vavaka sy valim-bavaka

21. soanja ( 27/01/2008 19:15)
todisoa2:

Inona no tena fomba fivavahana marina. Izany no lohahevitra tiako apetraka. Izany hoe inona no système de prière tokn hapetraka mba hampivaly ny vavaka izay atao. Mila valiny avy aminao Namana serasera.


Ny fivavahana marina dia sarotra ny mamaly an'io satria ny FAHAMARINANA dia mifandraika amin'izay eritreretin'ny tsirairay ho marina eo anatrehany sy ifandraisan'ny fanahiny amin'Andriamanitra izay inoany.
Koa ny fivavahana marina dia ianao ihany no ahalala sy ahatsapa azy fa tsy avy amin'ny hafa velively.
Raha mandaitra ny vavaka ataonao ka misy fiantraikany amin'ny fiainanao dia izay no fivavahana marina eo anatrehanao amiko. Tsy ilaina akory ny mihaino ny hevitry ny hafa momba ny fivavahana hinoany raha toa ka manome anao fiodikodinana sy fisafotofotoana.

Raha ny amiko Kristianina dia raiso ny baiboly vakio, ianaro ary ampifandraiso amin'ny fihetsem-po, tsapa ary fanahy velona ao anatinao. Izay mifandraika amin'ilay ao anaty ka mahavelona sy hitanao misy taratra maharitra, mampihavana, ary manome fitoniana ety ivelany dia izay no Finoana tsara arahina. Raha toa ka mampijaly saina ny zavatra vakianao ao dia tsy izy izay fa soratra nosoratan'olon-kafa ho anao saingy tsy ilainao izay raha tsy mandamina sy mampihavana ary mamelona.

Ankoatr'izay dia todio ny manodidina. Jereo ny fifandraisana misy eo aminao sy ny manodidina (tafiditra tontolo iainana). Diniho raha toa ka misy miantso ny fanahinao hitaky asa na fanatsarana ary fampisehona izany hatsarana any anaty izany.

Derao ny zava-tsoa manoloana ny masonao ho voninahitr'Ilay Avo, ny tsapa manome filaminana amin'ny manodidina, Andriamanitra miasa ho anao izay tsapanao izay ary Izy tia anao, tadidio izay.

Farany ny fivavahana dia tsy andrasana valim-bavaka. Minoa tanteraka fa hitranga dia avelao Izy Andriamanitra hamita ny asany eo aminao!

Raisiko ny ohatra: namafy voan'ananana ianao amin'ny fotoana tsara famafazana ary lonaka ny tany satria voaasa tsara sy nokarakaraina. Nofefenao ny rehetra tsy hisian'ny voron-kely hanelingelina izany ary nasianao ahi-maintso hiaro ny masoandro be loatra. Toneo ny fo, Izy Andriamanitra hanao ny asany fa tsy any aminao intsony ny fahafahana hampantsimoka ny voa! Izy manana ny fotoana tsara hitsomohany mandram-pitakiny indray asa avy aminao hampandrombona azy.

Peace ao aminao lalandava!


22. Rasiligaoma ( 28/01/2008 05:06)
ny fivavahana marina dia ny fahaizanao mankato izay zavatra mitranga manaraka eo amin'ilay fiainana!

"Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika." 1 Jaona 3:22.


nanitikitika ny saiko kely ny famakafakana:
raha atao ary hoe mitandrina ny didy sy manao izay ankasitrahana eo imasony ary ny olona iray, ka avy eo izy nivavaka ny hampahantra namana tsy tiany loatra ohatra no mba angatahina (voalaza teo fa na inona na inona manko) ka tsy nety nahantra ilay olona nangatahina!
(Izay tsy nety ary inoako fa tsy hiety mihitsy! raha tsy hoe andriamanitra hafa angamba izao andriamanitra izao) dia tsy nivaly izany ilay fangatahana "na inona na inona"
valimbavaka ve?
23. LazaDaddy ( 28/01/2008 05:11)
24. Rasiligaoma ( 28/01/2008 05:21)
Sarotra be nohon'ny manavaka an-dry Maria koa ve ny manavaka izay fanontaniako izay ry namana?
25. LazaDaddy ( 28/01/2008 05:23)
26. Rasiligaoma ( 28/01/2008 05:27)
sa menatra hindrana ny fahaizana tany "Ankatso" hanavahana azy?

"Sainte Marie Mere de Dieu Priez pour Nous, "

Salut! je me depeche!
27. LazaDaddy ( 28/01/2008 05:28)
28. Rasiligaoma ( 28/01/2008 05:31)
sambasamba mba tsy hain'ise intsony ny mamaly fanontaniana, sa mampiketrika be ny "fanafangaroana" azy ao?
29. LazaDaddy ( 28/01/2008 05:32)
30. ikaretsaka ( 28/01/2008 14:36)
fa inona tokao ny zavatra naha confus anareo mitsam tao e?
io tsy fi maitrise-na ny 1 io nefa te hijabaka @ 1 io ho'a aok'izay, lasa confusions ilay fikarohana ..kozy e
31. LazaDaddy ( 28/01/2008 19:34)
32. ikaretsaka ( 28/01/2008 19:48)
zany moa lazadaddy o?:wink:
33. LazaDaddy ( 28/01/2008 20:33)
34. prime ( 29/01/2008 10:55)
Manan-danja lehibe tokoa eo amin'ny vavaka atao tokoa io fahadiovana avy amin'i Kristy voalazan'ny namana ireo ambony ireo... raha tsy madio amin'ny ràn'i Kristy dia tsy ho tafaray Aminy... ary raha tsy miray aminy tsy hahay hivavaka aminy...

rasiligaoma> raha feno firaisana amin'Andriamanitra ny olona iray tsy haniry ratsy ho an'ny hafa fa ny tsara mandrakariva aza...
35. ikaretsaka ( 29/01/2008 17:45)
prime> misy le extremiste be ireny kosa soi disant hoe Xtianina ohatra.. dia maniry ratsy ny "tsy ohatra azy"
ex: tsy voavonjy e... tsy mamaky bible e.. sns...tsy nahazo chance expose e.. satana sy antikriste eee:roll:
36. LazaDaddy ( 29/01/2008 20:32)
37. prime ( 30/01/2008 08:45)
ikaretsaka> dia aleo izy sy ny fanirian-dratsiny ho azy fa mbola hotsaraina amin'izany izy fa ny an'ny tena no zava-dehibe sy ny firaisan'ny tena amin'i Kristy...
38. fijo ( 30/01/2008 22:46)
izay,ny tenana aloha jerena sy hatsaraina,fa isika rehetra ireto samy manana ny tsimety vitantsika aby.saingy izahay tsy mila mivavaka fa manao fandinihantena,ianareo mivavaka miandry famelana
39. ikaretsaka ( 31/01/2008 03:02)
izay mihitsy
40. LazaDaddy ( 31/01/2008 21:24)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1967