mosavy

21. fijo ( 05/03/2008 22:11)
za koa efa nifanena tamin'ny mpanao ody totohondry ,ka haiko hoe saina ihany io,ny ody fitia moa dia efa io foanano ita tao antsohihy ,ka matoa mbola eto dia tsy nandaitra ilay izy izany.
22. Papoose ( 06/03/2008 04:24)
nyrina, Tsy laviko fa miaraka @ntsika foana Kristy fa rehefa ho avy ny loza de tonga.

Dia le resaka mosavy tery, tsy voatery hoe hisy fandrebirebena fa na tsy mahita an'le mpams aza enao fa petahiny, de mandaitra ihany v le izy?

betsaka anie ny tsy manantsiny no tena voa e!
raha ohatra enao ka mba efa naheno ny tranga @ faritra any!
ary samihafa be le hoe any anaty train aty sy resaka mosavy @tanana!Marina fa eo Andriamanitra na aty na any ianao, fa samy hafa le context!

Zay no betsaka mahatonga ny vazaha matimaty foana le manao recherhe any reny fa tsy mino ilay izy de efa atoro hoe zao ny tokony atao sy tsy tokony atao dia mbola manao ihany, dia maty avy eo!satria mety tsy hitany zany mosavy zany tany andafiny tany!
23. majesty ( 06/03/2008 05:53)
Papoose:rehefa eo ny finoana tsy hampaninona anao izany,ohatra t@ zay mandeha milasy any am-banivohitra be ireny zao (be mpamosavy sns)fa tsy nisy naninona.
Ika:
za efa teo ny niala.. mahatonga anahy nahay nanavaka ny heo rehefa izao dia izao.. nahatonga ahy tia karokaroka ny momba ilay mosavy sns ...
fa tsy le heo vao misy zavatra tsy hay kely dia herin'i satana sy ny maizina izay! izay!

Hazavao rehefa herin'ny maizina ko! eo isika izao!


Za koa efa teo no niala nefa tena vao maika hitako ny maha herin'ny satana azy,raha tsy hiresaka afa tsy ny zanahary kely sy ny zanahary be fotsiny:D fa ny mahagaga dia na amin'izy samy izy ireo aza dia misy milaza ho herin'ny tsara dia misy milaza fa herin'ny ratsy.

fijo:
za koa efa nifanena tamin'ny mpanao ody totohondry ,ka haiko hoe saina ihany io,ny ody fitia moa dia efa io foanano ita tao antsohihy ,ka matoa mbola eto dia tsy nandaitra ilay izy izany.


Ny saina mety ihany fa ny vatana mintsy no malemy:D
24. niryna ( 06/03/2008 05:57)
ikaretsaka:

za efa teo ny niala.. mahatonga anahy nahay nanavaka ny heo rehefa izao dia izao.. nahatonga ahy tia karokaroka ny momba ilay mosavy sns ...
fa tsy le heo vao misy zavatra tsy hay kely dia herin'i satana sy ny maizina izay! izay!

Hazavao rehefa herin'ny maizina ko! eo isika izao!


izay no hevitrao dia hajaina.
Papoose:
nyrina, Tsy laviko fa miaraka @ntsika foana Kristy fa rehefa ho avy ny loza de tonga.
Ny tampoka tsy mahalehilahy ary izay no hifikirana ny fiainantsika aminy mandrakariva.Raha ohatra kosa ka mahakaha-doza isika dia zavatra hafa indray izay.Izay mino an'i kristy dia omeny ny fanahy masiny ka na inona mitranga dia eo ambany fahefany foana izay,na misy loza mitranga na misy aretina na misy fahoriana na misy manjo amin'ny fiainantsika dia efa voasoratra ka izay no hivavahana hatrany ary aminy irery ihany fa tsy misy fangarano.


