fanirian-Rakaroka

41. cutie ( 07/03/2008 21:57)
hiihihhihhihi
ra kiki ve
42. rakaroka ( 07/03/2008 21:58)
Ireo Fariseo mpitarika koa no tena fositra. Tsy mbô ny cas pratikan'i Jesoa no
nakana lesona ampianarina ny olona fa izao fampiesonana fotsiny tahaka ny hoe "minoa fotsiny ihany. Jesoa anie nitsinjo ny olona e. Nanampy sy namaha ny olana nianjady tamin'izy ireny ary nihevitra ny sakafo hohaniny aza.
Izay mino Ahy hoy Izy ny asa ataoko no hataony koa. Koa aza mihambo ho mino sy mpanaraka Azy raha tsy nanao sy tsy mivonona hanao n'inn n'inn akory afa tsy blablabla satria tsy izany monja no noandrandrainy ny mpino Azy.
43. cutie ( 07/03/2008 22:00)
tokony manomboka eo @ testamenta vao2 ny fampianarana fa tsy mila ny testamenta taloha:-D
44. rakaroka ( 07/03/2008 22:12)
cutie:

tokony manomboka eo @ testamenta vao2 ny fampianarana fa tsy mila ny testamenta taloha:-D


Ny ahy ireo fomba fitory ankehitriny fandre-ko mihitsy no efa MATSATSO amiko e:
1-"Raiso Jesosy" anefa tsy hita horaisina akory. Ary na i Jesoa aza rehefa zohina toa tsy haindrizareo tsara akory.
2- Baiboly irery ihany : Anefa tonga eto ihany:-D:-D:-D
3- Minoa fotsiny ihany: Anefa rizareo aza mbola mandalina fa tsy vitan'izany8O
sns...
Izany hoe mal exposé ireo fampianarana dia tsy tafita MIHITSY ny hafatra. Dia ny Fanahy masina no tian-drizareo terena hanekenao ny amboletra asesik'izy ireo.
:roll::roll::roll:8O8O8O
45. cutie ( 07/03/2008 22:21)
:-D:-D:-D:-D:-D
ka raha tena atao we kristiana sy mpanaradian'i kristy de tokony ze nampianariny ihany no tokony toriana etsy sy eroa e.
46. rakaroka ( 07/03/2008 22:29)
Ka io efa napetrako io anie no tokony heverindrizareo e hoe: Mbô ianaro sy torio ny cas pratika nataon'i Jesoa : manasitrana, mamaha ny olana mianjady amin'ny olona,sns rahateo teniny ny hanarahana izay nataony ho an'izay mino Azy. Dia aiza moa ny fivaonan'ny hevitro amin'ny maha Xtiana amin'izany?:roll:
47. cutie ( 07/03/2008 22:34)
hay tsy hitako akia zany ry rakaroka a :oops:
ka zay wa le pble
raha ny fampianaran'i jesoa no arahina tafita daholo isika:-D:-D:-D:-D:-D
48. rijadolly ( 08/03/2008 16:49)
Voalaza any aloha any hoe : « maninona ny fiainana taloha no milamina…,zao maro ny atoko mpivavahana samihafa nefa ….. » Mbola tsy tonga teto ny Baiboly dia efa nahalala izao ny Ntaolo “Azan y lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon’loha”
cuit:
fandinihan-tena alou no tokony atao 1
Fandinihan-tena dia anisan'ny lalana ahitàna vahaolana
prime:
Ny vahaolana tsara indrindra dia ny famitranam-pihavanana amin'Andriamanitra indray... manomboka amin'ny tena sy ny ankohonana ary ny fianakaviana ary miitatra hatramin'ny manodidina sy ny firenena mihitsy...
Mitovy hevitra amin’ireo tanteraka koa aho.Koa raha tsy mandini-tena sy miverina amin’fatahorana amin’Andriamanitra izao tontolo izao sy ny tsirairay dia tsy misy filaminana ho vanina eto an-tany rah any filaminana sy ny herisetra no resahina.Maninona ny fiainana taloha no milamina?Noho ny fatahorana an'Andriamanitra
Raha hiresaka ny vahaolano indray isika amin’ny mahatonga ny olona hanao ireo toetra ireo dia izao ny hevitro.tsy miala ao amin’Baiboly ihany
MAHAY MIFANOMPO
.isika mantsy dia efa simban’fandrosoana ny sain-tsika ka izay manao asa ….. dia ratsy izany amintsika( milaza isika fa tsy misy ny asa nefa isika manda satria tsy araka ny mari-pahaizantsika) indrindra ireo firenena mandroso ireo,ka izany no anafarany mpiasa hanao ireny asa ireny.Ary ny tsy manan’asa sy ny kely karama manenjika ilay fandrosoana dia tsy maharaka:arrow::arrow:miborioka avy eo.(fialonana,te-hanana amin’fahamoran-javatra,…)
Tokony avy aty amin’tsika Kristianina no aseho,Kristianina hoy aho satria isika no manaporofo noho ny zv efa voaraitsika avy tany Aminy fa misy Izy.Tsy inona izany aseho izany: ny Fifankatiavana izay mitarika ny Fifanompoana.Ny mpampiasa mitsinjo ny mpiasa,
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=13&andininy=4-9&dika= ,ny mpiasa manaja ny mpampiasa http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=IISAMOELA&toko=12&andininy=26-28&dika= , http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=17&andininy=7-10&dika=
Ireo rehetra ireo dia mitarika ny olona iray hanetritena sy handaha ny tenany mba hitsinjovany ny hafa eo anilany ka mitarika ny tombotsoa ho azy ihany koa.
VOKANY :
-Miova tanteraka ny teo-tsaina
-Tsy misy ny tsy an’asa noho ny fanajana mba tsy anaovana tsinotsinona ny hafa.
-Manjaka ny fifampitokisana
-Iray asa iray aina
-Iray daholo ao amin’TOMPO(porofo ny fisian’karazan’olona tamin’mpianatry Jesoa)
Ireo vokatra rehetra ireo dia mitarika ny
FAHAIZA-MIHONONA tsy mihonona fa fahaiza-mihonona izay mitarika anao mankasitraka ny ananao nefa azonao entina mihaina tsara.Tsy mahatonganao manitatra mihaotra ny tokony ho izy ka mitarika fandratrana ny hafa.Mihena avihatrany ny ahiahyn-dRakapy.

