v=OjS4sT0mEwY

;-)
14. ikaretsaka ( 12/03/2008 20:57)
tsy iznay fa tsy mi interesser azy izany..
fa raha manontany ialahy hoe yankees sy red sox de draissssss
raha manontany ialahy hoe all blacks de draaaais
15. fijo ( 12/03/2008 21:13)
za koa eto manohana an'i ronaldo.
ny antsika avy dia hoe resy de avy daholo.tsy mijery mihintsy isika hoe inona no antony mety nahatonga io faharesena io??????misy lesoka ao amin'ny fanomanana ao mato aio tsy misy vokany.mahay baolina ny gasy,fa io tsy vitan'ny hoe mahay baolina fa mila fanomanana.aiza ko amin'ny tapabolana ny lalao,amin'ny herinandro hoavy vao miara mikotrana ny ekipa.tsy ny mpilalao no diso eo,fa ny rafitra mihintsy no mila asiana fandinihana
16. ikaretsaka ( 12/03/2008 21:19)
marina koa izay an'i fijo izay
17. rajoelina ( 12/03/2008 21:28)
ronaldo:
Barea:Tsy misy mpanohana fa mpanakiana no betsaka!
zany oe ra azoko tsara zany, dia tsy misy gasy manohana fa mpanakiana daholo no betsaja. Misy antony manokana ao izany, dia ireto avy ny vokan-dratsiny: ny havendrenana baolina kitra, ny tsy fahaizana miaraka, ny fitiavan-tena manokana sns...

Aiza ry drogba sy ny tariny tsy hampiditra baolina any Mahamasina.

Isika wa vendrana, ary ra mpitia baolina kitra ny tena kanefa ny firenena fiaviana tsy misy atokona dia mahamentra e, manala-baraka. Elah mba ti hitondra akama vahiny hanatrika an-dry zalahy lasa tsy afaka tampoka.:-D:-D

Dia mbola inn iany no kôzin-lisany:?:
18. Razouzou ( 13/03/2008 12:46)
Marina ny an rajoelina.Sady vendrana no mahamenatra.
Za lo de menatra ihany mifampiresaka amireo akama afrikana hoe aiza madagascar??? toa oatrany sady tsy hira no tsy anao tsianjery :lol::lol::lol::lol:.
Ny amintsika moa defa vita sady tsy mandray anjara eliminatoire mondial 2010.Isaorana amzany moa ny ministra vaovao zay tena hita tokoa ni "intelligence" lery
19. ann ( 16/03/2008 16:51)
BAREA LESY TSY MALAZA ETY ANTANY FA MALAZA ANY ANDANITRA,
20. andryrabe ( 17/03/2008 05:07)
rehefa tsy tia de mjan rangah a, io tsy maintsy misy mpitia foana.
io otran'ny zavadrehetra ihany e, ohatra am mozika,rehefa tsy tia rap ve ianao de hilaza hoe tsy azo asiana rap, ny fiezahana hanatsara no tsy maintsy tadiavina. na ho ela na ho ahaingana tsy maitsy misy vokany foana io e, ny an'ny sasany efa tsy fitiavana baolina kitra no amparina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.6096