inona no azo ilazana azy?

1. ari.malala ( 06/03/2008 12:31)
In-droa aho izay naheno olona nitantara, ny 1 tao @ radio privée iray izay, nilaza ilay olona fa efa maty hono izy ary efa ndeha hofonosina no indro nifoha, taitra daolo ny fianakaviana ary lasa nitsoaka aloha avy eo vao niverina teo aminy... tranga mahavariana sy mahalasa saina iany! raha ny fitantaran'ilay olona tao am radio de niakatra tohatohatra lava be zany hono izy de refa tonga teo am-baravarana de nanontaniana ny anarany sy ny daty nahaterahany, de nilaza ny momba azy teo izy, de ozy hono le olo-manan-kaja nandray azy hoe tsy ianao le nantsoina fa i ranona teraka tam taona xxxx (mitovy anarana aminy saingy tsy mitovy kosa ny daty nahaterahana) de hoe ndana miverina any am nisy anao, ary lalan-kafa no iverenanao, de nony hoverina hono izy d tsitany tsony le tohatra fa lasa tsy maints miampita rano ndray, de ozy hono izy tamin'ilay olona teo amoron-drano hoe misy lakana angaha, de hoe tsy misy fa milomano, de ozy hono izy hoe za nge tsy mahay milomano e, de hoe ndao fa taritiko enao ozy le olona teo amorondrano, de lasa nilomano hono iz, de refa tonga teo amorony de nanipy ny sandriny havanana izy ary tonga tety an-tanety... nifoha ary d ny vahoaka raiki-tahotra sy las amitsoaka no itany k t@ le fotoana izy ao anaty fahitany hoe manipy ny sandriny havanana hon de ny togony havia no itan'ny havany efa ndeha hamono lamba azy nihetsika... mahavariana hoy aho, nanaraka ilay fandaharana aho, vavolombelona ny anarany tamzany fa ilay radio koa aza moa efa tsy misy intsony ko... De ny tiko anontaniana, coma ve sa inona no azo ilazana anizany, satria olona efa niandrasam-paty nandritra ny hateloana no iny fa lasa velona tampoka te sa aona no andraisana azy? azo inoana v sa angano noforonina hampandry saim-bahoaka? in2 aho izay no nandra hoy ahoo ary olona 2 samy hafa no nahenoako azy, ny voalohany d io notantaraiko io, fa ny faharoa dia ny zanak'ilay olona no nitantara, ary ny filazany de herintaona taorian'ilay hoe nahafatesany vao tena maty ilay olona (daty nitovy ary ora nitovy nonialany aina)

misokatra ny adihevitra
2. sakaizakely ( 06/03/2008 12:55)
tena misy mihitsy io ry ari. raha tsy diso aho Near Death Experience no fiantso azy (NDE) na Experience de Mort Imminente na EMI, izany hoe tena ambavahaonan'ny fahafatesana ilay olona dia tafaverina ihany

tsy honohono, fa misy siantifika kalaza mianatra io fenomena io mits. Mahagaga tokoa fa somary mitovitovy avokoa ny temoignage n'ireo oul ireo, na samy hafa firenena sy fihaviana aza

Misy miteny hoe rehefa ho faty hono dia mibosesika mitamberina daholo ny zavatra rehetra niainanao, indrindra moa ny exp tamin'ny vao teraka. Io tunnel fotsifotsy io dia toy ny zazamena hivoaka ny bassin n'ny reniny, ny loha no mivoaka mialoha, manatona ny hazavana fotsifotsy ety ivelany. Betsaka ny miteny hoe mahatsapa fitiavana be hono ao anatin'io tunnel io (ilay saika ho faty io) dia voasintona be hanatona ilay hazavana be fa tsy te hiverindalana intsony, ny zaza teraka koa angamba mahatsapa ary attiré be amin'io fitiavana io rehefa hivoaka ho teraka iny. Ny reny manko rehefa bevohoka indrindra fa hiteraka iny dia miboiboika be ilay fitiavana an'ilay zaza ho teraka. Dia asa, mety izay no iainan'ilay olona alohan'ny fahafatesany
tsy voatery mahatsapa an'io daholo anefa

manao fikarohana aho dia lazaiko eto ihany njy
3. ari.malala ( 06/03/2008 14:24)
ok, merci soanja:-*
4. ikaretsaka ( 06/03/2008 15:31)
sakaiza io fa tsy soanja...:wink:

Za kao efa tratran'io NDE io ary prouve scientifiquement..
ny ahy Coma dia nifoha avy tao no efa niainako
fa marina io hoe rehefa ho faty dia mifandimby mibosesika io aby ny zavatra rehetra niainanao

Fa misy indray le hoe miady amin'olona na hery anankiroa mifampisintona (Ohatran'ilay ankizy kely milalao mifampisintona ireny) .. dia mahery ilay hery ilany dia votsitra le ato @ cote ilany dia lasa le ohatran'ny latsaka anaty vide be le misaute para na mandeha rollercoaster ireny ny feeling anao.. dia misy mazava tampoka.. dia taitraaaa!
dia hitanao le doko sy ny mpikarakara anao le mametaka oxygene sy le mampiasa le ohatran'ny fer fampitempoana fo iny.. izay vao misy manazava heo nijanona ny fonao teo e.. sns...