49. yonikafopl ( 08/03/2008 18:55)
ka raha tena atao we kristiana sy mpanaradian'i kristy de tokony ze nampianariny ihany no tokony toriana etsy sy eroa e.


Ka io efa napetrako io anie no tokony heverindrizareo e hoe: Mbô ianaro sy torio ny cas pratika nataon'i Jesoa : manasitrana, mamaha ny olana mianjady amin'ny olona,sns rahateo teniny ny hanarahana izay nataony ho an'izay mino Azy. Dia aiza moa ny fivaonan'ny hevitro amin'ny maha Xtiana amin'izany?


za miombonkevitra aminareo eto

Hoy rijadolly
fahaiza-mihonona izay mitarika anao mankasitraka ny ananao nefa azonao entina mihaina tsara.Tsy mahatonganao manitatra mihaotra ny tokony ho izy ka mitarika fandratrana ny hafa.


Ry zareo milaza sy mideratena ho kristiana nefa dia ny mifanohitra amin'io no ataony,:(
50. rakaroka ( 08/03/2008 20:32)
Ny "blem" 'zareo dia ity. Tahaka ny miatrika "aretina" isika miatrika ity olana mianjady amin'ny fiaraha-monina ity. ilay aretina efa miha-grave raha koa "ain'olona izany no efa voaripaka. Donk ny fanafody "efficace" mbô manasitrana no katsahina fa tsy fandrirarirana.
Raha hilaza isika hoe tokony hiverina amin'Atra ny olona. fa angaha moa tsy izany foana no nokatsain'ireo mpitory fa toa vao maika "pire ty fiainana:oops::oops:8O
Mila toro lalana mazava, azon'ny olona fa aza atao ilay fihevitr'Atra tsy takatry ny sain'olombelona ireny. Dia amporisihana koa ny olona hiasa fa tsy pepoana sy tsinotsiniavina ny herimpon'ny olona satria hoe Atra sy I Jesoa sy ny Baiboly ihany sanatria no tokony hoheverina.8O Mila atrehina au sens propre ny fiainana.

51. Rasiligaoma ( 09/03/2008 03:49)
marina!
52. prime ( 11/03/2008 12:00)
rakaroka> Mila madio fo vao mahita an'Andriamanitra dia aza apetraka amin'ny hafa foana ny olana... raha niharan'ny fahoriana ny namanao dia misy antony ao... tsy ny kristiana no namono na nampamono azy, tsy ny fampianarana momba an'i Kristy no diso... tsy ny baiboly no ampy na tsy ampy... tsy ny fitorian-teny no nahafaty ny namanao fa mila mandini-tena hoy cutie izay...

Misy ota ao...

Ny olona tsara fihavanana amin'Andriamanitra, efa nambarako ao ambony ao dia ny hanompo ny hafa no nanolorany tena... Kristy no fitaratra, ary ny famonjena dia mihatra amin'ny fiainana andavanandro fa tsy blabla araka ny fahitanao azy...

Kristy efa niteny hoe : "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray." Jaona 14:12

Tena marina io, fa ny asan'ny Fiangonana kristiana maro maneran-tany, indrindra fa eto Madagasikara dia betsaka no efa natao sy efa vita nefa na izany aza dia mbola maro koa no miandry...

