Ny renikely:misy tsara fanahy kosa sa ratsy daholo?

1. niryna ( 07/02/2008 07:18)
Maninona no atao fanoharana foana ry ireto ny renikely?
Masika toa renikely!
Dia masika daholo tokoa ve izy ireny sy manao filana mitanila raha manan-janaka izy no tafiditra ao amin'ilay tokan-trano?
Nisy tantara toy izao:maty ny vadin'ity rangahy dia nanambady izy ary dia samy nanana zanaka avy izy mivady.
Isaky ny miady izy mivady dia mitondra entana mivoaka foana ilay ramatoa,afaka iray volana dia mody dia manjavona ny entana noentina tany amin'ny zanany.Toy izany hatrany no mitranga.
Rehefa tonga ny havan'ilay ramatoa dia mamono akoho foana izy ary ireo zana-badiny dia ampitombona ny ranombary fa ny fatran'ny vary tsy miova,ny ron'akoho no hinana ilay varisoa .
Rehefa mifana ny havan'ilay ramatoa dia fefena ny trano fa mangatsiaka hono ,ary ny an'ilay zana-bady tsy mba natao an'izany.
Maty ny zanafikelin'ilay ramatoa ary dia hoy ilay zana-badiny hoe ny iray tahin'Atra ,ny iray tahin'olombelona.
Misy manana tantara ve miresaka ny renikely? Tsy ho voatery asiaka daholo a ?
misaotra mialoha
2. endrika01 ( 07/02/2008 07:52)
Renikely!
3. endrika01 ( 07/02/2008 07:58)
niryna:

4. jiolah ( 07/02/2008 13:09)
le anay tsy masika fa tsara fana de mbola tanora kely otranay ihany:wink: sady msarma be fa miandry an'dadanay ande tourne fotsiny zao.:-D:-D:-D:^)
5. ikaretsaka ( 07/02/2008 18:33)
misy niece keliko ko izay koa any M/kara fa ny renikeliny aza tia azy nohon'ny tena reniny..
6. tess ( 07/02/2008 19:29)
raha izaho aloha no lasa renikely izany ! tsy hitako izay hanaovana toetra tsy mendrika....tssss io lay saina no mahatonga io ! malaza fa ratsy toetra ny renikely dia atao mi s'adapte amzay foana ny toetra izany hoe forcéna ho ratsy foana ny toetra mankàny am zaza....
fa tandremo fa misy ny zanakely koa no tena mandoza an!
7. Veloo ( 07/02/2008 20:53)
ilay izy ko anie mi-dependre ny fandraisan'ny ankizy e... oe masika ilay renikely satria tsy mifanaraka an;'izay tian-drizareo.

Fa misy mihitsy aloha ny masiaka e, ny renikely taloha no tena masiaka beuuu hihihihih
8. tess ( 07/02/2008 21:07)
tanjemo fa misy koa ny raikely masika an!
taty aminay zao nisy vazà vosambotra ny police fa nampiojaly ity zanakeliny:?
9. xxx ( 08/02/2008 02:21)
zah renikely fa tsy masiaka ratsy ! vavy tokana ny zanakin\'ny vadiko (nisara-panambadiana) ary izaho tsy manana (ary mbola tsy nanambady talohan\'io). amiko tena faharatsian-toetra ilay fahasiahana (ilay tena hoe masiaka ratsy amin\'ilay zana-bady satria hoe zana-bady na hoe satria renikely dia tsy maintsy manindrinindry...)! asa anefa raha misy sentiment mety tsy ho voafehy raha hoe manan-janaka aho ?

efa niaraka tamin\'olona nanan-janaka aho talohan\'ny nanambadiako fa nivoadivoady ny tsy hanambady na hiaraka @olona mananjanaka intsony tamin\'izay fa lasa \"renikely somary nasiaka\" : kirikiriana izany noho ny toe-javatra maro ka lasa manana toetra sy eritreritra tsy ampoizina tsindraindray eny ! ny conclusion-ko dia miankina betsaka amin\'ilay vady/ray ilay izy, raha ny ahy aloha !

izaho aloha tsy manana olana amin\'io fa mifankatia fatratra izaho sy ny zanaky ny vadiko (toa izay koa ny fifandraisany amin\'ny reniny)fa ny ahy ny tena tsy azoko dia ilay hoe \"zaobavy\" ! ilay zaobavy avy amin\'ny anadahy io ! ny zaobaviko ohatran\'ny mila ady zany foana !! dia rehefa nanambady kosa aza aho dia mahatsiaro manao ilay toetran\'ny zaobaviko amin\'ny anabavin\'ny vadiko! fa maninona ?
10. mitia04 ( 08/02/2008 04:45)
io arakarak'ilay renikely , misy renikely te-hahazo ny fitiavan'ilay vadiny samirery d te-hi-debarasser an'ilay zaza, d manao fananiana masiaka izy, io ko misy zaza mialona anlé fitiavana omen'i dada an'ilay renikely izay fitiavana tokony ho azy sy ilay tena reniny, d mamingavinga azy, d raikitra eo fona ny géra, d ny matetika mahatsara fanah an'ilay renikely ndray d ohatra d mitovy amin'io am'i jiolah io, bogôsigôsy ny zanak'i dada d mody manao tsara fanahy nenikely, d sady petahana i dada no petahana ny zanany!:-D:-D
fa misy ihany ny tsara fanàh ho azy a, otran'i xxx fa rare be
hevitro manokana iny
11. niryna ( 08/02/2008 07:51)
jiolah:

