Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny F. manohitra ny nofo
1. niryna
(
25/01/2008 06:53)
13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin'ny fitiavana.
16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.
17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.
18 Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
Raha zohina izany dia tsy afaka hifameno ve ireo,ny nofo manohitra ny fanahy ary ny fanahy manohitra ny nofo.
Raha malemy izany ny fanahy dia maraka izay filan'ny nofo ilay olona?
Ary raha mahatohitra ny fakam-panahy kosa dia lasa matanjaka ny fanahy ka dia manaraka izay ataon'ilay fanahy ilay nofo?

novalian'i ikaretsaka ny 05/02/2008 20:57
2. cutie
(
25/01/2008 20:31)
mila misafidy
na mandeha araky ny nofo na mandeha araky ny fanahy ohatran'reny olo-masina reny lol
na mandeha araky ny nofo na mandeha araky ny fanahy ohatran'reny olo-masina reny lol
3. ikaretsaka
(
25/01/2008 21:00)
tandremo mandeha ila ohatran'ny kiraron'i beminahy fa reraka eo koa..
amiko mifameno tokoa ... fa mila balance sy ny fahalalana honony goavana
"rehefa mitondra fiara... motera sa volant no saoferan?a ..... de ho'zy hono ilay olona hoe .. ny fiara tompoko no entina sy mitondra ny tena fa tsy ny volant sy ny maontera ?
hoy ilay tononkiran'ilay rabertinina ao Andohavary mpanao hira gasy izay

4. fijo
(
25/01/2008 22:45)
izay,ny singa tsirairay rejefa mitambatra dia lasa zavatra tokana.
ary iny tokan ainy no entina na mitondra na miasa
ary iny tokan ainy no entina na mitondra na miasa
7. nandrianina1
(
26/01/2008 03:32)
ra adika malalaka nge de pi-adyversaire reo fanahy roa reo e! de misy ray maresy fona fa sty mety match nil
de otran'le atsy @ dinika ray atsy we refa tsy mahatohatra fakam-panahy de mbola mievaeva:arrow:de avy eo manota :(
de otran'le atsy @ dinika ray atsy we refa tsy mahatohatra fakam-panahy de mbola mievaeva:arrow:de avy eo manota :(
8. niryna
(
26/01/2008 06:09)
cutie:
mila misafidy
na mandeha araky ny nofo na mandeha araky ny fanahy ohatran'reny olo-masina reny lol
Ny mandeha araky ny nofo dia ireny olona tsy mihaino ny tenin'Atra ireny na mandika ny lalan'Atra ary misy izy mitsapatsapa ohatra dia lasa latsa-paka amin'ny farany.
Ohatra hoe hasain'ny olona dia misotro kellly e,dia farany lasa mpisotro toaka be,ary miafara amin'ny mamo an-tantatra na mandrefy lalana,indraindray.
Raha mitohy ilay izy dia tsy miaiky izy fa hoe mamo"iza no lazain'ialahy fa mamo",ary dia mitohy ny fitenenan-dratsy ,ny fiakaram-peo ao an-trano,ny fanalikana ny vady,ny fikorontanana ny tokan-trano.
Dia mbola mitohy ihany koa ny ara-nofo, fanitsakitsahambady,ny fodiana alina be,matetika tsinona any amin'ny bara no manjono ny vehivavy,sns...:twisted: dia mihitatra ilay filan'ny nofo.
Tsy ho voatery hitovy an'ireo daholo akory,saingy raha misy zavatra ratsy tsy voatohitra dia mihitatra ilay izy. Kanefa ny tenin'Atra miteny fa hoe
http://baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=5&andininy=19-21&dika=
9. niryna
(
26/01/2008 06:21)
cutie:
mila misafidy
na mandeha araky ny nofo na mandeha araky ny fanahy ohatran'reny olo-masina reny lol
Ilay mandeha araka ny nofo eto dia izay zavatra tiantsika ihany ka ny filan'ny nofontsika no ataon'ny saintsika.Izany hoe mifanohitra izay tsara tokony atao,saingy heverintsika fa ho tsara daholo ilay izy ary raha tsy mitandrina isika dia mijaly ny fanahy ary dia manaraka ilay filan'ny nofo fa tsy mahatohitra ny fakam-panahy,ka dia ho faty isika (ny fanahy ,eny na velona aza isika):roll::?:.
