Ombay mitady ny firaketana andro malagasy

1. Ralipo ( 13/02/2008 14:27)
Misy fikarohana ataoko ry zareo a! Mila mampifandray ny calendrier Grégorien amin'ny fanisana andro malagasy aho amin'izany, ny olana anefa dia tsy manana tahiry na Alimanaka ny tenako ka ze afaka manampy isaorana dieny mialoha, ny faritr'andro ilaiko indrindra dia tamin'ny andron'ny fanjanahantany, izany hoe taona 1896 no makaty amin'ny taona 1960. Aleo asiana ohatra le izy, tsy maninona fa vao daty tsy ela ity ataoko ohatra ity:
1 alahamady 2004 = 16 mars 2004
na
15 alahasaty 2004 = 3 aout 2004.
Dia mbola mamerina ny fisaorana sahady anareo tsara sitra-po afaka manampy
2. saho ( 13/02/2008 14:53)
mpamadika ....tsy mila hahely boky ny miafina malagasy....mandehana mpisikidy na ombiasy na izay olona milaza hoe mahay ody gasy sy manandro fa tsy hanome anao ny fomba miafina malagasy izy ataonao fitadiavambola aty ivelany ireny

bonne chance @ izay atao
bye
3. rongisa ( 13/02/2008 15:43)
Tsy olana io ra-zoki, na hataony fitadiavambola aza: izao anefa:
-Ny malagasy tsy ao afovoantany ihany (raha jerena io ohatranao io), donc: aza manao abus, na appropriation simplifiée
-Itadiavo vola,le izy saingy aoka hiaraka @ izany koa ny fampahalalanao ny tena ventiny @ ny culture gasy
-vonona aho hiaraka aminao, fasaingy aoka samy mba hanana an'ilay droit d'auteur, na i toi na i moi.

ka alefaso ary ny projet ny toi, sy ny cahier de charges e.

ny mail -ko: alefaso @ serasera
4. veromahefa ( 13/02/2008 16:03)
Manahirana ny manonona anaran'olona eto fa ilay rangahy namorona ny Alimanaka malagasy dia fantatro tsara,satria niray tanàna taminay!
Ary io fanisana andro malagasy io dia mety misy idiran'izay mpisikidy sy ombiasy sns... fa tsy haiko zay fampiasany azy any!!!!
Natao hoa 'ny besinimaro koa anefa izy io satria dia amidy soa aman-tsara eny am fivarotam-boky mahazatra ka afaka mijery izany ny tsirairay.
Tsy sarotra vakiana koa satria misy fanazavana ary afaka jerena hatramzay taona ela indrindra tianao ho fantatra !
Raha mahaliana an'i Ralipo dia alefako any aminao ny adiresiny

