tratra ny mpanao ratsy

1. ari.malala ( 10/03/2008 05:22)
Miarahaba ny mpisera rehetra,

Araka ny notanterin'ny vaovaon'ny RDB io maraina io dia tratra omaly ireo nahavanon-doza namono nahafaty an'i Tpkv Tatamo na i Sera, izay tsy iza moa fa ny mpanampy tao an-trano iany sy ny sipany...Ny brigadin'ny zandarimaria tao Ambohidratrimo no nahatratra azy ireo. Nihevitra moa ireto farany fa tsy hotratra intsony ka dia nanokatra varotra tany Andramasina.

Raha ny filazan'ny vaovao dia efa talohan'ny zomà namonoandry zareo azy iny no efa nanam-pikasana ny hmaono an'i Tatamo ireo olon-dratsy ireto saingy lasa tampoka taty an-drenivohitra i Tatamo dia ts tanteraka ny fikasan-dratsin-dry zareo, ary ny alakamisy izy no tafaverina dia ny zomà no namonoan-dry zareo azy... Ilay mpanampy mihintsy no nanatsatoka antsy ny tratrany raha iTatamo natory iny, izay vao nanampy azy ilay lehilahy sipany... Araka ny vaovao iany dia mbola vao 19taona monja ity mpanampy ity,ary efa manana saina ratsy mihintsy satria efa in3 nisolo mpampiasa izy ary anarana hafa hatrany no entiny isaky ny misolo mpampiasa izy.
2. Rasiligaoma ( 10/03/2008 05:45)
mba sainan' inona koa ary izany??
Fa mba lasalasa vinany aho ho'aho e
angaha moa ireny mpanampy an-trano ireny tokoa dia tsy mba asiana referansy rehefa mandraikitra asa aminy e? tsy misy contrat de travail sy ny sisa ve fa raha mody ataony hoe Raliza no anarany dia Raberthe indray rehefa any amin'ny hafa dia tsy misy taratasy afaka hanamarinana izany?
3. ravatorano ( 10/03/2008 06:04)
Misaotra ny zandary eo Ambohidratrimo zany nahasambotra ireo tsy vaonona ireo izany nahavita namoy ny ain'ny namatsika =D=D=D.
Miandry ny tohin'ny fanadihadiana sy ny fitsarana indray izany :wink:.
Momba ilay hoe referansy dia izao : matetika aloha dia raisina ny karapanondron'ireny olona hiasa antranon ireny ka atao dika mitovy izany ary raha olona miasa ka mipetra ao aminao izy dia soatrana eny ami'ny fokotany misy anao.
Fa ny hoe contrat de travail kosa dia mbola tsisy an'izany eto amitsika:wink:.
4. mitia04 ( 10/03/2008 07:53)
ny ts azoko d naninn ra nagalarina fotsiny zé nagalarina fa d novonoina ho faty hatramlé oul, fa naninn? inn no antony? ho tratra ihany nefa na namono na tsy namono? mdrrrrrr!
5. yonikafopl ( 10/03/2008 08:29)
Tena mba tsy mataho-tody mihintsy ilay mpiasa ka,:evil:, fa i Sera ve zany mitahiry vola ao antrano??? Aza mba atao mihintsy io, aleo aza mampiasa carte banquaire mba tsy hitahirizana vola betsaka mahatonga eritreridratsy ho an'ny sasany.

angaha moa ireny mpanampy an-trano ireny tokoa dia tsy mba asiana referansy rehefa mandraikitra asa aminy e


Fa ny hoe contrat de travail kosa dia mbola tsisy an'izany eto amitsika


Efa misy birao betsaka ho an'izay mitady asa sy mitady mpiasa any Dago any, ka aleo tsy makamaka mpiasa amzao fa tsy mampaninona ny mandalo maka amin'ny birao mba ho sure kokoa ny securité amzay na de somary mandoa vola amboniny azany.Ireny birao ireny manko toa manao sivana sy investigation izy alohan'ny hanekeny demanden'ny mpitady asa. Ary misy contrat hifanaovandry zareo amin'ny mpiasa sy amin'ny mpampiasa.
Nefa mila mailo foana fa ny ratsy tsy kely lalana.
6. ari.malala ( 10/03/2008 08:58)
yonika, nefa koa misy birao tsy mivakiloha fa toa ataony fangalana vola fotsiny le mpiasa ko! honohono aloha no naharenesako izany e, mpiara miasa tamiko nitady mpanampy no sendra izany, fa toa niasa kely 2volana angaha ilay ankizy dia hoe nigafy, dia naterina tany @ birao, fa toa tonga de nahitan'ilay birao mpampiasa hafa, tsy azoko tsara ilay fandehany, ary misy indray miavonavona be hoe tsy tompon'antoka @ toetran'ny olona mitady asa ao aminy ry zareo... manahirana e!
7. yonikafopl ( 10/03/2008 09:29)
ari,marina kalou fa tsy afaka mi assurer ny toetran'ilay mpiasa ilay birao ee, fa mila manao conatrat amin'ilay mpiasa sy ilay birao mihintsy ka, mba asiana assurance we ao anatin'ny 3 na 6 mois raha misy tsy hifanarahana amin'ilay mpiasa, dia na soloin'ny birao na atao ny kaonty de mamerimbola.
Ny tiako lazaina izany dia hoe asiana contrat mazava ilay izy eeeeeee:wink:
8. ravatorano ( 10/03/2008 10:21)
za dia te ahita an izany olona anakiroa izany na dia hoe ny hivandravandra azy fotsiny aza fa tena olo tsy vanona mihitsy
mitia04< aty ange izao reefa mangalatra dia avy dia mamono ,mitifitra ,mandratra rehefa tsy matiny e
ngah tsy loza fa ny aza tratrany ihany
9. yonikafopl ( 10/03/2008 10:47)
ravatorano hihihihihi zoky mampme am le we na de hivandravandra :evil:fotsiny aza

