vavaka sy valim-bavaka

1. todisoa2 ( 25/01/2008 12:57)
Inona no tena fomba fivavahana marina. Izany no lohahevitra tiako apetraka. Izany hoe inona no système de prière tokn hapetraka mba hampivaly ny vavaka izay atao. Mila valiny avy aminao Namana serasera.
novalian'i rhanitra ny 09/02/2008 21:27
2. Ylly ( 25/01/2008 13:45)
Mahery sy mahomby ny vavaka.

Rehefa mivavaka amin’ilay Andriamanitra Tsitoha izay nanao ny lanitra sy ny tany isika: dia toy ny mandeha mihitsy any amin’ireo faritra izay tena manohitra an’I Kristy. Misidina ka mihetsika amin’ny anaran’I Tompo isika ka mandingana ambonin’ireo sisin-tany samy hafa izay tsy azo hitoriana ny Filazantsara .. Tsy mijanona eo an-tafontrano fotsiny akory ny vavaka ataontsika fa mivantana avy hatrany eo amin’ny seza fiandrianan’ny fahasoavana dia eo amin’izay itoeran’Andriamanitra.

Fitaovam-piadiana mahery indrindra ny vavaka.


Amin’ny maha kristianina antsika dia , tafiditra ao anatin’ilay ady ara-panahy isika araka izay ampahatsiahivin’ny teny ao amin’ny Efesiana 6:12 antsika:
"Fa iska tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra fa amin’ny fanapahana sy ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”.

Ary mitohy eo amin’ny andininy faha 18 izany:

”Ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra..”

Ny vavaka no fiadiana mahomby indrindra handresena ny devoly. Andriamanitra ihany koa dia mangataka antsika mba hivavahantsika ho an’ireo mpanenjika (Lioka 6:28 ,Romana 12:14). Nantsoina isika mba tsy hamaly ny ratsy amin’ny ratsy fa ny mifanohitra amin’izany dia ny hanaovantsika izay tsara eo imason’ny olona rehetra.

Ny vavaka ihany koa dia manova ilay olona mivavaka

Tsy ho entina manova izao tontolo izao fotsiny akory ny vavaka, fa manova ihany koa ilay olona mivavaka. Izy.
Ianao ary ve ilay valim-bavaka avy amin’Andriamanitra ho an’ireo kristianina an-tapitrisany any amin’ny firenen-tsamihafa misy fanenjehana any?

dia hoy aho hoe

amiko aloha dia tsy misy izany hoe >> izany satria rehefa vavaka dia vavaka.
3. todisoa2 ( 25/01/2008 13:56)
Msôtra namaly ny hafatra e. Nareo mo mvavaka @inona. Le doctrine arahina no tiako hofantarina eto an..:lol:
4. ikaretsaka ( 25/01/2008 13:57)
ny fomba fivavahana marina? ny fanekena ny sitrapony :

"aoka tsy ho voatery izay tiako no ho tanteraka fa izay hitanao fa mahasoa ahy"
5. todisoa2 ( 25/01/2008 14:00)
Sûr ve tw? D aôna zan otrn oe man hoaz zan le fiainana re zan no iz.:lol:
6. ikaretsaka ( 25/01/2008 14:18)
ie! tadidio fa tsy Mpanao mazii hampirevy anao A/tra fa Tomponao
7. prime ( 25/01/2008 14:20)
todisoa2> ireto misy ampahany vitsivitsy raha tena tiana hivaly ny vavaka :

  1. mino an'i Jesosy Kristy amin'ny fo sy ny saina sy ny fanahy fa hivaly ilay vavaka
  2. mila marina ao amin'i Kristy (tsy ilay fahamarinan'ny tena no takiana eto satria tsy misy tanteraka na dia iray aza, fa ilay fahamarinana amin'ny fahatokiana sy firaisana amin'Izy Andriamanitra)
  3. tsotra vavaka ary fohy vavaka mahalala izay sahaza fa tsy lavareny sy be fandahatra
  4. mahery midera an'Andriamanitra amin'ny ataony rehetra ho an'ny tena, misaotra amin'ny vitany rehetra, ary mazoto mifona amin'ny tsy fahatanterahan'ny tena, miverina amin'Izy Andriamanitra
  5. tsotra fangataka fa tsy miolankolana
  6. izay rehetra nekena sy nivoadiana dia tanterahana antsakany sy andavany
  7. manana fahalemem-panahy sy fitiavana ary vonona hatrany ny hanampy ny hafa ka mamonjy amin'ny fotoana rehetra araka izay azo atao (mety asa io, fitaovana, vola, hevitra... sns)
  8. tsy mimonomonona na manamarin-tena fa na manatanteraka na tsia amin'ny fahatsorana (tsy misy saina hafa)
  9. mahay mankasitraka sy misaotra amin'izay rehetra miseho
  10. izay atao rehetra dia atao amin'ny anaran'i Jesosy


