Ataovy ho fifaliana avokoa:ny fakam-panahy.,ny fahoriana ..?

1. niryna ( 05/02/2008 07:37)
Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Rom 5:1

Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.Jakoba 1:1-4

Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra.

Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;

ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;

ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika. Romana 5:2-5

Inona no hevitr'ireo teny ireo?

Misaotra mialoha.
novalian'i niryna ny 09/02/2008 08:12
2. diamondra27 ( 05/02/2008 09:04)
voalohany indrindra aloha ny olona rehefa ianjadian'ny fizahantoetra(fa tsy ataoko hoe: fakampanahy) sy fahoriana dia mimenomenona sy tsy faly fa ny olona afaka manaiky io teny hoe: mifaly foana na inona manjo io dia satria efa nanakina ny fiainany manontolo ho an'i Tompo izy ary mino izany tena izany dia manatanteraka

Raha mbola tsy nanadrana ianao dia afaka manohitra io teny io fa ny olona efa niaina t@izany dia mahalala tsara hoe: tena nisy lesona lehibe ho ahy ilay izy, ary tena miteraka faharetana ao aminao ilay izy

ny olona manampaharetana dia anisan'ny sambatra satria maharitra amin'ny zavatra rehetra

raha toa aza ka sendra fizahantoetra ianao dia nekenao ilay izy aloha de mba tokony mangataka amin'Atra ianao mba hanomezany hery anao hanohitra izany, fa rehefa vita izany dingana izany dia ho faly ianao satria nandresy.
Ny tiana lazaina @ilay hoe ataovy @ fifaliana dia tsy tsy hoe manao fety na mitsiky vendrana fa manaiky ilay tranga miseho, tsy mimenomenona sy tsy manome tsiny

ity ny zavamisy amin'ny fiainako ekeko izany fa omeo hery aho hahazoako manaiky an'io sy handreseko an'io.
Dia avelao ny Tompo no hiasa ao aminao dia feno fifaliana ny fiainanao

tsy resaka materiel ihany ny fianana akory ary tsy resaka sentiment ihany koa fa izany dia efa voatokana ho antsika avy.
3. tsiafoi1 ( 05/02/2008 09:50)
Eto an-tany, ary isika ts11 avy, dia sehatra hifanandrinan'ny hery roa mifanandrina TSARA//RATSY, ary tsy misy ny hasard fa samy misy antony avokoa ny tranga-javatra ts11 avy.
Noho izany ny olona mahatoky an'Andriamanitra, ary mino ny heriny lehibe mahay mandrindra sy mitantana ny toe-jvt rehetra dia hitoetra ampahatoniana sy hahay hiaina ampifaliana ny tranga ts11 avy na fakam-panahy io na fahoriana...
4. soanja ( 05/02/2008 12:15)
tsiafoi1:

Mazava tsara! Namaste!

5. ikaretsaka ( 05/02/2008 13:55)
maza tsara...fitoniana no zava dehibe
meditate meditate
6. niryna ( 05/02/2008 18:32)
diamondra27:

voalohany indrindra aloha ny olona rehefa ianjadian'ny fizahantoetra(fa tsy ataoko hoe: fakampanahy) sy fahoriana dia mimenomenona sy tsy faly fa ny olona afaka manaiky io teny hoe: mifaly foana na inona manjo io dia satria efa nanakina ny fiainany manontolo ho an'i Tompo izy ary mino izany tena izany dia manatanteraka

Raha mbola tsy nanadrana ianao dia afaka manohitra io teny io fa ny olona efa niaina t@izany dia mahalala tsara hoe: tena nisy lesona lehibe ho ahy ilay izy, ary tena miteraka faharetana ao aminao ilay izy

ny olona manampaharetana dia anisan'ny sambatra satria maharitra amin'ny zavatra rehetra

raha toa aza ka sendra fizahantoetra ianao dia nekenao ilay izy aloha de mba tokony mangataka amin'Atra ianao mba hanomezany hery anao hanohitra izany, fa rehefa vita izany dingana izany dia ho faly ianao satria nandresy.
Ny tiana lazaina @ilay hoe ataovy @ fifaliana dia tsy tsy hoe manao fety na mitsiky vendrana fa manaiky ilay tranga miseho, tsy mimenomenona sy tsy manome tsiny

ity ny zavamisy amin'ny fiainako ekeko izany fa omeo hery aho hahazoako manaiky an'io sy handreseko an'io.
Dia avelao ny Tompo no hiasa ao aminao dia feno fifaliana ny fiainanao

tsy resaka materiel ihany ny fianana akory ary tsy resaka sentiment ihany koa fa izany dia efa voatokana ho antsika avy.