le anay tsy masika fa tsara fana de mbola tanora kely otranay ihany:wink: sady msarma be fa miandry an'dadanay ande tourne fotsiny zao.:-D:-D:-D:^)

:D
12. niryna ( 08/02/2008 07:53)
ikaretsaka:

misy niece keliko ko izay koa any M/kara fa ny renikeliny aza tia azy nohon'ny tena reniny..

Izany anie hoy aho e,misy renikely tsara fanahy,fa misy koa loza be.Ny azy ihany dia izay,manao fitsarana mitanila.
Mahita aho fa samy maty vady izy roa dia nivady izy dia nitondra ny ankizy ao an-tokantrano avy fa miaraka be ilay ankizy.

13. niryna ( 08/02/2008 07:54)
tess:

raha izaho aloha no lasa renikely izany ! tsy hitako izay hanaovana toetra tsy mendrika....tssss io lay saina no mahatonga io ! malaza fa ratsy toetra ny renikely dia atao mi s'adapte amzay foana ny toetra izany hoe forcéna ho ratsy foana ny toetra mankàny am zaza....
fa tandremo fa misy ny zanakely koa no tena mandoza an!

marina izany.

14. niryna ( 08/02/2008 07:55)
Veloo:

ilay izy ko anie mi-dependre ny fandraisan'ny ankizy e... oe masika ilay renikely satria tsy mifanaraka an;'izay tian-drizareo.

Fa misy mihitsy aloha ny masiaka e, ny renikely taloha no tena masiaka beuuu hihihihih

angaha misy taloha sy ankehitriny izany ny toetra ? :D

15. niryna ( 08/02/2008 07:57)
tess:

tanjemo fa misy koa ny raikely masika an!
taty aminay zao nisy vazà vosambotra ny police fa nampiojaly ity zanakeliny:?

Izaho koa vao saika hiteny,fa matetika toa tsara fanahy foana ny ray kely.Ny zava-doza dia misy sahy mametaveta
ny zana-bady izy ireo.Kanefa rehefa ho :evil: aza na dia ny ray niteraka izao aza misy :evil: manao an'izany
16. niryna ( 08/02/2008 08:04)
xxx:

zah renikely fa tsy masiaka ratsy ! vavy tokana ny zanakin'ny vadiko (nisara-panambadiana) ary izaho tsy manana (ary mbola tsy nanambady talohan'io). amiko tena faharatsian-toetra ilay fahasiahana (ilay tena hoe masiaka ratsy amin'ilay zana-bady satria hoe zana-bady na hoe satria renikely dia tsy maintsy manindrinindry...)! asa anefa raha misy sentiment mety tsy ho voafehy raha hoe manan-janaka aho ?
xxx a arakaraky ny toetra novolenao taty aoriana io no fahalalako azy,mety tia an'ilay vadinao hianao,mety mbola tsy manan-janaka ihany koa,kanefa tsara ho anao sy ho an'ilay zaza nanankina ny fony taminao ny mitaiza azy amin'ny fitiavana toy ny nanaovanao azy hatrany.Ho hitanao ny fitiavany iza zandrikeliny ho avy eo.Toa manenjika koa ny eritreritra raha hoe notiavina ilay zaza dia avy eo hialana moramora,misy fiantraikany amin'ny fiainany izany,indrindra fa hianao no nataony solon-dreniny taty aoriana,ka raha sanatria mivadika aminy hianao dia mety tsy ho tia olona intsony izy na tsy mety hiteraka fa matahotra ny hitaiza zanaka.
asa aloha fa eritreritro io an

17. niryna ( 08/02/2008 08:12)
xxx:

efa niaraka tamin'olona nanan-janaka aho talohan'ny nanambadiako fa nivoadivoady ny tsy hanambady na hiaraka @olona mananjanaka intsony tamin'izay fa lasa "renikely somary nasiaka" : kirikiriana izany noho ny toe-javatra maro ka lasa manana toetra sy eritreritra tsy ampoizina tsindraindray eny ! ny conclusion-ko dia miankina betsaka amin'ilay vady/ray ilay izy, raha ny ahy aloha !