Ny olana apetrakao nefa efa vita faminaniana fa hiharatsy ny olona... izany no mahatonga ahy miteny hoe raha tianao hihatsara ny fiainana dia ny fihavanana amin'Andrimanitra no vahaolana tsara indrindra...
53. prime ( 11/03/2008 12:16)
rakaroka> Mila madio fo vao mahita an'Andriamanitra dia aza apetraka amin'ny hafa foana ny olana... raha niharan'ny fahoriana ny namanao dia misy antony ao... tsy ny kristiana no namono na nampamono azy, tsy ny fampianarana momba an'i Kristy no diso... tsy ny baiboly no ampy na tsy ampy... tsy ny fitorian-teny no nahafaty ny namanao fa mila mandini-tena hoy cutie izay...

Misy ota ao...

Ny olona tsara fihavanana amin'Andriamanitra, efa nambarako ao ambony ao dia ny hanompo ny hafa no nanolorany tena... Kristy no fitaratra, ary ny famonjena dia mihatra amin'ny fiainana andavanandro fa tsy blabla araka ny fahitanao azy...

Kristy efa niteny hoe : "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray." Jaona 14:12

Tena marina io, fa ny asan'ny Fiangonana kristiana maro maneran-tany, indrindra fa eto Madagasikara dia betsaka no efa natao sy efa vita nefa na izany aza dia mbola maro koa no miandry...

Ny olana apetrakao nefa efa vita faminaniana fa hiharatsy ny olona... izany no mahatonga ahy miteny hoe raha tianao hihatsara ny fiainana dia ny fihavanana amin'Andrimanitra no vahaolana tsara indrindra...
54. ikaretsaka ( 11/03/2008 20:40)
prime an> nisy resaka izay nataoko hoe ahoana no mety ho fihetsikao raha silamo (na jiosy) ianao dia dia omeko jambon.. dia jambon foana no resahiko anao sy anaovako reference

dia be dia be no namaly heo forcing sy violation ana safidy izany

dia ahoana ny fihettsikao raha tsy katolika ianao dia omeko sary masina dia iny sary masina iny foana no hanaovako reference hampidirako izay idee tiako hampidirina ao anaty lohanao?

dia be dia be koa no namaly hoe violation sy imposition izany

Dia ahoana no ataonao raha misy olona tsy Kristianina dia tsimpona baiboly foana no hanaovana reference sy hampidirana izay idee tianao ao anaty lohany...

Dia tsy tonga saina ianao hoe violation sy imposition izany??


Izany hoe rehefa mety aminao dia ok be fa rehefa tsy mety aminao dia tsy ok ?:-D:-D:-D
55. prime ( 12/03/2008 08:49)
ika> D inona no idiran'ilay fanamarihanao eto?

Sa tsy mamaky lohahevitra ianao??? ny fangatahan'i rakaroka dia fikarohana vahaolana mba isian'ny fiainana tsara sy mirindra ary mahomby kokoa dia samy manolotra ny heviny ka inona no tianao lazaina eto hoe mety sy tsy mety hoe ahoana??? dia "forcer'na" ho ok hoe ahoana???

Ny ahy manokana na fanerena na tsy fanerena ny fandraisanao azy, dia safidy ny an'ny tsirairay fa tsy misy manery hoe ny vahaolana atolotro ihany no mahomby sy tsara indrindra... ary na ho feranao ahoana aho na ahoana koa dia ny tsapako manokana dia Kristy no vahaolana tsara indrindra... azon'ny tsirairay atao ny mandà sy manaiky sy mandinika ny momba izany... dia azy rahateo ny fanapahan-kevitra... ka inona no olana???:)
56. rakaroka ( 12/03/2008 17:59)
Manamafy ny filazan'i Ika aho nahatsiaro ilay pasitera nilaza fa tokony andefasana baiboly rizareo tran'ny tsunami. Tandisque ny hafa nanao fanampiana
ara-tsosialy selon'ny besoin'ireo traboina.Tamin'iny vanim-potoana iny. Dia nisy tanora vitsivitsy nafana fo nivaky tamiko hoe tsy hiangona intsony satria à côté"n'ny fiainana ny "églizy" fa tsy mi-pulse sy tsy miaina8O:roll:
57. yonikafopl ( 12/03/2008 19:56)
De awona zany ee, mety ho tanteraka ihany ve ny faniroan-Rakaroka :roll::wink:
58. fijo ( 12/03/2008 22:42)
raha manofy kosa ve????
59. prime ( 14/03/2008 10:13)
Tsy ho tanteraka ny fanirian-drakaroka raha izao satria na izy aza tsy resy lahatry ny ambarany akory... mbola variana mitodika an-kavia sy an-kavanana mijery ny kileman'ny hafa...:)
60. yonikafopl ( 14/03/2008 11:06)
prime zany annnn:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081