Anaram-piangonana

1. ikaretsaka ( 11/03/2008 02:20)
Tsy haiko ity na tokony ho ato na ato na aia fa resa pivavahana ihany mao ka de:

Ahoana tokao ny nahatonga ireny anarana fiangonana ireny.. tsy le hoe katolika sy protestant no tiako lazaina fa le nahatonga ilay anaran'ilay trano hoe
Andravoahangy Fivavahana
Isotry Fitiavana
Anjanahary maritiora
Anjanomanalina Fanendahana (sangisangy) ohatra

Ny an'ny katolika (sy ny anglikanina... orthosoxe koa raha tsy diso aho) manko mba araka ihany hoe t@ fetin'i Md na Mb izao no notokanana ilay fiangonana na izy no hoe olomasina mpiaro ilay fiangonana.

Fehiny: mba nisy tantara ve sa napetapetaka fahatany??

2. lehilahytsyresy ( 11/03/2008 10:25)
Arak'io voalazan'ikaretsaka io dia misy structure tsara ilay fametahana anarana:

+
3. ari.malala ( 11/03/2008 11:48)
mba tia tsingoloka teny koa ry lehilahytsyresy! fantatrao fa tsy misy dikany ny orthosoxe fa orthodoxe no izy fa mba diso tsipelina i ika d...
4. lehilahytsyresy ( 11/03/2008 12:15)
ari.malala .... > ^:^ manao azafady re a. Ny resatsika eto moa betsaka ihany ny vazivazy fa aza dia atao mahatezitra e. Tsy i lehilahytsyresy irery kosa anie no mivazivazy e.
(ohatra: Andranomanalina Fanendahana, etc...etc...)

ari.malala:

mba tia tsingoloka teny koa ry lehilahytsyresy! fantatrao fa tsy misy dikany ny orthosoxe fa orthodoxe no izy fa mba diso tsipelina i ika d...



5. ari.malala ( 11/03/2008 12:38)
ts tezitra aminao za k :) fanamarihana fotsiny iany ny nataoko fa tsy tezitra akory :)
6. lehilahytsyresy ( 11/03/2008 12:48)
:^):-D O.K. akia a. Rassuré i lehilahytsyresy rehefa tsy tezitra i ari.malala. ;-)
7. prime ( 11/03/2008 12:51)
Misy dikany mihitsy ilay izy ra-Ika a... ny fiangonana nanana maritiora tonga dia mitondra ilay anaran'ilay maritiora, misy indray ilay maritiora tsy dia mila tsipihina manokana fa ilay fiangonana mihitsy no nifoha noho ny asa masina vitan'ilay maritiora ohatra tamin'ny fotoana iray dia manamarika fotsiny ny maha-fiangonana maritiora azy, misy ny sasany nitrangàna fahagagàna dia mihazona ilay fahagagàna niseho, misy ny sasany velona noho ny famonjena manokana... sns

Ka ny fiainan'ilay fiangonana manokana mihitsy araka izay nifandraisany tamin'i Kristy no marihina ao amin'ilay anarany no nahatonga ireny...
8. ikaretsaka ( 11/03/2008 14:08)
ah misaotra..
dia ahoana ilay hoe Isotry fitiavana izany ohatra?
fitiavana inona no tao?
raha ilay heo tranovato sy trano biriky sns dia manazava tena ho azy le izy?
dia maninona ny aty ivelany mandray anaran'olomasina ny Propestanta
9. todisoa2 ( 11/03/2008 15:19)
ikaretsaka:

Tsy haiko ity na tokony ho ato na ato na aia fa resa pivavahana ihany mao ka de:

Ahoana tokao ny nahatonga ireny anarana fiangonana ireny.. tsy le hoe katolika sy protestant no tiako lazaina fa le nahatonga ilay anaran'ilay trano hoe
Andravoahangy Fivavahana
Isotry Fitiavana
Anjanahary maritiora
Anjanomanalina Fanendahana (sangisangy) ohatra

Ny an'ny katolika (sy ny anglikanina... orthosoxe koa raha tsy diso aho) manko mba araka ihany hoe t@ fetin'i Md na Mb izao no notokanana ilay fiangonana na izy no hoe olomasina mpiaro ilay fiangonana.

