Théorie de l'évolution contre théorie de la création!

1. badboy ( 06/03/2008 15:53)
Charles Darwin no nametraka ny "théorie de l'évolution" refa avy nandinika ny fomba fivoaran'ny tontolo sy ny fahatongavan'ny olona teto antany:
-Efa ela be no nisy ny tany sy ny fiainana alohan'ny fisian'ny olona rehetramillion d'année)!
-"Organisme vivant 1" no niatombohan'ny fisian'ny biby sy olona manan'aina eto antany ary ny évolution no nahatonga ny chaîne misy rehetra.
-Ny "sélection naturelle" no nahatonga sy ahafahan'ny tsirairay mivelona ary ny "développement naturel" no nampisy ny misy @ zao!

Ho an'ny mpanohana ny "créationniste" dia vao haingana no nisy ny fiainana ary 6 andro no nanamboaran'A/tra ny tontolo misy sy ny olona miaina ao anatiny.
Faharoa : ny tour de babel no nahatonga ny fahasamihafan'ny olona rehetra.
Fahatelo : ny misy rehetra dia nisy atrany amboalohany ka tsy niova fa nijanona t@ endriny sy ny toetrany taloha.

Mifanohitra tanteraka ireo théorie 2 reo nefa toa mifameno koa rehefa tena dinihina!!:-o:-o
2. pif ( 06/03/2008 17:41)
Azo eritreretina ho marina na ny iray voalazanao teo aloh na ny faharo fa ny misy dia ny fiforonana sy ny lojika izay milaza fa andriamanitra no naomrona
isany tena lehibe tsy azo hadinopina anefa ny fiovana sy ny kasinga farany kely izay manomboka trandrahin'ny olombelona (artificiel)toy ny electronique )
3. rabilabila ( 06/03/2008 18:02)
Pour rappel , la science est un mode d'interrogation du monde qui se fonde sur des modèles et des hypothèses qui sont soumis au test de l'observation et de l'expérimentation.

Alors que pour "la science créationniste" ,rien ne repond à un programme scientifique ,tout est déjà ecrit une fois pour toute ; dès lors , un fait , une donnée , une observation ,une explication ne sont acceptés que s'ils correspondent à ce qui est déjà écrit ;ils sont écartés s'ils divergent .

Bref pour les créationnistes on ne verifie que l'hypothèse cadre avec les faits ;on vérifie que les données sont compatibles avec le dogme. C'est le dogme qui dicte ce qui est vrai ou faux ,mais lui reste indemne de l'epreuve des faits.

Miala tsiny foana amin'ilay teny vahiny!!!!
4. rabilabila ( 06/03/2008 18:12)
fanampiny kely


Bref ,vouloir faire passer le créationnisme pour une "science" est un abus de langage voire malhonnêteté. C'est juste la traduction des créationnistes sur leur vision de la science :une accumulation de données allant dans le sens d'une pure affirmation de principe ; un plaidoyer qui a l'allure de la science,la forme de la science ,mais qui n'en est pas .( dixit Pascal Picq)
5. rabingogilabanga ( 06/03/2008 19:45)
rabila:
Pour rappel , la science est un mode d'interrogation du monde qui se fonde sur des modèles et des hypothèses qui sont soumis au test de l'observation et de l'expérimentation.


evolutionnisme, no resahina, science ty rehafenao:

-question: fa nanomboka nombia (oviana) ty theorie de l'evolution,no soumis au test de l'observation et de l'expermentation ? de ino ty resultat n'ilay test azafady? mba rehafo (resaho) etoa (eto) ho renay (henonay)

-ny marina rô dia tsotra, science trop pretentieux: azo hazavaina @ experience daholo ny rehetra; ny religion ndreky mivôlana fa misy domaine tsy takatran'ny saina, ary misy fomba hafa ahatakarana zavatra ankoatran'ny saina sy ny logique

-evolution zany dia croyance sahala @ rehetra ihany, iza no afaka ny demontrer fa avy @ rajako marina isika? raha ny hatsarantarehin'ny rabilabilan'ny foko, dia sarotra amiko ny hino

6. Fody ( 06/03/2008 20:51)

Ny zavatra tiana marihana dia hoe:
Ny siansa dia mamaly ilay fanontaniana hoe: "Comment" izany hoe manazava ny zavatra misy no ataony, fa tsy afaka hikaroka ny tsy misy izy. Miainga avy amin'ny hetsiky ny zava-misy no hanomezany fanazavana sy hamoronany zava-baovao.