10. dadie ( 10/03/2008 12:12)
ouffffff tsara kosany zany ra azo iany ry zareo , efa ba nanotany any bimanoa iany za oe ary aona ny fanazavan'ilay mpiasa moban'io vono io , fa tsy bola ita oy izy ilay mpiasa hatramizao , iny d efa nahagaga iany
11. tslem ( 10/03/2008 12:34)
Tena mba tsy mataho-tody koa izany olona izany an, dia vatrany ve ny hijery iny zazakely 5taona tsy manan-tsiny iny ho kamboty tsy fidiny toy izao? tokony hiharan'ny sazy faran'izay henjana mitsy zany olona izany.
12. Samoana ( 10/03/2008 13:07)
Tokony ho faizina an-kalamanjana mba ho hita sy hampieritreritra ireo tsy mataho-tody hafa:evil:
13. tess ( 10/03/2008 13:52)
ravatorano:

za dia te ahita an izany olona anakiroa izany na dia hoe ny hivandravandra azy fotsiny aza fa tena olo tsy vanona mihitsy
mitia04< aty ange izao reefa mangalatra dia avy dia mamono ,mitifitra ,mandratra rehefa tsy matiny e
ngah tsy loza fa ny aza tratrany ihany

mé sauvage lay olona ka! noho ny fiainana mafy sa aretina psikopaty ????

14. agoago ( 10/03/2008 14:09)
Aza mba sendra ny problème ny mpanampy ihany, tonga hatramin'ny famonoana izany ry zareo.
Raha tsy olona efa atokisna mihintsy aloha aza mba raidraisina izany
15. mignone ( 10/03/2008 14:16)
sarotra be ngambany ny mahita anilay olona azo itokisana ,
tena mahonena !!!
16. ari.malala ( 10/03/2008 14:52)
k toa hoe efa mpifamaly amin'itompokovavy anie hono ilay mpanampy e, fa na de fifamaliana tahaka ny inona aza v rireto d hiafara am famonoana am fomba matsiravina toy iny?! amzay ity fahatanoran'ilay vevavy e! 19taona!!! ra za no mitsara d au poteaux d tifirina tsisy indrafo! marina e!
17. penina ( 10/03/2008 14:58)
marina ilay hoe tokony tifirina mihitsy :D
18. tess ( 10/03/2008 15:12)
ny ahy indray tsy tonga de tofirina satria tsy maheno marary sy mangirifiry izy amin'iny fa
ampijaliana be mitsy, atao anaty efitra feno volavo ohatra dia tsy omena hanina isan'andro, tsy asina fandrina sy bodofotsy, doradorana am sigara eny ny vatany, tsondritsondromina am fanjaitra eny! ampijaliana mandrampahafatiny. Amzay henony tsara izany marary izany
19. menalamba ( 10/03/2008 17:24)
Io tsy fandriampahalemana sy fitaintainan-dava io ray olona no tena antony iray lehibe naha vaky lefa ahy nifindra monina taty ampita fa tsy inona akory.Matory ao an-trano ianao ,mandry tsy lavo loha ,fa raha vao misy mikoropaka any an-tokon-tany dia miarina haingana mandray fitovam-piadiana sao mpamaky trano izao!Ny paompin-drano tsisy dimanjato avy ny vidiny ao an-tokon-tany dia hongotan-dry zalahy,ka para-panidinao ny kaontera dia efa ho roa alina ny ranon'ny jirama alohanao:evil:Ny namako iray antsoina hoe (Itompokolahy izy @ izao)Rasamy,ovy iray sobika teo @ tanim-boly keliny no nikapain'ny tsy mataho-tody ny lohany t@ famaky ,dangy tsy tsa-drano ,nifanenjehana ilay mpangalatra fa tsy azo ,dia maty noho ny ovy iray kitapo!!!Raha mandeha miasa ianao any @ faritra ivelany dia mivavabavaka tsy ho faty an-dalana ny fiara fa raha tsy izany dia vitain-dry zalahy eny ianao,etc etc..Izany hoe mitsemboka mba te hitovy @ olona ianao dia ny hanananao ihany no mety ahitanao loza.Laony aho!Izaho mahalala olona maro efa retirety aty maniry ny te hody fa dia raiky dolo daholo dia tsy sahy ...
20. tess ( 10/03/2008 17:31)
miray hevitra amiano ry menalamba, tena tsary tamàna any tsotry aho amin'io resaka sekurité io ry zareo....Aiza kou tamzany fotoana izany vilany miaraka am laoka no nobataindry zareo tao am lay voisine tao.......niverina pira noho ny taloha raha izany no fandehany! taloha mandendaka fotsiny sy mangalatra fa tsy mamono fa zao tena mamono mitsy:evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2062