Tsy ny soa ihany no azo avy amian'Atra

1. ainaheri ( 07/02/2008 06:01)
Maro ireo mpino sasany zary manome tsiny sy manadino,refa tojo fahoriana na fahavoazana eo @ fiainany,ka minia manao Atra tsy misy raha tsy voavaly ny faniriany,raha namaky sy nitazona izy,nahita ilay fehezanteny kely;Tsy ny soa ihany no azonao avy @ Atra.....
2. niryna ( 07/02/2008 06:08)
misaotra anao nampahatsiahy an'izany.
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m47a8122b5ffab
3. tsiafoi1 ( 07/02/2008 07:14)
Diniho tsara anie fa ny eto an-tany, ary isika olombelona dia sehatra hifanandrinan\'ny toe-javatra roa mifanohitra hatrany TSARA//RATSY

Ny niandohan\'izy roa ireo de Andriamanitra Mpahary. Eny fa na i Losifera izay ivon-toerana ipoiran\'ny RATSY rehetra aza, de Andriamanitra no namorona azy...SAINGY tokony ho tsaroana raha mandinika ny famoronana isika(Baiboly), fa tsy namorona ho RATSY Andriamanitra, fa izay rehetra noforonony dia noforonony ho TSARA IDD sy haharitraSAINGY...

Rehefa nisafidy ny hikomy t@\'Andriamanitra Losifera sy ny ampahatelon\'ny anjely tany an-danitra, dia voaroaka tany izy ireo ary miriaria eto @\'ity planeta Terre misy antsika ity mandrak\'ankehitriny (voir bible), ary tsy mitsahatra manohy izany fikomiana izany @\'ny alalan\'ny fandravana sy fanapotehana izay rehetra voarin\'Andriamanitra ary anisan\'izany isika Olombelona (nanomboka tany Edena izany ary mandrak\'ankehitriny). Dia tonga teto ny fahoriana sy ny fijaliana ary fahafatesana hatrany no fiafarany... Mifanandrina eto hatrany ny TSARA SY NY RATSY.
Ny fototry ny fahoriana sy ny fijaliana de LOSIFERA sy ny forongony, satria tsy hisy MPAMORONA nisasatra sy nisahirana ka hanapotika izay noharian\'ny tanany...Diniho tsara ny tantaran\'i Joba, fa Satana no nanapotika an\'i Joba fa tsy Andriamanitra, ary t@\'io tantara io no niloa-bava i Joba we :\"Tsy ny soa ihany no azo avy @\'Andriamanitra fa ny ratsy koa...\" Fa navelan\'Andriamanitra nitranga izany ho fizahan-toetra

Azon\'Andriamanitra fehezina izao rehetra izao,na ny TSARA na ny RATSY, eo ambany fahefany avokoa na de Satana aza, fa ny tokony ho tsaroantsika de tsy nanamboatra robot Andriamanitra, raha namorona antsika olombelona, fa nohariana ho voary manan-tsaina, manam-pitiavana, afaka misafidy izay fironana tiantsika , tahaka ireo ampahatelon\'ny anjely izay nikomy tany an-danitra, rehefa nisafidy izy ireo de navelany hanaraka an\'i Losifera sy ny tariny

4. tsiafoi1 ( 07/02/2008 07:28)
Tahaka ny fisian'ny +//- ny Lahy//Vavy ... ny fisian'ny TSARA//RATSY, fa anjarantsika ny misafidy we fironana toy inona no ataoko mi-domine bebe kokoa eo amiko, ary tsy maintsy misafidy ny iray @'ireo isika fa tsy afaka misabaka.

Ary satria manana ny ivon-kerin'ny na ny TSARA na ny RATSY, de anjaranao ny misafidy we iza nohifikiranao sy mahery idd.
5. LazaDaddy ( 07/02/2008 07:46)
ainaheri:
Tsy ny soa ihany no azo avy amian'Atra
1) Raha olona mpanao fahotana mahafaty dia tsy mahazo soa avy amin'Andriamanitra na dia kely aza.

2) Raha olona tia an'andriamanitra dia tsy mandray afa-tsy soa avy aminy. Io "soa" io no misy tsy mahazo matetika satria tsy takatry ny saina ny fahasoavan'Andriamanitra. Indraindray rehefa zavatra tsy nampoizina no mitranga dia heverina fa tsy soa kanefa tena mahasoa no nanomezan'Andriamanitra an'iny :)

Fehiny:
"In all things, God works for the good of those who live Him" Romans 8:23

Dika teny malalaka:
"Amin'ny zavatra rehetra dia miasa hahasoa izay tia Azy Andriamanitra" Romana 8:23
6. endrika01 ( 07/02/2008 11:40)
ainaheri:

Maro ireo mpino sasany zary manome tsiny sy manadino,refa tojo fahoriana na fahavoazana eo @ fiainany,ka minia manao Atra tsy misy raha tsy voavaly ny faniriany,raha namaky sy nitazona izy,nahita ilay fehezanteny kely;Tsy ny soa ihany no azonao avy @ Atra.....



iié,za klou dia tena anisan'ny manomé tsiny an'Atra refa tsy valiany miits ny fitarainako!
7. ikaretsaka ( 07/02/2008 15:22)
"finding God in all things"
8. fijo ( 07/02/2008 22:16)
rehefa ratsy kosa no homeny dia mimenomenona e
9. xxx ( 07/02/2008 22:35)
1) Raha olona mpanao fahotana mahafaty dia tsy mahazo soa avy amin'Andriamanitra na dia kely aza.