Miantehitra betsaka amin'ny "andrana" izy, mba hahafahany manaporofo. Raha ny zavatra nataon'i Darwin anefa hatramin'izao dia mbola tsy nisy na dia olona iray aza afaka nanaporofo izay voalazany.

Ho an'ny mpanohana ny "créationniste" dia vao haingana no nisy ny fiainana ary 6 andro no nanamboaran'A/tra ny tontolo misy sy ny olona miaina ao anatiny.

Tsy misy milaza mihitsy, na dia ny Baiboly aza, fa vao haingana no nisy ny misy rehetra. Tsy misy mamaritra ao amin'ny Baiboly fa tamin'izao daty, na tamin'ny andron'izao no niforona ny misy rehetra.

Ny hoe: 6andro no nahariana ny zavatra rehetra, dia fomba filazana zavatra, fa tsy azo raisina ara-bakiteny.
Misaotra anao
7. ikaretsaka ( 06/03/2008 20:58)
comment no ilaina ny siansa de pourkoi no ilaina ny finoana
8. fijo ( 06/03/2008 21:51)
le resaka 6 andro aloha,ny 1 andro eto ,mety hoe 1000 000 taona.fa dia no tsorina afotsiny hoe 1 andro.iny tsy hiadivana hevitra fa mba fomba hanatsorana resaka.

amiko tsy dia mifandipatra ireo firehana roa ireo.fa ny finoana fotsiny no nandray ny tanatara nanomboka teo amin'ny fotoana nisehoan'ny olombelona,satria io no nahaliana azy.
aza hadino,fa araka ilay 6 andro dia hoa "tamin'ny voalohany andriamanitra nanoa ny lanitra sy ny tany.

de nanao ny biby sy ny karazanjavatra rehetra ary farany izy vao nanao olona mitovy hendrika taminy.
de jereo ny fivoarana fa tsy avy dia olona,fa nisy natiora hafa aloha,ary efa fivoarana farany vao nitranga isika.ka itanareo ihany fa ny finoana tsy dia misy zavatra voafaritra mazava,fa dia noraisiny araka ny laharana azony natao fotsiny ilay resaka.fa tantara mitovy ihany ireo.
9. kiranil ( 07/03/2008 01:47)
10. badboy ( 08/03/2008 12:18)
Ny hevitra avy any aminao omena kiranil! Ka aminao manokona mifameno sa mifanohatra!

Za milaza hoe iray ihany!!
11. rabingogilabanga ( 08/03/2008 13:27)
cadrer kely ny resaka:

ny creationnisme aloha tsy voatery ho kristianina,na muslim,na juif, ny paganisme gasy (finoana gasy), sy afrikana, ohatra, sy ny neo-paganism sasany dia creationniste!

ny théorie de l'evolution, dia réligion koa satria finoana no betsaka, tsy mbola nisy porofo

ny science indray dia instrument de comprehension, methodologie ary @ izao 2008 izao dia mi-utiliser an'io daholo na ny evolutionnisme, na ny creaionniste, ary ny marabout, sy ny vaudoux aza toa misy milaza fa science koa (science occulte hono), asa samia manana ny heviny.

ny hoe iray ihany, sy hoe mitovy dia asa?

-fa raha milaza aho hoe: nisy ny creation, avy eo evolution=diatsy creation ihany va izay?

-fa kosa raha hoe nisy ny evolution,na nisy ny bingbang, avy izay vao creation= dia ça n'a pas de sens, sa ahoana?

mba mi-cadrer ihany aho,fa tsy misy raha haiko ankoatran'izay
12. badboy ( 09/03/2008 09:23)
fa kosa raha hoe nisy ny evolution,na nisy ny bingbang, avy izay vao creation= dia ça n'a pas de sens, sa ahoana?


