Ka ra misy bedebe A/tra, dia iza @ ireo no tena izy??

41. badboy ( 23/02/2008 10:21)
Reo ambony reo zany dia milaza afy fa ny kristianina ihany no ho voavonjy!!
De aona zany ny "musulman" tsy mino ny fisian'ny fanahy masina fa "allah" ihany?? Ny "juif" zay tsy mino oe "Jésus est le messie" satria aminy dia mpaminany fotsiny (tahaka ny musulman), nefa ny "juif" dia voalaza ao @ baiboly hoe "peuple de Dieu"???

Tsy zay fomba fanavakavahana zay njinja ve ilay matonga ilay "usrenchère" ka miafara @ fanambarana hoe ny anay ihany no milay!!!

Dia ra ireo rehetra ireo no atambatra dia marina zany ny ataon'ny "musulman" manao guerre sainte satria izy koa mba te hampiseho hoe ny azy ihany no marina???
42. booboo ( 23/02/2008 11:26)
Tsy zay fomba fanavakavahana zay njinja ve ilay matonga ilay "usrenchère" ka miafara @ fanambarana hoe ny anay ihany no milay!!!

cf valin-tenin'Ikaretsaka sy Fijo ao ambony² ao
god is too big for just one religion

eka ouz !
43. soanja ( 26/02/2008 04:59)
Izao no voalaza tao anaty baiboly izay milaza ny fisian'ny Andriamanitra be dia be saingy ny Andriamanitry ny Israely izany no hofidiantsika hotompoina satria io no voasotra. Sa ahoana hozy nareo?

Josoa 24:14- 27

14 Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah.

15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.

16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.

17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny làlana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.

18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.

19 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah hianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.

20 Raha mahafoy an'i Jehovah hianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.

21 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.

22 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo hianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny, vavolombelona izahay.

23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny fonareo.

24 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.

25 Ary dia nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.

26 Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.

27 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo hianareo.


Ka izay le izy rey olona asa na mahalaza ilay Andriamanitra Tompoinareo io voalaza eo ambony io..


Voalaza ao fa misy ny Andriamanitra hafa fa tsy tokan akory ilay Andriamanitra fa izay safidinareo ho tompoina no ho Andriamanitrareo. Tsy izay?

Noho izany tsy tokana zany ny fahafantarana ny fisian'Andriamanitra.

Ankoatr'izay koa dia nisy ny resaka vato natao fahatsirovana sns ... ahoana ny hevitrareo momban'io? natao hotompoina koa ve zany io sa natao ho fahatsiarovana? Inona no mahasamihafa an'io sy ny hafa zavatra hafa natao ho fahatsiarovana fa nisy ny fifenekana? Sampy ve ny lakroa? Sampy ve ny kintana sy ny volana ary ny masoandro raha mitopy any an-danitra ny masonao ka mivavaka ianao mangataka hiresaka amin'Andriamanitra?

Inona moa no atao hoe sampy?
44. soanja ( 26/02/2008 05:02)
Ahoana ny fahitanareo io soratra Josoa 24:19-20 io?

19 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah hianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.

20 Raha mahafoy an'i Jehovah hianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3042