vavaka sy valim-bavaka

41. prime ( 06/02/2008 08:36)
fijo> efa tsara rehefa manao fandinihan-tena... saingy indrisy fa tsy mamafa heloka ny fandinihan-tena fa mampibaribary ilay tsy mety fotsiny (sy ny mety...)
42. LazaDaddy ( 06/02/2008 08:40)
=))
43. prime ( 06/02/2008 10:22)
LD> fa inona no mahatokelaka an'ise toa io?
44. rhanitra ( 09/02/2008 21:27)
-Misaotra amin'ny zavatra rehetra. Misaotra an'Andriamanitra tamin'izay efa nataony ho antsika ary indrindra misaotra sahady ho amin'izay mbola ho ataony (izay hataka ho atao).

-Ataovy amin'ny anaran'i Jesosy. Izy no mpanalalana antsika amin'ilay Ray.

Aza "be resaka " rehefa mivavaka fa misaora dia angataho aminy izay ilainao.

Raha vao be resaka mantsy ianao miresaka amin'Andriamanitra dia tsy afa-miteny mihitsy izy na hilaza ny heviny na hamaly satria ianao foana tsinona no miteny !.
Noho izany izay tena resaka lazaina an'Andriamanitra dia avelao izy hiasa sy hanome izay nangatahanao araka ny sitrapony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1336