Dia le resaka mosavy tery, tsy voatery hoe hisy fandrebirebena fa na tsy mahita an'le mpams aza enao fa petahiny, de mandaitra ihany v le izy?
Izaho aloha mbola tsy nahita na nifanena tamin'ny mpamosavy saingy misy fotoana nandalo toerana mangina be aho ary tena torakovitra sy nifanena olon-dratsy.Saingy ny Tompo sy ny fanahy masina no nantsoiko mba hiaro ahy ary dia afaka tamin'ilay loza aho,tsy loza ihany an,raha ohatra izao hianao manao decision ka mihambahamba tsy fantatrao izay ho raisina dia mivavaha ary mangataha amin'i kristy ny fanahy masina mba hanoro anao.Raha vao miresaka aminao ny fanahy masina dia iny teneniny iny arahina.Nanao fanandramana aho ohatra nitondra fiara ka nivavaka mba ahita parking satria sarotra be ilay nitady parking,tonga dia nomeny ahy ilay toerana ary io tokoa fa nisy parking saingy lavitra kely an'ilay toerana saika alehako ilay izy,tsy noraisiko ilay izy ary dia lany teo ny lasantsiko fa adin'ny iray aho nihodikodina niandry parking,nifona aho fa tsy nihaino ny tenin'ny fanahy masina. :cry: ohatra ireo fa na dia ho tapitra eto aza ny andro tsy ho tapitra ny vavolombeloko milaza fa izay manankina ny fiainany amin'ny anaran'i kristy irery dia tena omeny fanahy masina hitari-dalana,hampianatra ary hanoro sy hanitsy azy amin'ny fiainany.

betsaka anie ny tsy manantsiny no tena voa e!
raha ohatra enao ka mba efa naheno ny tranga @ faritra any!
marina izany ary mbola feno ny herin'ny maizina ka izany no hitoriana ny filazantsara sy hianarana azy satria izay mihaino sy mino no ho vonjena ho afaka amin'ny zavatra rehetra.Izany akory tsy midika hoe ny kristiana dia tsy hiaran'ny loza an,ilay fahafantarana fa misy antony daholo ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika no tena zava-dehibe ary dia manaiky an'izany.

ary samihafa be le hoe any anaty train aty sy resaka mosavy @tanana!Marina fa eo Andriamanitra na aty na any ianao, fa samy hafa le context!
marina izany fa ny tena antony hitenenako an'izany dia ny hoe ny ratsy tsy kely lalana ary na inona loza mety mitranga na midona tampoka ka tsy ampoizina dia mivavaka sy miantso an'i kristy mba andefasany ny anjely sy ny fanahy masina hiaro.Maro be ny zavatra efa hitako na nitolona ny fanahy ratsy tsy hita maso kanefa manosika anao ao anatin'ny maizina aza.Tsy natahotra aho fa manana ny baiboliko izay io irery ihany no ampingan'ny kristiana izay mino an'i kristy ho fiarovana ho azy.Sarotra be ny hanazava an'izany aminao fa ny teniko sy ny fanampiako anao fotsiny dia manaova fanandramana amin'ny fiainana ary isika rehetra izay tena mino an'i kristy dia mandalo fisedrana avokoa,tsy hoe mampatahotra aho a,raha tena mino an'i kristy isika dia tsy tian'i satana,raha manana finoana manao vary amin'anana dia tsy ataony inona fa tambatambazany.hi,hi, satria fantany fa tsy mino an'ilay Kristy izay hatahorany fa mbola minohino zavatra etsy sy eroa dia fantany izany fa tsy ho voavonjy ny fanahin'ireny olona ireny raha tsy miova dia mbola ao anatin'ny faritra misy azy izany ireny olona ireny ka dia tsy ataony inona.Ny mahafinaritra ny fampisehoan'Atra ny fisedrana? dia ny heriny izay asehony an'ilay tena mino Azy ary mitombo avo heny ny fitiavany an'ATra sy ny fanompoany Azy ary ny fizarany izany fitiavan'Atra azy ho an'ny namana sy ny mpiara-belona.