Famindram-po no azony raha mibebaka.

2) Raha olona tia an'andriamanitra dia tsy mandray afa-tsy soa avy aminy. Io "soa" io no misy tsy mahazo matetika satria tsy takatry ny saina ny fahasoavan'Andriamanitra. Indraindray rehefa zavatra tsy nampoizina no mitranga dia heverina fa tsy soa kanefa tena mahasoa no nanomezan'Andriamanitra an'iny


Maromaro ihany ireo mpanompon'Andriamanitra no tojo fahoriana. Ka ataoko tsy dia marina loatra io. Raha ao @ Baiboly dia i Joba sy ilay teraka jamba ao @ Evanjely izao no ohatra mibaribary.

Noho izany, tsy voatery marina mandrakariva io théorie de rétribution
ndra Daddy io. Izay tsara fanahy ambinina ary izay ratsy fanahy dia voasazy. Toy ny mifanohitra an'izay aza no misy.

Fehiny:
"In all things, God works for the good of those who live Him" Romans 8:23

Dika teny malalaka:
"Amin'ny zavatra rehetra dia miasa hahasoa izay tia Azy Andriamanitra" Romana 8:23

Eto angamba isika vao mitovy hevitra.
10. LazaDaddy ( 08/02/2008 02:33)
Famindram-po no azony raha mibebaka.
Enga anie izy ka hibebaka...Kanefa tsy ahazo famelan-keloka izay manao fahotana mahafaty hoy ny Teny voasoratra. Ny antony tsy misy mahafantatra fa ny "speculation" dia hoe "tsy hibebaka" ny olona mpanao izany.
Maromaro ihany ireo mpanompon'Andriamanitra no tojo fahoriana. Ka ataoko tsy dia marina loatra io. Raha ao @ Baiboly dia i Joba sy ilay teraka jamba ao @ Evanjely izao no ohatra mibaribary.
Raha ny ao @ Baiboly dia soa avokoa no nomen'Andriamanitra ny olona tia Azy. Eny fa na i Joba aza dia "soa" ireny zavatra heverintsika fa "fahoriana" ireny. Torak'izany koa ny an'i Josefa namidin'ny rahalahiny. Ianareo no nieritreritra ratsy hoy izy fa tetik'asa "soa" nataon'an'Andriamanitra hanavotana antsika ireny :)
11. cutie ( 08/02/2008 03:02)
ohtran'zao lazain'i LD zao no atao we fitoriana mampatahotra :-D
12. LazaDaddy ( 08/02/2008 03:22)
cutie> Eny, mety mampatahotra tokoa ary lasa "adidy" fotsiny sisa ny fanompoana raha tsy ao ilay fitiavana. Tsarovy fa na i Jesoa aza dia nampanantena zavatra heverintsika fa "fahoriana"; izay anisan'ny mampiavaka Azy amin'ireo mpanohana ny "prosperity religion"
13. cutie ( 08/02/2008 03:25)
aleo ihany za hiatakataka raha zany :-D
14. LazaDaddy ( 08/02/2008 03:28)
Aza miataka lavitra sao lasan'ny tadio any indry...manga ny lanitra fa tsara ny andro e :).
15. cutie ( 08/02/2008 03:37)
torianareo zavatra mampatahotra koa:-D:-D:-D
16. LazaDaddy ( 08/02/2008 06:19)
cutie:
aleo ihany za hiatakataka raha zany :-D
Ny mpianatr'i Jesosy koa aza niatakataka ny ankabeazany rehefa tsy nahazaka ny fampianarany...hoy izy ireo hoe: "this is a hard teaching. Who can accept this?" dia lasa ry zareo niala...


17. cutie ( 08/02/2008 06:21)
le mpamita hafatra no mampiatakataka fa tsy le teaching mitsy akory :-D
18. LazaDaddy ( 08/02/2008 06:31)
cutie> ny mahagaga anefa i Jonah tsy niteny ny mponin'i Niniveh hoe "tia anao Andriamanitra" sy ny tahaka izany...fa ny "fahatezeran'Andriamanitra" no nambarany dia nibebaka tamim-kitsim-po ny vahoakan'i Niniveh.

Ankehitriny misy karazana "fampianarana" ataon'ny fiangonana sasany tena mahavariana...fa na dia olona mividy "billet aller simple" mankany amin'ny helo izao aza dia dokafany foana "hanitsaka" fa tsy mba anariny. Izay ilay "prosperity religion".
19. nandrianina1 ( 08/02/2008 07:36)
Tahaka ny fisian'ny +//- ny Lahy//Vavy ... ny fisian'ny TSARA//RATSY, fa anjarantsika ny misafidy we fironana toy inona no ataoko mi-domine bebe kokoa eo amiko, ary tsy maintsy misafidy ny iray @'ireo isika fa tsy afaka misabaka.

Ary satria manana ny ivon-kerin'ny na ny TSARA na ny RATSY, de anjaranao ny misafidy we iza nohifikiranao sy mahery idd.

teny tsotra fa misy hevitra lalina.merciiiii
20. diamondra27 ( 08/02/2008 07:40)
tsy ny soa ihany no azo avy @ Atra fa kapoka ihany koa

efa nolazainy izany. Nefa na izany aza dia hoy Izy hoe: Izaho tsy handao anao mihintsy

na ianareo aza mahalal izay mahasoa ho an'ny zanakareo maika va fa ny Rainareo izay any an-danitra?

Naditra ianao dia voakapoka, mila ahitsy .

Raiso @ fisaorana izany.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0799