Fehiny: mba nisy tantara ve sa napetapetaka fahatany??





arakaraky nyfelling ioraika. Rzala an @koimity nasionaly any no mametraka an'io zavatra io. Eo kou le oe tanjona sy tenim-panorenana anle fiangonana.
10. rijadolly ( 11/03/2008 16:39)
Andravoahangy Fivavahana,misy Andravoahangy tsena,
Isotry Fitiavana,Mety nahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra ,azo heritreretina tsara zany
Anjanomanalina Fanendahana ,Azo heritreretina koa hoe mahazo mandeha alina any izay te-voendaka:@
11. ikaretsaka ( 11/03/2008 16:48)
Misaotra betsaka ireo efa nanazava
fa ilay ohatra izany heo anjanahary maritiora dia tena amritiora aby izany ny tao she okory?
dia mba misy afaka manazava ny tantaran'ireny ve?

ny an'ny katolika manko (miala tsiny fa io no mba haiko) dia ohatra hoe t@ fetin'i Md Jean ohatra no notokanana ilay fiangonana dia lasa hoe paroisse St Jean ilay izy !
na hoe notre dame de Lourdes/Fatima Guadeloupe/ dia na vokatry ny fisehoana tany Lourdes fatima sns...
Raha hoe katedrale, andohalo ohatra (avy amin'ny hoe cathedra=siege) dia eny no siege misy ny Eveka
12. fijo ( 11/03/2008 22:49)
anjanahary martiora aloha tsy hoe martiora aby no tao,fa nisy martiora avy ao,isan'ireny navarina teny ampamarinana ireny.raha tsy diso aho an,za mantsy nipetraka teny akaiky teny fahiny.de toa izay no fanazavana azoko.
13. ikaretsaka ( 11/03/2008 22:56)
dia ilay ao @ katedralen'analakely toa tsy misy eveka akory ?? de tte facon ny prot toa ts'isy eveka izany??
dia ahoana indray ny momba an'io
14. pissoa ( 12/03/2008 09:32)
satria samy manana ny antsoiny hoe katedraly ! ny katedraly sasany toa fiangonana ngoza be fotsiny :-D:-D:-D
15. ikaretsaka ( 12/03/2008 14:14)
hanky va re:-D:-D:-D

raha izany ary de mba tokony mba jerena ihany kosa ny sens an'ilay anarana raha izany fa tsy apetapetaka fotsiny satria hoe misy manao azy any an-kafa e e
16. pissoa ( 12/03/2008 17:08)
:-D:-D:-D

marina ! sady raha ny eto amin'ny serasera no jerena dia tena "sarotsarotiny" mihitsy ny protesta (sasny) amin'ny teny ampiasaina. Vao hoe fitaovana aza ny an'ny sasany d'efa midika hoe "sampy" :-D:-D:-D
17. ikaretsaka ( 12/03/2008 17:15)
ka izay no tsy azoko mihitsy:

rehefa fitaovaNY fampiasaNY entiNY mivavaka izany tsy sampy


fa rehefa fitaovana hafa ampiasain'ny hafa tsy ampiasainy de....:-D:-D:-D



18. tywa68 ( 12/03/2008 17:52)
d samia mampiasa ny azy zany koa :-D:-D:-D
19. fijo ( 12/03/2008 21:16)
tsy misy eveka izany letsy ny protes an.pasitera ihany no misy ao.
20. ikaretsaka ( 12/03/2008 21:33)
ka izay hoa,, dia maninona no hoe katedraly

ohatran'ny hoe lehilahy tsy misy filahiana ve mendrika atao hoe lehilahy ??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8068