Ry Kristianina! Hanaraka an'iza ianao raha toa...

21. Veloo ( 29/02/2008 01:41)
majesty [ Valio ] 28-02-2008 08:04:57
Lohateny : Re : Ry Kristianina! Hanaraka an'iza ianao raha toa...
Ary raha averiko amin'i rakapy io fanontaniana io

Hey hey hey tsy ita intsony ela?:wink:
22. lapino ( 29/02/2008 10:09)
rakapy, ilay izy ange izao e :
- ny siansa tsy manohitra ny finoana
- ny finoana tsy manohitra ny siansa
Fa : [b]Siansa
23. prime ( 29/02/2008 11:03)
rakapy> "raha sanatria" tokoa dia "tsy rariny" tokoa araka ny ambaranao... saingy raha lany andro amin'ny "raha" ianao amin'ny fiainana dia lany andro ihany amin'ny tsy misy dikany satria zavatra tsy misy...

Izay tena nisy aloha andaniana fotoana... dia minoa izay voambara...

Ny tena asam-pikarohana tsy manaporofo ny tsy fahamarinana fa ny fahamarinana... ka rehefa tsy voaporofo aloha dia naman'ny tsy misy sy tsy marina ka tsy mila andaniana andro...

soanja> :roll:
24. Fody ( 29/02/2008 14:33)

lapino:
"Mère porteuse" fotsiny i Maria.

I Maria kosa aloha dia tsy mère porteuse fotsiny araka ny lazainao, fa tena Reniny izy, ary izay no ilazana fa Tena Olombelona i Jesoa, ary Tena Andriamanitra koa.

25. rijadolly ( 29/02/2008 15:38)
Rakapy:
Hanaraka an'iza ianao ry xana raha toa ka voaporofo ny fahamarinan'ny fikaroahana nataon'i James cameron sy Jackobovici Simcha momba ny taolam-balon'i Jesosy?
Raha toa mantsy ka mitombona ny fikarohany dia midika izany fa tsy niakatra any an-danitra i jesosy araka ny finoan'ny xana.
Mety hiteraka savorovoro be tokoa io raha toa ka voaporofo satria dia ny fakan'ny xnisma mihintsy no voakitika.
(Marihina fa ady hevitra no atao eto fa tsy milaza akory izaho na ny mpikaroka fa efa marina tantereka ny voalaza )
rijadolly:
Mampmé le izy fa nareo koa dia miady saina amin'izany natao re io raha olona mba anaporofona fa tena nitsangana ny maty marina ilay Inoantsika.Marina tokoa ilay hoe ny zavatra rehetra dia miara-miasa ho an'mino sa ahoana hoy isika rehetra mpino sa mbola misy sahy mandaha izany indray.Aleo hikaroka izay hikaroka ahitany tsara fa tara izy.Ahoana hoy ilay hira izay :"ny satroboninahitrao namakô tano mafy,tano mafy an!ny tombon-dalana azonao havakô be mpandrafy é,be mpandrafy an! http://baiboly.org/toko.asp?boky=ROMANA&toko=8&andininy=28-28&dika=
Inoako io voalazako io fa izay ny valiny ilay fikarohana
Majesty:
Ary raha averiko amin'i rakapy io fanontaniana io:D
anao ny sehatra fa vonona handray anao ny Tompo dia Ilay Zanakondryn'Andriamanitra,raha mbola misy ny fotoana hafahanao miheritreritra,tombony ho anao izany noho ny fitiavaNy anao.Mino aho fa hanaiky hiara-dalana amin'Jesoa Kristy dia ilay Mpamonjy izao Tontolo izao rakapy raha manamarina ny fahadisoan'fikarohany ireo Mpikaroka ireo.^:^^:^^:^
26. rijadolly ( 29/02/2008 16:00)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=IJAONA&toko=4&andininy=1-1&dika=
27. soanja ( 29/02/2008 16:30)
Ho anareo izay tia mandalina ny baiboly mazava ho azy moa fa zaho ao anatiny dia diniho ary ivereno vakiana tsara ny mbola ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty.

Ny hany azoko ambara sy azoko raha namaky tsara aho nefa mety ho tsy hitako ny teny sasany dia ireto roa ireto no nilazana fa nitsangana tamin'i maty Izy.

-Foana ny fasana
-Niseho tamin'ny Mpianany Izy ary niara nisakafo tamin'ireo aza.

Tsy misy ankoatran'io manambara miohatra.

Tsy ampy anefa io raha ho an'ny olona tia mala porofo sy mandalina koa ny siansa sy ny fiainana.

Raha nohazavain'i baiboly amin'ny antsakany sy andavany ny fomba niantombohan'ny fikotrehana ny hamonoana azy sy ny fijaliana niainany tamin'izany famonoana izany ary ny nahafatesany teo ambony hazo fijaliana dia tsy nisy kosa na ny pitiny filazana tao anaty baiboly fa nifoha teo amin'ny fasam-bato natoriany izy ary niala na nesoriny ny lambam-paty na tady namonosana azy, nisokatra ny varavaram-bato na natosiny ary iny izy fa niainga ary niseho tamin'ny olombelona hafa. Raha io no vosoratra antsakany sy andavany dia hino aho fa vatana maty izy no nifoha ary nitsangana tamin'ny maty.

Ianareo ve mbola tsy naheno fa betsaka no mino fa tsy maty i Piera Be fa mbola velona any ary mino ny fisehoany ny mpanaraka azy indraindray. Ianareo ve mbola tsy naheno fa mbola manantena an'i Bob Marley sy ry Elvis Presley ary ry Bob Dylan sy ny hafa idols sady legend ny mpitia azy??? Afaka manomana sy mino izany ny saintsika rehefa vonona isika hino fa izay no izy.

