ny biby fihinana sy ny tsy fihinana

41. niryna ( 27/01/2008 06:51)
LazaDaddy:

Jehova Andriamanitra]Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. Genesisy 9:3

=D=D Izaho mba gaga koa,rehefa nasainy hoe hano dia mbola tsy mihinana ihany ry zareo,tsy mahazo famonjena ny tsy mihinana azy ary tsy mahavery any amin'ny afobe koa raha te-hinana .Tonga i kristy nanambara fa tsy izay hohanina no maha maloto fa ny tena avoakan'ny vava.
aleo aho aloha anendy pork chop, fa tena matsiro ilay izy.
:miam::miam:

Paoly:
"Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zavamaniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy." Romana 14:2-3


Raha manasa olona isika ka milaza izy fa tsy mihinana dia tsy tokony ihinana eo aminy eo, noho ny fahasalamana na hoe tsy tiany.

soanja:


Zah mino fa tsy nihinana kisoa I Jesoa satria Jiosy izy. Mino koa aho fa tsy nihinana kisoa ireo Apostoly.

Ka i kristy indrindra no niteny hoe
3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.

4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,

5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany. 1 Tim


Biby tsy madio hatrany amboalohany ny kisoa.
ka tsy efa maty ve ireo e,satana anie no niteny hoe avelao izahay hiditra any anatin'ny kisoa e.Efa nivarimbarina any anaty ranomasina ireny taon-dasa maro.Lasa hoe ny olona iray no nangalatra tao Alasora ka ny rehetra no lazaina fa mpangalatra,satana tsy niverina tao anaty tenan'ilay olona intsony fa tany anaty kisoa ka ny kisoa rehetra aty aoriana no tsy mahazo hohanina :roll:=))=))
Izay no nalain'ny olona an-tendrony mandraka ankehitriny.:snif::snif:
Ara-tsiansa moa dia mazava ny vokatra ratsy azo amin'ny fihinanana azy matetika.
raha hoe ny voka-dratsy no tsy hinanana azy dia safidy io,ary misy mitombona izany raha inona atao na inona ka mihoatra ny vala dia ie,ie,miteraka tsy fahasalamana daholo, fa tsy tokony atao fadifady amin'ny finoana,.
Ny olona tsy mihinana kisoa matetika dia manao fanafody ,mitazona zavatra satria manotafady ilay fanafody tazominy.
Aiza re ireo miaraka amin'i dada Rabe sy manompo sikidy,ny mpaka tampakazo hanaovana varotra sy ny inona koa moa no filazan'ny olona azy ireo,ny mpaka ody fitia sy ny mpamosavy e,ireny izao mahalala azy tsara.
Ataoko fa samy mety efa naheno na mahalala an'izany daholo isika,ary toy ny hoe hosory menak'osy ngay,ngay dia tsy mandaitra ny odin'ilay olona :evil: Izay no mba henoko tany an-tanana :roll::roll:.

Ny kisoa izany dia misy bilariziozy na biby kely na aretina hafa ka raha marary ilay izy ary mihinana azy ilay olona(ratsy masaka dia ho marary ihany koa)io no antony iray taty aoriana tsy ihinana ny kisoa.
Ny aty aminay dia misy vaomera manara-maso ny hena ka mbola tsy naheno mihitsy aho hoe mikatona ny orin'asa mpivarotra sakafo vita amin'ny kisoa.
Ara-pivavahana:
Na mihinana na tsy mihinana dia tsy ahavonjy izany ,efa nomen'i kristy tso-drano ka dia andeha hanao nem indray aho rahampitso amin'ny toton-kenan-kisoa sy ...:miam::miam:

Milamina kokoa ny fiainanao raha manalavitra ny henam-biby!

marina izany ara-pahasalamana fa tsy hoe ara-pivavahana.Safidy moa io ka dia izay tianareo ataovy fa aza ny anara'Atra no hiresahana an'io satria efa voavidin'i ran'i kristy daholo izay zavatra ataontsika rehetra.
Dia ahoana tokoa re izany,io ilay olona fa mihinana kisoa dia hiteny hoe mifona aho ry Atra fa nihinana kisoa :-$:-$
42. jeanlucarsene ( 27/01/2008 09:58)
ny karana sisa no fady an'reny fa raha kristian efa tokony hihinana daholo @ izao andro izao fa vakio tsara sy alalino ny baiboly
43. bosista ( 27/01/2008 16:44)
mba miverena isika mamaky indray ny baibolin-tsika fa tsy milaza ny soratra masina fa nihinana ireo biby ireo i piera ,tsy voalaza ao hoe nihinana izy ,fa nitazona ny tenanny,inona ny antony tsy matoky ve izy sa ahoana?
44. soanja ( 27/01/2008 18:40)
Ny fahalala an'Andriamanitra dia mitarika lalandava amin'ny fananana fitonia sy filaminana ary fitiavana ny mpiara-monina , tafiditra amin'izany ny biby sy ny zava-maniry ary ny tontolo iainana.

