famangiana manjo !

1. ravatorano ( 28/02/2008 06:08)
Nohon'ny firaisana misy eo amin'ny namana serasera rehetra dia amin'ny alahelo lehibe no ilazako entona fa namoy ny anabaviny i glou_ izay tompon'andraikitra voalohany ny namana serasera dago
noho izany dia hisy famangiana manjo azy izay ho tanterahina ny alahady amin'ny telo ora hariva (15 h00) eny antranony eny Anosibe.
Ho antsika izay afaka dia eo amin'ny faran'ny 165 no fotoana amin'ny roa sasany ka hatramin'ny telo latsaka dimy.

Misaotra antsika !

ravatorano
novalian'i glou ny 05/03/2008 13:53
2. Papoose ( 28/02/2008 06:15)
Miombona alahelo tpk!!
Dia misaotra nanefa adidy @ anaran'ny namana serasera aby zay handeha any!
3. ari.malala ( 28/02/2008 06:54)
faran'ny 165 aiza io?
4. fahamarinana ( 28/02/2008 07:13)
:arrow: dia mirary fiononana tanteraka ho an'ny glou sy ny fianakaviany rehetra.Misaotra ireo namana serasera any dago rehetra afaka misolotena mankany e.(l)
5. Ralay ( 28/02/2008 07:19)
Dia mankahery an'i glou_ sy ny fianankaviany,koa dia mahaiza mionona fa tombondalana ny azy.
^:^
6. tess ( 28/02/2008 07:23)
mirary fihononana lehibe ho an'i glou sy ny fianakaviany rehetra! aza misosoka alahelo:-*:-*:-*
7. ratonga ( 28/02/2008 07:43)
fiononana ho an'ny glou sy ny fianakaviany :-* mahereza:-*
8. tslem ( 28/02/2008 08:25)
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana mana-manjo, aza misosoka alahelo.
9. yonikafopl ( 28/02/2008 09:13)
Mirary fiononana feno ho an'i glou sy ny fianankaviany.
10. ravatorano ( 28/02/2008 09:48)
ari malala < faran'ny 165 ery anosibe e
eny no fotoana ifanomezatsika
11. kelly13 ( 28/02/2008 09:58)
mahaiza mionona tompoko :-*
12. ari.malala ( 28/02/2008 10:44)
ravatorano, ok hoavy ah
13. tsiafoi1 ( 28/02/2008 10:49)
Mirary fiononana feno ho an'i Glou sy ny fianakaviany rehetra
14. ainaheri ( 28/02/2008 10:58)
Mirary fiononana tanteraka ho anao sy ny fianakavianao ry glou
15. tsiambaratelo ( 28/02/2008 12:01)
Mirary fiononana tanteraka hoan'iGlou sy ny
fianakaviany rehetra,mahaiza mionona tompoko!!!
16. ANARIM ( 28/02/2008 12:04)
oupsssssss mahereza glou_. Mafy io an, nefa tsy maintsy izorana. Mahaiza mitraka, dia mibanjina ny ho avy hatrany. bisou ngozabe elĂ .
misaotra ravatorano amin'ny fampilazana
17. endrika01 ( 28/02/2008 12:20)
i endrika01,ihany kou dia mandefa ny teny
fampiononana hoan'i Glou sy ny fianakaviany
rehetra ,mahereza!!!!:-*
18. Zina ( 28/02/2008 13:25)
Dia mamangy ny fahoriana glou:-*
19. glou ( 28/02/2008 13:47)
dia misaotra antsika rehetra namana eto @ serasera nampionona sy niray fo tamiko sy ny fianakaviana , efa tsara levenana omaly alarobia moa ny razana , ka dia tsy hita intsony izay ambara afa-tsy ny fisaorana sy fankatelemana , ary misaotra betsaka sahady izay ho any antrano @ alahady,
mankalaza eh ^:^^:^
20. Veloo ( 28/02/2008 17:58)
Aza misosoka alahelo intsony glou:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.352