Ry Kristianina! Hanaraka an'iza ianao raha toa...

41. soanja ( 01/03/2008 17:14)
Voalaza teo :
" Ehyeh asher ehyeh" Na " Izaho no Izaho" Raha adika Malagasy tsotsotra.

hoy fody > Dikan-teny diso io fa tsy dikan-teny tsotsotra araka ny filazanao azy. Vakio tsara izay voalazany aloha sy afara an'io. Ary raha mahay teny Ebrio ianao vao maika tsara.
Ny dikan-teny grika (LXX) koa dia nanao hadisoana raha nandika azy hoe: "Ho òn" (l'étant).
Raha mandinika ianao dia hahita fa ny zavatra tiana hampitaina dia hoe: "Izaho ilay miaraka amin'ny olona" (Celui qui est avec). Misy anaran'olona maro voatanisa ao, dia vakio dia raiso araka izay nanoratana azy aloha, izay vao manao kritika.
Tsy izay voasoratra no tsy mazava, fa ilay mandray azy no diso fandraisana.


Aoka hanaika aho fa diso zany io dikateniko io. Satria raha ny ao amin'ny baiboly gasy aza dia milaza fa " Izaho no Izy"

Tsy ny zavatra tiany ampitaina ho resahina eto fa ny dika-teny mahalaza ny teny voalaza. Io no voalaza aoka ho an'izay mandika vilana ny hadisoana. Raha hitanao fa nandika vilana aho dia disoy fa io no voalaza hoy ilay mpanoratra. Ehyeh asher ehyeh
42. soanja ( 01/03/2008 17:21)
Hoy i Fody> "Niseho tamin'ny mpianany izy, niara-nisakafo tamin'izy ireo": Raha Fanahy fotsiny ve mbola afaka hisakafo?
Mbola misy tohiny ao hoe: "tsapaho fa izaho ity". Ny Fanahy ve manam-batana, manan-taolana?


Eo ihany isika.

Raha manaraka ny tantara ianao dia ahita fa nanjavona izy rehefa avy namaky ny mofo na nizara ny nofo.
Ny taolana amam-batana koa ve mba afaka manjavona eo no ho eo? satria ianao efa hidrikina ihany ny resaka vatana.

Fody a, tsy ny fitsanganan'i Jesoa amin'ny maty no tsipahiko fa ny fitsanganan'ilay vatana maty no tsy ekeko. Ny fanahy no afaka hiala ao ampasana fa ny ankoatr'izay azafady Babah fa mila voasasa tokoa ny saiko vao hanaiky izany aho.

Jesoa matoa niteny tamin'ny Maria fa aza kasihana izy dia misy antony izay. Ndao hotadiavintsika ny antony? Nilaza izy fa mbola tsy tany amin'ny Ray no antony. Mino aho fa zatra nikasika azy maria tamin'ny fony fahavelony.


Nitsangana tamin'ny maty i Kristy ary io fanahiny no mamenika antsika!

Resaka Lazare indray dia tsy hinoako velively. Donko tsy voatery hamaly an'io aho satria raha natsangana izy ka velona indray dia tsy tokony hofaty intsony. Aiza anefa izy izao? mbola velona any ve?
43. soanja ( 01/03/2008 17:24)
hoy i fody > Voalaza teo :
KA ZARY ETO ISIKA IZAO MANDANY ANDRO MIDECODE NY TIANY AMPITAINA IZAY FENO FANDRIKA SY FITAKA ARY FANDEMENA SATRIA NY TENAN'NY MPANORATRA TAMIN'IZANY DIA TENA CONFUSED- MIPATITAKA TOKOA NOHO NY ZAVAMISY TAO AN-TANANA.

Mba tanisao sy lazao hoe izay fandrika sy fitaka ao, ary fandemena!

Ao fa raisiko tsiraidray ireo raha vao malalaka aho an!
44. soanja ( 01/03/2008 17:29)
hoy i fody>

Voalaza teo :
Fifankatiavana sy fihavanana ary firaisan-kina no herin'ireo razantsika ireo! Aiza ianao ahita fahendrena toy izany! Lafatra io raha samy fahendrena amiko.

