Miasa andro aman'alina ny Aziatika.Tsikera mandany andro

41. mpindrana ( 02/03/2008 10:14)
ny dingana anie misy foana ho an\'izay mivoatra e!,fa ny fahavitany sy ny ho enti-manana an\'izany no tsy mitovy .
Samy te-handroso daholo ny firenena rehetra ,fa tsy mitovy ny fiainan\'ny tsirairay .Ao ny manam-bola ka afaka manafaingana ny fandrosoany sy ny fivoarany ,ny tsy manam-bola moa dia manisa taona vao mahita sy mahavita.

Iza no tsy nieritreritra lalana tsara sy lehibe teto madagasikara hatramin\'izay ,zao vao misy fivoarana hita kely aloha .Iza koa no tsy nieritreritra fa hifampitohy @ fiaran-dalam-by daholo ny faritra enina atsy ho atsy ary hisy ny metro sy ny tramway ankoatra ny fiara natokana hitanterana olona manokana sady lehibe no tsara .
Iza no tsy nieritreritra jiro telo soratra mandrindra ny fifamoivoizana saingy tsy mbola maharaka ny fitaovana fanolo aminy izay afarana any ivelany .Iza no tsy nieritreritra .....................
Be loatra ireo fivoarana takiana eto dago saingy zay zakan\'ny tsena aloha no atao ,fa raha ny zava-baovao any ivelany tsy ho araka .
De zay no mahatonga ny fanjakana mametraka vaindohan-draharaha hafa @ fandrindrana ny vola tokony ho laniana sy ampiasaina satria tsy maharaka ny an-tanana .De eo no mahatonga ny toe-tsaina misy miova ho an\'izay tsy te-hampandroso ny taniny .
De zay no lazaiko hoe :hafa ny any ary hafa ny aty ,ary io no mahatonga ahy nanoratra tery am-boalohany hoe :hanontanio aloha ireo tompon\'andraikitra mivantana ,fa izy no tena mahay ny atiny sy hanome valiny mahafam-po anao raha tena misy zavatra manitikitika anao,ankoatra ireo lazaiko ireo satria fanontaniana mila valiny ireo atolotrao ireo .

Tsy hoe :tompon\'ny tany akory ianao ,tsy any no tiako lazaina ,fa mandalo ianao eto @ ity tany ity ary mpindrana ny fiainana iainanao ,mpindrana ny zavatra ataonao ,mpindrana ny eritreritrao sy ny vinavinanao ,noho izany rehetra tsy voatanisa izany de tokony ho tsara ny zavatra avelanao sy lovan\'ireo taranaka ao aoriana ,mba ho tsara hatrany no hifampidimbiasana satria mbola ho mpindrana ihany koa ry zareo ireo .
42. Jeankely ( 02/03/2008 14:50)
Rehefa mihindrana moa dia tokony mahay mamerina. Ny anao no efa solon'anarana ka raha samy mpindrana sahala ny laizano daholo ny olombelona dia tena hafa tokoa izany no nindramindr'i zalahy=))=))=))ka nahitany voka-tsoa.Manisika resaka Fanjakana hatrany ianao nefa izaho miala resaka Fanjakana foana koa. izaho tsy mitsara ny asan'ny Fanjakana satria tsy mahay izany fa ny asan'ny olon-tsotra, tsy miankina rehetra no resahiko. Aza miheritreritra ianao fa ianao irery no miezaka mametraka lova ho an'ny taranaka. Samy manao izany fa izay manimba no sorohana tsy ahazo laka be fa potika ny saina hentina hiady sa entina hindrana=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0512