Zay no betsaka mahatonga ny vazaha matimaty foana le manao recherhe any reny fa tsy mino ilay izy de efa atoro hoe zao ny tokony atao sy tsy tokony atao dia mbola manao ihany, dia maty avy eo!satria mety tsy hitany zany mosavy zany tany andafiny tany!
:D raha mino an'Atra ny olona dia mahalala koa fa misy hery iray izay mifanohitra an'ATra dia ny herin'ny satana izany.Tsy asehon'ny satana ho an'ireo izay miaraka aminy izany ary mety tsy ho fantany koa aza,izany anie no mahatonga an'ireo olona manohitra ny tenin'Atra ireny e.Indraindray tsy mahafantatra mihitsy.Fa angaha ny ody gasy ihany no misy aky a,na hody vazaha koa aza dia misy fa ny anarany no tsy mitovy.Misy fanalana devoly,fanasitrana,ary fahagagana koa aty toy ny any amintsika ary misy koa ny manao ody vazaha.Tsy vitan'izany ihany aza fa noho ny tsy finoana dia maro ireo olona lasa manaonao foana ka na ny fiangonana izay tsy an'i kristy (tsy mitonona na mitonona mihitsy ,efa nisy niteny io tato)dia manana miaramila ao am-piangonana koa satana.Na fiangonana kristiana aza dia misy ny miaramilan'ny satana.
Izay asan'ny satana rehetra dia saiky misy azy avokoa manerena ny tany ary efa fantany fa kely sisa ny heriny fa ho avy i kristy ka izay tratrany dia ataony mamay sofina.
Ny aty aza hono fa nandeha tamin'ny gazety ilay izy,manaraka hatramin'ny taninketsa mihitsy ny vola lanin'ilay olona mandeha any amin'ireny mpamaky tanana sy mijery cristal sy mijery karatra ireny ku.
Asainy mandoa vola hono hoe hanalana ilay vitan-dratsy :roll: ary dia lany teo ny volan'ilay vazaha kanefa dia tsy mbola manana fifaliana ihany izy..
Misy koa hoy ity tovovavy Puerto Rican hoe raha izaho no manao fanafody an'io dia ataoko lasa adala io.Tsy tiany ilay tovolahy miara-miasa azy. :roll:
Misy koa ny hoe voodoo.Toy ny ody gasy angamba izany fa anaovany saribakoly mitovy an'ilay olona tsy tiany hono dia izay faritra tsindrominy amin'ny fanjaitra dia marary avokoa. Mino aho fa tsy mpino ilay olona ataony an'izany ary ilay manao an'izany koa dia tsy mpino. Ireo no karazana ody vazaha efa henoko.
Mahereza,raha mbola misy fanontaniana dia alefaso ,izay no fahafantarako azy.
25. fijo ( 06/03/2008 23:20)
majesty,ka rehefa tsy matahotra sy tsy mino ialahy dia tsy misy vokany amin'ny vatana izay.

za koa efa nilasy tany anaty akata hoe misy mpams fa tsy nisy inoan izany
26. Rasiligaoma ( 07/03/2008 04:51)
io izany ilay hoe ny finoana no mitondra azy e
27. fijo ( 07/03/2008 21:33)
izay indrindra.
jereo fotsiny e,amin'ny kristianina izao ,izany baiboly izany tena masina tsy azo atao inona,nefa amin'ny silamo io dorany ,tsy misy mahazo azy akory.

ny kalo koa to aio,tany ambositra fahiny ,vao hoe saha misy kalo de hialao pas,nefa nony lehibe izahay ,mangalatra paiso foana na misy kalo aza,mbola ity eto.
28. Papoose ( 08/03/2008 18:40)
ny aza voany tokoa dia samy mizaka ny vikany
29. ikaretsaka ( 08/03/2008 21:40)
rehefa tsy sahy de fantaro le izy de jereo raha misy efa tratra, dia jereo hoe inona ny nataony ...
rehefa hitanao ka manahy ianao fa tsy vitanao ny nataony na hoe sao dia izao sy izao ... dia aza atao, rehefa inoanao fa vita sy tsy misy an'izao sy izao : ataovy..

dia ny aza voany fotsiny raha te hanao aminy eo!


30. Papoose ( 08/03/2008 23:43)
mampalahelo anie mijery le olona victim avy eo e!!
efa nampilazana ohatra le olona fa misy an zao sy zao!de tsy mino de aveo....!!
31. prime ( 11/03/2008 10:44)
papoose> mila fiorenana feno ao amin'i Kristy ny fisedràna ny asan'ny maizina toy ny mosavy ka na tampoka io na efa iomanana dia tsy misy mahavoa avokoa raha tena miorina tsara...

Tsaroako tsara ilay Mpitandrina iray izay, halan'ny maro ao am-piangonana satria nitondra fifohazam-panahy lehibe... anisan'ny mpiara-miasa aminy akaiky, anisan'ny tsy mahazaka mihitsy ny hetsika fifohazana no mody nanasa azy hisakafo tany an-trano ary efa nanomanana poizina... fa eo am-piomanana indrindra ilay avy nivavaka iny hisakafo no nisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra, ka ilay saka ao an-trano hendry be no nikoropaka ho azy teo ka nikipily tany amin'ny sakafon'ilay Pasitera, dia raraka t@ tany... ary tsy vita teo fa nohanin'ilay saka ilay sakafo ka dangy teo io... menatra tsy nisy toa izany ilay tompon-trano sy ny ankohonany rehetra teo ary dia nifona nandohalika nigogogo nihaiky ny nataony...