Tsara ny fahendrena malagasy, saingy diso kosa ny filazanao hoe: lafatra izy. Na ianao ihany aza dia efa mahita fa misy ny soatoavina manimba amin'ny fahendrena malagasy.
Na ny Fihavanana aza dia tsy azo lazaina hoe lafatra. Nandalina ny fomba malagasy aho ary sahy milaza an'izany
.

hoy i soanja> Lafatra io raha samy fahendrena amiko.

Ireto ny teny telo ireto no lafatra amiko soanja raha samy fahendrena: Fifankatiavana sy fihavanana ary firaisan-kina , ireo mifangaro, ireo miaraka ary ireo mifandray io no Andriamanitra amiko! The Logos!

Misaotra nanaraka hatramin'ny farany.

45. Fody ( 01/03/2008 17:53)
Raha manaraka ny tantara ianao dia ahita fa nanjavona izy rehefa avy namaky ny mofo na nizara ny nofo.
Ny taolana amam-batana koa ve mba afaka manjavona eo no ho eo? satria ianao efa hidrikina ihany ny resaka vatana.

Ary Jesoa nandeha teny ambonin'ny rano ve Fanahy fotsiny ihany sa fanahy amam-batana? Sa tsy inoanao koa izany?
"Tsy misy zavatra tsy hain'Andriamanitra atao"
I Kristy tafatsangan-kovelona, na dia nanana ny vatany aza, dia efa tsy voafehin'ny fotoana sy toerana intsony.
Fody a, tsy ny fitsanganan'i Jesoa amin'ny maty no tsipahiko fa ny fitsanganan'ilay vatana maty no tsy ekeko. Ny fanahy no afaka hiala ao ampasana fa ny ankoatr'izay azafady Babah fa mila voasasa tokoa ny saiko vao hanaiky izany aho.

Ny Fanahy tsy mba maty hoy ny Malagasy, ny filozofia grika koa nilza momba ny immortalité de l'ame.
fa inona no zava-baovao nentin'i Kristy, nandavorary an'ireo? Ny fitsanganan-ko velona.
Tsy mila manasa ati-doha anao aho mba hino an'izany, fa ny finoako kosa dia milaza fa nitsangana vatana amam-panahy izy. Ary ny fanadihadihana sy ny fandalinana nataoko hatramin'izao dia manafy izany.
Jesoa matoa niteny tamin'ny Maria fa aza kasihana izy dia misy antony izay. Ndao hotadiavintsika ny antony? Nilaza izy fa mbola tsy tany amin'ny Ray no antony. Mino aho fa zatra nikasika azy maria tamin'ny fony fahavelony.

Inona no nokasain'i Maria hatao? Ary nahoana i Jesoa no nanda izany fihetsiny izany? Raha ny valin-teny nomenao dia tsy ampy handikana velively ny valin-tenin'i Jesoa.

Angamba azo hadika koa hoe: fifandraisana vaovao no aoka hifandraisantsika hatreto? Raha izay no izy, moa milaza ve io fa Fanahy sisa izy, fa tsy manam-batana intsony?
Mino aho fa zatra nikasika azy maria tamin'ny fony fahavelony

Inona no tianao lazaina eto???

Resaka Lazare indray dia tsy hinoako velively. Donko tsy voatery hamaly an'io aho satria raha natsangana izy ka velona indray dia tsy tokony hofaty intsony. Aiza anefa izy izao? mbola velona any ve?

Misaotra anao tsy namaly.
Tsy Kristy akory Lazara. Nefa kosa ny fitsanganany tamin'ny maty dia nampiseho ny voninahitr'Andriamanitra (araka izay voasoratra ao amin'ny Evanjely).
Satria izy tsy Kristy, donc mety maty ihany izany izy, ary mety rava ny nofony satria avy amin'ny tany izy ka nody ho tany ny Nofony. Fa i Kristy kosa, noho izy tsy natao fa nateraka (Zanaky ny Ray) dia tsy avy amin'ny tany velively, noho izany tsy hody ho tany ny Nofony.

