Ry Kristianina! Hanaraka an'iza ianao raha toa...

1. rakapy ( 28/02/2008 04:42)
Hanaraka an'iza ianao ry xana raha toa ka voaporofo ny fahamarinan'ny fikaroahana nataon'i James cameron sy Jackobovici Simcha momba ny taolam-balon'i Jesosy?
Raha toa mantsy ka mitombona ny fikarohany dia midika izany fa tsy niakatra any an-danitra i jesosy araka ny finoan'ny xana.
Mety hiteraka savorovoro be tokoa io raha toa ka voaporofo satria dia ny fakan'ny xnisma mihintsy no voakitika.
(Marihina fa ady hevitra no atao eto fa tsy milaza akory izaho na ny mpikaroka fa efa marina tantereka ny voalaza )
novalian'i prime ny 11/03/2008 10:05
2. Rasiligaoma ( 28/02/2008 05:07)
Hanaraka an'i Jesosy foana ka.
tsy taolambalo akory dia ampy inoako fa ny zava bitany
na niakatra any an-danitra izy na nisy nivarotra ny Taolam-patiny tsy ahoako loatra, fa hoe nanasoa ahy izy dia reconnaissant amin'izay aho. any ny finoako no mi se baser! Ilay hoe misy hery tsy voazavan'ny science ao , any ny ahy no hijerevako azy

3. majesty ( 28/02/2008 07:04)
Ary raha averiko amin'i rakapy io fanontaniana io:D
4. peugeot ( 28/02/2008 07:59)
tena lalina be le fanotaniana rakapy a.fa ra izaho alou de jesoa no narahiko de iz ihany e .
5. mmmhh ( 28/02/2008 08:28)
Ka na hiteny ary izy hoe "tena an'i Jesosy ty" de aiza no angalàna réf hoe azy io, hopital aiza ny anaporofo hoe ADN n'i Jesosy io? ngà tam andron'ny JK mbola nisy naka an'zany?
6. pissoa ( 28/02/2008 09:58)
rakapy:

Hanaraka an'iza ianao ry xana raha toa ka voaporofo ny fahamarinan'ny fikaroahana nataon'i James cameron sy Jackobovici Simcha momba ny taolam-balon'i Jesosy?
Raha toa mantsy ka mitombona ny fikarohany dia midika izany fa tsy niakatra any an-danitra i jesosy araka ny finoan'ny xana.
Mety hiteraka savorovoro be tokoa io raha toa ka voaporofo satria dia ny fakan'ny xnisma mihintsy no voakitika.
(Marihina fa ady hevitra no atao eto fa tsy milaza akory izaho na ny mpikaroka fa efa marina tantereka ny voalaza )



Hanaraka an'i Jesosy ! :lol::lol::lol:

Ny siansa hoa taranja mivoatra, taranja miova ! Izany hoe na dia hanome porofo aza ny mpikaroka amin'izao dia tsy afaka hilaza fa marina tsy azo ovaina iny. Ny esprit scientifique mihitsy dia efa manohitra izany. Ka raha ny lazain'ny siansa no hanakinana ny finoana dia hiditra sy hivoaka ny valaben'ny kristianina eo fotsiny :)

Ny siansa, amiko manokana, dia natao hanatsarana ny ety antany ; mety hanaratsiana koa amin'ny ady maro be sy ny famonoana olona :-D:-D:-D

7. lapino ( 28/02/2008 12:54)
TSY MITOMBINA ny fikarohana nataony.
Tsy ny valim-pikarohana fotsiny, fa ilay fikarohana mihitsy.

Ohatra fotsiny : Tsy misy dikany mihitsy ny test ADN nataon-dry zareo raha tiany ho noporofoina fa mpianaka ilay tao anatin'ilay fasana. Ny antony dia satria tsy ovule avy amin'i Maria sy spz avy amin'i Josefa mihitsy no nahazoana ny embryon an'i Jesoa. "Mère porteuse" fotsiny i Maria.

Ankoatra an'izay, ny porofo entin-dry zareo dia REFUTABLE daholo.

Ohatra hoe : Teoria-na probabilité miainga amin'ny anarana fotsiny no ilazan-dry zareo fa tena fianakavian'i Jesoa tokoa no tao amin'io fasana io. Réfutable io satria : ireo debadeba jiosy nampamono an'i Jesoa efa nilaza hoe nalain'ny mpianany tao am-pasana ilay razana. Ahoana ary no hanaporofoan-dry zareo fa tsy nampamono fianakaviana hafa tany ry zalahy ireo, ka nampanamboatra fasana nasiana ny anaran'ny fianakavian'i Jesoa ? Voafafan'izay daholo anefa ny teoria nalahatra teo.

Tsy azo hadinoina koa fa : mpanao gazety sy mpandrindra sarimihetsika no nitondra ny fanadihadiana. Milaza zavatra betsaka izany. Tsy azoko raisina ho siantifika akory, fa pseudo-siantifika.

