Ny rano indray no lafo noho ny lasantsy.

1. niryna ( 24/01/2008 05:49)
Mety ho variana angamba hianareo raha hilazako izany fa ny aty aminay ny rano sotroina,vidina amin'ny tavoahangy indray no lafo noho ny vidina lasantsy.

Raha misy mariage izany dia ny namana 70 ohatra ary ny havana raha misy 20-30.Na dia zanatany aza izy.Na maro havana aza ny olona.
:roll::D
novalian'i niryna ny 03/02/2008 06:08
2. foudre ( 24/01/2008 06:43)
aiza no misy an'izany klé!
3. jiolah ( 24/01/2008 07:03)
za ko vo nainga hanotany fa bizna be mandehandeha zany:°):°):°)
4. rova30 ( 24/01/2008 08:22)
Mampatsitehangetaheta izany any aminareo izany ry niryna a!Aleoko ihany lahy ny aty aminay.

Ny henoko indray dia hoe ny tavoahangy sy ny transport ary ny taxe no vidiana lafo raha mihoatra amin'ny rano sotroana ao anatiny!(radio no nilaza an'io an!)

:arrow:d'efa mahaiza mampisa filtre amin'ny robine zany raha tsy te ho lany vola ko!
5. Rasiligaoma ( 24/01/2008 08:47)
ny toaka sy ny coca kosa lafo nohon'ny lasantsy foana ka..
6. xxx ( 24/01/2008 08:52)
ny aty aminay koa tahatahaka an'izany e, ny divay indray mora noho ny rano ny vidiny , aty aho mantsy izao .....
7. Veloo ( 24/01/2008 13:45)
nyrina a ny lasantsy anie 1 gallon e???? efa ho 4 litres...
ataoko fa tsy marina io
8. ikaretsaka ( 24/01/2008 18:08)
veloo> 1 gallon = 3.8 litatra eo ho eo, vidiana $3.8 eo koa
izany hoe $1 ny litatra

nefa coke 1 can no $1
9. niryna ( 25/01/2008 05:47)
niryna:

Mety ho variana angamba hianareo raha hilazako izany fa ny aty aminay ny rano sotroina,vidina amin'ny tavoahangy indray no lafo noho ny vidina lasantsy.

Raha misy mariage izany dia ny namana 70 ohatra ary ny havana raha misy 20-30.Na dia zanatany aza izy.Na maro havana aza ny olona.
:roll::D


rano amin'ny tavoahangy 1 kaopy na 1 pint =$ 1.25
4 pints = 1 gallon :arrow: $ 5.00 izany ny rano


Ny lasantsy 1 gallon =$ 3.25 ... $3.80

1 gallon = 3.80 litres
10. niryna ( 25/01/2008 05:48)
foudre:

aiza no misy an'izany klé!

zamerika

11. niryna ( 25/01/2008 05:49)
jiolah:

za ko vo nainga hanotany fa bizna be mandehandeha zany:°):°):°)


Dia atsasaka barika kely no entin'ny mpitatitra rano any am-piasana ,dia mody asiany fametrahana azy sy kopy kely hisotrona rano dia tena mandeha tokoa ny bizna ary kamio lehibe mihitsy no mitatitra ny rano :D
12. niryna ( 25/01/2008 06:07)
rova30:

Mampatsitehangetaheta izany any aminareo izany ry niryna a!Aleoko ihany lahy ny aty aminay.
:D:D efa zatra ka ,izay fotsiny ve no hodiana ? :D
taloha avadika vola gasy daholo :roll: izao tsy mieritreritra an'izany.Saingy tsara ho fantatra kosa fa ny vidina sakafo any amintsika (dago )dia mitovy ny vidina sakafo aty aminay.
Rehefa miantsena izahay any dia hoy ny olona hoe karamanay iray volana io :cry:,malahelo kely ery ny tena. Fa ny tsirony kosa aloha hafa ihany ny any amintsika e.
Saingy izao ihany koa ngezabe ny portion eo ambiliha rehefa any amin'ny mpivarotra sakafo na restaurant ary matetika mitondra mody ny olona :D oops bedy eto aho.