Misaotra anao.

46. ikaretsaka ( 02/03/2008 01:30)
soanja: "tsy misy zavatra tsy hain'Atra atao" raha vatana le izy... hainy izany!
47. rijadolly ( 02/03/2008 06:57)
ikaretsaka:

soanja: "tsy misy zavatra tsy hain'Atra atao" raha vatana le izy... hainy izany!

Mitovy hevitra tanteraka fa kosa tsy misy "raha" fa "fa"

48. Rasiligaoma ( 02/03/2008 07:06)
ikaretsaka:

soanja: "tsy misy zavatra tsy hain'Atra atao" raha vatana le izy... hainy izany!


ampiako ny an'i RD sy Ika
raha lazainy vatana ilay izy ohatra ... hainy izany
Rah ataolana fotsiny ohatra... hainy izany..
raha ny Volon'i Jesosy fotsiny, hainy izany

(afaka atao TDM ny lisitra eto, saingy raha Tohizina Dia Mankaleo)

49. rakapy ( 03/03/2008 02:50)
Dia na dia tsy zanany dia atao hoe zanany,de hainy izany...:-D:-D:-D???Tonga De Misalasala.
50. ikaretsaka ( 03/03/2008 04:31)
hainy koa izay .. ny manova ny sain'ialahy hisalasala koa hoe sao de ty sao de ry.. hainy koa iznay
ny manao hoe ty ka.. hainy koa
dia ny manao hoe tsy ty fa ry tampoka hainy aby taoko yyyyyyyy

zao A/tra zao agny Taoko Da Mahazendanaaaa
51. nandrianina1 ( 03/03/2008 04:46)
tonga de maka toerana alou
nankaaaaaiiiza ary le mpivarotra vanjo sy popcorn teo:°)
52. rakapy ( 03/03/2008 05:50)
Ko raha izany va tsa fatsora lahy i leryyyyyiii????
Tsiary De Mazava:-D:-D:-D:-D
53. soanja ( 03/03/2008 06:01)
ikaretsaka:

soanja: "tsy misy zavatra tsy hain'Atra atao" raha vatana le izy... hainy izany!


Manaiky aho fa tsy voatery ny zavatry voalazan'ny baiboly no nataony sy tsy nataony. Tsy voafetra ny nataon'Andriamanitra ho antsika ary tsy hita pesipesenina ny fahavitany mety ho vitany tsy azon'ny saiko.
Ny tenin'ny Apostoly no tsy ekeko fa tsy ny zavabitan'i Jesoa akory. Betsaka tsy mitombina ny teny lazain'ireo indraindray satria be ny politika sy ny fangarony nanova ny tena zavanisy tamin'izany.
Ny zavadehibe dia mino aho fa Jesoa dia Andriamanitra ary tsy voafehin'ny baiboly ny finoako izany.


54. ikaretsaka ( 03/03/2008 06:05)
ny ahy ry soanja momban'io tenin'ny apostoly lazainao io.. dia rehefa tsy manaiky aho dia izao no hojereko azy
raha oiurce 10 no milaza hoe mena ka ianao milaza hoe manga.. de tonga saina kely ihany aho aloha manadinady ny @ maha manga azy!
55. Mandefitra ( 03/03/2008 10:18)
ARy mahagaga fa tsy ampiharin 'i Ika eto le fiteny malaza hoe zay titiana ihany :-P
56. majesty ( 04/03/2008 05:52)
Ika:hay tokoa moa tsy Kristiana ingahy rainy:D
Veloo: tsy hita fa ilay fotoana mihitsy no tery dia lasa zara raha hita e:-*

