Miasa andro aman'alina ny Aziatika.Tsikera mandany andro

1. Jeankely ( 24/02/2008 11:36)
Tsy novakiana amin'ny boky na nojerena t@ Internet fa hitako sy hiainako fa miasa andro aman'alina ny Aziatika. Izay variana dia eo ary na kilemaina na antitra mitady hevitra hivelomana mba tsy hiankinana. Ny mpanao politika milaza mahay Malagasy kosa dia variana mitsikera ary ny hampitolefika ny herin'ny olona hiady amin'ny fiainana no hevitra hitany ahazoana fitondrana. Tena afaka ahita fahasambarana tsy misy asa mafy ary tsisy fijaliana tokoa ve sa finaritra fotsiny ny mitantara ny jaly izay efa fantatra sy hiainana? Ho ahy dia ny fampiakarana ny herimpon'ny tsirairay hilofo sy hiasa mafy ary manaraka ny fandrosoana sy ny fiovana no mba faniriako. Ny miasa andro aman'alina aza mbola manana olana.
novalian'i Jeankely ny 02/03/2008 14:50
2. Belle ( 24/02/2008 12:38)
Tena marina tsy misy anampiana ary mitombina!
3. Jeankely ( 24/02/2008 13:01)
Thanks Belle. Tena variana mihintsy aho fa Jamba maro be manana PhD ary miasa mampianatra aza, tsy manaiky ho vesatra, ny kilemaina efa mila hikisaka miasa. Mba mora ve izany? Ka dia ahoana no olona manana tongotra amantanana no hiandry ampiresahan'ny mpanao politika tia haka seza nefa tsy manazava hoe aty na atsy ny lalana izorana fa ny tsy mety sy ny olana ihany no visavisaina. Dia ho vita resaka fotsiny ve ohatra ireo arabe tery kely ary misy trano daholo @'ny sisiny ireo? Tsy malalaka io raha tsy misy ny fanjerana na mijanona mifanesika eo na manao highway nefa volabe izany. Ady daholo izany fa tsy tsikerakera fotsiny. Mazava fa mijaly ny hoe ajera ny tranonao fa na hiova ary ahita mangidy na mijanona. Hamaha olana sa hitondra olana?
4. rabingogilabanga ( 24/02/2008 21:22)
ao ny miasa andro aman'alina! sitra-pony ve? 15h/ jour, 20h / jours?

ao ny matory andro sy alina! milalao zavatra fotsiny . sitra_pony ve?

ary ny asa sy vokatra vanille be dia be, nefa dorana,any antsiranana, mba tsy hampitotongana ny vokatra,eo @ tsena iraisampirenena, vokatrin'ny asa hankaiza?

ny mpanao politika ve no mi-creer ny condition hampisy asa(securité, infrastructure, fiscalité, formation...)?

sa ny mpiasa no miasa tsy mila kivy?:

-na tsy misy ny securité (mpangaltra mamaky magazay, dahalo mangalatra ny vokatra eny antsaha...)
-na tsy misy ny infrastructure (asa any @ indusrie mila angovo na energie?...)
-fiscalité (haba sy impôt avo loatra...?

Asa! tsy misy zavatra haiko ny amin'ireo fa mba mi-cadrer ny debat fotsny aho!



5. Jeankely ( 25/02/2008 00:30)
Ireo fanontanianao eny ambony ireo dia misy ny sitrapon'ny tsirairay. Ohatra tonga ny fifidiana dia na tsy mifidy izy fa izay mitranga dia ekeny no tokony ho izy. Na mifidy anjambany izy ka izay malaza sy mahatolotra no ekeny ho solontenany nefa tsy mahasolotena azy rehefa voafidy. Ny fandrimpahalemana tena sitrapo satria tsy olona avy andanitra no mangalatra sy mamono fa ny eo ihany ary harovana aza rehefa tratra. Ny andraikitry ny fanjakana goavana ary tokony hizahavany hevitra ny hanatotosany azy. Ny andraikitry ny tsirairay koa tsy misaraka amin'izany. Misy fetrany ny fahafahana manao ny rehetra noho izany misy lahara-pahamehana ary mpisoloky ny milaza fa vita eo no eo daholo izay hiriana ho azo.
6. mpindrana ( 25/02/2008 07:11)
mahafinaritra be ireto fanakianana sy fitsikerana ataonao ry jeankely .Tena mirandrana mihitsy saingy izao no tsy fantatrao kely aloha sady tokony ho nataonao voalohany .