Koa amiko sady siantista no Mpino dia hilaza fa afaka nitsangana tamin'i maty tokoa i Jesoa saingy tsy ilay vatana ilay maty no nitsangana fa ny fanahiny izay mbola tena te hiresaka sy hifanerasera tamin'ny Mpianany.

Diniho tsara ny baiboly fa raha niresaka tamin'i Maria Magdalena namany tiany izy sady mpianany dia tsy nahalala azy i Maria raha tsy efa voatonona ny anarany. Torak'izay koa ireo mpianany niara-dalana taminy teny an-dalana ka nanontaniany hoe inona no atahoranareo sy resahinareo. Ary ireto farany ireto nilaza ny tsy fanjavonan'ny faty tao ampasana sy ny fitsanganan'i JESOA. Tsy nahalala ireto farany ireto raha tsy efa nizara ny mofo na break the bread Izy hoe I Jesoa ity manoloana azy. Izy moa tamin'izay nanjavona. Ny vatana ve mety manjavona?? Diniho fa isaky ny miteny ny fiarahany teo amin'ny Mpianany dia milaza ny baiboly hoe niseho.

Maninona ny Mpianany no matahotra isaky ny mahita azt? satria tsy mitovy tamin'ny fahitany ilay vatana taloha ny hitany ary io no nahatonga an'i Jesoa nilaza fa tsy angatra izy ka tsy misy ataoharana. Izay marina tsy angatra mampatahotra akory I JESOA tamin'io fihaonana io fa I Jesoa ihany saingy Fanahy.

Tadidinareo, tsy navelany nikasika azy i Maria raha nisehoany satria nahoana vatana hafa izy fa tsy ilay teo aloha.

Averiko indray fa afaka nampiana sy nanalana ny baiboly rehefa nampifandraisina ary tiana hatoro ny olona. Samy nanao zay hitany fa mety hanaparitahana ny Xtianisma. Tsy mampaninona akory izany.

Tsy ny fahitan'ireto taolam-paty no hialana amin'ny finoana an'i Kristy satria I Jesoa teny velona ary Fanahy Masina miaina ao amintsika no zava-dehibe. Izy no loharan'aina ary Izy no Mpamonjy. Ka na maty Izy na mbola velona any. Manjaka ny finoana. Saingy tsy voafetran'ny baiboly ny fikatsahana an'Andriamanitra. Olombelona toa antsika ireo nanoratra ireo ary indraindray ilatsahan'ny Fanahy Masina. Afaka mandray ny Fanahy Masina koa isika ary afaka manoratra mitady mikaraoka ary indrindra manatsara ny fiainana Xtianina mifandraika amin'ny zavamisy ankehitriny.

"Voizo ny lakantsika fa ny rano manonja saingy ny toerana aleha efa fantatra. Raha matanjaka ny sandry mamoy ary ampy ny hery rehetra ifandraisan'ny samy mpandeha lakana, mitovy ny tanjona dia zava-poana ny halalin'ny rano sy ny onja mahery satria Zanahary antampon-doha mahalala ny zavaboariny." Soanja
28. Fody ( 29/02/2008 16:59)

Soanja:
Averiko fa nitsangana Fanahy amam-batana i Jesoa. Tsy fitompoana teny fatratra izany fa maro ny teny manambara izany ao anaty Baiboly.

1 - Raha raisintsika ohatra izay voalazanao:
"Foana ny fasana": raha foana ve ny fasana mbola mety hisy vatan'olona ao? Ny hoe foana, na siantista na tsia no miteny an'izany, ny dikany dia hoe: tsy misy.

"Niseho tamin'ny mpianany izy, niara-nisakafo tamin'izy ireo": Raha Fanahy fotsiny ve mbola afaka hisakafo?
Mbola misy tohiny ao hoe: "tsapaho fa izaho ity". Ny Fanahy ve manam-batana, manan-taolana?

2 - Ny Fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty dia efa nambarany mialoha tamin'ny mpianany, donk tsy ireo voalazanao ireo ihany izany no milaza io fitsanganan-ko velona io.

3 - Raha nanangana olona tamin'ny maty i Jesoa moa tsy natsangany vatana amam-panahy ve ireny olona ireny? (ohatra: lazara)
Ka ahoana no rehefa izy no mitsanagana no lazainao fa Fanahy fotsiny?

Halalino ihany àry ny Baiboly!

Misaotra.
29. soanja ( 29/02/2008 17:51)
Fody:

Fody> Raha foana ny fasana dia betsaka ny zavatra nety nitranga

-Mety nisy naka tao ny fatiny ka nony tonga namangy dia tsy hita tao ary foana ny fasana.
-Mety tao ihany ny fatiny fa izay nahita afaka niteny fa foana ny fasana. Vitan'olombelona izany.

Ny hoe niara-nisakafo sns dia afak hiteny aho fa nandalo namangy anay teo I Maria satria henoko ny fofonan-draozy manitra tamin'ny nandalovany ary sitrana izay marary tao.

Ny tiako tenenina dia afaka mihevitra isika fa nitsanga tamin'ny maty izy satria izay no nolazainy. Afaka mifanaraka ny Mpianany hilaza fa nitsangan-kovelona izy toy ny lolovokatra isan-karazany resahan'ny foko hafa izay betsaka ny tsy hinoantsika. Ireo lolovokatra ireo lazaiko anao fa betsaka no misakafo sy matory ary manao ny fanaon'olombelona hoy ny mpino ny fisiany.

Tsy voatery koa anefa ho an'ny olona izay mahatsapa fa tsy lafatra ny baiboly ny hino fa nitsangana tokoa izy amin'ny fahafatesany ny toy zombie.

Raha nitsangana tamin'ny maty ary i Lazare dia maty fanindroany ve? Aiza ny tohin'io azafady ao anaty baiboly?