5. menalamba ( 13/02/2008 21:02)
Mandehana ao Tsaralalana ,ao @ tahirim-boky nasionaly ,eo anelanelan'ny misy ny Hotel de police sy ny paosita dia manontany ilay ramatoa tompon'andraikitra ao ianao (asa aloha raha mbola izy no ao) fa mino aho fa ho hitanao ao daholo izay ilainao satria izaho nisy "archives" tsy nantehaiko ho hitako intsony mbola itako tao ihany .Mahereza
6. ikaretsaka ( 13/02/2008 22:53)
misaotra an'i Menalamba.. iaho vao saika hiteny
7. ikaretsaka ( 13/02/2008 22:54)
ary tadidio fa tsy ny mpimasy ihany no mpijery andro fa na ianao aza mijery meteo
8. Ralipo ( 14/02/2008 06:49)
Ekena jiaby, mafinaritra fa samy manana ny fandraisany azy tokoa ny loha-hevitra alefa eto an! Fisaorana aloha ho an'ny tompon'andraikitry ny takelaka, isaorana koa ianareo nanoro sy naneho hevitra satria tokoa mantsy teti-andro Malagasy "Calendrier" no tena ilaiko ary ataoko fa amin'izao vani-potoana ny fanatontolona zao tsy atao fitadiavam-bola ny "Calendrier" fa ohatra ny fitaovana fandrefesana sy famaritana rehetra ihany, saingy noho izy ity miavaka satria miova araka ny Volana no tena mahasarika ahy.
Misaotra e!
Farany: Avy amin'ny tantara no ahafahana manoritra ny ho avy, fa tsy avy amin'ny mpilalao ny tantara.
9. ikaretsaka ( 14/02/2008 16:25)
Entre pa aloha ho an'izay mahay:wink::wink::wink: volana inona kay isika izao amin'ny malagasy?
10. xxx ( 14/02/2008 16:39)
Ralipo io ve any Dago sa ivelany. Raha Dago moa dia vao mainka bobaka be, idd am'ireo famakiamboky tranainy misy ny tahiry ireo. ohatra Eny Ambatoroka ao amin'ny ICM nanana ireo boky tranainy maro be mitahiry ireny fomba amam-panao ireny. Nanao io koa manko ny tenanay fa tao anaty taranja fa tsy fandalinana manokana, izay niresahana ny datin'andron'ny silamo sy ny jiosy.
11. Ralipo ( 15/02/2008 11:28)
Raha ny fahalàlako aloha dia "alahasaty" isika nanomboka ny faha 7 ny volana teo, hitanareo tsara ny maha-hafa kely ity teti-andro malagasy ity, jereo anie ery ambony fa volana août ny alahasaty tamin'ny taona 2004, fa zao ny olana amiko tsy haiko hoe faha-firin'ny volana isika zao :roll: Mazotoa daholo fa ilazako ianareo rehefa mahita hevitra azon'ny be sy maro apesana ity teti-andro malagasy ity e! Fa zany akory tsy midika hoe hisalovana ny asan'ny mpanandro an!
12. ikaretsaka ( 15/02/2008 14:21)
tokony mba misy manao an'io online tsara kosa e... ireo formticien sns ireo ohatra
13. Cybergasy ( 16/02/2008 14:40)
Anontanio Benoà aloha e!
Zavatra efa t@ 20 taona lasa ve izany no nampianarina dia ho tadidy intsony ka inona no hapetaka online eto
14. Ralipo ( 18/02/2008 08:25)
Ka eo mintsy isika zao ry zareo a! Tsy azo tsatotsatohana le izy na atao resaka théorique fa ilaina fototra tsara, indrindra ny fahalalàna sy fifehezana ny "cycle lunaire" tao anatin'ny taona maro mba tsy hitenenana hoe hatramin'ny niatombohan'izao tontolo izao, dia ilaina fantarina koa hoe misy fiverimberenana ve sa miova fona araka ny taona io ?
15. Kwasi ( 18/02/2008 19:11)
Mahaliana
16. Ralipo ( 19/02/2008 14:18)
Mametra-panontaniana indray aho eto sao misy mety mahavaly hoe : Mitovy ve ny fomba fanisan'ny Malagasy andro sy ny fomba fanisan'ny Arabo andro, ity faharoa mantsy efa lasa lavitra ? Zany hoe mety hakana fototra ve raha mitovy ?
17. soanja ( 23/02/2008 04:57)
Nahita valiny ihany ve ianao sa mbola mitady? Raha nahita anie azafady dia mba zarao.

Afaka manome ny ambangovangony momba ny fanisan'andro Malagasy aho ary ahoana ny fiantraikany amin'ny fiainana.

Teneno aho raha mahaliana anao izany. Misaotra.
18. Rasiligaoma ( 23/02/2008 07:36)
fa hono ho'aho .. volana inona tsara isika izao raha volana malagasy? vao tsy ela ny alamahadibe koa alasahaty sahady?
19. Ralipo ( 26/02/2008 11:04)
Mbola eo ampitadiavana mihintsy isika izao e! Marihiko eto aloha fa "calendrier" no tena mahaliana ahy satria iny dia fitaovam-pandrefesana andro, fa ny tonon'andro kosa aloha aleo ho an'ny efa mahay azy. Ny tiako atongavana zany dia raha manokatra ilay "teti-andro" ianao de afaka manana "calendrier" misy dika-teny frantsay na anglisy na malasasy
20. booboo ( 26/02/2008 11:35)
HS, fa inona aby ny anaram-bolana @ malagasy ?

Mahaliana dia mahaliana ilay " teti- andro " ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6958