misaotra aky a
7. niryna ( 05/02/2008 18:33)
tsiafoi1:

Eto an-tany, ary isika ts11 avy, dia sehatra hifanandrinan'ny hery roa mifanandrina TSARA//RATSY, ary tsy misy ny hasard fa samy misy antony avokoa ny tranga-javatra ts11 avy.
Noho izany ny olona mahatoky an'Andriamanitra, ary mino ny heriny lehibe mahay mandrindra sy mitantana ny toe-jvt rehetra dia hitoetra ampahatoniana sy hahay hiaina ampifaliana ny tranga ts11 avy na fakam-panahy io na fahoriana...

marina tokoa izany :-*
8. niryna ( 05/02/2008 18:37)
Ny vola ve no maha-rangahy?Inona no mety hitranga?
Nandalo fahoriana ity tokan-trano iray:
Variana tamin'ny fitadiavana ity rangahy vadiny
Noheveriny fa ny fanomezany vola ny vady aman-jananany no ahitan'ireo fifaliana
Nitaraina hatrany ity vadiny ny mba hiarahany amin'izy mianakavy kely
Niangavy ,nitalaho,nanao alanenina.Lehibe ny ankizy,tsy niraika tamin'izany ity rangahy fa dia variana tamin'ny fitadiavana teny ihany.Noheveriny ary niezaka izy tamin'izany saingy tsy niraharaha na nihaino ireo vady aman-janany...
Mbola hitohy...
Inona no nitranga?
9. betroka ( 05/02/2008 22:07)
Mino aho fa tsy hahafaly ny Tompo raha ory isika eto an-tany. Sarotra amiko koa no hino fa mpanafay ny mpanota sy ny tsy marina ny Tompo. Tiako ho dinihina tsara ny amin'io fizahan-toetra io satria betsaka ny olona mpanota kanefa tsy mety ory fa any ankoatra, araka ny finoako, vao hitomany sy hikitro-nify. Dia mino ve ianareo fa amin'ireo olona "engagé" na manomboka ho toy izany dia mbola hozahan-toetra amin'ny fanaintainana ? Ny mahagaga indraindray dia misy mpitondra fivavahana tsy manao afa-tsy izay hampitahotra ny mpiangona. Indrisy ! Tsy biby fampitahorana ny fivavahana ! Andriamanitra dia fitiavana !
10. ikaretsaka ( 05/02/2008 23:08)
izay manko ry betroka
11. soanja ( 06/02/2008 05:57)
betroka:

Mino aho fa tsy hahafaly ny Tompo raha ory isika eto an-tany. Sarotra amiko koa no hino fa mpanafay ny mpanota sy ny tsy marina ny Tompo. Tiako ho dinihina tsara ny amin'io fizahan-toetra io satria betsaka ny olona mpanota kanefa tsy mety ory fa any ankoatra, araka ny finoako, vao hitomany sy hikitro-nify. Dia mino ve ianareo fa amin'ireo olona "engagé" na manomboka ho toy izany dia mbola hozahan-toetra amin'ny fanaintainana ? Ny mahagaga indraindray dia misy mpitondra fivavahana tsy manao afa-tsy izay hampitahotra ny mpiangona. Indrisy ! Tsy biby fampitahorana ny fivavahana ! Andriamanitra dia fitiavana !

Ekena tanteraka! Andriamanitra dia fitiavana tokoa ary tiany isika hiombona sy hiara mahatsapa ny fahasoavana omeny.
Tsy biby fampitahorana Andriamanitra fa raha misy manao izany dia Andriamanitra hafa no ivavahany sy toriany aminao.
Aza manaiky fanilikilihana raha resaka Andriamanitra. Izy mampiombona ary manome antsika fitoniana lalandava ao aminy. Anjarantsika no mahalala hanome sy manaiky ny tanantsika ho tantanany na tsia!