Ndao raisintsika i Masina Maria, nampakarina izy hoy isika Katolika, aiza ny fivoakan'io ao anaty baiboly. Non, tsy de mila an'izany akory aho anaty baiboly nefa dia afaka mino fa Masina i Maria.

Raha tsy nisy anie ny reaka fijerevana ny taolam-patin'i Jesoa dia tsy nisy ity resaka ity e!Hevitra no ampiadiana ary tsy voatery izay lazaiko ka marina saingy kosa afaka jerena akaiky ny fivoakan'ny zava-drehetra satria nomena ny saina isika handinika.

Amiko ny finoana fa velona izy na novonoina aza dia ampy ho ahy. Tsy voatery hanaraka ny tantaran'i baiboly aho vao hino. Satria nahoana mahatsapa sy mandaitra eo amin'ny fiainako ny fisiany.

30. rakapy ( 29/02/2008 19:09)
Ka na vao eto @ serasera fotsiny aza dia efa hita ny tsy fitovian-kevitry ny samy xana ny momba an'i Jesosy zanaky Maria( Mere porteuse fotsiny sns..). Midika izany fa tsy mazava ny baiboly ka mila porofona @ fikarohana.

31. pissoa ( 29/02/2008 19:22)
:-D:-D:-D

ka ny mpahay siansa koa anie mitovy amin'ny Kristianina ihany raha izay hoe tsy fitovian-kevitra izay no resahina e. Ka sao tokony hoporofoina amin'ny finoana (hi hi - teniteny foana be izany, lol )... Ny tsy hitoviany angamba dia ny siantifika mahazo vola rehefa manao publications, ny mpanao film koa mahazo vola be rehefa be mpividy ny film vokariny ... ary ohatry ny mora malaza izay ihany film rehefa resaka jesosy jesosy ! Izany hoe ny fikarohana hisy foana fa vola io, saina koa sns ; fa ny fahamarinan'ny valim-pikarohana ve haharitra ? Vao eto amin'ny serasera koa aza no jerena dia efa maromaro sahady ny hevitra manohitra izany !

32. fijo ( 29/02/2008 21:47)
nahoana no avy dia disoana i rakapy raha mametreka fanontaniana toa ity?????fanontaniana io.sahala amin'ny hoe taloha naratsiana i jodasy,de ita izao ny evanjiliny de mety isy hiova ny fisainan'ny mpino.

de voalza koa fa niakatra any an danitra lery,"ka" raha tena hita ny taolany"io aloha sarotra ny hanaporofoana azy"fa raha toa ka marina fa taolany io dia diso ve izy raha hanontany anareo?????

raha ny resaka hoe niakatra ay an danitra izy,ny fanazavan'i soanja ngamba no azo ekena fa tsy hoe "tena niakatra",niakatra nankaiza???ny tany boribory
33. rakapy ( 29/02/2008 23:11)
Izao vanim-potona izao dia toy ilay vanim-potoana fahiny mbola tsy nahavita boussole ny olombelona.
Nisy maro no nitompo teny fantratra fa fisaka ny tany,nisy ny niteny fa lavalava,boribory sns...
Nohon'ny ezaka sy fikarohana izay nataon'ny siantista anefa dia voa porofo mazava ary tsy iadian-kevitra intsony fa boribory ny tany.
Mitovy @ izany koa ny fikarohana momba ny finoana.Tsy hoe hipetraka dia hiino fotsiny fa hoe maty i Jesosy dia lasa any an-danitra niaraka @ akanjony!!!dia voasoratra ao anaty baiboly ny tanatara....
I jesosy dia zanak'A/tra ..... Izany rehetra izany dia mila porofo ny fahamarinany satria mantsy ny olombelona dia maro ny mandainga na mamorona tantara na manova tantara na mandika vilana .
34. rakapy ( 29/02/2008 23:34)
Fijo> Ny fanadisoana ataon'ny xana raha vao tsy mitovy fihevitra aminy io indray letsy dia efa tranga classic mpiseho.:-D:-D:-D
35. Fody ( 01/03/2008 09:59)
Soanja:
Fody> Raha foana ny fasana dia betsaka ny zavatra nety nitranga

- Mety nisy naka tao ny fatiny ka nony tonga namangy dia tsy hita tao ary foana ny fasana.
-Mety tao ihany ny fatiny fa izay nahita afaka niteny fa foana ny fasana. Vitan'olombelona izany.

Raha izao zavatra lazainao izao no jerena dia any amin'ny fototra mihitsy no voa, satria:
1 - Tsy mino izay voalazan'ny vavolombelona nahita maso ianao.
Ho ahy kosa dia izao: Joany 19,35 Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.

2 - Ny lainga nafafy tato afara no raisinao ho marina, satria angamba iny no mifanaraka amin'ny lojikanao (izay olombelona ihany). Nefa ve ny fiheveran'Andriamanitra mitovy amin'ny an'ny olombelona? Moa voafehin'ny lojikan'olombelona ve i Kristy, ary mety ho azon'ny saina heverina ve ny zava-bitany?

Ny hoe niara-nisakafo sns dia afak hiteny aho fa nandalo namangy anay teo I Maria satria henoko ny fofonan-draozy manitra tamin'ny nandalovany ary sitrana izay marary tao.

???
Ivereno vakina ny Baibolinao.
Ny tiako tenenina dia afaka mihevitra isika fa nitsanga tamin'ny maty izy satria izay no nolazainy.

Ka raha izay no nolazainy, moa nandainga ve izy?
Raha nandainga izy dia tsy azo lazaina hoe: Andriamanitra. Amiko sy amin'ny Kristiana maro anefa dia Andriamanitra izy, noho izany tsy mahay mandainga.
Afaka mifanaraka ny Mpianany hilaza fa nitsangan-kovelona izy toy ny lolovokatra isan-karazany resahan'ny foko hafa izay betsaka ny tsy hinoantsika. Ireo lolovokatra ireo lazaiko anao fa betsaka no misakafo sy matory ary manao ny fanaon'olombelona hoy ny mpino ny fisiany.