Ilay mandeha araky ny fanahy indray dia miezaka manaraka ny tenin'Atra ka raha mivavaka sy mino an'ATra dia ny fanahy masina no mampahatsiahy antsika mba tsy anao an'io ,rehefa matanjaka ilay fanahintsika,dia mahatohitra ny fakam-panahy izany dia manaraka ho azy ny nofo,ary dia midera sy misaotra an'ATra indray,ka ny fanahintsika amin'izay fotoana izay dia ho velona satria nino an'ilay tompon'ny fanahy ary nanaiky ny fanoherana ny ratsy :evil:dia ny fivavahana no ampinga nanavotra antsika sy ny finoana an'i kristy ,mba tsy ho voatarika tamin'izany,ary dia ho voavonjy isika amin'ny farany(ho velona mandrakizay ny fanahin'izay mino an'i Kristy)^:^
10. niryna
(
26/01/2008 06:23)
ikaretsaka:ahoana izany?
tandremo mandeha ila ohatran'ny kiraron'i beminahy fa reraka eo koa..
amiko mifameno tokoa ... fa mila balance sy ny fahalalana honony goavana
ka ilay fahotana anie tsy misy kely sy lehibe e,rehefa mpanota dia mpanota ka ahoana no hi-balance-nao azy.
"rehefa mitondra fiara... motera sa volant no saoferan?a ..... de ho'zy hono ilay olona hoe .. ny fiara tompoko no entina sy mitondra ny tena fa tsy ny volant sy ny maontera ?
dia ny fanontaniana indray hoe velona mba ho faty sa maty mba ho velona?
hoy ilay tononkiran'ilay rabertinina ao Andohavary mpanao hira gasy izay
=D=D=))
11. niryna
(
26/01/2008 06:27)
fijo:
izay,ny singa tsirairay rejefa mitambatra dia lasa zavatra tokana.
ary iny tokan ainy no entina na mitondra na miasa
tsy azoko fa mba azavao ahy kely e.
12. niryna
(
26/01/2008 06:31)
nandrianina1:
ra adika malalaka nge de pi-adyversaire reo fanahy roa reo e!
=D=D
de misy ray maresy fona fa sty mety match nil
de otran'le atsy @ dinika ray atsy we refa tsy mahatohatra fakam-panahy de mbola mievaeva:arrow:de avy eo manota :(
marina mihitsy izany,ka na isika mihaino ny feon'ny fieritreretana hanaraka ny filan'ny nofo dia hiafara any amin'ny fahaverezana raha tsy mibebaka,na mifona ,na isika miaraka amin'Atra dia miambina isan'andro ka mihaino ny fanahy ao anaty mibitsika antsika ny tsy hanao toetra mankarary ilay fanahy satria hiafara any amin'ny fahaverezana izany.
13. ikaretsaka
(
26/01/2008 14:19)
dia ny fanontaniana indray hoe velona mba ho faty sa maty mba ho velona?
io arakaraky ny finoana...
14. niryna
(
27/01/2008 06:56)
ikaretsaka:
dia ny fanontaniana indray hoe velona mba ho faty sa maty mba ho velona?
io arakaraky ny finoana...
hoy ny fanoharan'i kristy hoe rehefa maty ny voan-javatra iray dia iny no mitsimoka lasa velona avy eo....
Isika rehetra dia maty noho ny fahotana,hatramin'ny niandohan'i Adama, ary izay mino an'i kristy dia ho velona indray ny fanahiny.
Mety miteny hianao hoe maty izany ny fanahy,eny tompoko,raha maty ka tsy mila mpamonjy dia hijanona ho faty eo.
Izay miaraka an'i kristy kosa na dia maty aza dia lasa velona indray .Ary dia hanana fiainana mandrakizay miaraka aminy ny fanahiny.
15. ikaretsaka
(
27/01/2008 12:28)
ka izay hoa.. arakaraky ny finoana ilay izy..
ny anao hoy i Kristy, ny azy hoy izay inoany any
ny anao hoy i Kristy, ny azy hoy izay inoany any
16. niryna
(
27/01/2008 19:17)
ikaretsaka:
ka izay hoa.. arakaraky ny finoana ilay izy..
ny anao hoy i Kristy, ny azy hoy izay inoany any
marina ny anao,ny ahy i kristy irery tsy misy fangarony satria fantatro sy voasoratra fa any aminy irery no misy ny famonjena,tsy anasorana,tsy ampiana,tsy mahazo vavaka aminy fa dia midonaika eo,misavoritaka eo,miandry ilay fanahy kanefa tsy mety tonga any aminy
18. niryna
(
01/02/2008 06:48)
ikaretsaka:
izay ilay exclusivity...
coexist dia interact ry niryna a
inona no tianao ho tenenina azafady e
20. niryna
(
02/02/2008 02:02)
cutie:
believe in coexistence:lol:
misaotra aky cutie a,aleo izy no hanazava ahy fa hafahafa be izay ihany mantsy ny heviny =))