fa tsy haiko ny zavatra mitranga raha ilay hery andaniny no naharesy!
5. menalamba ( 06/03/2008 16:58)
Raha mandeha eo 67 ha atsimo iny i ari-malala dia mandrosondroso kely sahala @ ho any Ampasika ,dia misy tranon-jiro lehibe @ Jirama eo;dia manontany olona ianao ny misy ilay rangahy mpanamboatra fiara hoe ra-Jean (mecano) izy ,ary izao dia lasa anaram-bositra hoe Ra -Jean efa maty no fiantson'ny olona rehetra azy eo @ manodidina eo ,fa efa nanamboatra ny fiarako efa ela izay io rangahy io.Dia ny olona rehetra eo an-tanana io niandry faty azy fa efa maty izy dia afaka andro vitsivitsy dia nitsangana tampoka teo am-pandriana teo @ ilay fiandrasam-paty iny ,ka saiky vaky hono ny varavarana nilefasan'ny olona.Tsy nino aho t@ voalohany fa raha tsy izy tenany no nilaza hoe marina izany vao nanaiky aho :-D:-D
6. kallie ( 06/03/2008 17:23)
fa anga mo ny olona refa maty tsy tonga d tsondromina formol? d ny formol ve tsy ahafaty na tsy mbola tena maty ary lé olona aloan'io?
7. Papoose ( 06/03/2008 17:34)
ika :-*

za ko saika hanontany an'io nolazain'i kallie io
8. ikaretsaka ( 06/03/2008 18:02)
kallie> tsy eo no ho eo anie de tsindromina formol e
9. kiadi ( 06/03/2008 20:03)
ari.malala:

ok, merci soanja:-*


fa iza no soanja ?
10. kallie ( 07/03/2008 05:32)
tsy aiko alo fa ra ny fahalalako azy d aloan'ny hiandrasa-paty dia efa vôapandro sy vita formol lé ol d ampekanjona e, sa diso ve ny fitadidiko?
11. ari.malala ( 07/03/2008 06:08)
Miala tsiny indrindra fa diso aho, sakaizakely no nanoratra fa tsy soanja, fa manina an'i Soanja aho d lasa ny anarany no voasoratro, miala tsiny indrindra tompoko.

Misaotra anareo nanome fanampim-panazavana aloha, fa io fanamarihan'i kallie sy papoose io mintsy no naika hapetrako. Nisy havanay maty d toa efa tafiakanjo le olona no hoe alaina nympanindrona formol d ts haiko tsony hoe fa @ fotoana in tokoa moa ny anindromana formol ny olona iray? ary in ny asan'iny formol iny tokoa e!
12. Rasiligaoma ( 07/03/2008 06:16)
ny asan'ny formol dia mampihenjana sy manamaina izay zavatra rehetra mitsiranodranoka sy modamodaka ao anaty vatana maty! (na olona io na biby na organe avy nesorina)
ka mahatonga azy ho azo tehirizina elaela
13. kallie ( 07/03/2008 06:22)
za ts mahay oe manin no atao am ol maty fa ty no itako oe effets-ny

Irritation et corrosion : yeux (brûlures), peau (décoloration, durcissement, brûlures), voies respiratoires (oedème, bronchospasme), voies digestives; si inhalé: toux, douleurs à la poitrine, difficultés respiratoires, nausées, vomissements, douleurs abdominales, anurie, collapsus; si ingéré: douleurs abdominales, hématémèse, hématurie, protéinurie, anurie, acidose, vertiges, coma, mort.

Mety oe itairizana anle iz tsy ho mora simba????
14. kallie ( 07/03/2008 06:25)
IO :

Le méthanal tue la plupart des bactéries, c'est pourquoi on utilise le formol comme désinfectant, notamment en médecine vétérinaire (pédiluves de désinfection), ou pour conserver des cadavres d'animaux ou d'humains. Il est aussi utilisé comme conservateur dans les vaccins. En médecine, on l'emploie localement pour assécher la peau, comme dans le traitement des verrues. Les solutions de méthanal sont aussi employées pour embaumer les corps en attente d'un enterrement.

15. yonikafopl ( 07/03/2008 06:26)
fa nga mou ny faty rehetra dia tsindromina formol doly???:roll:
16. Rasiligaoma ( 07/03/2008 06:30)
tsia, any ambanivohitra ve dia hisy formol?
17. ari.malala ( 07/03/2008 08:04)
ts haiko! iza no mahita, sod misy iany kosa ko! sa v... nisy rahavavin'i neninay maty tam 93 fa toa nasina formol k! nefa ambanivohitra no nizy azy tamzany (tsy haiko azo kilasiana ho ambanivohitra v Ambohimanambola?)
18. tsiafoi1 ( 07/03/2008 11:33)
za efa nanatriaka mivantana ny temoignage-n'i Mamahova(mpiandry)maty efatr'andro izy vao velona indray, ary nahita le tanany tsy afaka miforitra intsony vokatry ny formol natao taminy, ny fitantarany indray we nampahitana ny tany @'ny fiainan-tsy hita izy de naverina teto indray.
19. ari.malala ( 07/03/2008 11:40)
tsiafoi1, zany hoe raha azoko tsara zany d efa notsindronina formol io olona io fa ts nanin? mahagaga mints zany!
20. ikaretsaka ( 07/03/2008 14:07)
toa hoe lasa paralyse elaela fotsiny ilay zavatra azon'ny formol raha mbola faible dose ka..

fa inona moa ny resaka aloha.. NDE sa formol?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2842