Ka ra misy bedebe A/tra, dia iza @ ireo no tena izy??

1. badboy ( 22/02/2008 11:07)
Ireto avy ny karazan' Andriamanitra voalaza tao @ le sujet "misy ve Andriamanitra" :
Ny musulman : "Allah", prophète "Mahomet" isan'ny mpaminany koa Jésus Christ fa tsy Fils de Dieu
Ny kristianina : "Dieu", fils "Jésus-Christ"
Ny hindou : "Brahma, Vishnu et Shiva"....
Ny boudhiste : "Boudha"
Ny tsy mpino : "ny tenany"
Ny gasy sasatsasany : "Zanahary ho'zy"
Ny matérialiste : "Vola"
Ny antichrist : "Lucifer"

Ka iza ary no tena izy sy tena misy????

novalian'i soanja ny 26/02/2008 05:02
2. rabilabila ( 22/02/2008 11:43)
Ny tsy mpino : "ny tenany"

"faux" , idée reçue

Ny matérialiste : "Vola"


"faux" ,idée reçue ( raha ohatra ka ny filozofia matérialiste no tiana holazaina )

Ny boudhiste : "Boudha"


Bouddhah tsy andriamanitra


etsetra etsetra....
3. badboy ( 22/02/2008 12:18)
"Faux" oz'izy!!:wink::wink:
Ka iza ary no tena izy @ reo ambiny????:-P:-P
4. booboo ( 22/02/2008 12:27)
andramo ka izahao fa tsy ho fantatra eny ihany ve hoe iza no izlay aminy ?
5. rabilabila ( 22/02/2008 12:45)
badboy:

"Faux" oz'izy!!:wink::wink:
Ka iza ary no tena izy @ reo ambiny????:-P:-P


Ka any amin'ny définition-n'ilay andriamanitra dia efa misy idées reçues bediabe ,ko inona no avaly amin'izany ?
Apetrao mazava aloha ilay definition dia avy eo ho hita ny valintenin'ny tsirairay ;fa ity aho eto fa arakarany ilay valinteny ,satria ny fivavahana sasany miainga amin'ny dogme= tsy misy alaharo alaharo fa izay izany et ctout hoy ilay ranamana izay:wink:


6. cutie ( 22/02/2008 12:55)
rabilabila
ekena tanteraka:-D:-D:-D:-D
7. mmmhh ( 22/02/2008 13:58)
andriamanitra izany dia be de be, fa iray ihany no marina;
Ary io arakaraky ny finoanao no hilazanao fa itsy na itsy no marina, ny hindou na ny musulman ohatra tsy hino velively fa Jehovah no Andriamanitra, na koa hoe Jesosy;
fa rah zà no anontanianao @ maha-kristianina ahy de Jehovah no Andriamanitra Marina amiko. Izy irery ihany no Andriamanitra mety afaka hamonjy ahy;
8. todisoa2 ( 22/02/2008 14:36)
n fnonao n hahavonjy anao babany e! =))
9. ikaretsaka ( 22/02/2008 14:55)
izay ...
ny finoanao no mahavonjy anao fa na firy ny eo na firy de...
10. todisoa2 ( 22/02/2008 15:21)
d mlay jiaby. Ihafio fa io no iz e..=))=))=))
11. ikaretsaka ( 22/02/2008 15:36)
raha mino an'i vishna ianao dia izay izany, raha mino ianao fa izany allah izany dia izay izany.. raha mino ianoa fa tsy misy izany Jesoa iznay fa atao fika jiosy hoe A/tra tsotra dia izay izany, Raha mino ianao fa Zanahary sy ny razana sns.. dia izay izany.
Ary io arakaraky ny finoanao no hilazanao fa itsy na itsy no marina, ny hindou na ny musulman ohatra tsy hino velively fa Jehovah no Andriamanitra, na koa hoe Jesosy;

le hoe marina dia tena relatif kokoa.. satria ny marina amiko tsy voatery ho marina aminao..
12. Veloo ( 22/02/2008 15:53)
Mora ny valony:
Hoy Andriamanitra: "Aza manana andriamani-kafa afa TSY IZAHO IHANY". (teboka)
13. ikaretsaka ( 22/02/2008 16:42)
ka ilay "izaho" izao eto dia efa miveeeeeeeeelatra be
samy manana ilay "izaho lazainy" avy ny fivavahana tsirairay
ohatra hoe ny 3 lahy (Silamo. Jiosy, ary ny Kristianina) manaraka an'io aby!
saingy .... samihafa ny fijeriny azy
14. badboy ( 22/02/2008 17:23)
ny finoanao no mahavonjy anao fa na firy ny eo na firy de...

raha mino an'i vishna ianao dia izay izany, raha mino ianao fa izany allah izany dia izay izany.. raha mino ianoa fa tsy misy izany Jesoa iznay fa atao fika jiosy hoe A/tra tsotra dia izay izany, Raha mino ianao fa Zanahary sy ny razana sns.. dia izay izany.