Misy ny lolovokatra ary amin'iny faritr'i Betsileo iny no misy azy. Raha tantara fotsiny no henao momba an'io, izaho kosa efa mba nahita ihany. Mihinana tokoa izy saingy izay harapany dia miraraka amin'ny tany.
Ny lolovokatra dia toy ny matotoa. Dia vakio ny Baibolinao fa nilaza mazava i Kristy ao hoe: Tsy matotoa aho, satria ny matotoa dia tsy manana nofo aman-taolana.
Tsy voatery koa anefa ho an'ny olona izay mahatsapa fa tsy lafatra ny baiboly ny hino fa nitsangana tokoa izy amin'ny fahafatesany
.
Tsy lafatra ny Baiboly nefa tsoriko fa ny Baiboly no documents voalohany eo am-pelan-tanan'ny Kristiana hilazana ny fitsanganan'i Kristy. Tenin'ny vavolombelona nahita maso maro no hitanao ao, ka raha izay no tsy inoanao dia hafahafa ihany.
Raha nitsangana tamin'ny maty ary i Lazare dia maty fanindroany ve? Aiza ny tohin'io azafady ao anaty baiboly?

Ka maty ve Lazara no natsangan'i Jesoa sa tsia? Mba valio azafady!
Ndao raisintsika i Masina Maria, nampakarina izy hoy isika Katolika, aiza ny fivoakan'io ao anaty baiboly. Non, tsy de mila an'izany akory aho anaty baiboly nefa dia afaka mino fa Masina i Maria.

Ny zavatra tsy fantatrao angamba dia ny hoe: boky maro no nanaovana fanivanana mba hahazoana ireo boky narafitra ao anaty Baiboly. Nisy Boky tokoa nilaza betsaka momba an'i Masina Maria saingy tsy natao ho isan'ireo boky natao ao amin'ny Baiboly.
Raha tsy nisy anie ny reaka fijerevana ny taolam-patin'i Jesoa dia tsy nisy ity resaka ity e!Hevitra no ampiadiana ary tsy voatery izay lazaiko ka marina saingy kosa afaka jerena akaiky ny fivoakan'ny zava-drehetra satria nomena ny saina isika handinika.

Afaka mikaroka tokoa ny saina. Nefa aza adino fa misy ny zavatra tsy ho hain'ny saina hazavaina mihitsy. Ary misy ny Marina Tsy miova, ary tsy azo ovaina. Ohatra amin'izany ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty, ny fahatongavany ho nofo, izay tsy eken'ny mpahay siansa sy izay miantehitra amin'ny lojikan'olombelona fotsiny.
Amiko ny finoana fa velona izy na novonoina aza dia ampy ho ahy. Tsy voatery hanaraka ny tantaran'i baiboly aho vao hino. Satria nahoana mahatsapa sy mandaitra eo amin'ny fiainako ny fisiany.

Efa zava-dehibe izay aloha. Nefa tsy ampy ny mihonana amin'ny fahaizan'ny saina sy ny fahatsapana, satria efa nomena fanahy afaka hahalala koa isika.

fijo:
nahoana no avy dia disoana i rakapy raha mametreka fanontaniana toa ity?????fanontaniana io.sahala amin'ny hoe taloha naratsiana i jodasy,de ita izao ny evanjiliny de mety isy hiova ny fisainan'ny mpino.

1 - Mba te hanontany an-drafijo aho hoe: iza no nanoratra an'io Evanjelin'i Jodasy io? Tamin'ny taona firy (na taonjato fahafiry) no nanoratany azy? Inona no zava-nisy tamin'ny vanim-potoana nanoratana azy io?
Valio ireo fanontaniana ireo, izay vao miady hevitra aminao momba an'io aho, raha tsy izany dia resaka mandany jiro fotsiny

2 - Jereo fa na ianao aza dia efa mitsipaka sahady izay lazainy ka ahoana no disoana ny hafa raha manadiso azy?

Misaotra

36. soanja ( 01/03/2008 15:44)
Fody:

Soanja:
Fody> Raha foana ny fasana dia betsaka ny zavatra nety nitranga

- Mety nisy naka tao ny fatiny ka nony tonga namangy dia tsy hita tao ary foana ny fasana.
-Mety tao ihany ny fatiny fa izay nahita afaka niteny fa foana ny fasana. Vitan\'olombelona izany.

Raha izao zavatra lazainao izao no jerena dia any amin\'ny fototra mihitsy no voa, satria:
1 - Tsy mino izay voalazan\'ny vavolombelona nahita maso ianao.
Ho ahy kosa dia izao: Joany 19,35 Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.

2 - Ny lainga nafafy tato afara no raisinao ho marina, satria angamba iny no mifanaraka amin\'ny lojikanao (izay olombelona ihany). Nefa ve ny fiheveran\'Andriamanitra mitovy amin\'ny an\'ny olombelona? Moa voafehin\'ny lojikan\'olombelona ve i Kristy, ary mety ho azon\'ny saina heverina ve ny zava-bitany?

Ny hoe niara-nisakafo sns dia afak hiteny aho fa nandalo namangy anay teo I Maria satria henoko ny fofonan-draozy manitra tamin\'ny nandalovany ary sitrana izay marary tao.

???
Ivereno vakina ny Baibolinao.
Ny tiako tenenina dia afaka mihevitra isika fa nitsanga tamin\'ny maty izy satria izay no nolazainy.