Endrika Fandriampahalemana , Fitiavana ary Fiaraha-manompo an'Andriamanitra no tanjona.

Raha indramiko ny lafatra inoako ao anaty baiboly momba izany dia ireto teny vitsivitsy ireto no mahafehy azy.

Izaia 11, 6-9

6 Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.

7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;

8 Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana.

9 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.


45. niryna ( 27/01/2008 19:19)
soanja:

Ny fahalala an'Andriamanitra dia mitarika lalandava amin'ny fananana fitonia sy filaminana ary fitiavana ny mpiara-monina , tafiditra amin'izany ny biby sy ny zava-maniry ary ny tontolo iainana.

Endrika Fandriampahalemana , Fitiavana ary Fiaraha-manompo an'Andriamanitra no tanjona.

Raha indramiko ny lafatra inoako ao anaty baiboly momba izany dia ireto teny vitsivitsy ireto no mahafehy azy.

Izaia 11, 6-9

6 Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.

7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;

8 Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana.

9 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.





tiavina ny mpiara-monina izay no hizaraina ny fitiavan'i kristy azy ireo
46. mpanarivo ( 28/01/2008 01:18)
ny mahagaga anie ry reto dia izao e!
1:I jesosy ve moa mpamorona lalana sa mpanaraka lalana? sa izy no be sandry ka tsy maintsy manaraka izay lazainy ny olona.
2:ary I Jesosy lazainareo fa mpamonjy io! avy aiza no hanany hery ahafahany hamonjy olona ?
hoy ianareo hoe:I MATIO nilaza izao sy izao.......sns
I MARKA niteny hoe......sns sy ireo tsy voatanisa(apostoly io)
mba fantatrareo ve iza ireo ary avy aiza fokon'iza ?
ary @ fomba ahoana no hanarahanao izay nolazainireo?
ary iza ry zareo no tsy maintsy harahina ny teniny?
mba mangataka fanazavana ah momba ireo fa toa tsy valianareo mihintsy ny fanontaniako.
raha tsy mahafantatra ianao dia tokony tsy hanaraka satria mitovy sahala amin'ireny teny noforonina(lainga) ireny ny teny havoakany.
47. nandrianina1 ( 28/01/2008 02:17)
mpanarivo> tsy aleo ve anokafana adi-hevitr vao manokana io voalazanao eo ambony io e!
le kaly zao mantsy no tena resaka eto! mba manandrana mo fa matsiro be ne reny ampiarana @ ravitoto e!

miala tsiny @nao za tsy maitsy iresaka momba any MATIO ihany eto alou fa SM voasoratra io ka tsy holaviko
Mpanarivo:
1:I jesosy ve moa mpamorona lalana sa mpanaraka lalana? sa izy no be sandry ka tsy maintsy manaraka izay lazainy ny olona.


ao @ matio 17 dia hoy ny SM \"Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin\'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.\"

de Izy hono no henoy de mazotoa homana:D
48. mmmhh ( 29/01/2008 13:55)
mpanarivo a, ny marina de enao tsy kristianina, de sarotra be ny hiresaka aminao, na hiteny fahanjatony sy arivo eo enao ny @ Kristy sy ny apôstôliny de reefa izy no hinoanay de Izy ihany, satria izahay tsy maintsy miainga @ Soratra Masina nefa enao le SM mintsy tsy hekenao de tsy mety le discussion,
Na mba avohay koa izay andalanteny avy @ zé fototra iorenan\'ny finoanareo e,

Rah ho an\'ny Kristianina tsy mihinan-kisoa no miresaka eto de mety tsara le ady hevitra,
Ho lany eto ny taona ... fa tsy hisy mintsy ny marimaritr\'iraisana e,
49. ikaretsaka ( 29/01/2008 17:42)
ka izay ange no mahavoa antsiak kristianina extremiste e.. zavatra kristianina no entina mandresy lahatra tsy kristianihna..

