Ka ra misy bedebe A/tra, dia iza @ ireo no tena izy??

21. pissoa ( 22/02/2008 20:11)
Aminao zany tsy 1 ihany ilay hoe Andriamanitra Andriananahary fa izy daholo reo!

Nope!!!

Amiko dia i Andriamanitro ihany no Andriamanitra :-P

Fa raha hanontany eto amin'ny forum ianao hoe iza no tena izy dia siora fa samy hanana ny valiny avy ny olona. :-D:-D:-D
22. fijo ( 22/02/2008 20:32)
ie samy marina de samy diso koa.
samy marina satria samy mino ny azy,ary samy diso satria samy manaratsy izay tsy inoany
23. badboy ( 22/02/2008 21:16)
e samy marina de samy diso koa.
samy marina satria samy mino ny azy,ary samy diso satria samy manaratsy izay tsy inoany


Voa may loza! Na ny 1 : zany hoe diso daholo, na ny 1 : zany hoe marina daholo, fa tsy sady diso ny marina zany!

Satria raha marina daholo de izy daholo zany reo fa tsy tokana 1 ilay hoe Andriamanitra!

Raha diso daholo dia minomino foana daholo zany!8)8)8)

Ka iza ihany zany no tena izy???:roll::roll::roll:
24. fijo ( 22/02/2008 21:22)
ka tsy mbola nisy nahita io ry bad an.noho izany dia samy hafaka hino izay hinoany aby ary samy hafaka tsy hino
25. badboy ( 22/02/2008 21:42)
Ka tsy mampirisika ny "musulman intégriste" ve zany filazanao azy zany!

Satria nahoana??! Dia satria izireo dia milaza fa ny ankoatran'ny musulman de "infidèle" ka mendrika ny ho vonoina ho faty!!8-)8-)8-)

Antony manaraka : dia torak'izay koa ny lazain'ny protestanta hoe ny katôlika tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra!:roll::roll::roll:

26. fijo ( 22/02/2008 21:43)
ny ratsy dia ilay miditra amin'ny hafa.fa rah asamy mino izay hinoany di amanaj any hafa ,milamina io
27. ikaretsaka ( 22/02/2008 22:34)
Izay!

(booboo:wink: hihihihi)
28. badboy ( 22/02/2008 22:45)
De hodina fanina zany ny zavamisy, nefa hita mivandravandra any dago fa misy combat entre ny katô sy ny protestant, de ny eran'izao tontolo izao ny combat aton'ny musulman @ tsy musulman!
^^^^
Manitsy be fotsiny le valiteninao sady tsy mamaly ilay fanotaniana satria ny fototry ny ady @ zao (musulman c/ reste du monde ; katô c/ protestant ; croyant c/ non-croyant ou scientifique......) de io filazana ataon'ny tsirairay io hoe ny anay no milay!:idea::idea:
29. ikaretsaka ( 22/02/2008 22:52)
dia ny fanafoanana ny ady izany dia tsy ny fanaovana ny hoe "ny anay no milay"
fa jereo ny forotr'ady anie fa "ny anay no milay" sy "zahay rery ihany no tena bob"
e!
U just brought the answer before the question:wink:
30. badboy ( 22/02/2008 23:45)
ikaretsaka >> k'inona zany ny manakana ny rehetra tsy hino ireo A/tra bedebe reo fa ilay tokana 1 inony ihany no lazainy fa bonne (it's a reality)?:?::?:
31. ikaretsaka ( 23/02/2008 00:22)
ny fananana misafidy
32. cutie ( 23/02/2008 00:30)
god is too big for just one religion :)
33. soanja ( 23/02/2008 02:33)
cutie:

god is too big for just one religion :)


Namaste! Tena ilaindry tokoa ve ny fampianarana momba ny Bodista? Misy fahendrena be dia be ary mafonja io finoana iray io ary azoko antsaina fa raha nahita an'io ny Malagasy dia nilamina isika.