Za manao hoe big bang isan'ny création!
13. rabilabila ( 10/03/2008 08:55)
ny marina rô dia tsotra, science trop pretentieux: azo hazavaina @ experience daholo ny rehetra



Pretentieux ny siansa hoy ianareo ? Fomba fitenenana efa mahazatra tokoa izy io ary mbola miampy koa hoe "arrogant" sns...aza rehefa raikitra ny adihevitra .
Au fait , tsy ny siansa rehetra no pretentieux aminareo ,satria isika mampiasa ny vokany isan'andro ,na eto am-piseraserana , na rehefa manantona mpitsabo , na koa rehefa mitady ny "dernier cri" -'ny jeux electroniques isan-karazany ........Ireo lazainareo hoe pretentieux dia ny cosmologie sy ny evolution ,satria ireo no mikasika ny domaine de definition-n'ny mpino (indrindra fa ireo monothéistes).


ny religion ndreky mivôlana fa misy domaine tsy takatran'ny saina


ary misy fomba hafa ahatakarana zavatra ankoatran'ny saina sy ny logique


Araky ny efa voalazako atsy ambadika (Moise sy ny elefanta) dia hoy aho hoe:
Inona no nentin'ny filazana hoe : andriamanitra na allah na vishnou ...no nipoiran'izao tontolo izao eo amin'ny FAHALALANA ? AOTRA ,TSY MISY.
Fa eo amin'ny lafiny fiaraha-monina kosa dia ...ADY sy VONO OLONA hatramin'izao no naterany satria ...samy miambo ho tompon'ny fahamarinana
Mandehana ange milaza amin'ny kristianina malagasy na amerikana fa i mahomet no tena izy fa tsy i jesoa e? mandehana mandeha any amin'ny silamo fa tsy ny coran no tena fahamarianna fa ny testamenta vaovao ?
Nifandripaka sy nifamono no vokany .

Ny siansa dia mamaly ilay fanontaniana hoe: "Comment" izany hoe manazava ny zavatra misy no ataony, fa tsy afaka hikaroka ny tsy misy izy. Miainga avy amin'ny hetsiky ny zava-misy no hanomezany fanazavana sy hamoronany zava-baovao.


comment no ilaina ny siansa de pourkoi no ilaina ny finoana


Fa ny olana mipetraka dia izao : Fa nahoana ny science no tsy avela hamaly ilay "pourquoi"? ;fa tonga dia fenoin'ny religion hoe Dieu ,na Allah ...ilay 3 points de suspension ?
Efa nolazaiko teto foana fa mbola kely ny zavatra tsy voazava na voavalin'ny science raha oharina amin'ny immensité-n'ny univers sy ny rehetra ao anatiny .
Ho an'ny scientifiques amin'ny ankapobeny izay tsy voazava dia satria mbolatsy voazava fotsinyary mandrapahafatiny dia hitady izy fomba ahafahana manazava azy.
Inona ny vokatr'izany fikirizana izany?
Mahita molécules isan'andro ahafahana manamboatra fanafody hanasitranana ireo marary ,ampiasaina daholo ny nanotechnologie rehetra amin'ny imagerie médicale.........................

Koa asa iza no pretentieux ;ireo milaza hoe "mbola tsy fantatro " sa ireo milaza hoe " Dieu , un point c'est tout".


Miantehitra betsaka amin'ny "andrana" izy, mba hahafahany manaporofo. Raha ny zavatra nataon'i Darwin anefa hatramin'izao dia mbola tsy nisy na dia olona iray aza afaka nanaporofo izay voalazany.


Raha ny resaka Darwin indray dia mbola iverenako ny théorie de l'évolution ,fa ny fanontaniana tiako apetraka aminareo fotsiny dia izao:

Inona no vokatra nentin'io théorie io ( izay mbola mitombona hatramin'izao satria mbola tsy misy théorie hafa nandrodana ny fitombonany ) ,hoy aho hoe :
-inona avy no nentin'io théorie io eo amin'ny sehatrin'ny biologie moléculaire? ny genétique ?.....
-Raha nisy vokany ny fikarohana amin'ireo sehatra roa notanisaiko ireo ;possible ve izany raha toa ka "diso" ilay théorie ?.