karaha ohatran'ny miteny @ jamba hoe jere ty menamena... izt aza efa jamba

ohatran'ny heo raha misy resaka sikidy ve ka hifandresy lahatra ka te handresy lahatra anao le mpisikidy dia mbola sikidy no holazainy aminao nefa ianao aza efa tsary mino ilay sikidiny

mba realiste hoa
50. fijo ( 29/01/2008 22:14)
marina ny an'i soanja saingy matsiro koa ny hena ka.safidy io anaka
51. ikaretsaka ( 29/01/2008 22:16)
ny kotrana fotsiny no atao betsaka avy eo raha tsy te harary e,,, tsy te hatavy e.. sns sns
52. rabilabila ( 30/01/2008 08:45)
Iaraha -mahalàla moa fa ny kisoa dia anisan'ny biby tsy dia azo tehirizina loatra any amin'ny tàny mafàna fa malàky mitondra otrik'aretina mety hahafaty ka dia nofadiana ,ary lasa kolotsaina izany fifadiana izany.

Taty aoriana angamba hitan-dry zalahy ny fika hoe azo atao kitoza kay itony zavatra itony ,na koa fumé-na ,na atao saucisson ,dia lasa nihinana dia tafiditra tao anaty kolo koa ilay izy!!

Ny tiako lazaina dia hoe : Ny testamenta taloha dia nosoratan'ny olona any amin'ny tany mafàna ho an'ny vahoakany any amin'ny tany mafàna.
Ka rehefa nisy nivoaka ny tany mafanany ny sasany tamin'ireo olona ireo ( i Paoly ohatra ),dia nahita fa nihinana kisoa ny olona tany amin'ny tany nalehany ,dia angamba nanandrana izy dia tsy narary ;dia avy eo izy nijery ny fomba fitehirizana sakafo............................azo tohizana ilay tantara .
Isika amin'izao vanin'andro izao efa manana labatoara ,olona natokana hijery raha mahasalama na tsia ny sakafo atolotra eny amin'ny mpivarotra,manana fampangatsiahana an-trano hitehirizana sakafo ..............ka inona intsony no olana ....rehefa te-hihinana kisoa ?:lol: Ary ampiana kotrana hoy Ika ,na avec modération hoy ny mpitsabo sasany.
53. ikaretsaka ( 30/01/2008 13:56)
Hevitra koa izay ary mety ho possible
54. fijo ( 30/01/2008 22:35)
tena izay ny antony ka.efa nahita io resaka io aho,ary maro ny rabin jiosy no efa nanazava koa io resaka olana amin'ny fitahirizana kisoa io.
55. LazaDaddy ( 31/01/2008 02:23)
Jehova Andriamanitra:
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. Genesisy 9:3
Inoako sy azoko antoka fa tsy mamitaka Andriamanitra fa be fitiavana :)

Tsy ny mofo gasy ihany no iveloma'ny olona fa ny ravitoto sy henakisoa sy izay rehetra nomen'Andriamanitra azy ary ihany koa ny Teniny indrindra indrindra :)
56. ikaretsaka ( 31/01/2008 02:25)
ka le izy anie genesisy mahazo.. ksodosy sy deteronomia tsy mahazo, tonga poly de mahazo, dia tsy mahazo de mahazo de tsy mahazo...

57. LazaDaddy ( 31/01/2008 02:29)
ikaretsaka> sao kosa indray ary dia ny saina ihany no mitondra an'io r'ise? Azo hamarinina ve izay? :)
58. ikaretsaka ( 31/01/2008 02:43)
mbola misy tohiny.. tonga i mahomets dia tsy fihinana.. tonga i lotera sy ry ignasy de fihinana tonga indray i smith de tsy fihinana... de hihazohazo eo

dia ny hiafarany dia izay mihitsy .. ny saina sy ny coco anao no mitondra an'io ry laza!

maty ve ianao raha nihinana dia maty ve ianao raha tsy nihinana
59. rabilabila ( 31/01/2008 02:44)
:-D:-D Ary ato misy mody any Anosizato , mody any Ankatso ,mody any Ambohidepona ,mody fanina an!!!:-D:-D
60. LazaDaddy ( 31/01/2008 02:48)
rabilabila> mbola misy kisoa mpitrongy fako tokoa angaha eny anosizato amin'izao...sa ny saina ihany no nampisy sy tsy nampisy an'ireny? :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087