Izany fotsiny ve anefa moa dia ampy hanozongozonana ny finoan'ny Kristiana ?
8. prime ( 28/02/2008 12:56)
rakapy> Ka tsy ho voaporofo mihitsy izany... satria Izy tsy ao am-pasana intsony...
9. lapino ( 28/02/2008 12:59)
prime > ilay izy ange ka teren-ko masaka fotsiny e. Miezaka manaporofo zavatra diso, sady manakopakopaka ny sainan'ny siansa ihany.
10. Fody ( 28/02/2008 13:00)
(Marihina fa ady hevitra no atao eto fa tsy milaza akory izaho na ny mpikaroka fa efa marina tantereka ny voalaza )

Mahagaga ihany ianao satria:
1 - Zavatra tsy maharesy lahatra anao no apetrakao handravana ny zavatra tena maharesy lahatra tanteraka ny hafa. Donc tsy misy tena ady hevitra hipetraka eto izany.
2 - Ahoana moa no fomba ahafahana manamporofo marina fa tena taolam-balon'i Jesoa io hita io?
Ataoko fa tadidinao ny zava-nitranga momba an'ilay taolam-balo hita tao amin'ny Rova may, izay nampisaraka be ihany ny hevitry ny mpandinika maro sy ny mpahay tantara. Ka raha taolam-balon'olona niaina tamin'ny taonjato faha 17 aza sarotra ny mamaritra azy maika fa ny taolam-balon'ny olona niaina tany amin'ny taonjato voalohany.
3 - Fehiny: resaka tsy mitombina tanteraka io fa entina handrebirebena ny olona malemy saina fotsiny.
Misaotra.
11. lapino ( 28/02/2008 13:04)
Fody:
1 - Zavatra tsy maharesy lahatra anao no apetrakao handravana ny zavatra tena maharesy lahatra tanteraka ny hafa. Donc tsy misy tena ady hevitra hipetraka eto izany.

Mametraka fanontaniana izy. Kanefa tsy afaka ny hipetraka mihitsy ny fanontaniany raha aoriny eo ambonin'iny fikarohana iny.
12. Fody ( 28/02/2008 13:42)
Mametraka fanontaniana izy. Kanefa tsy afaka ny hipetraka mihitsy ny fanontaniany raha aoriny eo ambonin'iny fikarohana iny.

Fanontaniana tsy mari-pototra izany. Azo lazaina fa resaka mandany jiro fotsiny.
13. mmmhh ( 28/02/2008 14:30)
resaka entina hanakorontanana kristianina fotsiny io e!
14. ikaretsaka ( 28/02/2008 14:38)
majesty:

Ary raha averiko amin'i rakapy io fanontaniana io:D


rakapy nga kristianina??:roll:
15. ikaretsaka ( 28/02/2008 14:40)
aza teren-ko masaka ilay izy fa tsara ny mahalala de eo ianao no jerena ny tena finoana na minomino foana na fantatrao tokoa ilay inoanao... alero r6y zalahy hi demontrer de hita eo
le fikariohana az atsy mbola voaporofo fa aleo aloha ho voaporofo de any isika miresaka
16. soanja ( 28/02/2008 14:54)
rakapy:

Hanaraka an'iza ianao ry xana raha toa ka voaporofo ny fahamarinan'ny fikaroahana nataon'i James cameron sy Jackobovici Simcha momba ny taolam-balon'i Jesosy?
Raha toa mantsy ka mitombona ny fikarohany dia midika izany fa tsy niakatra any an-danitra i jesosy araka ny finoan'ny xana.
Mety hiteraka savorovoro be tokoa io raha toa ka voaporofo satria dia ny fakan'ny xnisma mihintsy no voakitika.
(Marihina fa ady hevitra no atao eto fa tsy milaza akory izaho na ny mpikaroka fa efa marina tantereka ny voalaza )



Mety ho marina io ary tsy mampanahy sy tsy manova ny saiko akory satria;
- Ny fahafatesan'i Jesoa Krsity dia natao fanazavana maimaika tao anaty bailboly fa tsy nasiana teny firy. Maika ny handray ilay resaka hoe nitsangana tamin'ny maty foana izay mpitantara ao. Ka zary tsy tena fantatra ny zava-nitranga sy ny nisy. Marina fa nisy ny famonosana sy ny fanasiana emboka manotra sy ny fatondrana azy tao anty fasam-bao saingy ny tena dikan'ilay hoe fahafatesana tamin'i Jesoa mihitsy no tsy mazava. Raha maty Izy dia nanao ahoana? Toy ny maty rehetra ve?

-Amiko dia Jesoa Fanahy no niakatra any an-danitra. Satria raha hiakatra mantsy izy ka handeha dia ho aiza? Planeta aiza? galaxy aiza? Fanahy no miakatra any an-danitra. Betsaka tokoa manko ny fanazavana ao anaty baiboly milaza fa tsy tonga dia fantatry ny nahita azy izy nony nitsangana tamin'ny maty. Na izy niova endrika na karazana avelo no hitany miresaka aminy.