Mety hisy hafa ihany koa fa ireo aloha no tena hitako nety tamiko...
8. todisoa2 ( 25/01/2008 14:30)
Pas mal les recherches prime an. Tna ampy le toro-hvt.:lol:
9. ikaretsaka ( 25/01/2008 14:30)
voafehin'ilay filaza hoe "aza atao dieu magicien ilay dieu fa dieu amour"..
efa reeeesaka lava be teto ilay "A/tra raha misy patsa" io

lasa maana tendance an'io "raha misy patsa" io manko raha mpanao an'io hoe ataovy zao aho andriamanitra o.. de ataovy an zao...

dia ny tena ratsy aza avy eo dia mety hanary azy ianao raha tezitra fa tsy novaliany araka izay notadiavinao ilay ZVTR nangatahinao zao fa fantany hoe tsy hahasoa... mandra-pa realisevanao ny antony...
etsaka ny olona no tratran'io

izay no ilazako hoe ny acceptance mandray izay miseho sy izay omeny no mamehy ireo didy 10n'i prime ireo sy fa tsy hoe rehefa mety aminao ny omeny dia midera fa rehefa tsy mifanaraka @ le neverinao dia manompa

10. todisoa2 ( 25/01/2008 14:33)
tt à fait dac @le resak'i IKaretsaka aho.:lol:
11. cutie ( 25/01/2008 15:24)
vavaka= averimberina matetika fa tsy atao lava reny
valim-bavaka= mila faharetana:)
12. nandrianina1 ( 25/01/2008 22:12)
sao de zavtr tsyaraka ny sitrapon'Andrimanitr kosa az no angatahan tody?
13. fijo ( 25/01/2008 22:44)
ny tena vavaka ahazoana valiny dia ny miasa manao izay tiana katsahina.izay,ary atovy am po
14. ikaretsaka ( 25/01/2008 22:56)
amen ra fijo....

15. fijo ( 25/01/2008 23:33)
masina ihany aho kty.:-D:-D:-D:-D
16. niryna ( 26/01/2008 07:09)
fijo:

masina ihany aho kty.:-D:-D:-D:-D


:-* mahazo holy kiss amin'izay hianao raha izany .

mi pardon-kely aho fijo fa alefako eto ity hafatra ity an,hifonako e

Nisy nametraka tamiko koa io fanontaniana io ary dia manohy ny tenin'i prime ery ambony aho.
_
Isika raha hivavaka dia hiresaka amin'Atra izay.
Andriamanitra kosa miresaka amintsika ao anatin'ny soratra masina.
io aloha dia efa misy tsy manaiky fa hoe tsy ny baiboly ihany dia.........

Raha mitady an'Atra isika fa hamaly vavaka antsika izy dia tsy maintsy ny fanahintsika no mifandray aminy,satria Andriamanitra dia fanahy
:arrow: Ny dikany,raha misy zavatra ampiasana hidiran'ny fivavahana afatsy ny feo avy ao anatin'ny fontsika(ny vavantsika no miantso,midera,
mifona,mangataka famelan-keloka ) dia averiko indray ary tsy ho reraka aho miteny raha mbola velona ihany koa ka mbola omeny hery hitory teny eto,raha mampiasa zavatra hianao(satria izy Atra saro-piaro,tsy tia mifangaro na tia atra hafa)dia aza manantena ny ahazo valim-bavaka.
Mety mahazo kely hianao ,saingy tadidio fa misy ny fifandrifian-javatra indraindray.Satana koa mba mitaky kil.Dia ahoana koa izany?
Ny voa afafinao no hitsarana anao,raha miteny izy hoe aza manao an'izany raha naverimberina im-polo ilay teny sy andininy milaza ny fivavahana amin'ny zavatra hafa na endrika na olona maty na iza na iza afatsy i Kristy irery ihany no mifandray amin'ny ray dia aza manantena ho hivaly ny vavaka.
Marary ny tenin'Atra,ny fampianarana mety tsy azontsika taloha,izao efa nazavain'ny namana marobe izany ka anjaran'izay midiridiry sy manamafy ny fony.Vita ny anjaran'ny rehetra,ny teny izao omena dia tsy miverina any amin'ilay nanome aza intsony na tsara na ratsy na marina na diso,anjarantsika no misafidy.
Fo torotoro,fo mangetaheta ny hihaona azy,ilay fanahy mijaly te ho afaka ny fatoran'ny satana sy herin'ny ratsy rehetra,io fanahy io no hiantsoantso ny anaran'ilay ray.:arrow: tsy mila mampiasa na inona na inona :arrow:mandohalika,mitsangana,miankohoka,miakatra ny tanana hiantso vonjy sy hidera azy,ireo no fihetsika ataontsika ary arakaraky ny tsirairay io. tsy mila na inona na inona hisarihana na hiantsoana azy,efa eo anilanao izy mihaino ny fitarainanao.

