MBA MISY AFAKA MANAZAVA VE NY NAMANA INONA NO ATAO HOE:
1. endrika01
(
06/02/2008 08:20)
Manao ahoana daholo ndray ary é!Mba misy afaka hanazava ve ny namana we inona no atao hoe\"FETIN\'NY LAVENONA\"CENDRE @teny vahiny!!!Misaotra tompoko!
novalian'i ikaretsaka ny 17/02/2008 13:44
2. hery
(
06/02/2008 08:45)
Ny Alarobian'ny Lavenona (fa tsy fetin'ny lavenona) na Mercredi des Cendres, dia fotoana hanombohana ny fotoanan'ny Karemy (40 andro alohan'ny Paka). 40 andro satria tsy kaontiana ny alahady.
Natao hoe alarobian'ny Lavenona satria amin'io fotoana io dia hosorana lavenona ny handrin'ny Kristianina ho famantarana sy fanekena fa mpanota izy ka vonona ny hibebaka.
Fomba nolovana tamin'ny fomba jiosy taloha ny mihosotra lavenona sy mitafy rovi-damba rehefa mibebaka. Mbola nolovan'ny Fiangonana hatramin'izao izany.
Ny fihosorana lavenona dia famantarana ivelany fotsiny fa ny fo ao anatiny no tena ilaina hibebaka.
Jereo amin'ireto andalantsoratra telo ireto ao amin'ny Baiboly
Matio: 11. 21 http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/11/21
Jonasa: 3 http://baiboly.katolika.org/boky/Jonasa/3

3. ari.malala
(
06/02/2008 08:58)
taloha dia ny pretra no manosotra lavenona ny handrin'ny kristianina sady miteny hoe "tsarovinao ry olombelona fa vovoka ianao ary hody vovoka indray" dia niova hoe "mibebaha ary minoa ny evanjely" fa ankehitriny d ny kristianina mints no mandray ny lavenona sy manosotra azy @ handriny sady miteny hoe "hibebaka aho ary hino ny evanjely"
4. hery
(
06/02/2008 09:17)
Mahafehy ny toe-panahy tokony hiainana amin'izao karemy izao ny vakiteny telo androany ka mba vakio. (Jereo ao amin'ny http://baiboly.katolika.org )
Vakiteny 1 : Jl. 2, 12-18 http://baiboly.katolika.org/boky/Joely/2/12-18
Vakiteny 2 : 2 Kor. 5, 20-21 ; 6, 1-2
Evanjely : Mt. 6, 1-6,16-18 http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/6/1-6,16-18
Vakiteny 1 : Jl. 2, 12-18 http://baiboly.katolika.org/boky/Joely/2/12-18
Vakiteny 2 : 2 Kor. 5, 20-21 ; 6, 1-2
Evanjely : Mt. 6, 1-6,16-18 http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/6/1-6,16-18
5. Mandefitra
(
06/02/2008 09:22)
Mt 6:17 Fa hianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, 18 mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin'ny mangingina; ary ny rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anao.
Ary sao tsy ilaina ra izany le miosotra lavenona? :)
Ary sao tsy ilaina ra izany le miosotra lavenona? :)
6. hery
(
06/02/2008 09:47)
Tsy "ilaina" kah. :-)
Tsy misy miteny hoe "Nécessaire"... tahaka ny fomba ivelany rehetra izay fanaon'ny Katolika.
Ho an'ny Katolika dia marefo sy manadino ny olombelona matetika ka manampy azy ny fanehoana ny finoana amin'ny famantarana ivelany. Raha tsy mila izany ianao dia vao mainka tsara... fa tena tsy mila ve nefa?

7. Mandefitra
(
06/02/2008 09:54)
Vao natao Batisa fony kely de hoe :"ataoko aminao ny mariky ny hazo fijaliana masina, ho famantarana fa mino an'i Jesosy Kristy voahombo t@ hazo fijalina ianao".
Raha vao mino an'iKristy nefa, dia fiainam-pibebahana isan'andro satria nanota foana ianao na t@ fiteny na t@ asa na ny eritreritra koa aza.