Tsy ekeko tanteraka!! Aona kou zany, ny fototry ny ratsy sy ny tsara ary ny afobe sy ny fanjakan'ny lanitra dia ny fahasamihafan'ny hoe itsy no tena andriamanitra tena izy sy ny hoe tsizy!:idea::idea:

Raha ireo kôzy eo ambony reo nefa de oe "na iza na iza inonao dia mitondra anao any @fanjakan'ny lanitra"!8-)8-)

Tsy mitombona!^^^^
15. ikaretsaka ( 22/02/2008 18:02)
de nenao izany le finoana exclusivite koa! tsisy maharatsy izay afa tsy ny hoe avelao kao ny sasany hivelona amin'izay inoany (na tsy inoany)

izay ilay heo samy manan any heveriny ho andriamanitra.. eo aloha dia samy efa samihafa

ny hiraisana aloha iznay samy mino ireo hoe misy hery anankiray tsy taka pesipesenina namorona azy ( io ilay Atra...hatreo iraisana ) fa ny azy mety tsy izany fototry ny ratsy sy ny tsara iznay, ny azy mety tsy misy iznay afobe sns izany...
Raha izay resaka izay dia efa samy manana ny finoany @ izany

ny fanjakan'ny lanitra aminao mety hafa aminy sns sns..

ny hiteny heo iza no tena Izy sy tsy izy dia sarotra be... satria tsy nisy efa tany marina dia ni demontrer hoe ity( exclusively) no izy... ny any @ lafim-pinoana hafa tsy fantatrao kao tsy hainao ka avelao hilamina toy izay iny koa tany izy hanao heo ny azy no marina fa izy koa avy any @ izay heveriny ho lanitra any ... de ady tsy vita no hiafarany
16. badboy ( 22/02/2008 18:11)
de nenao izany le finoana exclusivite koa



ny fanjakan'ny lanitra aminao mety hafa aminy sns sns..


Tsy any baba ah! Mampifangaro ny akoho sy ny vorona zany kozinao zany! Sady manisy efitra maro ilay atao hoe fanjakan'ny lanitra, nefa ilay hoe fanjakan'ny lanitra iray!:idea::idea:
17. ikaretsaka ( 22/02/2008 19:03)
ka eo @ ilay hoe fanjakan'ny lanitr'iza no marina.... eo no olana baba a

satria ireo rehetra ireo dia samy milaza ho mahita fanjakan'ny lanitra aby!

raha manao ianao hoe ny anao irery na izaho manao hoe ny anahy irery dia efa tsary any izay fa efa mi impose...
maninona no rehefa ny silamo no manao ohatra hoe ny azy ireny dia tsy mety fa rehefa anao de mety?

18. booboo ( 22/02/2008 19:19)
eka ouz ! dia miverina @ valin-tenin-dRabilabila etsy ambony lay raha ....
19. pissoa ( 22/02/2008 19:30)
badboy:

Ireto avy ny karazan' Andriamanitra voalaza tao @ le sujet "misy ve Andriamanitra" :
Ny musulman : "Allah", prophète "Mahomet" isan'ny mpaminany koa Jésus Christ fa tsy Fils de Dieu
Ny kristianina : "Dieu", fils "Jésus-Christ"
Ny hindou : "Brahma, Vishnu et Shiva"....
Ny boudhiste : "Boudha"
Ny tsy mpino : "ny tenany"
Ny gasy sasatsasany : "Zanahary ho'zy"
Ny matérialiste : "Vola"
Ny antichrist : "Lucifer"

Ka iza ary no tena izy sy tena misy????





:-D:-D:-D
efa voalazanao ihany : samy manana ny valiny !!!
20. badboy ( 22/02/2008 19:56)
Hoy i pissoa:
efa voalazanao ihany : samy manana ny valiny

Aminao zany tsy 1 ihany ilay hoe Andriamanitra Andriananahary fa izy daholo reo!8O8O

Ny tsy mpino : "ny tenany"

Enao koa zany afaka milaza ny tenanao hoe Andriamanitra raha izany no izy!8O8O8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1049