Ka raha izay no nolazainy, moa nandainga ve izy?
Raha nandainga izy dia tsy azo lazaina hoe: Andriamanitra. Amiko sy amin\'ny Kristiana maro anefa dia Andriamanitra izy, noho izany tsy mahay mandainga.
Afaka mifanaraka ny Mpianany hilaza fa nitsangan-kovelona izy toy ny lolovokatra isan-karazany resahan\'ny foko hafa izay betsaka ny tsy hinoantsika. Ireo lolovokatra ireo lazaiko anao fa betsaka no misakafo sy matory ary manao ny fanaon\'olombelona hoy ny mpino ny fisiany.

Misy ny lolovokatra ary amin\'iny faritr\'i Betsileo iny no misy azy. Raha tantara fotsiny no henao momba an\'io, izaho kosa efa mba nahita ihany. Mihinana tokoa izy saingy izay harapany dia miraraka amin\'ny tany.
Ny lolovokatra dia toy ny matotoa. Dia vakio ny Baibolinao fa nilaza mazava i Kristy ao hoe: Tsy matotoa aho, satria ny matotoa dia tsy manana nofo aman-taolana.
Tsy voatery koa anefa ho an\'ny olona izay mahatsapa fa tsy lafatra ny baiboly ny hino fa nitsangana tokoa izy amin\'ny fahafatesany
.
Tsy lafatra ny Baiboly nefa tsoriko fa ny Baiboly no documents voalohany eo am-pelan-tanan\'ny Kristiana hilazana ny fitsanganan\'i Kristy. Tenin\'ny vavolombelona nahita maso maro no hitanao ao, ka raha izay no tsy inoanao dia hafahafa ihany.
Raha nitsangana tamin\'ny maty ary i Lazare dia maty fanindroany ve? Aiza ny tohin\'io azafady ao anaty baiboly?

Ka maty ve Lazara no natsangan\'i Jesoa sa tsia? Mba valio azafady!
Ndao raisintsika i Masina Maria, nampakarina izy hoy isika Katolika, aiza ny fivoakan\'io ao anaty baiboly. Non, tsy de mila an\'izany akory aho anaty baiboly nefa dia afaka mino fa Masina i Maria.

Ny zavatra tsy fantatrao angamba dia ny hoe: boky maro no nanaovana fanivanana mba hahazoana ireo boky narafitra ao anaty Baiboly. Nisy Boky tokoa nilaza betsaka momba an\'i Masina Maria saingy tsy natao ho isan\'ireo boky natao ao amin\'ny Baiboly.
Raha tsy nisy anie ny reaka fijerevana ny taolam-patin\'i Jesoa dia tsy nisy ity resaka ity e!Hevitra no ampiadiana ary tsy voatery izay lazaiko ka marina saingy kosa afaka jerena akaiky ny fivoakan\'ny zava-drehetra satria nomena ny saina isika handinika.

Afaka mikaroka tokoa ny saina. Nefa aza adino fa misy ny zavatra tsy ho hain\'ny saina hazavaina mihitsy. Ary misy ny Marina Tsy miova, ary tsy azo ovaina. Ohatra amin\'izany ny fitsanganan\'i Jesoa tamin\'ny maty, ny fahatongavany ho nofo, izay tsy eken\'ny mpahay siansa sy izay miantehitra amin\'ny lojikan\'olombelona fotsiny.
Amiko ny finoana fa velona izy na novonoina aza dia ampy ho ahy. Tsy voatery hanaraka ny tantaran\'i baiboly aho vao hino. Satria nahoana mahatsapa sy mandaitra eo amin\'ny fiainako ny fisiany.

Efa zava-dehibe izay aloha. Nefa tsy ampy ny mihonana amin\'ny fahaizan\'ny saina sy ny fahatsapana, satria efa nomena fanahy afaka hahalala koa isika.

fijo:
nahoana no avy dia disoana i rakapy raha mametreka fanontaniana toa ity?????fanontaniana io.sahala amin\'ny hoe taloha naratsiana i jodasy,de ita izao ny evanjiliny de mety isy hiova ny fisainan\'ny mpino.

1 - Mba te hanontany an-drafijo aho hoe: iza no nanoratra an\'io Evanjelin\'i Jodasy io? Tamin\'ny taona firy (na taonjato fahafiry) no nanoratany azy? Inona no zava-nisy tamin\'ny vanim-potoana nanoratana azy io?
Valio ireo fanontaniana ireo, izay vao miady hevitra aminao momba an\'io aho, raha tsy izany dia resaka mandany jiro fotsiny

2 - Jereo fa na ianao aza dia efa mitsipaka sahady izay lazainy ka ahoana no disoana ny hafa raha manadiso azy?

Misaotra

Misaotra anao nanazava ry Fody. Raha miakatra ny tosi-dranao dia aza hadino misotro rano fa olombelona ihany ianao. :-D

Saingy marina tokoa ny ahiahinao fa ny fototra iaingako mihitsy no voa raha ny resaka Xtianina no resahina. Satria nahoana?

Raha i Jesoa no nanoratra ny baiboly dia nitombina ny saiko ary nazava be ny handraisako ny teny ao anatiny. Saingy indrisy tsy izy no nanoratra fa efa olona be dia be taty afara. Ireo izay lazainao fa nahita anie ka nizarazara hevitra tokoa e! Ary ny soratra nisoratan\'izy avy dia nifanipaka sy nifanaratsy tokoa aza indraindray. Tsy taratrao ao anaty baiboly ve izany? Ka aiza no hakako fitoniana fa izay voalaza dia marina aby!

Nandalina ny baiboly ianao ary tokony hahalala koa ny tantara nolalovan\'ireo soratra na boky io miaraka amin\'ny kolontsaina nisy tamin\'izany. Isika samy mahalala fa 12 no isan\'ny Apostoly firy ihany anefa ny asa soratry ny Apostoly misy ao. Amiko politika toy ny politika rehetra ny teny voasoratra ao satria misy tanjona hoe halalana an\'Andriamanitra fa saingy koa ao koa ny tanjona handemena sy hanazimbazimbana ny hafa.