Tokony tany @ ireo tena tompon'andraikitra sy sampan-draharaha mitantana mivantana ny tianao hovaina sy ahitsy no nanontanianao sy nohadihadianao aloha ,ny fomba fiasany sy ny fanantaterahany ireo zavatra tokony ho takian'ny firenena .

Na raha tsy afaka nanontany tany ianao de mba alaivo sary an-tsaina hoe : raha i jeankely no eo @ fitondrana de ho vitan'i jeankely ve ireo vinavina tokony ho tanterahin'i jeankely ?.

Ianao mantsy no tonga @ ilay hoe : variana mijery sy mitsikera ivelany ,fa tsy mahita ny tena ao anatiny

Ny teny atsiko an'i jeankely ,de aza ampitovina @ hafa ny malagasy ,fa manana ny azy manokana koa izy .

Ny gasy anie miasa ,fa ianao no tsy mahita e!.


7. Jeankely ( 25/02/2008 10:32)
Mety tsy mamaky ny soratro tsara ny "mpindrana" angamba. Tsy nilaza aho hoe tsy miasa ny Malagasy. Ny tenako Malagasy ary mahatsiaro miasa aho fa tsy anisany mitavana fotsiny. Ny tiako ambara izay modianao tsy hay dia ilay fanakiviana ny olona ary fitanisana ny jaly lava izao ary nambarako fa mbola mahita jaly lavitra ny sasany. Mahita tsirimpandrosoana ny hafa satria milofo ka izay no hifampirisihako fa tsy ny fanakiviana ny Malagasy velively. Vakio tsara fa aza misavoana.
8. mpindrana ( 25/02/2008 13:58)
ka izay indrindra ry jeankely no hilazako aminao hoe :io fanakianana ataonao io anie ka efa hatramin'izay e!,fa tsy vao io lazainao io akory e!,ary efa mpitondra firy mahalala lavitra noho izay fantatrao ,nifandimby teo no nilaza ,fa hitondra fampandrosoana ho an'ny malagasy e!,hanavotra ny fiainan'ny malagasy e,hampiakatra ny farim-piainan'ny malagasy e!,hanome asa ho an'ny malagasy e!,sns ,sns ......

Ary tsy vao ianao akory no olona tsotra voalohany nilaza io hevitra io ,fa hatramin'ireo mpanao politika efa malaza sy mahafantatra ny zava-misy eo @ fiainan'ny malagasy no efa nilaza mihoatra io lazainao io ,fa nony nahita na tonga teo @ fitondrana dia nimpirina .

Nakombona haingana ny vava fa hay zavatra hafa mihitsy kay no ao .??????????

Tsy resaka mivily mihitsy io avaliko anao io ,fa mifampitohy tsara mihitsy .

Dia averiko hoe : raha ianao no eo @ fitondrana dia ho vitanao ve ny hanatanteraka ireo tsikera sy fanakianana ataonao @ fiainan'ny malagasy vokatry ny fanararaotana sy ny fihetsika ataon'ireo mpanao politika sy ny mitovy aminy .



