fifidianana amin'ny 16 mars : bulletin tokana !

1. ravatorano ( 25/02/2008 10:13)
Andro alahady io andro io
raha ny fandehan'ny fifidianana amin'io fotoana io zany dia ho bulletin tokana no ho hita manerana ny birao pifidianana marobe eto amitsika
izany fifidianana izany moa dia natao indrindra ho an'ireo izay nirotsaka mba ho mpanolo-tsaim-paritra na "conseillers régionaux"
Maninona no lazaiko hoe bulletin tokana satrai zara raha misy antoko na association na independant hifaninana amin'ny antoko tim
noho izany dia bulletin tokana tokoa no ho hita eny rehetra eny fa ny atahorako fotsiny dia hanao ny toa tany Antsirabe ka saika nitovy ny vato nahalany ny ben"ny tanan sy ny vato fotsy
Manainga ny besinimaro izay mamaky an'ity ary mba handeha hifidy ary tena hifidy izay hitany fa hahavita tokoa io asa io !
Ny adidy tsy an'olon dratsy é !
:wink:
novalian'i Jeankely ny 10/03/2008 14:34
2. Jeankely ( 25/02/2008 10:45)
Manova tantara ary lesona hafa mihintsy raha toa ka ny vatofotsy n0 betsaka nefa nifidy daholo ny olona. Andraikitra io ka anjaran'izay sahy maneho ny heviny. Ilay manarakefa avy eo mitaraina mantsy tsy dia mety.
3. badboy ( 25/02/2008 11:19)
Maninona no lazaiko hoe bulletin tokana satrai zara raha misy antoko na association na independant hifaninana amin'ny antoko tim
noho izany dia bulletin tokana tokoa no ho hita eny rehetra eny fa ny atahorako fotsiny dia hanao ny toa tany Antsirabe ka saika nitovy ny vato nahalany ny ben"ny tanan sy ny vato fotsy

Vato fotsy (vote blanc), vato very (vote annulé)!
Ilay vato fotsy misarika ny sain'ireo nilatsaka ho fidiana hoe tsy ao @ reo ilay tian'ilay mpifidy ho fidiana! Midika zany hoe mbola tsy tena ao ilay "démocratie"! Ilay vato very mety midika hoe vato 2 samy hafa no hita tao anaty valopy : izany hoe efa nisy vato tao anatin'ilay valopy alohan'ny hampidiran'ilay mpifidy ny vatony.:?:?

Ilay vato tokana tsy iadiankevitra, vao haingana io no nisy nitsikera tao @ gazety satria ilay "période transitoire de 30 mois" mihintsy no tsy démockratika!;-);-)
http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=15152
5. Jeankely ( 25/02/2008 12:13)
Dia inona no atao na aiza no aleha? Fanontaniana mipetraka @'ny tompon'andraikitra ary fanontaniana mipetraka @ mpifidy ahoana?
6. ravatorano ( 25/02/2008 14:14)
mahaiza mifidy e
mahaiza mandatsa batongava manda tsbato avokoa
vao arotsaka fa tsy rano ô
:wink:
d ahoana marina aloha rah tena izay indray no hitranga sa moa na dia olona iray aza mandatsabato ho an'ilay olona iray nilatsaka teo ka ho fotsy na vato maty avokoa ny ambiny tsy naman'ny efa lany ihany v ilay olona iray izay hany nilatsaka ary hahazo ny isambato 100% :?::?::?:
:roll:
7. Jeankely ( 25/02/2008 15:08)
Tena lany izy fa saingy misaina lalina.
8. ravatorano ( 26/02/2008 05:27)
inn moa ra jeankely no hisainany eo
tsy rehefa lany ve izy dia izay no zava dehibe aminy
raha samy nanao an'izay daholo mantsy ireo izay efa lany hatrizay ka nisaina kely fotsiny mety tsy ho izao ity gasikara ity ! :x
:wink:
9. Jeankely ( 26/02/2008 06:44)
Tsy fantaro aloha fa na fikambanana tsotsotra aza ka zara raha atsasany mahery kely no mifidy anao dia midika ezaka lehibe ho anao izay satria marobe no hamboarina hifanaraka amin'ny tadin-dokanga. Raha ny Mpanao Politika tsy tia ahalala fa rehefa lany dia faly dia azy ny azy ary tsy miaro izany aho. Amiko ilaina hisainana hatrany ny fisian'ny olona maro tsy nifidy anao raha fampandrosoana ny rehetra tokoa no tiana havoitra.
10. ravatorano ( 26/02/2008 09:48)
ny mampalaelo koa ange dia izao e tsy fantatry ny ankamaroan'ny olona akoriny hoe inona marina moa no andraikitr'ireo olona ho fidiana mpanolo tsaim paritra ireo na ny fisian'izy ireo ary tsy hainy , indrindra moa ka ny fomba hifidianan azy
za de tena gaga mihitsy amin'ny tsy fisian'ny serasera entina hampahafantatra an'izany bebe kokoa ho an'ny vahoaka rehetra mba tsy ho ny ety andrenivohitra ihany no hahalala ny tena fandehan'ny fiainam pirenena.
11. Jeankely ( 26/02/2008 10:00)
Na ny renivohitra lazainao mahalala koa aza tsy dia tia ahalala. Porofon'izany ny isan'ny mpifidy. Indraindray tetika io mba ahazoana vato satria ny namana ihany no mifidy nefa mamitatena ihany satria tsy tafavoaka ny asa. Ny asa iaharana @ vahoaka ary ho an'ny vahoaka nefa tsy ao anatiny izy dia lany andro eo. Na izany koa aza mba tokony manenjika vaovao ihany koa ny vahoaka satria na peta-drindrina lalovanao izao aza ka tsy jerenao naman'ny tsy misy.
12. badboy ( 26/02/2008 11:16)
Raha ny Mpanao Politika tsy tia ahalala fa rehefa lany dia faly dia azy ny azy ary tsy miaro izany aho.
Io fijery io mintsy no tokony hovaina : matoa voafidy dia misy soritra sy tanjona naely ka terena ilay voafidy hanatanteraka!
Amiko ilaina hisainana hatrany ny fisian'ny olona maro tsy nifidy anao raha fampandrosoana ny rehetra tokoa no tiana havoitra.
Tsia, diso be! Matoa eo dia nahazo ny vato lehibe indrindra! Izany hoe lany arademokratika (raha tsy oe anga nangalabato)!
ny mampalaelo koa ange dia izao e tsy fantatry ny ankamaroan'ny olona akoriny hoe inona marina moa no andraikitr'ireo olona ho fidiana mpanolo tsaim paritra ireo na ny fisian'izy ireo ary tsy hainy , indrindra moa ka ny fomba hifidianan azy

