Ataovy ho fifaliana avokoa:ny fakam-panahy.,ny fahoriana ..?

21. ikaretsaka ( 06/02/2008 22:16)
izay no tiako lazaina @ le hoe mitonia..
io voalazan'ny namana io
22. niryna ( 07/02/2008 05:39)
betroka:

Iverenako ihany ilay hoe "misy mpitondra fivavahana tsy miresaka afa-tsy zavatra mampitahotra isak'alahady".
Mampandositra mpiangona ireny.
Tokony mba hafaliana no azo aorian'ny fotoampivavahana kanefa dia toa lasa miaina amin'ny tahotra ilay olona avy eo.

Ny mpitondra fivavahana rehefa milaza ny marina dia hianao no afaka amin'izany (the truth sets you free)satria mety mandratra ilay izy,na tsy mifanaraka ny eritreritsika,na manao ilay toriteny izay anariny isika, dia tsy tiantsika izany.Rehefa dinihana sy fakafakaina anefa ilay izy dia ny fahalalana ny marina,ny fanekena ny sitrapon'Atra ary ny fanarahana ny didiny izay tsy mora no hanafaka antsika amin'ny fahamarinana.
Raha misy mpitoriteny ka izay mahafinaritra sy izay tiany ihany no lazainy dia mandiniha tena.Toy ny hoe raha mpino an'i kristy ka tsy manam-pahavalo fa manaiky dia mihevere-tena.:D

23. niryna ( 07/02/2008 05:54)
Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;

ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana

ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika. Romana 5:2-5



Ny fahoriana :arrow:faharetana
faharetana:arrow:fahatsaram-panahy
mahatonga fizahana toetra
Toetra :arrow: fanantenana

Na ao anatin'ny fahoriana aza isika dia afaka mifaly satria Atra no nahalala ny zavatra rehetra mitranga amintsika.
Tsy ho kivy na ho ketraka fa midera ny anarany hatrany,tsy mora kanefa tsy misy azontsika atao raha miala aminy isika.
Tsy laviko fa ireny olona tsy mino an'Atra ireny toa jerena fa toa tsy misy ny olana aminy.Kanefa tokony ho fantatsika fa aty ivelany no hitsaraintsika azy ireny fa tsy ny fahoriana ao anatiny(ny fanahiny izay mijaly).
Arakaraky ny maha mafy ny fiainana,na ny zavatra manjo antsika:na aretina izany,na fitiavana,ny fahoriana ao an-tokantrano,na ny zanaka maditra,na ny vady tsy mody an-trano na mamolava,na manitsakitsaka,na ny fanaovana izay zavatra tsy mifananaraka ny sitrapon'Atra ka toa tsy mety miala fa manohy ny toetra ratsy fanao ihany.Na inona fahoriana miantra amintsika,arakaraky ny hamafiny no vao maika toa eritreretantsika fa tsy mihaino Izy na tsy mahafantatra ny olana amintsika Izy.
Ny hafany foana no ataovy ao an-tsaina ary ampiharo amin'ny fiainana fa "Izaho tsy hamela na andao anao irery"

24. ikaretsaka ( 07/02/2008 15:31)
mitonia
25. niryna ( 09/02/2008 08:12)
Ao anaty fahoriana? Miantso Azy
Ao anaty fifaliana? Misaora Azy
Nahazo fahasoavana? Asandrato ny feony.
Ao anaty aretina ? Antsoy izy hanasitrana

Andriamanitra dia fitiavana ary ny fizarana ny tenin'ATra ho an'ny rehetra dia efa fitiavana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0687