Tsoriko fa raha mandalina ny baiboly aho dia ny hijereko ny tena foto-kevitry ny mpanoratra azy toy ny foto-kevitry ry Locke sy ry filozofy hafa. Azoko ahitana taratra ny fahendrena sy ny momba an\'Andriamniatra ny baiboly saingy ahitako izany koa ny boky hafa isan-karazany, izay tena mamaly fitiavana tokoa ny hetahetan\'ny saiko.

Ny teny marina aza anie ny fifandraisana amin\'ny samy olombelona sy ny natiora no tena ahitana ny fahendrena sy fahamarinana e!

Koa raha hitompo teny fatratra ianao fa tsy misy hadisoana ny mpandika ny soratra tao anaty baiboly sy ny hevitra entiny ary mety ny lainga nafafiny dia aoka ho anao tokoa izany. Fa azoko omena eto ny mahalesoka ny ao anaty baiboly.

Io boky baiboly io no nahitako fizarazarana betsaka indrindra teo amin\'ny Mpino sy mpanaraka azy. Io boky io no nahafantarako fa tsy mitombina ilay Andriamanitra resahina ao fa mipatitaka matetika ary tsy tena manana ny mahaAndriamanitra azy. Miovaova toy ny olombelona koa. Ny zavatra miovaova dia tsy mitombina ary ny zavatra tsy mitombina amiko midika Fahatesana.

Ny fanahiko anefa dia tiako haharitra mandrakizay. Mitady fahatoniana ary filaminana. Tsy io Andriamanitra voalaza ao io mihitsy ilay Andriamanitra Ray tsy toha sy Mpampihavana ary mpankahery. Mifanohitra aza ny omen\'io boky io azy: tezi-dava, diso fanantenana lava ary mpanafay lava. Nefa dia ireo olon-tiany no anaovany izany. Tsy lojika izany.

Tsy Andriamanitra anefa no omeko tsiny fa ny fahalemena nanana\'ireo nanoratra azy. Izay mitovy amiko samy olombelona avokoa ary nanana ny nanahirana azy tamin\'izany.

Ie olombeona aho ary fenitra ho ahy ny hahatsapa ny tsapan\'ny vatako, ny saiko ary ny fanahiko.
Io no fanomezana tsara indrindra nomen\'Andriamanitra ahy koa ilana ny fampiasana azy. Tsy mpandray vonona aho ary tsy hovokisana lainga tsara lahatra izay nolovan;ny taranaka maro tany aloha ka nahitako fahadisoana be dia be satria be ny maty ary be ny niaina ny tsy fidiny.

Raisoko ny adidy hijery ny zavabaovao ahitana ny tena fahamarinana amin\'izao fotoana hafa fa tsy tamin\'ny andron\'i Jody sy ny Romana ary ny hafa izao.

Efa lasan-korazana ireny. Isika mbola miaina sy velona ary mahalala ny fisian\'ny siansa.

Ampifandraiso ireo fa matoa ireo misy dia izay no amintsika. Afaka mifangaro ireo ary afaka mifandipatra. Lalam-piainana izany ary saingy tsy natao hitompoana teny fatratra avy hoe io no izy. Na Andriamanitra aza anie ao anaty baiboly rehefa anontaniani Moizy dia hoy izy hoe :

\" Ehyeh asher ehyeh\" Na \" Izaho no Izaho\" Raha adika Malagasy tsotsotra.

Ahoana ny fahitanao an\'io valinteny io. Tsy midika ve io hoe inona no iraharahanao izany fa Izaho dia izaho!

Tsy hain\'ny mpanoratra na ny mpampita hafatra mihitsy tamin\'izany ny nandika ny hafatra ho azon\'ny be sy ny maro ka tsy hampisarantsaraka.

KA ZARY ETO ISIKA IZAO MANDANY ANDRO MIDECODE NY TIANY AMPITAINA IZAY FENO FANDRIKA SY FITAKA ARY FANDEMENA SATRIA NY TENAN\'NY MPANORATRA TAMIN\'IZANY DIA TENA CONFUSED- MIPATITAKA TOKOA NOHO NY ZAVAMISY TAO AN-TANANA.

Krsitianina aho satria mahalala ny fisian\'i Kristy eo amin\'ny fiainana! Tsy voatery mandray kominio vao handray ny vatany. Tsy voatery hiditra ao ampiangona ka hanaraka izao lalan\'ny fiangonana rehetra izao vao ahita ny fahazavana.
Tsy Krsitianina koa anefa aho raha toa ka ny baiboly no hilazana ny mahaXtiaina ny Xtianina. Tsy maninona izay handraisan\'ny tsirairay azy. Amiko misy lesoka io boky io ary ny fandalinana ataoko dia tsy mijanona irery amin\'io boky io fa mitatra any amin\'ny hafa mba ahitana ny tena fahamarinana.

i Jesoa dia efa maty ary efa lasana. Ny fanahy Masina entiny no ataovy izay hahazahoana azy amiko raha vitanao mpino izany.

Ny fanahy masina dia midina ao amintsika rehefa vonona isika handray azy ka mahatsapa Andriamanitra fa mendrika izany isika. Ny fanahin\'olombelona dia efa ela no nitady ny fisian\'ny Krsity. Tsy mbola nisy akory izay baiboly. Efa nikatsaka azy avokoa ny firenen-drehetra ary isan\'izany ny razantsika izay nametraka ny fiainany andavanandro aompany tamin\'\'ny fanarahana ny fady sy ny hafa sesehena mba hadio ny momba azy.

Fifankatiavana sy fihavanana ary firaisan-kina no herin\'ireo razantsika ireo! Aiza ianao ahita fahendrena toy izany! Lafatra io raha samy fahendrena amiko.