12. niryna ( 06/02/2008 06:27)
betroka:

Mino aho fa tsy hahafaly ny Tompo raha ory isika eto an-tany. Sarotra amiko koa no hino fa mpanafay ny mpanota sy ny tsy marina ny Tompo.

Ka izany no mahatonga ny fiteny hoe ny zanaka tiana no hanarina ,ary raha mandalo fisedrana isika dia ho fantantsika izany fa misy antony avokoa.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MPITORITENY&toko=3&andininy=1-6&dika=

13. niryna ( 06/02/2008 06:31)
betroka:
Tiako ho dinihina tsara ny amin'io fizahan-toetra io satria betsaka ny olona mpanota kanefa tsy mety ory fa any ankoatra, araka ny finoako, vao hitomany sy hikitro-nify.

Tsy mety ory amin'ny inona aloha izy ry betroka?
Raha ataoko hoe manao ratsy aho,mety tsy ho hitanao mivantana na misoritra ao an-tsaiko izany ratsy ataoko izany fa izaho na izay rehetra manao zavatra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra dia samy mahalala avokoa fa tsy mety ilay izy.Manenjika ve ny eritreritra ? Eny tompoko,tsy mivaky loha ve ? Eny koa ,ho an'ireo izay tsy mino na tsy manankina ny fiainany amin'Atra.
Raha manao ratsy isika ,ka efa niova na nanaiky ho tantanan'Atra ny fiainantsika dia ny fanahy masina no mampahatsiahy antsika an'izany.
14. niryna ( 06/02/2008 06:44)
betroka:
Dia mino ve ianareo fa amin'ireo olona "engagé" na manomboka ho toy izany dia mbola hozahan-toetra amin'ny fanaintainana ?

Isika tsira1 avy dia zahan-toetra avokoa,mety tsy mitovy izany ,ary mety tsy ho fantantsika ihany koa fa fizahan-toetra ilay izy.
Ary mety hita taratra amin'ny mpiara-monina ihany koa ka isika no mandray izany.Ny fantatra fotsiny aloha dia Atra dia fitiavana, ary Atra dia tsy manome zavatra izay tsy ho zakantsika.
Maro ireo olona na mpitondra fivavahana na olona tsotra fotsiny ihany koa tsy maharitra ary dia lavo.Izay no antony hiambesana andro aman'alina.
Fizahan-toetra iray ?
22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. Gal 5:22-23

Ireo dia azo ampiasaina amin'ny fiainana:
Tsy mora ny atao hoe kristiana satria raha olona tsotra na tsy mpino no manao fihetsika tsy mifanaraka ny mpiara-monina dia tsy mampiraika ny manodidina.
Raha kristiana kosa izay jiro sy fanazavana ary taratra ho tahafina an'ny mpiara-monina no manao fahadisoana na fihetsika na fiteny na inona izany na inona dia avy daholo ny rehetra amin'ny angady sy ny harona. "ireny hono no mba atao hoe Kristiana :roll:"
15. niryna ( 06/02/2008 06:50)
betroka:
Ny mahagaga indraindray dia misy mpitondra fivavahana tsy manao afa-tsy izay hampitahotra ny mpiangona. Indrisy ! Tsy biby fampitahorana ny fivavahana ! Andriamanitra dia fitiavana !

marina tokoa ny teninao tsy biby fampitahorana izy.
Amiko tsy mampatahotra izy fa "mampahatsiahy ,mampahafantatra,ary mizara ny fitiavan'Atra ho an'izay rehetra mino sy te ho voavonjy.
Raha tsy manao zavatra tsy mifanaraka ny tenin'Atra aho ohatra ,ahoana aho no hatahotra,ahoana no anenjika ahy ny eritreritro?
"Friendly warning " no filaza an'izany.Izany hoe fampahatsihivana izay heverina hoe mahasorena kanefa fitiavana no mifono ao anatin'izany.Tsy tia mihaino moa dia izay,avadika fotsiny ny pejy dia vita.