Rakapy:ny tiako ho marihina fotsiny ho an'ise dia izao,aza adino fa Atra Jesosy ary naka ny endrik'olombelona,i Maria no fitaovana nampiasain'Atra tamin'izany ahatongavany eto an-tany,dia eo indrindra no apetrako amin'isé ny fanontaniana,nisy ADN an'i Josefa ary ve izany tao @ Jesosy,valiny:tsia.Ary azo inoana ihany koa fa tsy misy ifandraisana amin'i Maria ihany koa ny gêne-ny;(lojikan'Atra izany),noho izany dia reraka fotsiny sy lany fotoana fotsiny ireo mpitady porofo hanimbana ny finoana Kristiana raha amin'io resaka io.:D
57. fijo ( 05/03/2008 00:05)
ô ry zareo an,amin'izao fotoanan'ny net izao ve dia mbola hisy olona hino fa nisy bandy lavavolo nandeha teny ambony rano??????de maty ,de nitsangana???????

dia voalaza fa tsy nino i ra tomasy raha tsy nahita ny voho tanany.nefa na ny pretra aza,"jereo le pretra notanisaiko tary amin'ny hoe"tena namadika ve i jodasy"fa na ry zalahy ireo aza dia niaiky fa tsy ny ratsantanana no fantsihana tamin'izany andro izany fa ny tanana eo alohan'ny felatanana.ary ny fantsika dia natao tafiditra ireo taolan aroa ao amin'io faritra io.voaporofo siantifika koa io ary eken'ny pretra.ka vohotanana inoan no nojeren'i tomasy???
58. rakapy ( 05/03/2008 04:56)
majesty> Ahoana no hanaporofonao fa tsy nisy ADN t@ Josefa sy Mary i Jesosy? Ny baiboly ve?

Ny xana dia milaza fa ny hanimba ny finoana xana no anton'ny hanaovan'ny mpikaroka fikarohana. Nefa dia hita mazava fa ny tsy fitiavan'ireo xana ny ahalalana ny fahamarinana no ilazany izany.

Ka moa va tsy mitovy t@ fotoana mbola tsy nahaporofona fa boribory ny tany? rehefa voaporofon'ny mpikaroka izany dia mazava @ olombelona rehetra ny fahamarinany.
59. Rasiligaoma ( 05/03/2008 05:22)
rakapy:

majesty> Ahoana no hanaporofonao fa tsy nisy ADN t@ Josefa sy Mary i Jesosy? Ny baiboly ve?


Ka moa va tsy mitovy t@ fotoana mbola tsy nahaporofona fa boribory ny tany? rehefa voaporofon'ny mpikaroka izany dia mazava @ olombelona rehetra ny fahamarinany.


miombonkevitra
60. prime ( 11/03/2008 10:05)
rakapy:
Ka moa va tsy mitovy t@ fotoana mbola tsy nahaporofona fa boribory ny tany? rehefa voaporofon'ny mpikaroka izany dia mazava @ olombelona rehetra ny fahamarinany.
... Mitovy ahoana? ny ambaranao io hevitr'olombelona feno, sahy niteny hoe fisaka ny tany... ny papa t@ fotoan'androny mihitsy no niteny izany, ka rehefa diso fandinika izy dia tsy midika mihitsy izany fa diso ny ambaran'ny baiboly... izany no nahatonga ny kristiana maro rehefa misy zavatra tsy voazavan'ny saina dia miverina amin'ny baiboly sy ny ambarany no fahendrena indrindra, raha toa ka tsy voazavan'ny baiboly ilay izy dia manaiky fa mbola misy zavatra tsy voazavan'ny saina ny asan'Andriamanitra fa tsy mitompo teny fantatra...

Etoana ny baiboly miteny mazava fa nitsangana tamin'ny maty Kristy ary maro ny vavolombelona nahita izany ary nitsapa Azy vatana feno, dia mbola misy sahy miteny fa tsy marina izany... efa resaka finoana sisa eo no fototry ny resaka fa tsy ny fahamarinan'ny fitsanganana na tsia intsony... na hikaroka hatrany amin'ny faraivon-tany aza ny mpikaroka tsy hahita porofo intsony io tsy fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty io ezahina karohana io...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1647