ny biby fihinana sy ny tsy fihinana

21. ikaretsaka ( 25/01/2008 20:55)
wow! za kao tsy mihinana vorona fa tsy tiako ny tsirony:wink: fa ny ankoatran zay kosa haniko rehefa eken'ny saiko sy ny konsiansiko fa fihinana:-P
22. betroka ( 25/01/2008 22:11)
Maloto hono ny kisoa satria tsy mamoaka hatsembohana ara-dalàna.
23. mpanarivo ( 25/01/2008 22:13)
ary maninona moa raha ny tenin'i jesosy no tena arahanareo e? fa angaha jesosy no mpamorona ny lalana sy ny didy?!
i jesosy koa angaha no hitsara sy hanome izany fahasambarana(paradisa) izany.
tena tsy azoko mihtsy no tena han-dohanareo ireto ka!
marihiko tsara anefa fa i jesosy lazainareo tompo sy harahinareo io dia tsy nahavotra ny tenany teo @ hazo fijaliana!(tantara noforonina koa io)
ary ny milaza fa izay rehetra nolazain'i jesosy no tokony arahina dia maninona tsy misy boky voafaritra manonkana ny fanambarany rehetra?
dikany dia tsy tokony arahina izany io baiboly io.
ary iza moa i matio sy jaona sns... no harain-teny? ka hilazanareo fa niteny izao sy izao izy....?
mandiniha ihany ianareo izay manan-tsaina!
24. ikaretsaka ( 25/01/2008 22:28)
amin'ny kristianina =kristy=jesosy=A/tra
dia ie..
izy no mpanoratra ny lalana sy didy
25. nandrianina1 ( 25/01/2008 22:29)
resaka hafa ndray ty ry zareo a!
mpanarivo a! aza ferana @ TT ny baiboly fa efa misy ko ny TV:wink:
26. xxx ( 25/01/2008 22:30)
mpanarivo:

mandiniha ihany ianareo izay manan-tsaina!

Aza matahotra ianao fa :
- manan-tsaina izahay
- mandinika izahay
Ary indrindra :
- manana Fahasoavana izahay
- faly hatrany izahay fa mirana ny fiainanay

Mbola tsy any amin'ny paradisa aza izany an ! ;-)
27. ikaretsaka ( 25/01/2008 22:36)
Mbola tsy any amin'ny paradisa aza izany an !

fa efa misantatra izany sahady..

"manomboka ety an-tany ny paradisa rehefa mifankaria ny olombelona"
28. fijo ( 25/01/2008 22:39)
za dia tsy mpino,nefa za kosa dia hiteny anao hoe ny finoanao arahana tsara.raha fehezin'ny finona ianao dia anao izay.za ohatra dia hoaniko na alika aza raha toa hainao ny mahandro azy tsara.
tsy mbola nihinana kisoa ianao ,koa amin'ny fomba ahoana no hilazanao fa ratsy io?????sa manaraka anjambany fotsiny hoe ratsy "hono io"?????
raha ny resaka jesoa eo ny mpino hamaly anao,fa aferany iny.
29. ikaretsaka ( 25/01/2008 22:55)
izay tokoa.. andramo aloha alohan'ny hitenenana hoe ratsy...
30. fijo ( 25/01/2008 23:32)
ary vao mihinana eo io,dia tamana
31. mpanarivo ( 25/01/2008 23:40)
ho anao izay milaza fa i kristy = A/tra sy izay miombon-kevitra aminy.
i Andriamanitra : dia ilay namorona izao tontolo izao no sady tsy ho hita maso mandrakizay.
ka nahoana ny voahariny tahaka anao hampitovianao @ ilay nahary?
i jesosy dia nihitan'olona maso ;mihinana sy mangery ary mamany tahaka ny olona rehetra.
ny Andriamanitra izany aminareo mamany sy mangery koa? ary i jesosy ve efa nahavita lanitra sy zava-boahary hafa koa ankotr'izao tontolo izao?
amiko dia izay manan-kevitra fa ijesosy = Andriamanitra dia anisan'ireo mpaniratsira ny nahary .
ary ny milaza fa andramo (mihinana) aloha vao mahita ny tsirony (tsara na ratsy) dia izao:
i jesosy izany nilaza efa nihinana (nanandrana)ny tainy dia ka niteny taminareo fa ratsy ny tsirony sa ahoana?
32. fijo ( 25/01/2008 23:44)
resaka finoana io,ka hoy aho,handramo aloha.raha noana ianao ka tsy misy sakafo hafatsy kisoa eo.ihinana sa tsy ihinana?
33. ikaretsaka ( 25/01/2008 23:52)
andramo aloha vao miteny.. izay mihitsy.
mety mipipi izy sy mangery fa tsy le tay sy amany araka ilay hitanao
34. fijo ( 25/01/2008 23:53)
ary ngamba koa tsy nihinana tay lery ka.satria na tsy akamako aza lery,fantako hoe tsy adala koa.
35. LazaDaddy ( 26/01/2008 06:53)
36. niryna ( 26/01/2008 07:21)
todisoa2:

Dia aôna le hoe Jesosy nitso-drano ny sakafo reetra.:wink:


io no valiny,vita tompoko.
Tsy nandrara ny tsy hanambady izy,ary mitso-drano ny biby rehetra,satria tsy izay rehetra hiditra ao anatin'ny vavaka akory no atao hoe maloto fa izay rehetra mivoaka avy ao anatin'ny fanahy dia ny teny izay ao anatin'ny fo.Teny ratsy,teny mandratra olona,teny mamitaka,teny mandainga,teny manandratra ny tena ,tena mitarika sain-dratsy ka miafara amin'ny fijangajangana,fangalarana,sns....
Manambady?
Raha tsy maharitra fa voan'ny fakam-panahy dia tsara kokoa no mampiakatra ilay olona tiana sy ho tiaviny fa tsy hanoa tokan-trano maso....

1 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,

2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,

3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.


4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,


5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.

6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany hianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.

vakio ny 1 Tim 4:1-6 .
^:^
37. soanja ( 26/01/2008 14:47)
Zah mino fa tsy nihinana kisoa I Jesoa satria Jiosy izy. Mino koa aho fa tsy nihinana kisoa ireo Apostoly.

Biby tsy madio hatrany amboalohany ny kisoa. Betsaka ny tantara miresaka izany. Ara-tsiansa moa dia mazava ny vokatra ratsy azo amin'ny fihinanana azy matetika.

Milamina kokoa ny fiainanao raha manalavitra ny henam-biby! Raha toa ka voatery hihinana ianao satria tsy misy ny sakafo hafa dia tsy manahy satria ilaina ny fitazomana ny aina mba hanompoana an'Andriamanitra.
Saingy kosa raha misy safidy hafa dia izay no lafatra amiko. Mahasalama ny sakafo azo/ namboarina avy amin'ny zavamaniry ary voaporofo ara-tsiansa izany.

Ny sakafo manta no tsara indrindra.
38. ikaretsaka ( 26/01/2008 14:50)
rehefa tsy mahafaty letsy dia hano an..

39. LazaDaddy ( 26/01/2008 23:31)
Jehova Andriamanitra:
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. Genesisy 9:3
:)
Paoly:
"Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zavamaniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy." Romana 14:2-3
40. ikaretsaka ( 26/01/2008 23:37)
"Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zavamaniry ihany. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy." Romana 14:2-3
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081