Mbola hitohy...
14. rabilabila ( 10/03/2008 09:51)
Fanitsiana:

Ireo lazainareo hoe pretentieux dia ny cosmologie sy ny evolution ,satria ireo no heverinareo fa mikasika ny domaine de definition-n\'ny mpino (indrindra fa ireo monothéistes).

Tohiny:

Efa nolazaiko imbetsaka teto amin\'ny serasera fa ny antom-pisian\'ny siansa dia tsy ny hitady porofon\'ny fisian\'andriamanitra na tsia ; ny antom-pisiany dia ny fihezahana hanazava amin\'ny alàlan\'ny saina , petra-kevitra , fandinihina ,famakafakana , fanandramana ,fanametarana....maro samihafa ary ny zavatra noheverina fa voazava androany dia mety mitotongana rahampitso .

Ampatsiahiviko kely ara-tantara ny AVERSION -n\'ireo fivavahana samihafa amin\'ny siansa sy ireo taranja rehetra mitaky fandinihina sy fitsikerana .
Hoy aho atsy ambadika :

Ny hetahetan\'olombelona ( na ankizy na olon-dehibe ) te ahalala ny nihaviany no...loharano nipoiran\'ny fivavahana sy ny mythes rehetra nisy teto an-tany.
Noezahin\'ny muthes sy ny religions nazavaina ny zavatra na ny seho nanodidina azy na natahorany ( kintana ,volana , varatra ,eclypse........)
Ny vokatr\'ireo ny fitrangan\'ireo mpitondra fivavahana tsikelikely nametraka miandalana ny fahefany amin\'ny mpiara-belona ( Hebreo , Incas ,Egyptiens....)

Ny dingana lehibe nataon\'ireo filozofy grika na romana dia ny nilazany hoe : tsy voatery mila ireo dieux isan-karazany nisy tamin\'izany vao afaka mahalala ny fomba nipoiran\'izao tontolo izao ( Thalès , Démocrite ,Pythagore , Epicure ;Lucrèce ...).
Hatramin\'izao isika miteny izao dia mbola amina miliara ny isan\'ny olombelona ( bouddhiste ohatra ) izay mihevitra fa tsy nisy namorona izao tontolo izao .
Ny 98%-ny mpanao fikarohana dia tsy mitady mpamorona akory fa kosa mikatsaka ny fomba niforonan\'izay rehetra misy ( na akora na zava-manan\'aina ).
Marihiko fa polythéistes daholo aloha ny olombelona vao lasa namorona ny monothéisme taty aoriana ela : izany no vokatry ny fitsikerana sy fikarohana siantifika mikasika ny nihavian\'ny finoana : misy trace arkéolojika izany fivoarana tao amin\'ny finoana sy fivavahana izany ; fa tsy affirmation sady tsy mitombona no tsy misy porofo tahaka ny voalaza eo ambony ( nature réligieuse...):Tsy hoe i Jehovah na i Assur ...no tonga dia andriamanitra tokana ;fa nandia fotoana ela ny olombelona ( Mesopotamiana , Hebreo .....)vao namorona andriamanitra tokana .

Inona no setrin\'izany ?

Nony nanomboka nitsikera ireo olona vitsivitsy dia nanomboka koa ny fankahalàna ary miafara amin\'ny fanaovana sesi-tany ,fanompana isan-karazany ,eny fa na elimination physique aza :
-Jereo ireo phylosophes toa an\'i Socrate (nolazaina fa nanana mauvaise opinion des dieux => noterena nisotro \"tangena\" .
-Aristote ,nanana hevitra toa an\'i Socrate => natao sesi-tany
-Diagoras , Pythagore,Vanini , Théodore ,Josias,Aetus,Avérroès,Pline,Spinoza....
-Tsy adino ry Galilée ( na dia rehabilité aza 350 ans taty aoriana , ry Copernic ( noterena hi-nier ny fikarohana nataony , i Giordano Bruno (nodorana velona ) .............................
i Darwin ( na dia nilaza aza i JPII hoe \"plus qu\'une simple hypothèse\" ny théorie-ny ) dia mbola voahejik\'ireo créationnistes sy ny fondamentalistes etsy sy eroa ..
Eny fa na dia i Einstein aza teo anivon\'ny fondamentalistes .......................