9. Jeankely ( 25/02/2008 15:05)
Tsy mbola nisy soratro nilaza fa izaho no hanitsy ny mpitondra na iray aza ka mba avereno amiko raha misy. Ny andraikitry ny tsirairay hatrany no novetivetesiko fa tsy manampahaizana hanitsy fitondrana aho. Tsy nisy soratro nilaza izany fampanantenana hanome itsy sy ireoa izany fa ny mifanohitra amin'izay aza no novelariko teto hoe aza manantena ny fanjakana izany fa hafa ny andraikiny ary manana ny andraikitrao ianao. aza tailaninao ilay resaka =))=))=))
10. mpindrana ( 25/02/2008 20:10)
ka tsy nisy soratra mihitsy ry jeankely nilaza fa ianao no hanitsy ny mpitondra araka ny voalazanao ,tsy any mihitsy ny resaka .
Fa ireo mpanao politika lazainao ,fa manararaotra sy manampatra ny fahefana ,izay nasehoko anao hoe : tsy vao ianao io akory no nilaza izany sy mahita izany ,fa efa hatramin\'izay io ,fa miandry màna milatsaka avy any an-danitra sisa mba hampiova ny zava-misy iainana eto .Misy tsara azo moa de efa tsara zay ,misy tsy mety kosa de somary ialana kely .

Diska efa vaky io resakao io ,fa raha mba te hitondra ezaka ho an\'ny malagasy ianao de tonga dia mandraisa andraikitra avy hatrany ary tonga dia am-perin\'asa fa tsy mila resaka be sy waowao eo .

Lany rora eo fotsiny ianao ,sady ianao koa tsy eto an-toerana ka afaka milaza izao sy izatsy .

Io zao nandalo ny rivo-doza ,mila ezaka be ny fanarenana ny tanana sy ny fiaraha-monina ,tsy hiantehatra @ fitondrana sy ny fanjakana mihitsy fa dia manao izay vitany avy aloha ny tsirairay @ fanarenana sy fanamboarana ny simba .Manampy ny fanjakana de tsara ,tsy manampy izy de tsara .

Raha hanonkon-dresaka ka hifamendrofendro sy hanakiana sy hitsikera toa anao fotsiny eo indray ry jeankely de ho very fotoana .

Ataovy tsara fotsiny ny andraikitrao de vitao ny iray volana ,de efa vola zay ,fa aza mampiasa ati-doha @ izany ,fa marary an-doha @ izany eo .

samy manao ezaka ny tsirairay @ fanovana miandalana ny zava-misy sy ny fiainana an-davanandro
11. zamanoro ( 25/02/2008 21:20)
Jeankely:

Tsy novakiana amin'ny boky na nojerena t@ Internet fa hitako sy hiainako fa miasa andro aman'alina ny Aziatika. [/b]


Ny dahalo koa ry le-vendran'ty mba miasa andro aman'alina an. Ny alina izy mamoaka ny omby ao am-bala ny atoandro izy mandroaka azy eny an-dalana a
Fa tsy hoe rehefa mety any amin'izay misy an'ty any akory dia mety aty.
Aza dedaka ho'a fa tsy mahita izay misy aty antanana akory nefa miseho milay
12. Jeankely ( 25/02/2008 23:10)
Marina fa mety dedaka tokoa angamba saingy ny mahagaga dia ilay resako ihany no avika fa tsy mifanohitra akory. Izaho tsy nitsikera Mpitondra fa ny Mpanohatra tsy mahay afatsy ny manakivy olona nefa tsy mahava olana no resahiko. Io na rora very na penina lany, na fotoana lasa samy manao izay tsapany ary samy miresaka izay hitany ho an'izay mety hifankahatratra eritreritra. Tsy misy mifanery koa ry zamanoro ty an. Ianao no mitetika hanery ka azo amin'ny traingony amin'ity resaka politika mandanderoka dia mi-ty ty. Izaho manohy ny resako ianao mahazo mamaly dia izay mitovy hevitra mifanaraka izay miafanohitra mifampitana eo hatrany. Izay gola mirifatra miala.=))=))=))
13. kanota ( 25/02/2008 23:35)
Aza taitra amin'ny mpindrana sy zamanoro ary ny tariny izany fa ireo no diska goaka tia hifehy ny vahoaka. Ireo no mpitsikera matahotra tsikeraina satria diska goaka. Izay mangina akory tsy manaraka ny sain'ireo vendrana ireo.
14. mpindrana ( 26/02/2008 15:15)
tsy matahotra tsikera mihitsy aloha za ry kanota ary mitady tsikera mitombona mihitsy aza .Ary tsara rehefa mangina fa manao zavatra .

