Tsy manome ra,fitiavana ve ? kanefa ny ran'i kristy no ..!!

1. niryna ( 26/01/2008 07:57)
Isan-taona dia misy fanomezana ra maimaipoana ao amin'ny toeram-piasana.Ny any amin'ny hopitaly moa dia mivoha isan'andro.Misy fianakaviana marary ka tsy mahatakatra ny vidin'ilay ra dia miangavy ny havany izy mba alaina ra ihany koa hanolona ireo efa voadio.
Fitiavana daholo izany,famonjena hain'olona.(l)
Nisy mpiara-miasa iray anefa dia niteny fa tsy anome ra izy,tsy ny tahotra na ny hoe nitety tany Afrika nandritra ny enimbolana na hoe noho ny tsy fahasalamany ,ireo dia zavatra hafa ,fa ny azy dia ny finoany mihitsy no nahatonga azy tsy nanome,kanefa izy milaza fa kristiana :roll::?::?:

16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.Jaona 3:16-17

Ny ran'i kristy iray manontolo no nomeny amonjena antsika tsirairay avy.Ny rany no nanadiovana ny fahotako sy ny fahotanao,ny rany no efa voavidy ho an'izay mino azy,ny rany,eny ny rany (l)
Koa moa ve tsy fitiavantsika ny havana malalantsika koa no anomezantsika ny ra-tsika (izay kely dia kely,tsy maty na marary isika fa vao maika aza manadio ny ra izany :D),dia ho sahinao ve ny hijery ny reninao ,na ny menaky ny ainao ho faty fotsiny ao amin'ny hopitaly e? Aiza ilay fitiavana?
Io fitiavana io no nanavotan'i kristy antsika rehetra
koa maninona no mbola miziriziry ihany ny sasany fa tsy mahazo manome ra ny finoanay,finoan'i kristy izay namoy ny rany iray manontolo ve izany e.
(l) JESUS (l)

Avy amin'ny ra mikoriana ao anatin'ilay olona tianao na namanao na olona mila vonjy no misy ny fitiavana izay tsy ho voavidy ary tsy ho voasolo vola noho ny fitiavantsika azy ireo, eny ny ran'i kristy aza mbola mihoatra lavitra an'izany satria Izy dia maty mihitsy noho ny fitiavany antsika rehetra.

novalian'i niryna ny 13/02/2008 06:35
2. ikaretsaka ( 26/01/2008 14:16)
ka ny ran'i kristy mahao ny fiainana mandrakizay fa ity ho faty ihany...


hono io an.. henoko t2 ireny debats ana fakana ra ireny
3. niryna ( 27/01/2008 06:11)
ikaretsaka:

ka ny ran'i kristy mahao ny fiainana mandrakizay

raha tsy misy ny ran'i kristy,tsy misy ny famonjena


14 mainka fa ny ran'i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.

14 combien plus le sang de Christ, qui, par un esprit éternel, s`est offert lui-même sans tache à Dieu, purifiera-t-il votre conscience des oeuvres mortes, afin que vous serviez le Dieu vivant

22 Ary saiky diovina amin'ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalana; fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.

22 Et presque tout, d`après la loi, est purifié avec du sang, et sans effusion de sang il n`y a pas de pardon
Heb 9

fa ity ho faty ihany...

hono io an.. henoko t2 ireny debats ana fakana ra ireny

rehefa tonga ny fotoana,ary raha azonao omena ve dia tsy manome hianao satria izay no finoana ohatra? :cry:
4. ikaretsaka ( 27/01/2008 12:23)
manome manoma .. fa tsy hoe satria i Kristy nanome ny rany dia za koa.. tsy any ny hitondrako azy
ny ahy tsy mahavelona mandrakizay sy tsy manafaka ny fahotan'izao tontolo izao, fa asa soa sy vony aina fotsiny
5. niryna ( 27/01/2008 19:14)
ikaretsaka:

manome manoma .. fa tsy hoe satria i Kristy nanome ny rany dia za koa tsy any ny hitondrako azy .
marina izany,mampahatsiahy fotsiny fa ny ran'i kristy iray manontolo no navotany ny rehetra,ity ra kely omena raha misy tapaky ny kaopy.
Tsy misy hidiran'ny fivavahana ilay izy hoe tsy manome aho fa noho ny finoaka,rehefa te hanome dia manome e!:-*

ny ahy tsy mahavelona mandrakizay sy tsy manafaka ny fahotan'izao tontolo izao, fa asa soa sy vony aina fotsiny
=D izay ,ilay izy,mahavelona ka,mbola velona any hatramin'izao ny olona nomeko ra ary mbola lazainy fa ny rako no mikoriana ao aminy .
Nahavonjy aiana aloha dia izay.