Mbola hitohy...
15. yonikafopl ( 10/03/2008 10:43)
tsaiky.....:( fintimpitino rabilabila fa lava lotra aa, de mbola sady we mbola hitohy nefa reo aza mahakamo ny mamaky azy :-P
16. rabilabila ( 10/03/2008 11:00)
Efa elaguer-ko ilay izy Yonika mba hahamora ny famakiana azy a!!

Sady ilay sujet mihitsy no mitaky fanazavana lava fa betsaka ny fifangaroan-javatra ange e!!

Afaka sady mamaky no mihinana glacholet na aourtam sachet sy milarinety raha mafana e!!:-P:wink:

Ary aza atao mahakamo moa e!! Sa ny anao ilay " ouzizy hoe c'est tout "?:)

Izao fotsiny :
-misy ny milaza fa andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy ,.
-misy ny milaza fa ny baiboly dia ampy .
-misy ny milaza fa Jesoa na Mahometa dia ampy.
-misy ny mizara ticket
-misy ny mandeha tongotra
-misy ny mibojy ny ropilanin'i Dadany
-misy ny milaza fa misy fomba hanazavana hafa (ao anatin'izany ny tenako ).
............................................
Izay no mahatonga ahy mamelabelatra ny hevitro eto:)
17. Fody ( 11/03/2008 13:16)

rabilabila: misaotra anao nitondra izay fanazavana izay. Na dia misy zavatra diso aza izay voalazanao(resaka filozofia) dia tsy hitsara izany no hataoko fa hiady hevitra. Ny hany mba lazaiko fotsiny dia hoe: Vakio tsara ny Bokinao amin'ny manaraka.

Araka ny hevitra izay tohananao (izay lazaiko eto fa tsy anao velively) dia ny olona ihany no namorona ny "Andriamanitra" sy ny "Finoana".
Misy fahamarinany tokoa raha ireo voalazanao ireo, saingy tsy tena marina tanteraka.

Raha hiresaka ny Finoana Kristiana isika, dia tsy mitombona intsony izay voalazanao. Tsy mitombona satria:
1 - Ny finoana Kristiana dia tsy olombelona no namorona azy fa Andriamanitra.
2 - Raha izay voalazanao, dia saika mifototra amin'ny tahotra ny finoana. Izany hoe tsy libre ilay olona mino.
Ny finoana Kristiana anefa dia tena mitaky ny "Fahafahan'ny tsirairay" ary manafaka ny tsirairay amin'ny tahotra koa. Tsy misy Finoana raha tokoa ka tsy misy Liberté marina, satria ny mpino dia olona Responsable.
3 - Ny hoe: "finoana" ho an'ny Kristiana, dia "fihaonana amin'i Kristy". Raha izay no jerena dia tsy mitombina intsony izay lazainao.
4 - Ny finoana Kristiana dia mifototra amin'ny hoe: "Révélation". Raha tsy misy an'io dia tsy misy izy.

18. Fody ( 11/03/2008 13:18)
rabilabila: misaotra anao nitondra izay fanazavana izay. Na dia misy zavatra diso aza izay voalazanao(resaka filozofia) dia tsy hitsara izany no hataoko fa hiady hevitra. Ny hany mba lazaiko fotsiny dia hoe: Vakio tsara ny Bokinao amin'ny manaraka.

Araka ny hevitra izay tohananao (izay lazaiko eto fa tsy anao velively) dia ny olona ihany no namorona ny "Andriamanitra" sy ny "Finoana".
Misy fahamarinany tokoa raha ireo voalazanao ireo, saingy tsy tena marina tanteraka.