Ny olana kely fotsiny dia tsy misy Andriamanitra aminy satria ny bodisma manko tsy tena hoe finoana fa fitsipi-piaina arahina. Ka azo atao tsara ny mampifemeno an'ireo amin'ny fiainana Xtianina.




34. cutie ( 23/02/2008 03:04)
serieux zany ry soanja
fa omeo raha misy any @ njy :)
35. LazaDaddy ( 23/02/2008 05:14)
badboy:
Ka ra misy bedebe A/tra, dia iza @ ireo no tena izy??
"Tena izy" ahoana? :)
36. Rasiligaoma ( 23/02/2008 06:30)
velabelaro hono ilay hoe tena izy fa tsy misy mahazo o
37. niryna ( 23/02/2008 07:03)
booboo:

andramo ka izahao fa tsy ho fantatra eny ihany ve hoe iza no izlay aminy ?


=D=D


badboy:

Tsy ekeko tanteraka!! Aona kou zany, ny fototry ny ratsy sy ny tsara ary ny afobe sy ny fanjakan'ny lanitra dia ny fahasamihafan'ny hoe itsy no tena andriamanitra tena izy sy ny hoe tsizy!

Raha ireo kôzy eo ambony reo nefa de oe "na iza na iza inonao dia mitondra anao any @fanjakan'ny lanitra"!

Tsy mitombona!
=D=D

Veloo:

Mora ny valony:
Hoy Andriamanitra: "Aza manana andriamani-kafa afa TSY IZAHO IHANY". (teboka)
^:^^:^ Eks 20:3

ikaretsaka:

raha mino an'i vishna ianao dia izay izany, raha mino ianao fa izany allah izany dia izay izany.. raha mino ianoa fa tsy misy izany Jesoa iznay fa atao fika jiosy hoe A/tra tsotra dia izay izany, Raha mino ianao fa Zanahary sy ny razana sns.. dia izay izany.
:roll:

=))=)) ka tsy mampianatra ny famonjena izany fa mino fotsiny izay safidy avy.Ho an'ireo hafa ireo aleo izy mba hilaza izay tanjony koa e,tsara izany ,fa aleo hiteny ny azy izy.
Ny ahy dia i kristy Irery Ihany ,any Aminy Irery ihany no misy ny Famonjena,voasoratra ao anaty baiboly izany ary izay mino no hovonjena fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka sahady hoy ny soratra masina.Ka mitady famonjena izany izy dia malalaka ny varavarana ,miandry antsika rehetra i kristy.
o^o [b] Jesosy Irery Ihany filazantsara soa,ny Anarany Irery no fanavotana a.Ny olona rehetra no andohalika,ety an-tany kkkkkkkka hatrany an-danitra o^o

Raha kristiana dia Atra Iray Ihany ary hoy ny soratra masina hoe 1 Tamin'ny voalohany [b]ny Teny
, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.Jaona 1:1-4,14


6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Jaona 14:6


Dia io izany no Andriamanitray kristiana...(Telo Izay Iray dia ny Ray ,ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.


38. niryna ( 23/02/2008 07:05)

Misaotra anao izahay ry Fanahy Masina noho ny fampianaranao anay,ny fiarahanao anay,ny fanitsianao anay andeha amin'ny fahamarinana ,eny na dia manao ratsy aza izahay dia avilinao andeha amin'ny lala-mahitsy hatrany ary ampahatsiahivinao.
Dera sy laza ary hery anie ho anao ry Ray ary ny fahasoavanao anie ho anay tsirairay avy.Vonjeo ireo izay mbola ao anaty maizina ka tsy mahalala anao ,na mahalala fa minia manda anao.
Amena
39. Rasiligaoma ( 23/02/2008 07:30)
amena inona kay ry niryna?
40. Rasiligaoma ( 23/02/2008 07:40)
ary raha ity hono ka namaly io fanahy masian atsoantsoin'i niryna io hoe ireo heverinao ao anaty maizina ireo anie ka mahalala fa saingy amin'ny fomba hafa fa ianao aza no mbola ao anaty maizina ka hifamonjena izao.. dia ahoana no havalinao??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0099