Tonga dia asa avy hatrany izao no ilaina ho an'izay te-hitondra fandrosoana sy fanampiana ho an'ny dago

Ka tsy ny Mpitondra mihitsy no lazaiko anao ry jeankely ,fa ireo mpanao politika a!.

Ary tadidio ry jeankely ,fa ny zava-misy any ivelany de any zay ,ny eto dago de eto ,samy manana ny hanitra ho azy daholo ,fa aza terena hitovy @ any ny eto .

Manararaotra sy manakivy olona fotsiny ny mpanao politika eto dago ,dia avelao izy hanao izany ,fa mbola hisy farany io .Ho hitan'ny tantara eo foana zany .

Mbola ho avy ilay masoandro na tsy ho hitako aza ,fa ho an'ireo taranaka ao aorina .

15. Jeankely ( 26/02/2008 15:24)
Tsy haiko aloha ny tena tian'ny mpindrana ambara fa toa manantona any @ resako ihany. Fa iza no manery sy mampitovy ny fiainana ao dago sy ny ivelany. Ny teniko dia hoe: Jamba aza milofo sy mianatra ary miasa mamelontena, tsy manaiky ambanin'ny mahiratra koa maninona no olona hary tongotra amantanana no hanaiky hampiresahan'ny mpanao politika na hivareraka sy mora kivy. Ary nampiako hoe mandeha io rehefa mamely mafy sy miasa. Indraindray koa na resaka mifandray aza terena ho tsy mitovy. Mpindrana ve sa Mpiandry Omby Volavita ka Tsy Tompony Fa Mpamerindoha sa ahoana? Sa tompon'ny atidoha?=))=))=))
16. mpindrana ( 26/02/2008 17:23)
marina anie ireo teninao ireo ry jeankely ho an\'ny olona tsy mijery ny ao ambadiky ny politika e!.Tadidio fa politika no mihodina eto fa tsy ny fijerena ny firenena akory .

Any aminareo zao de tsy maintsy arahin\'asa avy hatrany raha vao miteny sy mitondra ny hafatry ny vahoaka ireo mpanao politika sy ireo solombava-bahoaka ireo ary mijery ny tombotsoan\'ny vahoaka ry zareo .

Fa aty de hafa noho izany ,ka zay no lazaiko hoe :tsy mitovy ny any sy ny aty .Tsy hoe :tsy manao ny asany ireo mpanao politika aty ,fa ny azy aloha vao ny vahoaka .

Any aminareo de miasa tokoa ary mifanaraka @ asa atao ny karama raisina (enga anie mba ho izay) ,fa ny aty de tsy izay fa hafa koa .

Tsy hoe :tsy miasa ny vahoaka malagasy ,fa miasa tokoa ,fa tsy mifanaraka @ asa atao ny karama raisina .
Koa raha ianao no eo @ toeran\'ireo mpiasa malagasy ireo de ahoana ,ho vitanao ve ny hamerina ireo teninao ireo ? .De zay le hoe : lany rora eo fotsiny ianao mivazavaza sady efa diska vaky be zany .Miandry màna milatsaka mba hisy fiovana ry jeankely .

Tsy tompony za fa mpindrana ,hoatran\'ny anao ihany .

Misy mission ataoko zao aty dago aty ary tonga dia asa .Raha vao misy olona miatrika sy mijoro ka manantanteraka asa avy hatrany dia miaraka aminao ny malagasy mazoto sy vonona rehetra .Zavatra tsapako izany aloha hatramin\'izao ho an\'ny malagasy ary tena misy sy mitombona .Miandry olona sahy afaka hanova ny fiainany avy hatrany malagasy ,dia lasa zao ,fa tsy resaka mamendrofendro sy mampangotso toy ny anao ry jeankely.