Koa tohizo izay hinoanareo fa tsara. Ny asa ifandraisantsika samy olombelona kosa no endrika isehon\'ilay famirapiratana ao anaty. Satria io ilay fanahy mampiseho an\'Andriamanitra eo anivontsika!

37. Fody ( 01/03/2008 16:23)
Misaotra anao nanazava ry Fody. Raha miakatra ny tosi-dranao dia aza hadino misotro rano fa olombelona ihany ianao
.
Sao mba ny anao no miakatra fa tsy mahazaka ny marina? Maninona raha izay fanontaniana napetraka no novaliana, na izay hevitra voalaza no notoherina raha diso?

Lazainao fa mifanipaka be ihany ny ao anaty Baiboly, sao ianao mamaky azy no mampifanipaka azy?
" Ehyeh asher ehyeh" Na " Izaho no Izaho" Raha adika Malagasy tsotsotra.

Dikan-teny diso io fa tsy dikan-teny tsotsotra araka ny filazanao azy. Vakio tsara izay voalazany aloha sy afara an'io. Ary raha mahay teny Ebrio ianao vao maika tsara.
Ny dikan-teny grika (LXX) koa dia nanao hadisoana raha nandika azy hoe: "Ho òn" (l'étant).
Raha mandinika ianao dia hahita fa ny zavatra tiana hampitaina dia hoe: "Izaho ilay miaraka amin'ny olona" (Celui qui est avec). Misy anaran'olona maro voatanisa ao, dia vakio dia raiso araka izay nanoratana azy aloha, izay vao manao kritika.
Tsy izay voasoratra no tsy mazava, fa ilay mandray azy no diso fandraisana.

KA ZARY ETO ISIKA IZAO MANDANY ANDRO MIDECODE NY TIANY AMPITAINA IZAY FENO FANDRIKA SY FITAKA ARY FANDEMENA SATRIA NY TENAN'NY MPANORATRA TAMIN'IZANY DIA TENA CONFUSED- MIPATITAKA TOKOA NOHO NY ZAVAMISY TAO AN-TANANA.

Mba tanisao sy lazao hoe izay fandrika sy fitaka ao, ary fandemena!

Fifankatiavana sy fihavanana ary firaisan-kina no herin'ireo razantsika ireo! Aiza ianao ahita fahendrena toy izany! Lafatra io raha samy fahendrena amiko.

Tsara ny fahendrena malagasy, saingy diso kosa ny filazanao hoe: lafatra izy. Na ianao ihany aza dia efa mahita fa misy ny soatoavina manimba amin'ny fahendrena malagasy.
Na ny Fihavanana aza dia tsy azo lazaina hoe lafatra. Nandalina ny fomba malagasy aho ary sahy milaza an'izany.

Misaotra anao!

38. ikaretsaka ( 01/03/2008 16:27)
tsisy zavatra lafatra izany e
39. soanja ( 01/03/2008 16:58)
Fody:

Soanja:
Fody> Raha foana ny fasana dia betsaka ny zavatra nety nitranga

- Mety nisy naka tao ny fatiny ka nony tonga namangy dia tsy hita tao ary foana ny fasana.
-Mety tao ihany ny fatiny fa izay nahita afaka niteny fa foana ny fasana. Vitan'olombelona izany.

Raha izao zavatra lazainao izao no jerena dia any amin'ny fototra mihitsy no voa, satria:
1 - Tsy mino izay voalazan'ny vavolombelona nahita maso ianao.
Ho ahy kosa dia izao: Joany 19,35 Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.

2 - Ny lainga nafafy tato afara no raisinao ho marina, satria angamba iny no mifanaraka amin'ny lojikanao (izay olombelona ihany). Nefa ve ny fiheveran'Andriamanitra mitovy amin'ny an'ny olombelona? Moa voafehin'ny lojikan'olombelona ve i Kristy, ary mety ho azon'ny saina heverina ve ny zava-bitany?

Ny hoe niara-nisakafo sns dia afak hiteny aho fa nandalo namangy anay teo I Maria satria henoko ny fofonan-draozy manitra tamin'ny nandalovany ary sitrana izay marary tao.

???
Ivereno vakina ny Baibolinao.
Ny tiako tenenina dia afaka mihevitra isika fa nitsanga tamin'ny maty izy satria izay no nolazainy.

Ka raha izay no nolazainy, moa nandainga ve izy?
Raha nandainga izy dia tsy azo lazaina hoe: Andriamanitra. Amiko sy amin'ny Kristiana maro anefa dia Andriamanitra izy, noho izany tsy mahay mandainga.
Afaka mifanaraka ny Mpianany hilaza fa nitsangan-kovelona izy toy ny lolovokatra isan-karazany resahan'ny foko hafa izay betsaka ny tsy hinoantsika. Ireo lolovokatra ireo lazaiko anao fa betsaka no misakafo sy matory ary manao ny fanaon'olombelona hoy ny mpino ny fisiany.

Misy ny lolovokatra ary amin'iny faritr'i Betsileo iny no misy azy. Raha tantara fotsiny no henao momba an'io, izaho kosa efa mba nahita ihany. Mihinana tokoa izy saingy izay harapany dia miraraka amin'ny tany.
Ny lolovokatra dia toy ny matotoa. Dia vakio ny Baibolinao fa nilaza mazava i Kristy ao hoe: Tsy matotoa aho, satria ny matotoa dia tsy manana nofo aman-taolana.
Tsy voatery koa anefa ho an'ny olona izay mahatsapa fa tsy lafatra ny baiboly ny hino fa nitsangana tokoa izy amin'ny fahafatesany
.
Tsy lafatra ny Baiboly nefa tsoriko fa ny Baiboly no documents voalohany eo am-pelan-tanan'ny Kristiana hilazana ny fitsanganan'i Kristy. Tenin'ny vavolombelona nahita maso maro no hitanao ao, ka raha izay no tsy inoanao dia hafahafa ihany.
Raha nitsangana tamin'ny maty ary i Lazare dia maty fanindroany ve? Aiza ny tohin'io azafady ao anaty baiboly?