Marina! Fa alalino koa hoe maninona moa no zay no mitranga?? Satria angamba @ zay ny mpitondra ihany no mamaritra ny pôlitikan'ireo voafidy ireo?? Ra zay no izy de sarisary fotsiny ilay "indépendance des administrations décentralisées"!!:idea::idea::idea:
13. Jeankely ( 26/02/2008 15:29)
=D=D=D Mahafinaritra aloha ilay Mpianatra mahay be e. Tohizo fa tsara ary aza ela loatra am'ity 20 taona=))=))=))
14. LazaDaddy ( 26/02/2008 23:48)
Ravatorano:
mahaiza mifidy e
ka ilay izy aza r'ise lazain'ise fa efa tsy misy safidy intsony fa vato tokana :)
15. Jeankely ( 27/02/2008 03:37)
Tokony tsy mifidy intsony izany ny tian'i Lazadaddy ve? Amiko aloha dia tokony hifidy na haneo vato fotsy aza.
16. ravatorano ( 27/02/2008 10:06)
ô ralaza ah
ka izay ange ilay izy e
vato tokana fa mety atao koa ny tsy mandrotsaka azy
na koa hoe itondrana vato fôpla avy any antrano d iny o arotsaka rehefa tsy hifidy ilay biletà tokana sisa tavela ao isika e
zo ny mifidy
ny anay eny andoharanofotsy aloha misy candidat telo angaha izy zay fa tsy haiko tsara fa amin'ny andron'ny fifidianana za mahita izy !
:wink:
17. LazaDaddy ( 28/02/2008 00:57)
ravatorano> vato maty izany amiko fandaniana andro. Na ny fiantso azy aza hoe vato tsy manan-kery :)

Iza avy ny kandida ao Andoharanofotsy? Ary sao dia fantatrao ny anay atsy Ambohijanaka? :) Misaotra
18. Jeankely ( 28/02/2008 03:19)
Loza ilay izy aloha. Olona ho fidiana tsy fantatra, ny asa ho ataony tsy fantatra na mifandray amin'ny fiainanao na tsia. Izany hoe tena tapaka tsisy fifandraisana intsony izany ny vahoaka sy mpitondra ve? Ny mpitondra manao izay ezaka heveriny mety dia ny vahoaka tsy mahalala hoe ho aiza na ho aiza fa miaina mandeha mifidy ny tsy fantany eny. Dia ao ny vaky ny tranony vao manontany hoe aiza ny biraompokontany ary iza no tomponandraikitra. Ho ahy na mahasosotra na tsia dia tokony ho fantatra ny zavatra mitranga sy hiainana. Tena andraikitra goavana izany ary miverina aminao ihany. Tsy firaisana tsikombakomba amin'ny mpitondra mihintsy ny fahalalanao ny zavatra ho fidianao sy hiainanao ary ny lalana hametra anao.
19. LazaDaddy ( 28/02/2008 03:26)
ravatorano> tokony ovaina angamba ilay fitenenana...angamba tsy ny vahoaka no tokony hitenenana hoe mahaiza mifidy (satria tsy misy safidy) fa ny mpirotsaka no tokony atao hoe "mahaiza mividy", satria ny olona misaina tsy ho voarebireby handany andro amin'ny zavatra tsy manan-kery.
20. Jeankely ( 28/02/2008 03:44)
Mividy ahoana koa? Io ambony io fa Ambohijanaka no nosoratanao fa tsy Ambohitrimanjaka nefa ny hevitra dia tia hanambara ianao fa tsy hainao izay ho fidiana. Olona misaina daholo indray angaha ireto mahalala hoe itsy tsy mandeha ary mitofezaka sy mitaraina? Ny olona misaina mahalala ny lalana halehany ary tsy mitaraina tamin'ny fanapahakevitra noraisiny teo aloha. Tsy sahala anao amporisihina hifidy anio ny olona avy eo indray taritina hitsipaka an'io. Hafa no tondroin'ny molotra ary hafa no tondroin'ny tanana satria mpitaribato vilambava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1535