Tsisy resaka politika ny asa ataoko aty zao ,fa zavatra hafa .
Ary izay no mbola hamerenako hoe : ny any de any ,ny aty de aty .


17. zamanoro ( 26/02/2008 19:06)
Marina izany ry Mpindrana an
Eto mijaridina 18/24h ny mpiasan'ny zone fa ny Fanjakana indray no miteny hoe "Aza karamaina lafo ireo, fa manjary tsy misy lanjany ny asam-panjakana" Izany de mba fisainana ahoana?
Miodina 24/24 daholo ny ankamaroan'ny Kaompany eto Mada saingy ny vita sinoa mbola mora ka atao ahoana.
18. tenagasy ( 26/02/2008 22:29)
Mankamamy e!

Rehefa marina dia marina, rehefa diso dia diso!
Rehefa mety dia mety, rehefa movaona dia goana!

Eto aho dia momba 100% an'i jeankely!

mpindrana: mitovy @ ampahany betsaka ny hevitrao sy i jeankely. Ny lesoka kely fotsiny: ny tsy fitovizan'ny fandehanjavatra @ an'ny hafa tsy mandiso velively ny tsy fankatoavana ny fanakiviana sy fandemena ny sain'ny olona hiezaka ataon'ireo tsy mataho-tody. Io no atsikafona etoana.

zamanoro: vakio tsara ny nosoratan'i jeankely hoe: "...manaraka ny fandrosoana sy ny fiovana..." Asan-dahalo izany kosa ve ny anao no raisinao ho fanoharana??? (@ hoe miasa andro aman'alina) Mba mahalalà re menatra eh!

Mirary soa!
19. tenagasy ( 26/02/2008 23:21)
Mankamamy!

rabingogilabanga: tsy mahalala izay tena marina sy ny fisehoan-javatra tany aho fa izao: iza no tianao: tsy nodorana fa naondrana ireo vanille; nahazo vola be ianao t@ity taona ity saingy mandritry ny 5 na 10 taona manaraka tsy mahazo intsony? (Tofoka @ vokatra ratsy ny olona)
Sa nodorana ny t@'ity dia hisonga isan-taona ny fanafaran'ireo mpanjifa?

Mba mijeré re lavidavitra e!

NB: tsy izay hoe mitsembo-dinitra rehetra izao dia hatao hoe miasa mafy ka hahita voka-tsoa maharitra avokoa!
""...KALITAO...""???

Mba mijeré re lavidavitra e!

Mirary soa
20. Jeankely ( 26/02/2008 23:37)
Fisaorana feno no atolotro ny "tena gasy" satria mifankahatratra ny hevitra. Efa nanoratra aho tery ambony hoe mitovitovy ihany ary mifanjohy ihany ilay resaka anie fa toa terena tsy hitovy satria mahasosotra i JK. Tsy nisy niresaka mihintsy hoe tsy mba mampiresaka ary tsy mba manao risoriso ny Mpanao Politika amin'ny tany hafa. Samy misy lesoka fa ny tena havoitrako dia ny andrikitrao izay tena mivaingana be. Raha maka ohatra ny fitsaboana isiaka ohatra. Madagasikara Mbola Malalaka ary tsy ampy ny isan'ny mpitsabo ary olana any @ faritra lavitra. Ny Mpitsabo lasa andafy raha mahita asa any satria karama sy fivelomana no zahavina. Ho sakanana ve izy ohatra hoe ny eto tsy ampy koa ahoana no handeha? Andraikiny io ka raha manontany azy ny any andafy hoe fa maninona no aty efa mandroso sy be mpitsabo no alehanareo nefa ny taninareo tsy ampy mpitsabo dia anjarany no manazava ny heviny. Fa kosa tsy tokony himenomenona avy andafy indray hoe mahantra ianareo ry Malagasy. Misy resaka fanjakana izay ary misy andraikitry ny tsirairay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1166