Ny henoko indray dia hoe ny tavoahangy sy ny transport ary ny taxe no vidiana lafo raha mihoatra amin'ny rano sotroana ao anatiny!(radio no nilaza an'io an!)
ny rano dia efa voadio ny ao anaty robinet ao an-trano saingy tsy zatra intsony ny tena fa raha misotro dia marary tenda.
Dia iny indray ny manantsaina sy ny mitady hevitra ahazoana vola fa nampiditra ny filtre,dia tatavanina amin'io ny rano,mividy ...tsy tadidiko ilay anarany amin'ny teny gasy k'ty .
Singa ngezabe e efa misy fitatavanana an'ilay filtre dia iny no asiana rano ao an-trano dia tsy marary ny tenda.
Ny tavoahangy aty dia misy olona tsy manana asa dia mandehandeha, tsy miantsoantso "misy tavoahangy ve ho vidiana izy a =))=))" .Manao gants tanana fotsiny ireny tsy manana asa ireny dia mitsimpona tavoahangy eny amin'ny arabe,eny amin'ny fakon'ny olona ,eny amorondalana,indrindra rehefa mafana ny andro dia amidiny any amin'ny mpivarotra .
Misy efa fitaovana manokana asitrika ao fotsiny ny tavoahangy dia potipotika ilay izy dia iny indray no ampiasain'ny mpanamboatra tavoahangy.


:arrow:d'efa mahaiza mampisa filtre amin'ny robine zany raha tsy te ho lany vola ko!
ie izany indrindra fa ny any am-piasana ny tavoahangy tsy misy rano intsony no entina dia iny no andrarahana ilay rano ,na koa efa misy kaopy eo raha tsy te-hivezivezy lava

Ny transport dia tsara ka,mitovy daholo ny frais rehetra na lavitra ny dianao na akaiky.Raha mba manao izany ny aty amintsika dia ho voavotra ireo ambanivohitra miakatra an-tanan-dehibe.
toy ny fandoavana hetra ihany ka,misy vola kely aloha daholo izay vidiana,saingy misy fotoana tsy mandoa vola rehefa miantsena mividy akanjo latsaky ny $100 ohatra.
ny sakafo tsy mandoa kanefa ny soda,sy ny divay ,ny sigara mandoa sns .
13. niryna ( 25/01/2008 06:09)
Rasiligaoma:

ny toaka sy ny coca kosa lafo nohon'ny lasantsy foana ka..

ny coca lehibe mora ka ,ilay hoentina an-tanana no lafo

14. niryna ( 25/01/2008 06:09)
xxx:

ny aty aminay koa tahatahaka an'izany e, ny divay indray mora noho ny rano ny vidiny , aty aho mantsy izao .....

aty aiza i xxx :D

15. niryna ( 25/01/2008 06:10)
Veloo:

nyrina a ny lasantsy anie 1 gallon e???? efa ho 4 litres...
ataoko fa tsy marina io


oops, io ambany io ika manazava mitovy ny ahy koa
Inona no tombotsoa ilazainay dahy azo eto raha tsy marina :-*
16. ikaretsaka ( 27/01/2008 12:36)
na any madagasikara aza ange raha vao ao anaty tavoahangy ny rano dia lafo foana e
17. niryna ( 27/01/2008 19:08)
ikaretsaka:

na any madagasikara aza ange raha vao ao anaty tavoahangy ny rano dia lafo foana e

marina izany sady tena tsy mahazaka ny tsinain'ny tena na dia mba te hisotro ranovola mafy aza dia misotro ihany fa avy eo mivalana mipiriritra.:D

18. ikaretsaka ( 29/01/2008 19:23)
dia maninona raha mivalana mipiriritra.. zara aza mba madio ny kibo fa lasa tao aby ny maloto ko
19. niryna ( 30/01/2008 06:15)
ikaretsaka:

dia maninona raha mivalana mipiriritra.. zara aza mba madio ny kibo fa lasa tao aby ny maloto ko

hanadio kibo aza atao e.Makafy sakafo ry ika fa tsy mahazako ny tsinay a,lasa daholo izay sakafokely matsiro nohanina koa ,izany ve dia mba tiako.Tsy mila manao diet intsony k'ty.

20. Rasiligaoma ( 30/01/2008 06:43)
ka te hatavy s ate hahihy aloha izany olona izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2231