17. Fody ( 28/02/2008 15:05)
Jesoa dia tena Andriamanitra, sy tena Olombelona.

Tena maty tokoa izy fa tsy nanao sinema akory, ary tena nitsangana tamin'ny maty, vatana sy fanahy, ary niakatra any an-danitra. Sa ve nandainga ny evanjelista nilaza an'izany?

Ireo dia tsy ny Testamenta Vaovao ihany no milaza azy fa na dia ny Testamenta Taloha koa aza.

Halalino ny taratasin'i Md Paoly raha misalasala ny amin'izany ianao.

Misaotra
18. rijadolly ( 28/02/2008 16:17)
Hanaraka an'i Jesosy foana ka.
tsy taolambalo akory dia ampy inoako fa ny zava bitany
na niakatra any an-danitra izy na nisy nivarotra ny Taolam-patiny tsy ahoako loatra, fa hoe nanasoa ahy izy dia reconnaissant amin'izay aho. any ny finoako no mi se baser! Ilay hoe misy hery tsy voazavan'ny science ao , any ny ahy no hijerevako azy
Mampmé le izy fa nareo koa dia miady saina amin'izany natao re io raha olona mba anaporofona fa tena nitsangana ny maty marina ilay Inoantsika.Marina tokoa ilay hoe ny zavatra rehetra dia miara-miasa ho an'mino sa ahoana hoy isika rehetra mpino sa mbola misy sahy mandaha izany indray.Aleo hikaroka izay hikaroka ahitany tsara fa tara izy.Ahoana hoy ilay hira izay :"ny satroboninahitrao namakô tano mafy,tano mafy an!ny tombon-dalana azonao havakô be mpandrafy é,be mpandrafy an!
19. rijadolly ( 28/02/2008 17:47)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=ROMANA&toko=8&andininy=28-28&dika=
soanja:
Mety ho marina io ary tsy mampanahy sy tsy manova ny saiko akory satria;
- Ny fahafatesan'i Jesoa Krsity dia natao fanazavana maimaika tao anaty bailboly fa tsy nasiana teny firy. Maika ny handray ilay resaka hoe nitsangana tamin'ny maty foana izay mpitantara ao. Ka zary tsy tena fantatra ny zava-nitranga sy ny nisy. Marina fa nisy ny famonosana sy ny fanasiana emboka manotra sy ny fatondrana azy tao anty fasam-bao saingy ny tena dikan'ilay hoe fahafatesana tamin'i Jesoa mihitsy no tsy mazava. Raha maty Izy dia nanao ahoana? Toy ny maty rehetra ve?
-Amiko dia Jesoa Fanahy no niakatra any an-danitra. Satria raha hiakatra mantsy izy ka handeha dia ho aiza? Planeta aiza? galaxy aiza? Fanahy no miakatra any an-danitra. Betsaka tokoa manko ny fanazavana ao anaty baiboly milaza fa tsy tonga dia fantatry ny nahita azy izy nony nitsangana tamin'ny maty. Na izy niova endrika na karazana avelo no hitany miresaka aminy.
Soanja à!Ny maso anie no nahita dia ny tanana mihitsy no nitsapa é!dia mbola mihevaheva ve ianao hatramin'izao.Ataoko hoe tsy marina loatra aza ny Baiboly(oh wa),dia tsy inoanao zany ireo nijoro ho vavolombelona nahita sy nitsapa ary nahita azy nihinana mihitsy ao anaty Baiboly. http://baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=24&andininy=36-53&dika=
Betsaka tokoa manko ny fanazavana ao anaty baiboly milaza fa tsy tonga dia fantatry ny nahita azy izy nony nitsangana tamin'ny maty. Na izy niova endrika na karazana avelo no hitany miresaka aminy.
na dia mbola tsy novonoina aza izy dia efa niova endrika.
20. rakapy ( 29/02/2008 01:37)
Marina daholo ny valiteninareo. Misy ny tafitohina sahady.Misy koa ireo mba manana ny lojikan'ny fianiana eto an-tany.Fombany ihany izany rehetra izany.
Ny tiako ho marihina dia ny hoe. Tsy misy maharatsy ny mino ary ataoko fa tsy misy maharatsy ny famakafakana ny zavatra hinoana koa.
Marina fa tsy ankatoavin'ny xana sasany ny fomba fikarohana toy izany satria mety hampiova zavatra maro eo @ ilay finoany izay efa niorim-paka 2000 taona mahery.
Nefa hoy aho dia tokony ho fakafakaina tokoa ny fototry ny finoana iray satria zava-dehibe loatra izany hoe hitarika an'izao tontolo izao ho any @ finoana iray izany.
Koa raha sanatry izany ka tsy marina na niorina t@ lainga ny finoana hitarihana an'izao tontolo izao dia ataoko fa tsy rariny kosa angamba izany.
Ny hoe izao sy izao no voasoratra ao anaty baiboly dia mety ho marina ary mety ho diso koa satria teny nampitaina izy io no nosoratana ho boky ary betsaka aza ny zavatra tsy voasoratra ao.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.105