Raha hiresaka ny Finoana Kristiana isika, dia tsy mitombona intsony izay voalazanao. Tsy mitombona satria:
1 - Ny finoana Kristiana dia tsy olombelona no namorona azy fa Andriamanitra.
2 - Raha izay voalazanao, dia saika mifototra amin'ny tahotra ny finoana. Izany hoe tsy libre ilay olona mino.
Ny finoana Kristiana anefa dia tena mitaky ny "Fahafahan'ny tsirairay" ary manafaka ny tsirairay amin'ny tahotra koa. Tsy misy Finoana raha tokoa ka tsy misy Liberté marina, satria ny mpino dia olona Responsable.
3 - Ny hoe: "finoana" ho an'ny Kristiana, dia "fihaonana amin'i Kristy". Raha izay no jerena dia tsy mitombina intsony izay lazainao.
4 - Ny finoana Kristiana dia mifototra amin'ny hoe: "Révélation". Raha tsy misy an'io dia tsy misy izy.

19. badboy ( 11/03/2008 18:26)
Dia aona zany ny momba an'i gregor mendel, sady scientifique no moine???:idea::idea::idea:
20. rabilabila ( 12/03/2008 15:25)
I) Inona no atao hoe adihevitra?
Misy \\\"diso\\\" hoy i Fody ny zavatra lazaiko ao amin\\\'ny filozofia .
Amiko no atao hoe adihevitra dia ny hevitra no ampiadiana., ka ndeso ny hevitrao ,porofoy ny maha-diso ny hevitro .dia iadiana hevitra eto .

II)Ny momba ilay hevitra tohanako dia ekeko , arak\\\'izany fa ary tsy ahy velively (izaho mbola tsy nanana prétention an\\\'izany mihitsy )toa ny tsy maha-anao ny baiboly ilay lazainareo hoe tenin\\\'andriamanitra ary tohananareo.

Par contre ,ny fitenenanao hoe :\\\" vakio tsara ny bokinao amin\\\'ny manaraka \\\" dia endrika iray ( araky ny efa mahazatra ataonao ahy ) misarona fanambaniana tanteraka ,satria toa milaza fa ny anao no marina nohon’ny fitsaratsaranao ahy !!

Efa mahazatra ahy io eto amin\\\'ny serasera ,avy amin\\\'ny olona vitsivitsy (soa ihany) , efa vita vaksiny amin\\\'io aho ka tsy maninona na ataonao variraraka aza.
Marihiko fa ny mety ho fahaizako na fahalalàko dia tsy nilatsaka avy any an-danitra akory na avy amin’ny revelation ( dans le sens christicole) fa nokarohin’ny saiko ,nolanjalanjaiko , novelabelariko,mila boky tokoa aho ,mila mpampianatra,mila mijery todika ny tantara , mila mijery ny zavatra mitranga ……..,ary izaho milaza fa mbola betsaka tsy hita pesipesenina no zavatra tsy fantatro sy tsy haiko ,fa ny ahy tiako hofantarina sy hay ;ka izay no mahatonga ahy hianatra mandra-pahafatiko.

D’autre part , Dadany be mihitsy ilay capacité-nareo hi-detourner ny attention-n’ny mpamaky:
1° “attaque ad hominem” :Diso ny zavatra lazaiko , vakio tsara ny bokinao amin’ny manaraka, tsy mitombona …….atao aloha izay hi-discrediter-na ilay olona iresahana.
2° Asesika ny affirmations rehefa avy eo ,affirmations tsy misy valeur-na porofo na iray aza .

Ha!ha ! Any an-kafa izany mety mandeha ,fa amiko izany tsy mandaitra . Je ne sais pas caresser les gens dans le sens du poil , quand une démonstration est valable ,même si je ne partage pas les conclusions ;alors ,j’ai l’honnêteté de dire : \\\"mitombona izany !! \\\"

III) Raha ilay resaka finoana (en genéral) indray dia izao:

- Ny finoana Kristiana dia tsy olombelona no namorona azy fa Andriamanitra



Ny zavatra mi-interesser ahy eto dia tsy misy afatsy ny historique-n\\\'ny fivavahana sy ny mythes izay novelabelariko teo ambony ; ary ireo historiques ireo dia anànana porofo arkeolojika ( ny fisian\\\'ny rituels samihafa ) ,porofo ara-tantara ,misy amin\\\'ireo mythes sy fivavahana(croyances sy religions ) ireo no mbola tonga aty amin\\\'ny XXIème siècle (anisan\\\'izany ny judaisme sy ny kristianisma).