Andramo manomboka androany,ario amin'ny anaran'i Tompo daholo izay karazana sampy,sarin-javatra,na inona izany na inona fa ho hitanao ary sahy mi-guarentia anao 100% aho raha tena sahy hianao fa manomboka androany dia hivavaka Irery amin'ilay Kristy izay maty teo amin'ny hazofijaliana aho,manomboka androany dia omeko ho tantanany @izay ny fiainako fa tena reraka aho ny mihazakazaka,manenjika ahy ny eritreritro,hisy ve izany fanadiovana e,kely ny finoako,mahita izany ao anaty baiboly ve aho,tambazako izay sahy milaza eto fa misy soratra hoe[b]ny afo fandiovana dia izao na izao..Tambazako hoy aho.
ary sahy hijoro izy raha mahasahy fa hi-chalenge aminy aho amin'ny anaran'i Kristy hatramin'ny farany.
Andramo.
Hialako tsiny fa lava ny hafatro,raha azoko ato hy hisitrika ao anatin'ny fanahin'ny tsirairay dia ataoko izany mba hamonjeko anareo,tsy izaho anefa no tonga teto fa hiraka aho ka ho tanterahiko izany na lany eto aza ny androko rehetra .Na iray fontsiny ihany aza no voavonjy dia efa fifalian'ny fanahiko izany fa hiaraka amin'ilay Tompo ho mandrakizay izy.
Ny fahasoavan'ilay Atra mahery anie hitombo ao amintsika tsirairay avy. Amena
(l)niryna
17. diamondra27 ( 26/01/2008 08:09)
todisoa2:

Inona no tena fomba fivavahana marina. Izany no lohahevitra tiako apetraka. Izany hoe inona no système de prière tokn hapetraka mba hampivaly ny vavaka izay atao. Mila valiny avy aminao Namana serasera.

______________________________

fanampin'ireo voalaza ireo dia :
mba hahombiazan'ny vavaka ataonao dia mila mivavaka araka ny sitrapon'Atra ianao,andramo fa 1mn de hivaly ny vavakao

tena vokatry ny fonao tanteraka ny vavaka ataonao ary tsy isalasalana zay valiny fa mahasoa anao na positif na negatif izany

vavaka =tsy bla bla , tsy fisehosehoana fa personnel

18. veromahefa ( 26/01/2008 09:49)
Hoy aho hoe : ny vavaka izay atao nge mivaly foana e!fa mety ho "positif" lay izy, mety ho "négatif" amin'ny eritrerintsika, dia eo isika no manao hoe "tsy mahazo valiny mihitsy za zany" rehefa tsy mifanaraka amin'ny eritreritra.

Noho izany, tsy resaka système de prière io.

Toy ny zaza miresaka amin'ny ray aman-dreny io, tsy voatery hahazo fahafaham-po foana...na mety hahazo fahafahampo fa tsy mivantana (ohatra : mangataka kilalao ny zaza, dia mametraka fepetra ny ray aman-dreny hoe : mila mianatra tsara aloha,sns...)

Izany akory tsy midika, mba tsy hisian'ny dika vilana, hoe mila tambiny foana Andriamanitra vao mamaly vavaka.8)

19. rijadolly ( 26/01/2008 18:02)
Mahaiza misaotra izay vao mangataka .
20. LazaDaddy ( 27/01/2008 05:33)
todisoa> efa maro ireo torohevitra nomen'ny namana ireo. Karohy fa misy torolalana marobe momba ny vavaka ao amin'ny Soratra Masina. Ny torohevitra azoko omena dia roa fotsiny ihany.

1) Masina Andriamanitra ka tsy tia "tsy fahamasinana" eo anatrehany. Mibebaha sy ataovy izay ahazoana famelan-keloka alohan'ny zava-drehetra. Angataho ny ran'i Kristy handio anao.

2) Tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao. Mahay zavatra tsara sy mihoatra lavitra noho ny mpanao mazia Izy, sady tsy takatra heverina.
Raha manam-potoana ianao dia fakafakao ito fehezanteny ito:
"Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika." 1 Jaona 3:22.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1009