Maro ny ohatra azo raisina ka ijoroana vavolombelona raha teo amin'ny fiainam-pinoan'ny mpino maro fa ny mitoetra dia tokana, na inona asan'ny maizina, na inona aoka tsy hadino fa ny olon'Andriamanitra tsirairay avy, mpino dia misy anjelin'Andriamanitra marobe momba sy manodidina azy ary Jesosy tena miaro sy mitahy feno ny olony mandrakariva...
32. cutie ( 11/03/2008 10:58)
11. Mpandefa : fijo [ Valio ] 05-03-2008 00:13:18
Lohateny : Re : mosavy
i oody io,raha ny nahalalako azy tany mahajanga dia arakaraky ny finoana no maha"masina" azy.
masina =mandaitra eto.

any mantsy rehefa misy morengy ireny dia voalaza fa manao ofy ny mpiady.de ry zalahy ihany no miteny hoe"kaia mavozo aodiny."izany hoe rehefa tsy atahoran aio dia tsy masina
=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))
zany ve ry fijo, za manko mpanatrika moraingy:-D:-D:-D:-D
33. cutie ( 11/03/2008 11:00)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 05-03-2008 23:11:43
Lohateny : Re : mosavy
za koa efa nifanena tamin'ny mpanao ody totohondry ,ka haiko hoe saina ihany io,ny ody fitia moa dia efa io foanano ita tao antsohihy ,ka matoa mbola eto dia tsy nandaitra ilay izy izany.

:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
34. ikaretsaka ( 11/03/2008 15:36)
ny ahy ny fanaovako an'io aloha dia andramako fa za tsy mino ilay jorojoro vavolombelona io loatra, satria ny mety amin'i cutie ohatra dia sur fa tsy hiety amiko mihitsy amin'ny maha olona samihafa anay sy i cutie..
35. prime ( 14/03/2008 08:18)
ika> mitombina ilay fanamarihana fa ny tranga miseho rehetra dia tsy misy ifandraisany noho ny antony maro, saingy ny asan'Andriamanitra dia marina sy tanteraka foana ary izany no fototry ny fijoroana vavolombelona...
36. ikaretsaka ( 14/03/2008 17:12)
ekeko koa izay, fa izaho koa anefa.. raha mijoro vavolombelona i prime, dia tsy izay nitranga t@ prime akory no hitranga amiko...
37. fijo ( 14/03/2008 22:04)
cutie an,fa le ody fitia tany antsohihy misy tarazo kely kay ko.
38. Rasiligaoma ( 16/03/2008 03:20)
tarazo?
39. prime ( 17/03/2008 11:48)
ika> marina ny ambaranao fa izay nahazo ahy tsy voatery hahazo anao... saingy tsy izay no fototry ny fijoroana vavolombelona fa ny fanambaràna ny voninahitr'Andriamanitra ilay tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay... ny fijoroana vavolombelona no maneho ny maha tsara sy mampahery ilay Andriamanitra tokana izay miasa amin'ny fomba maro entiny anehoany ilay fitiavany sy fahasoavany tiany hozaraina amin'ireo izay mino Azy (eny fa na ireo tsy mino Azy koa aza)...

Ka etoana ny fijoroana vavolombelona ilaina dia ny fomba fiasan'Andriamanitra marobe isankarazany araka ny trangany avy manoloana ny asan'ny maizina, ny mosavy indrindra2...:)

Raha fintinina ny fijoroana vavolombelona dia tsy manome lanja ahy na ilay mpijoro vavolombelona fa maneho ny fiasan'Andriamanitra hafa noho izay mety fahitan'ny tsirairay... ka manamarina ny teniny Izy amin'ny fanehoany fitiavany amin'ny endrika maro ny mpanompony...
40. ikaretsaka ( 17/03/2008 18:01)
ia izao.. samy manana ny fomba fiasany @ tsirairay A-tra
dia aoka ho anao sy A-tra izay nataony taminao! ..
s
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1173