Misy fahamarinany tokoa raha ireo voalazanao ireo, saingy tsy tena marina tanteraka.



Io fehezan-teny io dia mampiseho indray ny finiavanao hanaisotra ny \\\" finoana kristianina \\\" tsy ho ao anatin’io famelabelarana ara-tantara io.
Inona no dikan’izany ?
Fametrahan’i Fody ny finoany ho ambonin’ny finoana hafa . Misy fahamarinany ilay tantara rehefa ho an’ny finoana hafa ; Saingy tsy marina tanteraka rehefa ho an’ny finoana kristianina .


Raha izay voalazanao, dia saika mifototra amin\\\'ny tahotra ny finoana. Izany hoe tsy libre ilay olona mino.


Oh ! Tsy mila mandeha lavitra akory dia afaka manome ohatra avy ao anatin’ny “livre revélé” izay support-n’ny “foi”- nareo ( na dia misy milaza aza fa tsy ampy satria betsaka no nafenina sy tsy naseho ny be sy ny bobaka ) :
.Feno ao ny fitenenana hoe :”loza ho an’izay………”,hatrany amin’ny apokalipsa ny lehiben’ny tafikareo nilaza hoe :loza ho an’izay vehivavy bevohoka amin’io fotoana io………….na koa
Apokalypsy 22:18 Izaho dia manambara amin\\\'izay rehetra mandre ny tenin\\\'ny faminaniana amin\\\'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin\\\'ity boky ity ho azy .

-Tsy mila mandeha lavitra akory dia afaka manome ohatra amin’ny mythes na fivavahana hafa :Aza mamany eo amin’io vato io ,fa raha ataonao izany dia hiaran-doza ianao sy ny fianakavianao.
Aza mandevina Atalata fa loza miantona hoa an’ny mpiray fasana izany.
………………………………………………………………………
Ny hanaovana na tsy hanaovana ireo voalaza farany ireo dia mari-panajana ny olona mino na mandàla azy fotsiny fa amiko tsy misy valeur-na fahamarinana na tsia.

Mitaky ny fahafahan’ny tsirairay ny finoana a ? Fahafahana haninona ? Inona no hanaovanareo prosélytisme raha izany ? Inona no handehananareo any anatin’ny alan’ny Mikea.Hanome azy fahafahana hiditra ao anaty valanareo ? Ampahafantariko anareo kristianina ( izay ny ankamaroany dia efa jamban’ny finoana ) fa ireo olona monina amin’ireny toerana ireny dia efa manana ny finoany, no sady en harmonie avec leur milieu , nature , leurs dieux …hatramin’izany nisiany ka mandrak’androany .

