FITAFIANA

1. veromahefa ( 28/01/2008 10:39)
Voalaza ao amin'ny Soratra Masina hoe :
"Aoka ny vehivavy tsy hitafy fitafian-dehilahy, ary aoka ny lehilahy tsy hitafy fitafiam-behivavy, fa izay rehetra manao izany dia fahavetavetana eo anatrehan'Iaveh Andriamanitrao"Detor 22 : 5

"Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy ; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehivah Andriamanitrao izay rehetra amnao izany" Deot.22 : 5

Inona no azontsika ambara mikasika izany?
Fa iza tokoa moa no namaritra hoe izao no fitafian-dehilahy ary tsy maintsy izao no fitafiam-behivavy ?satria tsy voafaritry ao amin'ny Soratra Masina zany raha tsy diso aho...
2. LazaDaddy ( 28/01/2008 10:44)
Veromahefa> dia ahoana ny hevitr'i Veromahefa izany?
3. tslem ( 28/01/2008 11:11)
Zah koa ry veromahefa dia efa ela no nanontany tena hoe: fa iza no namaritra oe pataloha an'ny lehilahy na ny jipo ho an'ny vehivavy sns...fa ny fandraisako an'io teny io an, ny atao oe fitafian-dehilahy na fitafiam-behivavy dia izay efa natokana oe an'ny lehilahy ao an-tranonao na an'ny vehivavy ao an-tranonao dia aza hanaovana intsony refa tsy mitovy sexe aminy ianao,ianao koa ve moa hanao fitafian'olonkafa ivelan'ny ao an-trano?
4. veromahefa ( 28/01/2008 13:44)
tslem:

Zah koa ry veromahefa dia efa ela no nanontany tena hoe: fa iza no namaritra oe pataloha an'ny lehilahy na ny jipo ho an'ny vehivavy sns...fa ny fandraisako an'io teny io an, ny atao oe fitafian-dehilahy na fitafiam-behivavy dia izay efa natokana oe an'ny lehilahy ao an-tranonao na an'ny vehivavy ao an-tranonao dia aza hanaovana intsony refa tsy mitovy sexe aminy ianao,ianao koa ve moa hanao fitafian'olonkafa ivelan'ny ao an-trano?



8)marina ny an'i tslem kah !
Fa izao ary, dia ahoana zany ireny olona mividy fripy ireny kah? Dia ny mpivady koa ve zany tsy tokony hifampindrana akanjo (oh hoe : Tee shirt) nefa izy roroa efa nofo iray ihany ?
5. mmmhh ( 28/01/2008 14:04)
ahoana marina e, sady taloha koa zao ny ny lehilahy misarebareba @ robe (roben'i Kristy reny e), de ahoana izany? Ny any Angleterre koa ohatra misy an'ireny lehilahy manao jupe carreau le fataon'ankizy vavy aty ireny?

Ny fahazoako azy de izao e, ny vehivavy tsy tokony hanao fitafiana natokana ho an'ny lehilahy @ taniny.
ohatra izao misy ny pataloha natao ho an'ny vehivavvy de misy ny natao ho an'ny lehilahy de samy tokony hanao ny azy.
asa aloha e!!
6. ikaretsaka ( 28/01/2008 14:29)
Ao @ Deut 22 tsy nisy niteny anefa hoe ny zipo sy ny robe no akanjom-behivavy dia pataloha sy ny lobaka no an-dehilahy dia manahirana ilay izy...

ny soutiens sy ny strings aza izao efa unisex

Misy teny kao ao @ baiboly heo omeo azy ny "kapaotinao" raha tsy manana fitafiana izy... na misy mangalatra...
tsy nisy resaka tsa hoa tsa omena ny kapaotimbevavy rehefa lehilahy na tsa omena an'i piera ny kapaotin'i jesoa rehefa mangitsy i p[iera
7. mbaliana ( 28/01/2008 15:18)
aiza misy soutien unisex?:roll:
8. ikaretsaka ( 28/01/2008 15:21)
oups: aleo atao heo aty akanjo aza fa mande be le eritreritrao
9. nandrianina1 ( 28/01/2008 16:05)
veromanitra:
satria tsy voafaritry ao amin'ny Soratra Masina zany raha tsy diso aho...