De tsy ilaina ntsony ny lavenona ... ho ahy :)
Raha vao mino an'iKristy nefa, dia fiainam-pibebahana isan'andro satria nanota foana ianao na t@ fiteny na t@ asa na ny eritreritra koa aza.
De tsy ilaina ntsony ny lavenona ... ho ahy :)
8. hery
(
06/02/2008 10:34)
Ny tena fanontaniana moa dia hoe misy afaka manazava ny atao hoe Lavenona ve. Dia efa ireo ny fanazavana.
Efa miova indray izany izao ny lohahevitra.
:-) Raha io no itarina,
Tsy ilaina ny mankalaza ny alahady (satria isanandro no tokony hivavaka)
Tsy ilaina ny mankalaza ny Paka indray mandeha isantaona (satria tokony ho paka foana ihany koa)
Izany hoe tsy ilaina ny manao zavatra ponctuel satria efa manao an'iny zavatra iny régulièrement.
Dia tena sur amin'izany ve? :-)
Fa ahoana no mi-exclure ny zavatra atao indray mandeha ny (fihamboana hoe) fanaovana zavatra isanandro?
Dia hoe tsy ilaina ny mampiseho fitiavana @ 14 fevrier satria isanandro tokony hampiseho fitiavana foana :-)
Maninona anefa raha hoe na mampiseho fitiavana foana isanandro, dia asehoko amin'ny fomba miavaka kokoa ny 14 fevrier?

9. endrika01
(
06/02/2008 11:02)
De hono wa é,lay lavenona isorana io ve:Avy aiza no nangalana azy(mialatsiny kely an tena matotra ny fanotaniako,satria tena tsy vazivazy ny lohahevitra napetrako teo aloha ilay hoe:\"IZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO\")satria marobe ireo zvt hitako nefa betsaka no tsy mba fantatro akory ny fisiany!Dia lasa misalasala aho eny atsasa-dalana tena marina é,aza omenareo tsiny anefa fa fomban-javatra daholo izany!
10. hery
(
06/02/2008 11:16)
endrika01> koa satria miresaka fomba Katolika isika eto dia valiako arak'izay.
Ny Lavenona dia matetika raha ilay ambin'ny sampakazo tamin'ny herintaona no dorana dia iny no hakana azy. Tsy voatery anefa. Raha tsy misy dia maka lavenona fotsiny tsotra izao.
Marihina fa misy ny fitsofandrano ny lavenona mandritra ny lamesa.

13. hery
(
06/02/2008 11:44)
Toa misy fiangonana hafa koa hono manao an'io fomba io... tsy haiko loatra.
14. Mandefitra
(
06/02/2008 11:58)
hery:
Fa ahoana no mi-exclure ny zavatra atao indray mandeha ny (fihamboana hoe) fanaovana zavatra isanandro?
Rehefa miosotra lavenona de hozy i ari.malala hoe:
"hibebaka aho ary hino ny evanjely"
Ny evanjely nefa miteny fa tsy mila misehoseho hoe hifady hanina aho, na hibebaka aho ... ary Hery aza manamafy hoe "tsy mila" sy "tsy nécessaires" ...
Ka tsy azoko ndray ny ilazana fa fihamboana refa tsy manao le zavatra :)
Tsetsatsetsa tsy aritra fa tohizo ny dinika ...
15. ari.malala
(
06/02/2008 12:55)
Mandefitra, fanga refa miteny hoe hibebaka aho ary hino ny evanjely d misehoseho ny dikan'izany? le izy nge tys vazavazaina fa ianao sy Jesoa no miresaka e!de le resaka fifadiana iany koa tsy vazavazaina hoe za ry reto nifady anzao sy zao fa anao samirery, anao sy ny Tompo izany
16. fahamarinana
(
06/02/2008 13:22)
:arrow:mitovy hevitra amin'ny ari aho,sady choix-ny tsirairay koa e(l)
17. melody
(
06/02/2008 13:26)
Ny fivavahana aty aminay koa mankalaza io, saingy ny anay, mandritra ny 40jours d manao sakrifisy ny zavatra tena tinao eo @ fiainana na sakafo izany na aktivité, izany hoe tsy mihinana na manao zavatra tena tinao mandritra ny 40jours, ny any zanako izao dia tsy hihinana chocolat izy mandritra ny 40 jours io, ny ahy indray moa mazava hoazy ny tiako fa dia hisy hijaly tokoa pour 40jours ato:wink:
18. pissoa
(
06/02/2008 16:06)
Mandefitra:
hery:
Fa ahoana no mi-exclure ny zavatra atao indray mandeha ny (fihamboana hoe) fanaovana zavatra isanandro?