Au fait ,ny anareo dia izao : \\\"Vous n’êtes libres que lorsque vous rentrez dans le giron de la foi chrétienne \\\" .
Ampatsiahiviko indray fa tsy ny Mikea na ny no namorona ny tribunal d’inquisition IZAY NAMONO , NANDORO VELONA ny maro amin’ireo izay rehetra nanana SAFIDY HAFA tsy neken’ny mpandovan’I jesosy kristy taty aoriana ( FATWA no anaran’izany any amin’ny silamo ary Doctrine de la foi , notarihan’i Ratzinger alias Benoit XVI , no anarana nentiny nanomboka tamin’ny taon-jato faha-XX ) .Tena MANJA BE tokoa aloha ilay fahafahana nentin’ny kristianina :
-dingana voalohan’ilay FAHAFAHANA :zanahiny aloha ny tany sy firenenana rehetra nandalovany ( fusil + bible ) :
-dingana faharoan’ilay FAHAFAHANA : andevoziny mandritry ny taon-jato vitsivitsy ny mponinao ( travaux forcés , jours de corvée ) hitrandrahan-karena nahondrana any amin’ireo tany kristianina nanjanaka ( Espagne , Portugal , Frantsa , Angletera …)
-dingana fahatelon’ilay FAHAFAHANA : mampianatra haingana dia haingana , tanora vitsivitsy notsongaina tamin’ireo zanak’andriana ao an-toerana , nandika amin’ny fitenin-drazan’ilay firenena ny baiboly ( ireo boky siantifika sy teknika ary ireo fahalalana maro samihafa nisy tamin’izany dia …AOTRA ny fandikana azy >>>tena nanan-tsafidy tokoa ireo razambentsika : baiboly ihany no namenona ny lohany .
-dingana fahaefatr’ilay FAHAFAHANA : nampaingana ho FINOANOAMPOANA ny finoana sy ny fivavahana nisy tamin’ireo tany rehetra voazanaky ny kristianina ary nampiasaina daholo izay fomba rehetra nisy ( na amin’ny alalan’ny fampianarana izany na amin’ny alalan’ny FAMPIASANA HERY ) hamotehana sy handrarana ny finoan-drazana ary hampanjakana ny FINOANA KRISTIANINA >>> tena nanan-tsafidy tokoa ireo Razambe Afrikana , Malagasy , ireo izay nipetraka tany Amerika atsimo sy avaratra …
-dingana fahadimin’ilay FAHAFAHANA : zato taona maromaro taty aoriana ; voataiza sy nilomano tao anatin’io finoana io ny ankamaroan’ireo taranak’ireo olona rehetra voalaza etsy ambony ; tsy misy tery vozona intsony na fandorana velona dia midededadeka hoe :

Raha izay voalazanao, dia saika mifototra amin\\\'ny tahotra ny finoana. Izany hoe tsy libre ilay olona mino.
Ny finoana Kristiana anefa dia tena mitaky ny \\\"Fahafahan\\\'ny tsirairay\\\" ary manafaka ny tsirairay amin\\\'ny tahotra koa. Tsy misy Finoana raha tokoa ka tsy misy Liberté marina, satria ny mpino dia olona Responsable.
.

Tena miala tsiny aho fa tsy adihevitra no ataonao fa ny hametraka ny anao ho fahamarinana.


Badboy>> Maro dia maro tokoa ny olona no sady mpino no siantifika ( tsy Mendel ihany fa l\\\'Abbé Georges Lemaître-big bang ,ary ny maro hafa koa ,misy prix Nobel aza.....).
Ny olana fotsiny dia rehefa ilay mpino no manao ny interprétation -n\\\'ny fikarohana hitany fa tsy ilay mpikaroka dia lasa misy conflit d\\\'interêt .
Misy ohatra vitsivitsy nomeko etsy ambony mikasika an\\\'ireo siantifika voahenjika.
Ary amin\\\'izao fotoana izao dia amin\\\'ny fomba hafa no hampidiran\\\'ireo siantifika ireo ny finoany ao anatin\\\'ny siansa ( intrusions spiritualistes ) ,izay no ataon\\\'ireo créationnistes sasany sy ny Ider\\\'s amin\\\'izao fotoana izao :
Procès de Dover en 2005 ;inona ny objet ? Efa nisy procès talohan\\\'izy io momba ny fandraràna ny fampianarana ny Théorie de l\\\'évolution tany am-pianarana ary déboutés rizareo créationnistes . Taty aoriana dia tsy maitsy nampianarina Darwin ny mpianatra fa nampidirin-jareo tao anatin\\\'ny programa science nat koa ny fampianarana ny \\\"intelligence design\\\" izay tsy inona fa ny version hoe misy grand architecte , na grand horloger na createur .....fa déboutés indray koa ry zareo satria voalaza va tsy misy valeurs scientifiques na kely aza ny zavatra narosony ...........................
Misy karazany maro ny créationnistes :
- Ao ireo mandà ankitsirano ny siansa (indrindra ny paléontologie ,évolution ,ny cosmologie )
- Ao ireo izay mitady fika ( par impostures intellectuelles ) hampifanindry ny zavatra hita amin\\\'izay voalaza ao anaty baiboly .
..............................................
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0719