izay anie hoy aho no lazaiko e,miankina ny fiarahanao ilay olona koa io,sy ny fitiavany sy ny anao dia manjary tianao na halanao ilay zaza tsy manantsiny :D
xxx:

izaho aloha tsy manana olana amin'io fa mifankatia fatratra izaho sy ny zanaky ny vadiko (toa izay koa ny fifandraisany amin'ny reniny)fa ny ahy ny tena tsy azoko dia ilay hoe "zaobavy" ! ilay zaobavy avy amin'ny anadahy io ! ny zaobaviko ohatran'ny mila ady zany foana !! dia rehefa nanambady kosa aza aho dia mahatsiaro manao ilay toetran'ny zaobaviko amin'ny anabavin'ny vadiko! fa maninona ?

io dia arakarany na avy amin'ny vadinao na hianao izay zaobavy avy amin'ny anadahy.
Misy olona tonga dia tsy mahay miaraka fotsiny ,tsy mitovy ny tady lokanga,hianao miankavia izy miankavanana.Misy anefa dia toy ny mpirahavavy raha mahay mifandray hatramin'ny voalohany.Misy koa ny hoe satria fony mbola kely dia niaraka be izy mianadahy avy ka rehefa nanambady ilay rangahy dia mbola tadiaviny hiaraka be toa io ihany dia tsy azony dia ilay ramatoa no ataony mamay.Misy koa hoe miadana ilay ramatoa fa izy tsia dia miteraka fialonana.Arakarany io ka.Samy tsy misy mahazo daholo isika na inona no antony fa hianao ihany no mahita ilay toetra mahatonga an'ilay olona.Ny tena tsara sy ny faniriana anefa dia miaraka hatrany,mifampizarana ny manta sy ny masaka,tsy manao arina an-tava,mifankatia.Saingy indrisy misy foana io ary tsy ho foana fa tsy maintsy misy maningana izany ny fiainana.Na ray amandreny na zanaka na vinanto na rafozana na ny mpiray tampo .

18. niryna ( 08/02/2008 08:14)
mitia04:

io arakarak'ilay renikely , misy renikely te-hahazo ny fitiavan'ilay vadiny samirery d te-hi-debarasser an'ilay zaza, d manao fananiana masiaka izy, io ko misy zaza mialona anlé fitiavana omen'i dada an'ilay renikely izay fitiavana tokony ho azy sy ilay tena reniny, d mamingavinga azy, d raikitra eo fona ny géra, d ny matetika mahatsara fanah an'ilay renikely ndray d ohatra d mitovy amin'io am'i jiolah io, bogôsigôsy ny zanak'i dada d mody manao tsara fanahy nenikely, d sady petahana i dada no petahana ny zanany!:-D:-D
fa misy ihany ny tsara fanàh ho azy a, otran'i xxx fa rare be
hevitro manokana iny
misy tokoa io fiainana io ary misy koa ny ataon'ny ray kely ny zana-badiny toa io resahinao io.

19. xxx ( 08/02/2008 12:17)
niryna:

xxx:

zah renikely fa tsy masiaka ratsy ! vavy tokana ny zanakin'ny vadiko (nisara-panambadiana) ary izaho tsy manana (ary mbola tsy nanambady talohan'io). amiko tena faharatsian-toetra ilay fahasiahana (ilay tena hoe masiaka ratsy amin'ilay zana-bady satria hoe zana-bady na hoe satria renikely dia tsy maintsy manindrinindry...)! asa anefa raha misy sentiment mety tsy ho voafehy raha hoe manan-janaka aho ?
xxx a arakaraky ny toetra novolenao taty aoriana io no fahalalako azy,mety tia an'ilay vadinao hianao,mety mbola tsy manan-janaka ihany koa,kanefa tsara ho anao sy ho an'ilay zaza nanankina ny fony taminao ny mitaiza azy amin'ny fitiavana toy ny nanaovanao azy hatrany.Ho hitanao ny fitiavany iza zandrikeliny ho avy eo.Toa manenjika koa ny eritreritra raha hoe notiavina ilay zaza dia avy eo hialana moramora,misy fiantraikany amin'ny fiainany izany,indrindra fa hianao no nataony solon-dreniny taty aoriana,ka raha sanatria mivadika aminy hianao dia mety tsy ho tia olona intsony izy na tsy mety hiteraka fa matahotra ny hitaiza zanaka.
asa aloha fa eritreritro io an

eritreritra nandalo fotsiny iny fa izaho matoky fa tsy hiova ny fifandraisanay fa efa tsy andriny tokoa izany hahazo zandry izany ! tena fitiavana mandeha ho azy ny anay : 2 minitra taorian'ny nifankahitanay dia efa complices be izahay ary dia tsapako fa plutôt avy aminy izay satria izaho tena nanana tahotra be noho ny expérience-ko teo aloha nandrapahitako azy...!!!
20. tsiafoi1 ( 08/02/2008 15:16)
Ny fitiavana no mifehy ny zvt rehetra, raha tena tia ilay vadiny ilay renikely de tsy hahavita ratsy azy sy ny taranany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087