6. niryna ( 27/01/2008 19:15)
Maninona ny biby maty tampoka,tsy latsa-dra no tsy mahazo hohanina?
7. ikaretsaka ( 27/01/2008 21:56)
misy mihinana..
za rehefa noana petahiko
8. nandrianina1 ( 28/01/2008 02:21)
Tsy hay ra biby nihinana poizim-boalavo reny de tonga de niinjitra ko petahako a petahako!:?
9. nandrianina1 ( 28/01/2008 02:28)
misy ry nirina le foto-pinoana ao @le fiangonana minsty no mandrara ny fanomezan-dra a!(tsy hotononiko eto io) de manaraka anzay daholo ze miangona ao
10. Rasiligaoma ( 28/01/2008 04:56)
nandrianina1:

Tsy hay ra biby nihinana poizim-boalavo reny de tonga de niinjitra ko petahako a petahako!:?


d'acc amin'Ika
raha voalavo no nihinjitra dia hafa kosa.. fa raha naufrage koa aho na any amin'ny desert ka nahita fatin'omby ka noana, rehefa mafy ny adiko dia haniko ka

11. niryna ( 28/01/2008 05:19)
niryna:

Maninona ny biby maty tampoka,tsy latsa-dra no tsy mahazo hohanina?

Hoy ny fanazavan'ity olona iray hoe :ireny ra-kena na boudin moa no anarany?
Satria ny ra dia aina,ka tsy tokony ho hanina ilay izy,izany no antony hitatazana ilay akoho na omby rehefa vonoana.Tsy tokony hinana biby maty tsy latsa-dra hono fa ilay aina izay ra ao anatiny .
ahoana ny eritreritrareo?

12. niryna ( 28/01/2008 05:20)
ikaretsaka:

misy mihinana..
za rehefa noana petahiko



:snif::miam:=))=))
13. niryna ( 28/01/2008 05:22)
nandrianina1:

Tsy hay ra biby nihinana poizim-boalavo reny de tonga de niinjitra ko petahako a petahako!:?

Izay koa iray,ary ilay ra ao anatiny mbola ao.
Ny akoho voan'ny barika ,maty amin'ny alina tonga dia ariana,raha vao milanaka izy dia vonoina hainga ary ny rany dia ariana fa raha maty tsy nivoaka ny rany dia tsy tokony ho hanina .Aiza moa no misy an'izay ry nandrianina ?

14. niryna ( 28/01/2008 05:26)
nandrianina1:

misy ry nirina le foto-pinoana ao @le fiangonana minsty no mandrara ny fanomezan-dra a!(tsy hotononiko eto io) de manaraka anzay daholo ze miangona ao

ka izay indrindra no asiako teny eto ka,ny ran'i kristy ary nomeny daholo(maty izy) ,izay izy no mpanavotra antsika.Koa maninona no tsy manavotra ny ain'ny olona amin'ny ra kely raha misy tapaky ny kaopy?
aleo hifandahatra hoy i kristy raha izany :D:D ny ahy aza nomeko anareo,ny diakapony no nanasitrana ny fery.Efa nijery ilay passion de Jesus ve hianao?
Taty aminay lehilahy matanjaka izao aza torana,ary iny film iny no nahatonga ny olona maro nitodi-doha tamin'Atra.Na ilay mpanao film aza hono dia misy miazakazaka miankoho eo aminy na dia lazainy aza fa tsy i kristy izy fa mpanao ny tantarany fontsiny.

15. niryna ( 28/01/2008 05:28)
Rasiligaoma:

nandrianina1:

Tsy hay ra biby nihinana poizim-boalavo reny de tonga de niinjitra ko petahako a petahako!:?


d'acc amin'Ika
raha voalavo no nihinjitra dia hafa kosa.. fa raha naufrage koa aho na any amin'ny desert ka nahita fatin'omby ka noana, rehefa mafy ny adiko dia haniko ka



oops,aza d'acc amin'ika amin'izany hianao satria izy mihinana voalavo hoy izy a.Dikany tsy nisy na d'acc anao niaraka taminy tao.:D:D

16. Rasiligaoma ( 28/01/2008 05:40)
raha voalavo ka azo antoka kosa fa tsy misy poizina, hano fa hena
17. niryna ( 28/01/2008 05:41)
Rasiligaoma:

raha voalavo ka azo antoka kosa fa tsy misy poizina, hano fa hena



:lol::lol:bedy eto isika fa lasa HS ilay izy :D
18. Rasiligaoma ( 28/01/2008 05:41)
amiko ry Niryna rehefa survie hoe tsy manam-pidy intsony ny tena dia haniko ka! fa rahaafaka mifidy vao miaingitraingitra
19. ikaretsaka ( 28/01/2008 14:34)
ny coco ho'aho no mitondra an'io
20. mmmhh ( 28/01/2008 15:43)
niryna:


Voalaza teo :
ny ahy tsy mahavelona mandrakizay sy tsy manafaka ny fahotan'izao tontolo izao, fa asa soa sy vony aina fotsiny


izay ,ilay izy,mahavelona ka,mbola velona any hatramin'izao ny olona nomeko ra ary mbola lazainy fa ny rako no mikoriana ao aminy .
Nahavonjy aiana aloha dia izay.


Nahavonjy aina Niryna fa tsy azo antoka ny @ fahavelomana mandrakizay le aina novonjenao!!

Eny e, tsy ratsy ny manome rà satria aina no vonjena, fantatro io antoko fivavahana io fa aleo tsy tononina, fa mampanontany tena hoe rah tratran'ny patsa iray tsy omby vava ve reny olona ireny de tena hiziriziry tsy hanome mintsy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0792