aiza ao @SM no mametra we ty fitafin lhl de ty an vhv ky?
10. pakopako ( 28/01/2008 20:57)
Anjanareo iany ny mandinika hoe tokony ho an'i vhv zany na lhl zany.toy ny hoe tsy voasoratra ao @soratra masina raha misy an'izao ny olo iray d lhl zay fa misy an'izao izy vhv zay anefa tonga d hainao fa iry d vhv fa i zaroa d lhl:-D:-D:-D
11. moi ( 29/01/2008 06:24)
Tsy fantatro aloha na ny mba hampiavaka tsara avy hatrany ny hoe ity lehilahy, iry vehivavy no tena antony, fa ny fahazoako azy dia toy ny misy endrika fijangajangana na fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra ny manao ny fitafin'ny sexe opposé.

Ny namaritra hoe ity am-behivavy dia ny mpamoaka lamaody ihany angamba ! Samy mipataloha daholo, manao slip sns, fa misy kosa ny an-dehilahy mihitsy ny didiny, ary misy ny am-behivavy mihitsy. Raha mixte ny didiny, toy ny jogging sasany, dia raha efa nanaovan'ny vehivavy iny dia tsy tokony anaovan'ny lehilahy intsony.
Ny mpivady ihany, amin'ny maha nofo iray azy, no mahazo mifampindrana akanjo, ary izany aza dia ao an-tokantrano ihany noho ny fiaraha-monina.

12. niryna ( 29/01/2008 07:30)
mbaliana:

aiza misy soutien unisex?:roll:

misy toerana natokana an'ireny olona hafahafa te ho lehilahy na te ho vehivavy ireny,ary misy saina toy izao eo ambaravarany na restaurant na fiangonana :cry: na inona na inona e. http://www.bproud.com/images/pp-logo.gif
http://newsimg.bbc.co.uk/media/images/42447000/jpg/_42447116_gay_pridepicgall5.jpg
io izao lehilahy :cry:
http://www.channel4.com/4laughs/media/images/caption/2006/October/week44/301006_wk44_caption_mcfly.jpg
mividy lokomenam-behivavy,soutient ,poketra ,slip,sns..:cry::cry:

na koa misy akanjo hoe mahazo manao daholo na lahy na vavy.

13. ari.malala ( 29/01/2008 12:14)
:) in no maha:-( an'i niryna amzany?
14. ikaretsaka ( 29/01/2008 19:27)
Ny mpivady ihany, amin'ny maha nofo iray azy, no mahazo mifampindrana akanjo, ary izany aza dia ao an-tokantrano ihany noho ny fiaraha-monina.


ko tsy tena efa nanota daholo izany ireny mifampindrana lambahoany , serviettes isikinana , peignoires, blouses, maillots, satroka any @ reny spa sy hotely sy hopitaly, sns.. ireny raha izany!

15. fijo ( 29/01/2008 22:18)
io tonga amin'ilay hoe aza alaina arabakiteny ilay resaka.ny avy any ekosy izao manao zipo ny lehilahy.de ahoana????
16. ikaretsaka ( 29/01/2008 22:25)
ze nande salon de coiff rehetra ange izany efa nanota aby raha sipa e:-D:-D:-D
ko izay mihetsy rehetra sy manao volo dia iny blouse iny foana no anaovana na lahy na vavy koooo:-D:-D:-D:-D
17. fijo ( 29/01/2008 22:27)
de tsy hay intsony izany ko.
18. ikaretsaka ( 29/01/2008 23:12)
manamafy ilay hoe tsy arahana ara bakitenin'elahy fotsiny aho ka
19. niryna ( 30/01/2008 07:43)
ari.malala:

:) in no maha:-( an'i niryna amzany?



:D:D:D happy indry
20. moi ( 31/01/2008 07:27)
Izaho indray manao hoe rehefa tsy asiana quoi izany dia tsy misy ; fa aminao ihany no tsy tsisy quoi mba hampaha metimety ny fiainanao ; fa amin'Andriamanitra Iaveh na Jehovah, niova ve ny heviny na ny lalàny, ary raha tsy mahasarotiny Azy, naninona no nambarany ?
Sa izay ilay hoe ambanin'ny fahasoavana fa tsy ambanin'ny lalàna ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0359