Fampeherezana ny olona izay hianjadian'ny fahoriana no resaka eto.
Ahoana hoy ilay teny ery ambony?
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.Jakoba 1:1-4

Ataovy fifaliana avokoa raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa hianareo :arrow: izany hoe izay zavatra mety manjo na mihatra amintsika dia misy antony avokoa matoa ilay izy tanteraka.
Tokony isaotra izany isika satria matoa misy ireny zavatra ireny dia mety fitsapana ao,mety mahatonga antsika hanatona an'Atra izany ary izay no nahatonga ny teny hoe moa ny tsara ihany va no raisintsika avy amin'Atra fa tsy ny ratsy koa?
Ity izao dia ohatra iray ho an'ireo kristiana ka tsy tokony ho kivy na ho ketraka mihitsy :D
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=5&andininy=11-12&dika=

16. niryna ( 06/02/2008 06:55)
niryna:
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.Jakoba 1:1-4

fakam-panahy :arrow:fizahan-toetra
fizahan-toetra:arrow: faharetana
faharetana:arrow: hanao asa
Ny fianjadian'ny fakampanahy dia hanamafy orona antsika amin'ny finoana an'Atra rehefa nozahan-toetra tamin'izany isika ary nanana faharetana ka nahatonga antsika ampiasa izany amin'ny fiainana,hijoro vavolombelona,ary hizara amin'ireo izay mbola tsy manana fanantenana fa kivy sy ketraka.
17. niryna ( 06/02/2008 06:56)
ikaretsaka:

maza tsara...fitoniana no zava dehibe
meditate meditate

dia ahoana,mba velaberaro hoe ny tianao ho lazaina ?
18. niryna ( 06/02/2008 07:06)
niryna:

Ny vola ve no maha-rangahy?Inona no mety hitranga?
Nandalo fahoriana ity tokan-trano iray:
Variana tamin'ny fitadiavana ity rangahy vadiny
Noheveriny fa ny fanomezany vola ny vady aman-jananany no ahitan'ireo fifaliana
Nitaraina hatrany ity vadiny ny mba hiarahany amin'izy mianakavy kely
Niangavy ,nitalaho,nanao alanenina.Lehibe ny ankizy,tsy niraika tamin'izany ity rangahy fa dia variana tamin'ny fitadiavana teny ihany.Noheveriny ary niezaka izy tamin'izany saingy tsy niraharaha na nihaino ireo vady aman-janany...
Mbola hitohy...
Inona no nitranga?

Ny tohiny ?
Nandeha teny ny andro ny volana ary ny taona,nihalehibe ireto zanany ,ilay ramatoa vadiny nihena andro aman'alina ilay fitiavany, reraka,ketraka ,tsy niteny intsony.Indray andro nahoriny ny entan-keliny ary dia niala ny tokan-tranony izy,ireo ankizy koa moa efa lehibe ary dia ilay rangahy irery no nijanona tao an-trano.
Teo ilay rangahy vao tonga saina ,teo vao niverina daholo ireo fitalahoan'ireo vady aman-janany ,teo....
Foana ny trano.....
Nanenina izy,tsy nety niverina intsony ilay vadiny,izay izy vao nahatsiaro nitodidoha tamin'Atra.
Eny nandalo fisedrana maro,nandalo fahoriana maro saingy tao anatin'izany rehetra izany no nahalalany fa tokony nihaino ireo vady aman-janany izy ary dia nizara izany ny hafa.

Fisedrana?fahoriana?fakam-panahy?Fizahan-toetra?
Mety mandalo amin'izany avokoa isika rehetra fa ny fisehoany no tsy mitovy .

19. betroka ( 06/02/2008 21:03)
Iverenako ihany ilay hoe "misy mpitondra fivavahana tsy miresaka afa-tsy zavatra mampitahotra isak'alahady".
Mampandositra mpiangona ireny.
Tokony mba hafaliana no azo aorian'ny fotoampivavahana kanefa dia toa lasa miaina amin'ny tahotra ilay olona avy eo.
20. fijo ( 06/02/2008 21:05)
marina izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0446