Rehefa miosotra lavenona de hozy i ari.malala hoe:
"hibebaka aho ary hino ny evanjely"
Ny evanjely nefa miteny fa tsy mila misehoseho hoe hifady hanina aho, na hibebaka aho ... ary Hery aza manamafy hoe "tsy mila" sy "tsy nécessaires" ...
Ka tsy azoko ndray ny ilazana fa fihamboana refa tsy manao le zavatra :)
Tsetsatsetsa tsy aritra fa tohizo ny dinika ...
Fa maninona no fisehosehoana fotsiny no hitanao amin'ilay lavenona sy ilay resaka ?!
Ny fibebaha dia tsy mitaky fisehosehoana fa mitaky fanetre-tena goavana be. Isan'ny zava-dehibe takian'ny fibebahana mantsy rehefa ny fanekena fa mpanota maditra, tsy mendrika sns, fa tsy fiheboana hoe izaho efa manao ny tsara isan'andro !
Tsy tokony ho hita ety ivelany ve ? Raha tsy diso aho dia ny fiandrasana ny doka avy amin'ny olona no tsy ankasitrahan'i Jesoa (Jereo ny andalana miloha ilay Matio noraisinao tery ambony), fa tsy hoe ianao hita !
Matio 6:
16 Ary raha mifady hanina hianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon'ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan'ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Zavatra samy hafa be izany. (Misy dikany be ilay mba en bold io). Raha toa ka mba ho tenenin'i Mandefitra hoe "hmmmm mibebaka tokoa iny a" no antony hiosorana lavenona dia tsy izy izay ... Fa raha fanetretena hoe hibebaka tokoa aho (tsy ao anaty ihany fa ety ivelany koa) dia tsy hitako izay olana.
Ankoatra izay, raha io Matio io no raisina tahaka ny handraisanao azy dia sao tokony horavana daholo ny fiangonana fa iza moa no tsy mahafantatra fa mivavaka no alehan'ny olona ao ? Nefa hono aza atao fantatra :lol:
19. tsiambaratelo
(
06/02/2008 16:17)
Hery>ny eto Liban koa dia mitovy @io voalazanao ery ambony we\"Ambina-sapakazo efa voahasina t@taona lasa! No dorana ho lasa lavenona Ny eto indray dia misy ny CATHOLIC,de Orthodoxe,Maronite,samy katolika fa samy manana ny fombany ,ny Orthodoxe dia ireo mompera manambady,zany we efa niteraka vao lasa manao mompera!Fa tsy we tsy nahefa voady de lasa nanambady!Ny Orthodoxe dia makalaza ny paka herinandro aorian\'ny catholic romain sy Latin,manaraka caland
20. ikaretsaka
(
06/02/2008 16:53)
Hoy i Matio 6:
16 Ary raha mifady hanina hianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon'ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan'ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Zavatra samy hafa be izany. (Misy dikany be ilay mba en bold io). Raha toa ka mba ho tenenin'i Mandefitra hoe "hmmmm mibebaka tokoa iny a" no antony hiosorana lavenona dia tsy izy izay ... Fa raha fanetretena hoe hibebaka tokoa aho (tsy ao anaty ihany fa ety ivelany koa) dia tsy hitako izay olana.
Ankoatra izay, raha io Matio io no raisina tahaka ny handraisanao azy dia sao tokony horavana daholo ny fiangonana fa iza moa no tsy mahafantatra fa mivavaka no alehan'ny olona ao ? Nefa hono aza atao fantatra
iombonako hevitra tanteraka.... namaste hoy le fiteny