Ny tena namana

1. niryna ( 12/03/2008 03:13)
On peux être meilleur(e)s ami(e)s un an,


Très bonn(e)s ami(e)s l'année suivante,

Ne pas se parler souvent l'année d'après ,

Et ne plus avoir envie de se parler l'année suivante,

Alors je voulais juste te dire,


Même si un jour je ne te parle plus,


Tu es unique pour moi et tu a fais un changement dans ma vie,

Je te regarde, te respecte, et t'admire.


Envoie ça à tous tes amis,

Même si vous ne parlez pas souvent ,

Même si vous n'êtes pas très proches,

Et envoie le à la personne qui te l'a envoyé.

Que tes ancien(ne)s ami(e)s sachent que tu ne les a pas oublié(e)s ,

Et tes nouvelles, que tu ne les oublieras jamais.
Rappelle-toi, tout le monde a besoin d'un ami,

Un jour, tu te diras peut-être que tu n'as PAS D'AMIS,

Rapelle-toi juste de ce texte,
et réconforte-toi en pensant à eux.

novalian'i niryna ny 18/05/2008 20:29
2. tess ( 12/03/2008 06:04)
ny namana tiana tsy tsara hifaneraseràna be loatra fa manjary miady!

toy ny hoe havan-tiana tsy hiaraha-monina ihany io....

ny namana tena namana tsy hadino, eny na ny namana namadika nanao ratsy anao aza tsy hadino ihany koa.

Ny tena namana di mifampizàra ny manta sy ny masaka, mifanoro am tsara, tsy misy fitaka sy lainga, fihatsram-belatsihy....mifanampy raha ilaina izany...
reciprok ny rehetra:°)
3. ari.malala ( 12/03/2008 07:15)
raha namana tena namana tsy mandefona ivoho izany ary tsy misorona, tsy mijery arina an-tava.
4. miora2008 ( 12/03/2008 07:19)
:Dtena marina io hevitra io satria iainako io ankehitriny ;tonga saina aho ka dia mametraka fanontaniana hoe fa maninona ity olombelona no dia mora manadino indrindra moa fa ireo milaza ho tena namana sa tia vao loatra ny olona asa angaha ankehitriny aho miezaka manadino nefa na dia izay naha mpinamana izay ihany aza ve sarotra amiko ny hoe izany fa namako foana izy na inona na inona ataony
:( (sarotr izany) hoy ny tonon-kiran'i Lalatiana
amiko ny tena namana dia hita eo amin'ny olana tsy afaka hiodivirana
valio ra toa ka misy ambara
Miora2008
5. milaibe ( 12/03/2008 08:19)
Ny tena namana tsy mba manary ndrindra refa misy fahasahiranana, fa tsy lay hoe omby mahia tsy lelafin-kavana! Tsisy tsisy koa fa ndraindray ny namana be asa ,ndrindra rehefa tompon'andraikitra ,dia otran'hoe manadino ,fa tamy eo ihany
6. penina ( 12/03/2008 08:41)
Ehhhhhh, ilay email alefaso alefaso indray ity. Amis a amies. Maninona ny olona no be santimaka amin'ny tsy misy ilavana azy loatra eh.
Ny akama izany, andefasana :P iray dia ampy fa tsy wa wa wa forever eh je t'admire.

ps: raha ahy ireo ganagana kely ireo dia nataoko hoe Jordan ny anaran'ilay mavomavo.
7. ANARIM ( 12/03/2008 13:58)
fanampiny kely : ny tena namana tsy mitsara (ne juge point)
8. tslem ( 12/03/2008 14:18)
marina daholo ireo retraretra reo, hanampiako kely ny tenin'i Anarim "fa kosa afaka manoro sy manitsy mba tsy hivaona"
9. bitrokel ( 12/03/2008 18:19)
ilaina ny fifampitokisana amin'ny samy mpinamana fa raha tsy izany dia tsy namana izany.
10. euh ( 13/03/2008 08:51)
euh...

za tsy mananamana fa tsisy mpiti :cry:
za oun mpandainga :roll:
11. ari.malala ( 13/03/2008 09:00)
euh...:roll::roll:
12. niryna ( 14/03/2008 01:54)
tess:

ny namana tiana tsy tsara hifaneraseràna be loatra fa manjary miady!
toa mila namana akaiky an'ny tena avokoa ny tsirairay ka,ny namana tsy mba maneso na manao teny marary satria mitsinjo ilay fihavanana hatrany ary mihoatra ny tena mpiray tampo mihitsy aza rehefa nifampatoky izay :D


toy ny hoe havan-tiana tsy hiaraha-monina ihany io....
hi,hi,ahoana hoy ilay fitenin'ny olona ? mifanakaiky mifamono toy ny alika,mifanalavitra mifamono akoho. Na maneso na miteniteny na manao tsindri-hazo lena aza ny havana ,ny havana havana ihany :D


ny namana tena namana tsy hadino, eny na ny namana namadika nanao ratsy anao aza tsy hadino ihany koa.
hateo ihany ve sa mbola resahina ilay olona?