Ka maty ve Lazara no natsangan'i Jesoa sa tsia? Mba valio azafady!
Ndao raisintsika i Masina Maria, nampakarina izy hoy isika Katolika, aiza ny fivoakan'io ao anaty baiboly. Non, tsy de mila an'izany akory aho anaty baiboly nefa dia afaka mino fa Masina i Maria.

Ny zavatra tsy fantatrao angamba dia ny hoe: boky maro no nanaovana fanivanana mba hahazoana ireo boky narafitra ao anaty Baiboly. Nisy Boky tokoa nilaza betsaka momba an'i Masina Maria saingy tsy natao ho isan'ireo boky natao ao amin'ny Baiboly.
Raha tsy nisy anie ny reaka fijerevana ny taolam-patin'i Jesoa dia tsy nisy ity resaka ity e!Hevitra no ampiadiana ary tsy voatery izay lazaiko ka marina saingy kosa afaka jerena akaiky ny fivoakan'ny zava-drehetra satria nomena ny saina isika handinika.

Afaka mikaroka tokoa ny saina. Nefa aza adino fa misy ny zavatra tsy ho hain'ny saina hazavaina mihitsy. Ary misy ny Marina Tsy miova, ary tsy azo ovaina. Ohatra amin'izany ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty, ny fahatongavany ho nofo, izay tsy eken'ny mpahay siansa sy izay miantehitra amin'ny lojikan'olombelona fotsiny.
Amiko ny finoana fa velona izy na novonoina aza dia ampy ho ahy. Tsy voatery hanaraka ny tantaran'i baiboly aho vao hino. Satria nahoana mahatsapa sy mandaitra eo amin'ny fiainako ny fisiany.

Efa zava-dehibe izay aloha. Nefa tsy ampy ny mihonana amin'ny fahaizan'ny saina sy ny fahatsapana, satria efa nomena fanahy afaka hahalala koa isika.

fijo:
nahoana no avy dia disoana i rakapy raha mametreka fanontaniana toa ity?????fanontaniana io.sahala amin'ny hoe taloha naratsiana i jodasy,de ita izao ny evanjiliny de mety isy hiova ny fisainan'ny mpino.

1 - Mba te hanontany an-drafijo aho hoe: iza no nanoratra an'io Evanjelin'i Jodasy io? Tamin'ny taona firy (na taonjato fahafiry) no nanoratany azy? Inona no zava-nisy tamin'ny vanim-potoana nanoratana azy io?
Valio ireo fanontaniana ireo, izay vao miady hevitra aminao momba an'io aho, raha tsy izany dia resaka mandany jiro fotsiny

2 - Jereo fa na ianao aza dia efa mitsipaka sahady izay lazainy ka ahoana no disoana ny hafa raha manadiso azy?

Misaotra

Ao ary fa ezahako valiana ny fanontanianao. Sao romotra eo ianao. :)

Ny tiako tenenina dia afaka mihevitra isika fa nitsanga tamin'ny maty izy satria izay no nolazainy.

Ka raha izay no nolazainy, moa nandainga ve izy?

Ka izy no milaza fa iza no nanoratra. I Kristy no nanoratra? Tsia hoy aho tsy i Krsity no nanoratra.

Nitsangana tamin'ny maty izy fa Izy Kristy saingy ny fanahiny no nitsangana fa tsy ny vatany. Ny vatany dia lo ary efa hanaovana fikarohana io. Azo atao hoe mitsangana ny zavatra iray raha araka ny sarin-teny. Tsy voatery ny vatana fa na ny fanahy aza dia afaka hitsangana koa.

hozy ianao> Ny zavatra tsy fantatrao angamba dia ny hoe: boky maro no nanaovana fanivanana mba hahazoana ireo boky narafitra ao anaty Baiboly. Nisy Boky tokoa nilaza betsaka momba an'i Masina Maria saingy tsy natao ho isan'ireo boky natao ao amin'ny Baiboly.

Fantatro dia fantatro tokoa tompoko. Betsaka min'ireo boky ireo no eto ampelatanako. Izay no tsy hanekeko io baiboly resahintsika sy ianao tsy ampy io ary tsy feno. Ka raha ny Protestanta no anontanianao dia hilaza izy fa fosika izany satria tsy hiteny eo. Ny ahy kosa tsy hiteny izany aho fa mino aho satria fantatro i Masina Maria ary tsy voatery voasoratra ny momba azy vao tsapako fa miaina ny modely tsarany aho.

Hoy ianao> [b]Ny lolovokatra dia toy ny matotoa. Dia vakio ny Baibolinao fa nilaza mazava i Kristy ao hoe: Tsy matotoa aho, satria ny matotoa dia tsy manana nofo aman-taolana

Ny lolovokatra fantatro ary efa naseho ahy tamin'ny fanadihadiahana nataoko dia olombelona mitovy amintsika izao. Nofo aman-dra tokoa ary miasa sy manao zavatra. Ampisakafoanan'ny havany tokoa. Tsy mino aho fa lolovokatra izy fa olombelona ihany saingy izay no hinoan'ireot farany ireto. Koa mino aho fa angatra no resahinao fa tsy lolovokatra. Samihafa ireo roa ireo.

mbola hitohy

40. soanja ( 01/03/2008 17:08)
HOY I FODY> Lazainao fa mifanipaka be ihany ny ao anaty Baiboly, sao ianao mamaky azy no mampifanipaka azy?

Mety izaho no mampifanipaka azy nefa mety ny zavatra voasoratra no mifanipaka. Possible daholo izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0652