Ny tena namana di mifampizàra ny manta sy ny masaka, mifanoro am tsara, tsy misy fitaka sy lainga, fihatsram-belatsihy....mifanampy raha ilaina izany...
reciprok ny rehetra:°)

izay koa ny ahy ary tena marina izany,miampy ny hoe afaka mifanitsy ary afaka miteny ny marina na tsy mety atao ka na dia somary tezitra aza ny iray mihaino ilay izy dia tonga saina ihany avy eo.
:-*:-*

13. niryna ( 14/03/2008 01:56)
ari.malala:

raha namana tena namana tsy mandefona ivoho izany ary tsy misorona, tsy mijery arina an-tava.


miombokevitra koa aho :-*
14. ikaretsaka ( 14/03/2008 02:04)

(indro kely @ le mijery harona an-tava lazain'i ari)

misy koa anie le namana sarotiny @ io resaka io ee..
le ianao manampy azy sy manao an'io tsy mijery harona an-tava io.. no lazainy fa manakiana sy mi kritika hono.

ohatra tsotra hitako aminareo samy vehivavy sy ny lamaody ato ohatra izao dia misy manao akanjo tena tsy mety aminy mihitsy dia raha tenenina hoe tsy mety aminy paoziny izao , dia misy tsy mety tokoa fa mafy loha fa mety hono izao , dia izy indray no sorena aminao..8)

nefa le poziny amin'io an!aoka fotsiny!!!
dia namana ianao ka miteny... kanefa.....

(azo itarina ho tsy @ resaka haingo sy lamaody io fa fiainana en general)



15. niryna ( 14/03/2008 02:15)
miora2008:

:Dtena marina io hevitra io satria iainako io ankehitriny ;

:cry:
tonga saina aho ka dia mametraka fanontaniana hoe fa maninona ity olombelona no dia mora manadino indrindra moa fa ireo milaza ho tena namana

asa aloha fa maro no mety antony,mety lavitra ilay toerana ka na dia samy tia aza ilay olona dia tsy misy na tsy mety miaraka firy intsony,angamba ilay te4ny hoe lavitry ny maso ,lavitry ny fo e?
ary na dia tia koaaza ilay iray dia mety tsy misy fotoana hifampiantsona intsony dia toa mihena ilay fitiavana,kanefa kosa tsy manadino ny fiarahana,na dia ilay mifampikakakaka amin'ny tsy misy dikany aza,ao anaty ihany ilay fitiavana ny namana fa tsy mivoaka toy ny taloha intsony :D
sa tia vao loatra ny olona asa angaha ankehitriny aho miezaka manadino nefa na dia izay naha mpinamana izay ihany aza ve sarotra amiko ny hoe izany fa namako foana izy na inona na inona ataony
izay indrindra mantsy,izaho tamin'ny mbola kely noeritreretiko hoe tena namako ilay ankizy ary rehefa nandeha nifindra ny rar dia tsy niara-nianatra intsony izahay roa,izaho anefa mbola nalahelo azy ary indray andro izay(heritaona taty aoriana) itako teny amin'ny arabe ilay noheveriko fa hoe namana,toa tsy niraika akory izy :D :cry: izay angamba ilay fitiavana namana kely mbola adaladala,manina ny olon-tsimanina ka nitady aretin'andoha nahafanina :D

:( (sarotr izany) hoy ny tonon-kiran'i Lalatiana
amiko ny tena namana dia hita eo amin'ny olana tsy afaka hiodivirana
valio ra toa ka misy ambara
Miora2008
ahoana izany olona tsy hiodivirana izany?
Ny tena namana dia tena sarotra vao tena mahita azy isika.Ataovy maro hoy izy ny namana fa iray ihany no hatokiso.
Ahoana tokoa re no nahatonga ny tsirairay lasa ninamana e,toa nanomboka eo amin'ny fitsikina kely ,dia nifankahita foana ,dia nifampiharahaba,dia nanomboka niresadresaka dia avy eo toa nitovy ilay tady lokanga,dia izay sa ahoana tokoa e


16. niryna ( 14/03/2008 02:20)
milaibe:

Ny tena namana tsy mba manary ndrindra refa misy fahasahiranana, fa tsy lay hoe omby mahia tsy lelafin-kavana!
marina tokoa izany ary tena manao sorona ny ainy ny tena namana hanavotra ilay iray ,
Tsisy tsisy koa fa ndraindray ny namana be asa ,ndrindra rehefa tompon'andraikitra ,dia otran'hoe manadino ,fa tamy eo ihany
:D:D tsy ny rehetra koa aloha no manana izany hoe tena namana izany e,fa raha manana iray isika dia isaorana.Sarotra tokoa no ahitana olona izay mitovy amintsika ka raha manana dia hiezahana ny ho tia azy na dia tsy mitovy aza ny tady lokanga indraindray.sa ahoana?


17. niryna ( 14/03/2008 02:23)
[quote=penina]
Ehhhhhh, ilay email alefaso alefaso indray ity. Amis a amies. Maninona ny olona no be santimaka amin'ny tsy misy ilavana azy loatra eh.
Ny akama izany, andefasana :P iray dia ampy fa tsy wa wa wa forever eh je t'admire.
hi,hi
samy manana ny eritreriny io ka :D
ps: raha ahy ireo ganagana kely ireo dia nataoko hoe Jordan ny anaran'ilay mavomavo.
ka ilay mavomavo mba mila namana ka asa ireo ganagana mitovo loko ireo raha andray azy :D


18. niryna ( 14/03/2008 02:24)
ANARIM:

fanampiny kely : ny tena namana tsy mitsara (ne juge point)

marina koa izay ary tsy mba manafina harina an-tava na dia mety handratra aza ny hanitsiany ny tena e

:D
19. niryna ( 14/03/2008 02:26)
tslem:

marina daholo ireo retraretra reo, hanampiako kely ny tenin'i Anarim "fa kosa afaka manoro sy manitsy mba tsy hivaona"

:D =D

20. niryna ( 14/03/2008 02:27)
bitrokel:

ilaina ny fifampitokisana amin'ny samy mpinamana fa raha tsy izany dia tsy namana izany.

eka ozy,ary raha tena mpinamana tokoa dia mifampatoky fa ilay mpinamanamana no mivadibadika angamba e :D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3394